2015
Maneho ny asa fanompoana ho zava-dehibe ireo tranonkala
Mey 2015


Maneho ny asa fanompoana ho zava-dehibe ireo tranonkala

Inona no ataon’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hanatsarana ny fiarahamonina izay onenan’izy ireo? Fantaro izany ao amin’ny MormonNewsroom.org. Ireto misy ohatra vitsivitsy avy amin’ireo lahatsoratra navoaka vao haingana tao amin’ireo tranonkala maneran-tanin’ny Vaovam-piangonana.

Nouvelle Zélande sy Vanuatu

Rehefa namely an’i Vanuatu izay firenena eo amin’ny nosy Pasifika kely iray ny rivo-doza Pam dia niara-niasa ireo Olomasin’ny Andro Farany tany Auckland, Nouvelle Zélande—niaraka tamin’ny fanampiana avy tamin’ireo Sampan-draharahan’ny Fiangonana misahana ny fanampiana olona—mba hanampy ireo izay nanjadian’ny faharavana nataon’ilay tafio-drivotra. Nofenoin’izy ireo sakafo ny baoritra 2 000 mba hanampiana ny maro indrindra araka izay tratra tamin’ireo vahoaka niharam-boina. Ny fitoeran-javatra tsirairay dia nofenoina lafarinina, vary, voankazo am-bifotsy, tsaramaso, toto-kena am-bifotsy, trondro, biscuit, voaloboka, paty, sôkôlà vovo-dronono, ary fitaovana famahana sakafo am-bifotsy. Azo ampiasaina hanaovana zavatra hafa ihany koa ireo fitoeran-javatra ireo, toy ny fitaterana rano.

Repoblika Dôminikana sy Kanada

Nivondrona tamin’ny fankalazana ny andron’ny vehivavy maneran-tany, izay hetsika notohanan’ireo Firenena Mikambana, ny vehivavy Olomasin’ny Andro Farany tany amin’ny Repoblika Dôminikana sy Kanada. Vehivavy mihoatra ny 1200 no nivondrona tao amin’ireo trano fiangonana tany amin’ny faritra maro tao amin’ny Repoblika Dôminikana mba hanehoana fanajana ireo vehivavy noho ny anjara biriky maro entin’izy ireo eo amin’izao tontolo izao. Nandray anjara tamin’ilay hetsika izay nahitana fandaharam-potoana nisy hira sy kabary ireo mpitondra fivavahana sy mpitondra fanjakana ary miaramila. Nanamarika izany andro izany tamin’ny fizarana fampahalalana momba ny Fikambanana Ifanampiana ihany koa ireo vehivavy Olomasin’ny Andro Farany tany Kanada, ka nilaza fa “fitaovana goavana amin’ny asa fanompoana maneran-tany” izany.

Royaume Uni

Ny hanjaitra akanjo 100 ho an’ireo ankizy sahirana any Afrika no tanjon’izy ireo tany am-piandohana, kanefa rehefa vita ny asan’izy ireo dia nahavita akanjo mihoatra ny 230 ireo vehivavy tao amin’ny Paroasin’i Coventry tany Angletera. Mora ny manamboatra ireo akanjo tsotra izay vita tamin’ny fonon’ondana. Afaka namita telo tamin’izany ny rahavavy iray izay tsy mbola nanjaitra na oviana na oviana teo aloha.

Arkansas, Etazonia

Olona mihoatra ny 600 no nanatrika ny fampaherezam-panahy nitambaran’ireo antokom-pinoana samihafa niompana tamin’ny lohahevitra mikasika ny zom-pahafahana hisafidy ny finoana izay nampiantranoin’ny Tsatòkan’i Little Rock Arkansas, ka tao anatin’izany ireo solontena avy amin’ny vondrona Katôlika sy Metôdista ary Silamo ary ireo mpanao fandaharana ara-pilazantsara amin’ny onjam-peo. Ilay hetsika iraisam-pinoana koa dia nahitana hafatra tamin’ny horonantsary avy tamin’ny governora lefitra teo amin’ny firenena sy vavaka famaranana nataon’ny senatera iray teo amin’ny firenena, izay samy Batista avokoa. Nilaza ireo mpikarakara fa nanorina “fifandraisana ho amin’ny fahatakarana” ilay hetsika.