2015
LDS.org mora ampiasaina kokoa
Mey 2015


LDS.org mora ampiasaina kokoa

Ny LDS.org dia hahazo firafitra vaovao ho an’ny zavatra aroso sy fitsidihana notsorina sy natao mahomby kokoa amin’ity volana mey ity, izay fampivoarana farany indrindra mitohy ataon’ny Fiangonana mba hanaovana ny tranonkala ôfisialiny ho miavaka sy mora ampiasaina kokoa.

Nanambatra ireo hevitra avy amin’ny mpampiasa izany nandritra ny taona maro ireo mpanamboatra sy mpamorona ny tranonkala mba hamoronana zavatra aroso izay mora ampiasaina kokoa. Ny fanandramana natao dia nampiseho fa manamora lavitra kokoa ny fahitana ny zavatra tadiavina sy ireo loharanom-pitaovana ilay fomba fitsidihana vaovao.

Misy horonantsary fanoroana nyLDS.org natolotra ihany koa, mba hanampiana ny mpikambana ho zatra amin’ilay fandaminana vaovao.