2015
Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo
Mey 2015


Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo

Anio sy ho mandrakizay, dia ho an’ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina ny famindrampon’ Andriamanitra.

Ny Alahadin’ny Paska no ankalazantsika ilay vanim-potoana be voninahitra indrindra sy nandrandraina fatratra tokoa teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.

Io andro io no nanova ny zava-drehetra.

Niova ny fiainako tamin’io andro io.

Niova ny fiainanao.

Niova avokoa ny hoavin’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Tamin’izany andro soa izany, ilay Mpamonjin’ny zanak’olombelona, izay nitondra teo aminy ny fatotry ny fahotana sy ny fahafatesana izay nambabo antsika, dia nanapaka ireo fatotra ireo ka nanafaka antsika.

Noho ny sorona nataon’ilay Mpanavotra malalantsika, dia tsy manana fanindronana ny fahafatesana, ary ny fasana dia tsy manana fandresena,1 Tsy manana fahefana maharitra i Satana, ary isika dia “[nateraka] … indray […] ho amin’ny fanantenana velona tamin’ny nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty.”2

Tena marina mihitsy ny an’ny Apôstôly Paoly raha nilaza izy fa isika dia afaka “mifampionona … amin’izany teny izany.”3

Famindrampon’ Andriamanitra

Mazàna isika no miresaka mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy—ary rariny loatra raha manao izany isika!

Araka ny tenin’i Jakôba hoe: “Fa nahoana no tsy hiresaka ny momba ny sorompanavotan’i Kristy, ka tsy ho takatra ny fahalalana tomombana ny Aminy?”4 Kanefa isika rehefa “miresaka an’i Kristy … mifaly amin’i Kristy, … mitory an’i Kristy, [ary] maminany ny amin’i Kristy”5 amin’ny fotoana rehetra ahafahana manao izany, dia tsy tokony ho hadinointsika velively ny fahatsapana fiderana sy fankasitrahana lalina noho ny sorompanavotana mandrakizain’ny Zanak’ Andriamanitra.

Tsy ho lasa toa zavatra mahazatra fotsiny eo amin’ny fampianarantsika, na eo amin’ny resaka ifanaovantsika, na ao am-pontsika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Tena masina izany, satria tamin’ny alalan’io “sorona lehibe sady farany” io no nitondran’i Jesoa Kristy “famonjena ho an’ireo rehetra izay hino ny anarany.”6

Talanjona aho mieritreritra fa nanaiky nidina ambany ny Zanak’Andriamanitra mba hamonjena antsika, isika izay tsy tonga lafatra, maloto, mpanao meloka, ary tsy mahay mankasitraka araka ny fanaontsika matetika. Niezaka ny hahatakatra ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy aho araka izay takatry ny saina keliko, ary ny hany fanazavana hitako dia ity: tena lalina sy tanteraka ary tsy manam-petra ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Tsy vitako na ny hanomboka akory aza haminavina ny “sakany sy lavany ary hahavony sy halalin’[ny] … fitiavan’i Kristy.”7

Ny fomba mahery vaika isehoan’izany fitiavana izany dia ilay matetika antsoin’ny soratra masina hoe famindrampon’ Andriamanitra—dia ilay fanampiana masina sy fanomezana hery izay ahafahantsika mivoatra avy amin’ilay olona tsy tanteraka sy manam-petra misy antsika amin’izao fotoana izao, ka ho tonga olona misandratra ao amin’ny “fahamarinana sy fahazavana, ambara-pahatonga [antsika] hankalazaina ao amin’ny fahamarinana sy hahafantatra ny zava-drehetra.”8

Tena zavatra mahatalanjona tokoa io famindrampon’ Andriamanitra io. Kanefa dia tsy takatra loatra izany matetika.9 Na izany aza dia tokony hahafantatra mikasika ny famindrampon’ Andriamanitra isika raha mieritreritra ny handova ireo zavatra izay nomanina ho antsika ao amin’ny fanjakany mandrakizay.

Noho izany antony izany, dia te hiresaka mikasika ny famindrampo aho. Indrindra fa ny fomba ahafahan’ny famindrampo manokatra ny vavahadin’ny lanitra, ary faharoa, ny fomba ahafahan’izany mamoha ny varavaran’ny lanitra.

Voalohany: Ny famindrampo no manokatra ny vavahadin’ny lanitra

Koa satria isika rehetra samy efa “nanota, ary tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra,”10 ary satria koa “tsy afaka miditra ny fanjakan’ Andriamanitra rehefa zavatra tsy madio”11 dia tsy mendrika ny hiverina eo anatrehan’ Andriamanitra isika tsirairay avy.

Na dia manompo an’ Andriamanitra amin’ny fanahintsika manontolo aza isika, dia tsy ampy izany, ary dia mbola ho “mpanompo tsy mahasoa”12 ihany isika. Tsy afaka mahazo ny lalantsika mankany an-danitra isika. Ny fitakian’ny fahamarinana no hijoro ho toy ny sakana izay tsy vitantsika ny mandresy azy amin’ny herin’ny tenantsika manokana.

Kanefa tsy very akory ny fanantenana.

Ny famindrampon’ Andriamanitra no fanantenana lehibe sy tsy manam-petra ho antsika.

Amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ahafahan’ny drafitry ny famindrampo hanefa ny fitakian’ny fahamarinana13 “ary mitondra fitaovana ho an’ny olona mba hahazoany manana finoana ho amin’ny fibebahana.”14

Ny fahotantsika, na dia tahaka ny jaky aza dia afaka ho tonga fotsy tahaka ny oram-panala.15 Satria ny Mpamonjy malalantsika dia “nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra,”16 dia atolotra antsika ny fidirana mankao amin’ny fanjakany mandrakizay.17

Misokatra ilay vavahady!

Saingy ny famindrampon’ Andriamanitra dia tsy hamerina antsika amin’ny toetra naha tsy manan-tsiny antsika teo aloha fotsiny. Raha toa ka midika hoe famafàna ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika fotsiny ny famonjena, dia tsy mahatanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ho antsika noho izany ny famonjena—na dia mahagaga aoka izany aza. Ambony lavitra kokoa noho izany ny tanjony: Tiany ho tonga tahaka Azy ireo zanany lahy sy zanany vavy.

Noho ny fanomezana ny famindrampon’ Andriamanitra, dia tsy mampihemotra ny lalan’ny maha-mpianatra; fa mampisondrotra.

Mitondra mankany amin’ny toerana avo izay tsy takatry ny saintsika izany! Mitondra mankany amin’ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialin’ny Raintsika any An-danitra, izay toerana handraisantsika “avy amin’ny fahafenoany sy avy amin’ny voninahiny”, miaraka amin’ireo olon-tiantsika.18 Antsika ny zava-drehetra, ary an’i Kristy isika.19 Eny tokoa, izay rehetra ananan’ny Ray dia homena antsika.20

Mba handovana io voninahitra io, dia mila zavatra mihoatra noho ny vavahady misokatra isika; tsy maintsy miditra eo amin’io vavahady io isika miaraka amin’ny faniriana marina ny hiova—fiovana lehibe tokoa ka faritan’ny soratra masina hoe “ateraka indray, eny, aterak’ Andriamanitra, ovaina avy amin’ilay toetra[ntsika araka izao tontolo izao] sy lavo, ho amin’ny toetry ny fahamarinana, rehefa navotan’ Andriamanitra ka tonga zanany lahy sy vavy.”21

Faharoa: Ny famindrampo dia mamoha ny varavaran’ny lanitra

Singa iray hafa ao amin’ny famindrampon’ Andriamanitra ny fanokafana ny varavaran’ny lanitra, izay ahafahan’ Andriamanitra mandrotsaka ireo fitahian’ny hery sy tanjaka, ka ahafahantsika manatontosa zavatra izay ho lavitra tsy azontsika takarina raha tsy izany. Amin’ny alalan’ny famindrampo mahagaga an’ Andriamanitra no ahafahan’ireo zanany manohitra ireo fakam-panahy mampidi-doza sy miafin’ilay mpamitaka, ary tsy manota intsony ka “[ho] tanteraka ao amin’i Kristy.”22

Na dia manana fahalemena avokoa aza isika rehetra, dia azontsika resena izy ireny. Eny, amin’ny alalan’ny famindrampon’ Andriamanitra dia tonga matanjaka ho antsika ny zavatra malemy, raha manetry tena sy manam-pinoana isika.23

Mandritra ny androm-piainantsika, dia manolotra fitahiana ara-nofo sy fanomezana ara-panahy ny famindrampon’ Andriamanitra, izay manitatra ny fahafahantsika manao zavatra sy manatsara ny fiainantsika. Manadio antsika ny famindrampony. Manampy antsika ho tonga ilay tsara indrindra vitantsika ny famindrampony.

Iza no afaka ho mendrika an’izany?

Hitantsika ao amin’ny Baiboly ny fitsidihan’i Kristy tao an-tranon’i Simona ilay Fariseo.

Avy ety ivelany, dia ohatran’ny olona tsara sy marina i Simona. Vitany tsara daholo ireo adidy sy andraikitra ara-pivavahana ananany: nitandrina ny lalàna izy, nandoa ny fahafolonkarenany, nanaja ny Sabata, nivavaka isan’andro, ary nandeha tany amin’ny sinagoga.

Kanefa rehefa niaraka tamin’i Simona i Jesoa, dia nisy vehivavy iray nanatona, ka nanasa ny tongotry ny Mpamonjy tamin’ny ranomasony, ary nanosotra menaka manitra tamin’ny tongony.

Tsy nahafaly an’i Simona io fanehoana fiderana io satria fantany fa mpanota io vehivavy io. Nieritreritra i Simona hoe raha tsy nahafantatra an’izany i Jesoa, dia tsy ho mpaminany izany mihitsy Izy fa raha tsy izany dia tsy ho navelany nikasika azy ilay vehivavy.

Nahafantatra ny eritreritr’i Simona i Jesoa, ka nitodika tany aminy sady nanontany hoe. “Nisy roa lahy nananan’ny mpampànana vola anankiray trosa … ny iray nananany denaria diman-jato, … ny iray kosa dimam-polo.

“Ary raha tsy nanan-kaloa izy roa lahy, dia samy navelany. Koa iza amin’ireo no tia azy indrindra?”

Namaly Simona hoe ilay namoizany be.

Avy eo i Jesoa dia nampianatra lesona lalina iray: “Hitanao va io vehivavy io? … Voavela ny helony be; fa be fitiavana izy: fa izay voavela tamin’ny kely dia kely fitiavana.”24

Iza amin’ireo olona roa ireo no mitovy kokoa amintsika?

Mitovy amin’i Simona ve isika? Moa ve isika mahatoky tena sy mahazo aina tsara amin’ny asa tsara vitantsika, ka mitoky amin’ny fahamarinantsika manokana? Moa ve isika mety ho somary tsy manam-paharetana amin’ireo izay tsy miaina mifanaraka amin’ny fitsipi-piainantsika? Moa ve isika manao zavatra am-pahazarana fotsiny, manao zavatra tsy amim-piheverana rehefa manatrika ireo fivoriantsika, manoaka fotsiny mandritra ny kilasin’ny Fotopampianaran’ny Filazantsara, ary angamba mijery ny findaintsika mandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo?

Sa ve isika mitovy amin’ity vehivavy ity, izay nieritreritra fa tena very sy tsy manam-panantenana intsony noho ny fahotany?

Moa ve isika be fitiavana?

Moa ve takatsika ny trosantsika amin’ny Ray any An-danitra ka mitalaho amin’ny fanahintsika iray manontolo ny famindrampon’ Andriamanitra?

Rehefa mandohalika mivavaka isika, moa ve izany mba hamerenana ireo zava-tsoa vitantsika noho ny fahamarinantsika manokana, sa moa ve izany ataontsika hibabohana ireo fahadisoantsika, ka hitalahoana ny famindrampon’ Andriamanitra, ary handrotsahana ranomasom-pankasitrahana noho ilay drafitra mahagagan’ny fanavotana?25

Tsy azo vidina amin’ny fankatoavana ny famonjena, fa tsy maintsy efaina amin’ny ran’ilay Zanak’ Andriamanitra.26 Ny fiheverana fa azontsika amin’ny alalan’ireo asa tsara ataontsika ny famonjena, dia mitovy amin’ny hoe mividy tapakila handehanana fiaramanidina ka avy eo dia mihevitra isika fa lasa fananantsika ilay kômpaniam-pitaterana. Na ny fieritreretana fa rehefa avy mandoa hofan-trano isika, dia lasa misoratra amin’ny anarantsika ny tany iray manontolo.

Inona ary no antony hankatoavana?

Raha fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny famindrampo, nahoana ary izany no zava-dehibe tokoa ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra? Nahoana no mbola misahirana amin’ireo didin’ Andriamanitra—na ny fibebahana, rehefa dinihana? Fa nahoana no tsy hoe miaiky fotsiny hoe mpanota, dia mamela an’ Andriamanitra hamonjy antsika?

Na, raha apetraka amin’ny alalan’ny tenin’i Paoly ilay fanontaniana manao hoe “Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny famindrampo?” Tsotra sady mazava ny valintenin’i Paoly: “Sanatria izany!”27

Ry rahalahy sy rahavavy, mankatò ireo didin’ Andriamanitra isika—noho ny fitiavantsika Azy!

Ny fiezahantsika hahatakatra ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampon’ Andriamanitra amin’ny fo sy ny saintsika manontolo, dia vao mainka manome antsika antony tokony hitiavana sy hankatoavana ny Ray any An-danitra amim-pahalemem-panahy sy fankasitrahana. Rehefa mandeha amin’ny lalan’ny maha-mpianatra isika, dia manadio antsika izany, sy mampivoatra antsika, ary manampy antsika hitovy bebe kokoa Aminy, ary mitondra antsika miverina ho eo anatrehany. “Ny fanahin’ny Tompo [Andriamanitsika]” no nahatonga izany “fiovana mahery vaika tao [amintsika izany], … ka tsy manana fironana hanao ratsy intsony [isika] fa ny hanao soa lalandava kosa.”28

Noho izany, ny fankatoavantsika an’ireo didin’ Andriamanitra dia ho lasa toy ny vokatry ny fitiavantsika sy fankasitrahantsika tsy misy fetra noho ny hatsaran’ Andriamanitra. Io endri-pitiavana sy fankasitrahana madio io no hampitambatra amin’ny fomba mahagaga ny zavatra ataontsika sy ny famindrampon’ Andriamanitra. Handravaka tsy an-kijanona ny eritreritsika ny hatsaram-panahy, ary hihamafy ny fahatokian-tenantsika eo anatrehan’ Andriamanitra.29

Ry rahalahy sy anabavy malala, tsy enta-mavesatra ny miaina ny filazantsara amim-pahatokiana. Fotoam-piomanana mitondra fifaliana izany—fiomanana handova ilay voninahitra lehiben’ny mandrakizay. Mikatsaka ny hankatò ny Raintsika any an-danitra isika satria ho lasa mora mandray kokoa an’ireo zava-panahy ny fanahintsika. Hisokatra ireo sehatra izay tsy mbola fantatsika hatrizay. Fanazavana sy fahatakarana no ho tonga amintsika rehefa manao ny sitrapon’ny Ray isika.30

Fanomezan’ Andriamanitra ny famindrampo, ary ny faniriantsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra tsirairay no mampiseho an’ Andriamanitra fa te handray an’io fanomezana masina avy amin’ny Ray any an-danitra io isika.

Ireo zavatra rehetra azontsika atao

Nandray anjara betsaka ny mpaminany Nefia mba hahatakarantsika ny famindrampon’ Andriamanitra raha nilaza izy hoe: “Miasa araka ny zotom-po isika … mba handresy lahatra ny zanatsika, ary koa ny rahalahintsika mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra; satria fantatsika fa noho ny famindrampony no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.31

Na izany aza, dia manontany tena aho indraindray sao diso ny fandraisantsika ny teny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.” Tsy maintsy tokony ho takatsika fa ny hoe “rehefa” dia tsy mitovy amin’ny hoe “noho.”

Tsy voavonjy isika “noho” ireo zavatra rehetra azontsika atao. Moa ve isika rehetra samy nahavita ny zavatra rehetra izay azontsika natao? Moa ve Andriamanitra miandry antsika hahavita ny ezaka rehetra alohan’ny hidirany an-tsehatra eo amin’ny fiainantsika miaraka amin’ny famindrampony mahavonjy?

Maro ny olona no kivy satria tsy mahomby foana izy ireo. Fantatr’izy ireo tsara mihitsy fa “mety ihany ny fanahy fa ny nofo no tsy manan-kery.”32 Miara-manandra-peo amin’i Nefia izy ireo ary miteny hoe: “Mitoloko ny foko noho ny fahotako.”33

Tena azoko antoka fa fantatr’i Nefia fa ny famindrampon’ny Mpamonjy no mamela antsika sy ahafahantsika mandresy ny fahotana.34 Izany no antony nahatonga an’i Nefia niasa mafy mba handresy lahatra ireo zanany sy rahalahiny “mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’ Andriamanitra.”35

Rehefa dinihina tokoa dia, izany no azontsika atao! Ary izany no adidintsika eto amin’ny fiainana an-tany!

Natao ho an’ny rehetra ny famindrampo

Rehefa mieritreritra ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika aho, fotoana fohy talohan’io Alahadin’ny Paska voalohany io, dia te hanandratra ny feoko sy hihiaka fiderana ho an’Ilay Andriamanitra Avo indrindra sy ho an’ny Zanany Jesoa Kristy!

Nivoha ny vavahadin’ny lanitra!

Nivoha ny varavaran’ny lanitra!

Anio sy ho mandrakizay, dia ho an’ireo rehetra izay manana fo torotoro sy fanahy manenina ny famindrampon’ Andriamanitra.36 I Jesoa Kristy no nanazava ny lalana ahafahantsika manatratra ny fivoarana izay tsy hain’ny sain’olombelona takarina.37

Mivavaka aho mba hahitantsika ny maha-zava-dehibe ny sorompanavotana mandrakizain’ny Mpamonjy amin’ny maso sy fo vaovao. Mivavaka aho mba hasehontsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ny fankasitrahantsika ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampon’ Andriamanitra tsy manam-petra amin’ny fitandremana ireo didiny ary hifaly amin’ny “[f]andeha[nana] amin’[ilay] fiainam-baovao.”38 Amin’ny anarana masin’ny Mpampianatra sy Mpanavotra antsika, dia i Jesoa Kristy, amena.