2015
Ny Filoha Eyring tany amin’ny fihaonana an-tampon’i Vatican
Mey 2015


Ny Filoha Eyring tany amin’ny fihaonana an-tampon’i Vatican

Nangataka ny “fihavaozan’ny fanambadiana sambatra” ny Filoha Henry B. Eyring nandritra ny fihaonana an-tampony maneran-tany itambaran’ny antokom-pinoana samihafa natao tao amin’ny Tanànan’i Vatican izay nampiantranoan’ny Fiangonana Katôlika tamin’ny 18 nôvambra 2014. Nampivondrona ireo mpitondra fivavahana avy amin’ny finoana 14 sy firenena 23 ilay hetsika izay nitondra ny lohateny hoe: “Ny fifamenoan’ny lehilahy sy ny vehivavy.”

Nilaza ny Filoha Eyring hoe: “Manana hery mahatalanjona mba hamoronana fahasambarana ho an’ny tenany sy ho an’ny fianakaviany ary ho an’ireo olona manodidina azy ireo ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray izay miray hina ao anatin’ny fanambadiana.”