2015
Mary R. Dunham
Mey 2015


Mary R. Durham

Mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

Rehefa nampifandanja ireo zavatra takin’ny fiainana ao an-tokantrano, ny antso ao am-piangonana, ny asa ary ireo andraikitra hafa nandritra ny fiainany tao anatin’ny fanambadiana i Mary Richards Durham dia nahatsikaritra izy fa nilamina avokoa ny zavatra rehetra rehefa nametraka ny Tompo ho voalohany izy sy ny vadiny. “Zavatra mamy izany. Rehefa matoky ianao dia mitahy anao ny Tompo,” hoy izy.

Lohahevitra izay hitany niverimberina imbetsaka izany. Nantsoina ho filohan’ny zatovovavy tao amin’ny paroasy izy raha nanompo tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka ny vadiny. Taty aoriana dia niara-nanompo izy ireo rehefa niahy ny misiônan’i Tokyo Japon ny vadiny tamin’ny 2000 ka hatramin’ny 2003. Ankehitriny dia hanompo amin’ny maha-mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany azy izy raha manomboka ny asa fanompoany amin’ny maha-Fitopololahin’ny vondrom-paritra azy kosa ny vadiny.

“Mora kokoa ny zavatra rehetra rehefa miara-mitondra zioga miaraka amin’ny Tompo isika,” hoy izy.

Teraka tamin’ny 15 martsa 1954 tao Portsmouth, Virginia i Mary Lucille Richards, zanak’i L. Stephen Richards Jr. sy Annette Richards. Nifindra tany Minneapolis, Minnesota ny fianakaviany rehefa nanohy fianarana mba hahazoana ny mari-pahaizany amin’ny fitsaboana ny rainy mialoha ny nipetrahan’izy ireo tao Salt Lake City, Utah.

Nanjary fantany fa marina ny filazantsara rehefa nokolokoloina tamin’ny alalan’ny finoana sy ny fitiavan’ireo ray aman-dreniny sy ny fianakaviana lehibe iray izy. “Traikefa mahafinaritra ny niaina ny filazantsara. Tsy nananosarotra izany. Nahafinaritra izany,” hoy ny Rahavavy Durham.

Fony izy zatovovavy dia nahazo fahatsapana mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahitana zatovolahy mendrika iray mba ho vady izy ary nataony tao anatin’ny vavaka isan’andro sy fifadian-kanina isan-kerinandro izany. Rehefa nahavita ny fianarana tao amin’ny lycée izy dia nahazo vatsim-pianarana hianarana ny taranja dihy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young ka nifanena tamin’i Mark Durham, izay nianatra tao amin’ny Oniversiten’i Utah. “Fantatro avy hatrany ny hatsaran-toetrany,” hoy izy.

Nivady tamin’ny volana jona 1974 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy roa. Manan-janaka fito izy ireo.

Ny Rahavavy Durham dia efa filohan’ny Fikambanana Ifanampiana teo amin’ny tsatòka, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana tao amin’ny paroasy, mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara, filohan’ny zatovovavy tao amin’ny paroasy ary ny vao haingana indrindra dia mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Kilonga maneran-tany.