2015
Loholona Vern P. Stanfill
Mey 2015


Loholona Vern P. Stanfill

Kôlejy voalohany ao amin’ny Fitopololahy

Mino ny Loholona Vern P. Stanfill fa tsy misy izany kisendrasendra izany. Mino izy fa eto amin’ity fiainana ity dia misy antony ny fifanenan’ny olona ary afaka manentana ny fanahin’ny zanany ny Tompo mba ho fitahiana ho an’ny hafa.

Tia manompo ny hafa ao amin’ny filazantsara ny Loholona Vern P. Stanfill, indrindra ny fiasana miaraka amin’ny olona tsirairay.

Ny Loholona Stanfill dia teraka tamin’ny 8 aogositra 1957, zanak’i Jed sy Peggy Stanfill, ary nihalehibe tao amin’ny toerana fiompiana biby teo akaikin’i Townsend, Montana. Nianatra ny lanjan’ny asa mafy sy nikolokolo fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy Jesoa Kristy izy. Fahatelo tamin’ny zanaka efatra ny Loholona Stanfill, manana zoky lahy roa izy ary zandry vavy iray izay nanompo tamim-pahatokiana tato amin’ny Fiangonana.

“Eo amin’ny fiainantsika ny tanan’ny Tompo na dia eo aza ny fahalementsika,” hoy izy. “Tsy olona tonga lafatra izaho sy ny vadiko. Tsy manana fianakaviana lavorary izahay. Olona tsotra izay niezaka ny niaina ny fiainanay andavanandro izahay ary mamela ny Tompo ho ao anatin’izany.”

Rehefa avy nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tany Toulouse, France izy dia nianatra mba hahazo mari-pahaizana momba ny toekarena eo amin’ny lafin’ny fambolena tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, ary nifanena tamin’i Alicia Cox dia nanambady azy. Nivady tamin’ny 17 desambra 1980 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo.

Nifindra indray tany Montana ny fianakaviana Stanfill rehefa vita ny fianarany ka afaka nanampy tamin’ny fitantanana ny toeram-piompian’ny fianakaviana izy, nanao asa fandraharahana niompana tamin’ny biby fiompy sy vilona ary voa. Namidiny ilay orinasa tamin’ny 1998 ary nanomboka nitantana ny antontan-taratasy momba ny fanelanelanana amin’ny fivarotana sy fampanofana trano sy tany ary ireo mikasika ny fitantanam-bola izy, teo ihany koa ny firotsahana tamin’ny fanaovana asa soa sy fikarakarana ny trano sy tany azy manokana.

Lasa mpitondra fiaramanidina hanaovana asa aman-draharaha sy hialana voly ny Loholona Stanfill ka sady manana fahazoan-dalana hitondra fiaramanidina sy helikaopitera izay ampiasaina amin’ny raharaha ara-barotra.

Ankoatra ny fanabeazana zanakavavy efatra niaraka tamin’ny vadiny dia nanana fahafahana hanompo tao amin’ny Fiangonana ihany koa ny Loholona Stanfill tamin’ny naha-filohan’ny kôlejin’ny loholona, eveka, mpanolotsaina avo, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny vondrom-paritra azy. Nanompo tao amin’ny Kôlejy fahaenina tao amin’ny Fitopololahy izy tamin’ny fotoana niantsoana azy ho ao amin’ny Kôlejy voalohany.