2015
Fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony
Mey 2015


Fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Handahateny mandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony ny Loholona Lynn G. Robbins ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny alahady 3 mey 2015, amin’ny 6:00 ora hariva, ora Mountain Daylight Time. Faharoa amin’ireo fampaherezam-panahy telo kasaina hatao ny taona 2015 ilay fampitana mivantana.

Asaina avokoa ireo tanora rehetra (18–30 taona) sy ireo mpianatra nahavita fianarana tany aminʼny sekoly ambaratonga faharoa (lycée) na izay mitovy aminʼizany mba handray anjara. Hampitaina amin’ny alalan’ny tambazotran’ny zanabolan’ny Fiangonana sy ny Internet ary ireo haino aman-jery hafa ilay fampitana. Hita ao amin’ny devotionals.lds.org koa ireo fitaovana fanampiny araka ireo fampaherezam-panahy.