2015
Mpitarika vaovao notohanana
Mey 2015


Mpitarika vaovao notohanana

Notohanana nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana ny Manampahefana Ambony vaovao miisa dimy mba hanompo ao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy. Izy ireo dia ny Loholona Kim B. Clark, ny Loholona Allen D. Haynie, ny Loholona Von G. Keetch, ny Loholona Hugo Montoya, ary ny Loholona Vern P. Stanfill.

Notohanana ihany koa ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany vaovao. I Stephen W. Owen no ho filoha; i Douglas D. Holmes, mpanolotsaina voalohany; ary M. Joseph Brough, mpanolotsaina faharoa.

Notohanana ihany koa ny mpanolotsaina iray vaovao ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany. Nantsoina hanompo ho mpanolotsaina faharoa i Mary R. Durham. Hanohy hanompo amin’ny maha-filoha azy i Rosemary M. Wixom ary hanompo amin’ny maha-mpanolotsaina voalohany azy ankehitriny i Cheryl A. Esplin, izay nanompo tamin’ny naha-mpanolotsaina faharoa azy teo aloha.

Hita ao amin’ny pejy 140–144 ny tantaram-piainan’ireo mpitarika vao nantsoina.