2015
M. Joseph Brough
Mey 2015


M. Joseph Brough

Mpanolotsaina faharoa ao amin’ ny fiadidian’ ny Zatovolahy maneran-tany

Nandritra ireo telo taona nanompoan’i M. Joseph Brough tamin’ny naha-filohan’ny misiônan’i Guatemala City Central Guatemala azy (tamin’ny 2011 ka hatramin’ny 2014), dia sady namoy ny rainy izy no namoy ny rafozandahiny.

Na dia afaka niverina namonjy ireo fandevenana tany Etazonia aza ny vadiny dia nisafidy ny hijanona tany Guatemala izy mivady tamin’ireo fotoana roa ireo ka nanohy ny asa fitoriana nataon’izy ireo. “Fantatray fa tsara ho anay ny nijanona ka niasa tsara araka izay vitanay” hoy Rahalahy Brough, izay nantsoina tamin’ny 4 aprily 2015 ho mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany. “Izany indrindra no nandrasan’ny rainy sy ny raiko taminay.”

Teraka tao Salt Lake City, Utah tamin’ny 11 desambra 1963 Rahalahy Brough, zanak’i Monte J. sy Ada B. Brough. Nandany ny fahatanorany tao Farmington, Utah, sy tao Robertson, Wyoming izy. Nifindra tany Minnesota ilay fianakaviana rehefa nantsoina ho filohan’ny misiôna ny rain’i Joseph, izay nanompo tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Fitopololahy taty aoriana. Tao amin’ny taona famaranana i Joseph rehefa nahatontosa ny asa fanompoany tamin’ny naha-filohan’ny misiôna azy ny rainy. Tsy niverina tany amin’ny lycée i Joseph fa nanao fanadinana mitovy amin’ny any amin’ny lycée izy ka niditra mivantana tao amin’ny Oniversiten’i Weber State tao Ogden, Utah.

Nisisika mafy anefa ny ray aman-dreniny mba hahavitany fianarana seminera miaraka amin’ny mari-pahaizana mandritra ny efa-taona. Tamin’izy nianatra seminera tao amin’ny Davis High School no nifanenany tamin’i Emily Jane Thompson, ilay ho vadiny taty aoriana. Nivady tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo tamin’ny 25 aprily 1985; manan-janaka efatra izy ireo.

Nanompo tao amin’ny misiônan’i Quetzaltenango Guatemala ny Loholona Brough talohan’ny nivadian’izy roa. Ny filohan’ny misiônany, i Jorge H. Perez, hoy izy no lasa “lehilahy tena nanova ny fiainany.”

Nahazo licence en finance sy maîtrise en administration d’entreprise avy tamin’ny Oniversiten’i Utah izy, ilay mpanorina sy tompon’ny Rotational Molding of Utah. Efa eveka sy filohan’ny Zatovolahy ao amin’ny paroasy ary mpanolotsaina avo izy tato amin’ny Fiangonana.