2015
Loholona Hugo Montoya
Mey 2015


Loholona Hugo Montoya

Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy

Hita tokoa fa tena tohina ny fon’ny Loholona Hugo Montoya rehefa nantsoina ho ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy izy. Nahazo fampaherezana izy tamin’ny teny malefaka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fivoriana fanofanana an’ireo Manampahefana Ambony vaovao nanao hoe: “Eto ianareo satria tianareo ny Mpamonjy.” Nahatsapa ho nahazo hery ny Loholona Montoya rehefa nahafantatra fa nametraka azy hanao ny asan’ny Tompo ny antsony vaovao.

“Tiako ny Mpamonjy ary handeha any amin’izay rehetra hanirahana ahy aho,” hoy izy. “Hataoko izay rehetra asaina ataoko.” Notohanana nandritra ny fivoriana sabotsy tolakandron’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fanao isan-taona faha 185 ny Loholona Montoya.

Nahazo tanjaka avy amin’ny lovan’ny finoan’ny fianakaviany ihany koa ny Loholona Montoya. Olona manan-danja teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana tany Mexique i Rafael Monroy izay rain’ny raibeny. Nosamborin’ny andian’olona mpanakorontana nandritra ny Révolution Mexicaine ny Rahalahy Monroy sy ny mpikambana namana iray, dia i Vincente Morales tamin’ny 1915. Samy nilazana ireo lehilahy roa ireo fa raha mandà ny finoany izy ireo, ankoatra ireo zavatra hafa nangatahina tamin’izy ireo, dia havotsotra.

Nandà izy roalahy ka notifirin’ny miaramila iray tokoa ho faty.

Nilaza ny Loholona Montoya fa mijanona no ohatra mahery vaika eo amin’ny fiainany ny ohatra nasehon’ny rain’ny raibeny. “Nianatra aho fa ny fahatsapana tahotra dia azo resena amin’ny alalan’ny fahatsapana finoana sy fijoroana ho vavolombelona rehefa fantatrao fa manao ny marina ianao.”

Teraka tamin’ny 2 aprily 1960 tao Fresno, Californie ny Loholona Montoya, zanak’i Abel Montoya sy Maclovia Monroy. Tao Mexique izy no nipetraka nandritra ny ankamaroan’ny androm-piainany.

Nanambady an’i Maria del Carmen Balvastro tany Hermosillo izy; nofehezina tao amin’ny tempolin’i Mesa Arizona izy ireo tamin’ny 6 aprily 1983. Manan-janaka dimy izy ireo.

Taorian’ny naha-misiônera amin’ny fotoana feno azy tao amin’ny misiônan’i Mexico City Avaratra izy tamin’ny 1979 ka hatramin’ny 1981 dia filohan’ny zatovolahy tao amin’ny paroasy izy, dia lasa mpanolotsaina avo, eveka, filohan’ny tsatòka, mpanamarim-bola tao amin’ny vondrom-paritra, ary Fitopololahin’ny vondrom-paritra.

Nahavita fianarana avy tao amin’ny Oniversiten’i Sonora State izy tamin’ny 1986 ka nahazo mari-pahaizana injeniera amin’ny fambolena sy niasa tamin’ny toeram-pitantanana maro tao amin’ny Xerox ary mpampianatra institiota tato amin’ny Fiangonana.