2015
Loholona Kim B. Clark
Mey 2015


Loholona Kim B. Clark

Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy

Ny fianarana nandritra ny androm-piainana—amin’ny maha-mpianatra sy mpampianatra—dia hanampy ny Loholona Kim Bryce Clark amin’ny asa vaovao ampanaovina azy ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy. Ny Loholona Clark izay notohanana tamin’ny 4 aprily 2015, dia hanomboka ny asa fanompoany herinandro vitsy monja aorian’ny fanatontosany ny asa nampanaoviana azy amin’ny maha-filohan’ny Oniversiten’i Brigham Young–Idaho azy.

“Nanomboka nianatra aho hatramin’ny fahadimy taonako,” hoy ny nambaran’ilay Fitopololahy vao nantsoina. “Tiako ny mianatra sy mampianatra.”

Teraka tao Salt Lake City, Utah izy tamin’ny 20 martsa 1949, zanak’i Merlin sy Helen Mar Clark, zokiny indrindra amin’ny zanaka telo. Nandany ny fahazazany tao Salt Lake City izy hatramin’ny faha 11 taonany izay fotoana naneken’ny rainy asa iray tany Spokane, Washington.

Na dia nanao drafitra ny hianatra tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young ao Provo, Utah aza izy rehefa tao amin’ny kilasy fanombohana ny lycée dia nahatsapa fa mila mijery ireo safidy hafa izy ka nanapa-kevitra ny hisoratra anarana tao amin’ny Oniversiten’i Harvard any Massachusetts—toerana iray izay nanjary ho fonenany nandritra ny telopolo taona mahery taty aoriana.

Nanompo tany amin’ny misiônan’i Alemana Atsimo ny Loholona Clark tamin’ny 1968 ka hatramin’ny 1970 taorian’ny taom-pianarana voalohany tao Harvard. Nianatra tao BYU izy rehefa niverina, ary fotoana fohy taorian’izay dia nihaona tamin’i Sue Lorraine Hunt tao amin’ny paroasiny izy tany. Natao mariazy izy ireo volana vitsy taorian’izay tamin’ny 14 jona 1971. Manan-janaka fito izy ireo.

Raha vao vita ny fanambadian’izy ireo dia nifindra tany amin’ny faritr’i Boston, Massachusetts izy mivady, ka nisoratra anarana tao Harvard indray ny Loholona Clark. Tao izy no nahazo licence, maîtrise, ary doctorat—samy momba ny toekarena avokoa. Lasa mpikambana tao amin’ny sekoly ambony tao amin’ny Harvard Business School ny Loholona Clark tamin’ny 1978 ary nantsoina ho filohan’ny sekoly taty aoriana tamin’ny 1995. Nantsoina ho filohan’ny BYU–Idaho izy tamin’ny 2005, ka nanompo nandritra ny folo taona latsaka tao izy.

Ny Loholona Clark dia efa filohan’ny kôlejin’ny loholona, mpitantsoratra mpanampy, mpanolotsaina ny eveka, mpanolotsaina avo, mpanolotsaina ny filohan’ny misiôna tao amin’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny vondrom-paritra.