2015
Ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny miisa 110
Mey 2015


Ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny miisa 110

Nadika tamin’ny fiteny miisa 110 ankehitriny ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ny famoahana izany tamin’ny fiteny Kôsraeana tsy ela akory izay. Nosy iray ao amin’ny Fanjakana iombonan’i Mikrônezia i Kosrae.

Ho azo ampiasaina amin’ny volana jolay 2015 ireo Bokin’i Môrmôna izay natonta tamin’ny teny Kôsraena. Efa azo nalaina tamin’ny endriny numérique tao amin’ny LDS.org sy tao amin’ny Gospel Library ary tao amin’ireo applications mobiles ho an’ny Bokin’i Môrmôna izany tamin’ny volana martsa. Ankehitriny ny Fiangonana dia mamoaka ireo soratra masina amin’ny endriny numérique amin’ny fotoana izay andefasana ireo lahatsoratra ho an’ny boky any amin’ny mpanonta printy. Mahatonga ny soratra masina vao nadika ho azon’ny mpikambana ampiasaina mialoha kokoa izany.

Hambara ato anatin’ny roa taona manaraka ireo dikanteny maro vaovaon’ny soratra masina. Havoaka mitokana ny 2015 ny dikanteny telo vaovaon’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo dikanteny dimy fanampiny ho an’ny triptika (ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy izay havoaka ao anatin’ny edisiôna iray). Hampahafantarina ireo mpikambana miteny ireo fiteny ireo rehefa mivoaka amin’ny endriny numérique izany.