2015
Douglas D. Holmes
Mey 2015


Douglas D. Holmes

Mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany

“Manana fahafahana lehibe kokoa amin’ny fankatoavana ity taranaka ity noho izay taranaka teo aloha. Heveriko fa anisan’ny fandaharam-potoana sy fanomanan’ny Tompo ho amin’ny andro izay iainantsika izany,” hoy Rahalahy Douglas D. Holmes izay notohanana tamin’ny 4 aprily 2015 ho mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany.

Teraka tamin’ny 27 febroary 1961 tao Salt Lake City, Utah Rahalahy Holmes, zanak’i Dee W. sy Melba Howell Holmes izy, ary lehibe tao Cottonwood Heights, Utah.

Rehefa avy nanompo tao amin’ny misiônan’i Scotland Glasgow izy tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 1982 dia nahazo ny licence en science de la famille avy tao amin’ny Onivesiten’i Brigham Young tamin’ny 1986 ary nanohy fianarana mba hahazoana maîtrise en administration d’entreprise tao amin’ny oniversiten’i Marriott School of Management.

Taorian’ny fahavitany ny fianarana dia mpanome hevitra ara-pitantanana nandritra ny telo taona izy ary nahita fahombiazana arak’asa tany amin’ny orinasa mikasika ny télécommunication, ka lasa tale lefitra mpanatanteraka mikasika ny paikady sy ny fampandrosoana ny orinasa tao amin’ny vondron’orinasa Media One izy. Niasa tena mikasika ny fametraham-bola ampiasaina sy ny fanelanelanana amin’ny fivarotana na fampanofana trano na tany izy nanomboka tamin’ny taona 2000 ka hatramin’ny niantsoana azy ho filohan’ny misiôna tamin’ny 2010 ary niverina tamin’izany indray nanomboka tamin’ny taona 2013.

Nandany ny ankamaroan’ny fotoany sy ny talentany tamin’ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa izy ka nanompo tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny United Way tao amin’ny fivondronana Davis, Utah; Parents for Choice in Education; ny Safe Harbor Women’s Shelter ao amin’ny fivondronana Davis; ary ny Academy for Creating Enterprise.

Efa mpitarika ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy, filohan’ny Zatovolahy ao amin’ny paroasy, eveka izy ary vao haingana dia mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka. Niahy ny misiônan’i Michigan Detroit izy tamin’ny 2010 ka hatramin’ny 2013.

Nanambady an’i Erin Sue Toone izy tamin’ny 22 jona 1985 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake. Manan-janaka enina izy ireo.

“Nahita ny herin’ny teny teo amin’ny fiainanay izahay, na ny tenin’ireo mpaminany izany na ny tenin’ny soratra masina na ireo bitsiky ny Fanahy Masina,” hoy ny Rahalahy Holmes.