2015
Mampatanjaka ny finoana amin’ireo horonantsary momba ny baiboly
Mey 2015


Mampahatanjaka ny finoana amin’ireo horonantsary momba ny baiboly

Afaka manampy amin’ny fampatanjahana ny finoana an’i Jesoa Kristy ianareo amin’ity taona ity—ny finoanareo sy ny an’ny hafa—amin’ny alalan’ny fijerena sy fizarana ny The Life of Jesus Christ Bible Videos ao amin’ny BibleVideos.org sy ao amin’ny application Bible Videos.

Atolotra maimaimpoana ireo fiangonana hafa ireny loharanom-pitaovana mampiorina ny finoana ireny ao anatin’ny ezaka atao mba hizara ny hafatry ny Mpamonjy amin’ny faritra midadasika araka izay azo atao manerana izao tontolo izao, mba hanampiana ireo mpijery hahatsapa ny fitiavany sy hitaomana azy ireo mba haniry ny ho toa Azy bebe kokoa.

Amin’ireo horonantsary 92 momba ny baiboly izay novokarin’ny Fiangonana tato anatin’ny telo taona lasa izay dia mihoatra ny antsasany no nadika avy tamin’ny teny anglisy ho amin’ny teny Espaniôla, Pôrtogey, Italiana, Frantsay, Rosiana, Alemana, Kôreana, Japôney ary Sinoa.