2015
[Fahamarinana,] fitiavana, famindrampo, no tafaraka soa
Mey 2015


[Fahamarinana,] fitiavana, famindrampo, no tafaraka soa

Nijaly sy maty ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy mba hahafahany mampakatra antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Ny mpirahalahy—Jimmy, 14 taona sy i John, 19 taona (na dia tsy tena izay aza no anaran’izy ireo)—dia nanandrana nihanika ny rindrin’ny cañon mijidina iray, tsy nisy tady fiarovana amin’ny loza na fatorana mipetaka amin’ny vatana, na karazana fitaovana entina mihanika haram-bato, tao amin’ny valan-javaboahary tao Snow Canyon State, tao amin’ny faritra atsimon’i Utah, izay toerana nahalehibe ahy. Rehefa akaiky ho tonga teny amin’ny faratampony izy ireo tamin’ny fihanihana mazana be izay nataony dia nahita fa nisy vato nisolampy teo amin’ny lalany, izay tsy namela azy ireo hamita ireo metatra vitsivitsy farany tamin’ny fiakarana. Tsy afaka niakatra tao ambonin’ilay vato misolampy izy ireo, kanefa izao dia tsy afaka nidina ilay rindrim-bato ihany koa. Nihitsoka teo izy ireo. Rehefa avy nampiasa tetika tamim-pisainana tsara i John dia nahita toerana ampy asiana ny tongony mba hanosehana ny zandriny lahy ho any amin’ny toerana azo antoka tao ambonin’ilay vato misolampy. Saingy tsy nisy fomba hampiakarany ny tenany. Arakaraka ny nikirizany mafy nitady zavatra hamikirana na hametrahana ny tongony no nampivonkona ny hozany. Nanomboka nameno azy ny tahotra ary nanomboka natahotra ny hamoy ny ainy izy.

Noho i John tsy afaka niaritra ela intsony dia nanapa-kevitra izy fa ny hany safidy azony natao dia ny niezaka nitsambikina niakatra mba hiezaka ny hamikitra amin’ny tampon’ilay vato misolampy izay nandondona. Raha mahomby izy dia mety hahatosika ny tenany ho amin’ny toerana azo antoka amin’ny alalan’ny tanjaka lehiben’ny sandriny.

Hoy izy tamin’ny teniny manokana hoe:

“Talohan’ny nitsambikinako dia noteneniko i Jimmy mba handeha hitady tahon-kazo matanjaka tsara mba hatsotra midina tany amiko, na dia fantatro aza fa tsy nisy na inona na inona toy izany teo amin’io tendro vatovatoina io. Fomba iray hamitahako azy noho ny fahakiviako fotsiny ihany io. Raha tsy mahomby ny fitsambikinako dia farafaharatsiny aho mba afaka manao izay tsy hahitan’ny zandriko lahy ahy hianjera ka ho faty.

“Rehefa avy nanome azy fotoana ampy hidifiana aho dia nanao ny fara-vavako—hoe tiako ho fantatry ny fianakaviako fa tiako izy ireo ary afaka ny ho tonga any an-trano soa aman-tsara samirery i Jimmy—dia nitsambikina amin’izay aho. Nahatosika mafy tsara aho ka dia afaka nampitsotra ny tanako teo ambonin’ilay vato misolampy efa ho hatreo amin’ny kihoko ilay fitsambikina. Saingy rehefa nitehaka teo an-tampon’ilay vato ny tanako dia tsy nahatsapa afa-tsy fasika misaratsaraka teo amin’ny vato fisaka aho. Mbola tsaroako foana ny fahatsapana ireo fasika namatovato rehefa nihantona teo aho ary tsy nisy na inona na inona namikirana—tsy nisy morony, tsy nisy vato nivoitra, tsy nisy na inona na inona hamaharana na hotazonina. Tsapako nibolisatra tsimoramora teo amin’ilay faritra feno fasika ireo rantsantanako. Fantatro fa vita hatreo ny amiko.

“Saingy tampoka teo tamin’izay fotoana izay, tahaka ny tselatra tao anatin’ny oram-baratry ny fahavaratra iray, dia nipoitra avy any avy tao ambonin’ny moron’ilay tevana ny tanana roa, izay namihina ny hatotanako tamin’ny tanjaka sy ny fahavononana izay nahatalanjona raha ny haben’ireo tanana no jerena. Tsy nandeha nitady tahon-kazo izay tsy tena nisy akory ilay zandriko lahy mahatoky. Noho ny fahafantarany mazava tsara ny zavatra nokasaiko hatao dia tsy nihetsika mihitsy izy na dia kely aza. Niandry fotsiny izy—tamim-pahanginana, saika tsy naharenesana feo mihitsy—nahafantatra tsara mihitsy izy fa tena adaladala tokoa aho ka hahavita hiezaka hanao izay fitsambikinana izay. Rehefa nitsambikina aho dia nofikiriny sy notazoniny ary tsy nanaiky ny hianjerako mihitsy izy. Nanavotra ny aiko ireo sandrim-pitiavana matanjaka natolotry ny rahalahiko ireo tamin’izay andro izay rehefa nihantona tsy afaka nanao na inona na inona teny ambony aho, ary ny fianjerana tamin’izany dia azo antoka fa ho nahafaty ahy.”1

Ry rahalahy sy anabavy malala, Alahadin’ny Paska androany. Na dia tokony hahatsiaro mandrakariva aza isika (mampanantena isika fa hanao izany ao anatin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro), dia ity no andro masina indrindra ao anatin’ny taona mba hahatsiarovana amin’ny fomba miavaka ireo asa fanehoana fitiavana sy ezaka tamim-pahavononana nataon’i Jesoa izay rahalahy na anadahintsika, izay nipaka hatrany amin’ny lavaka mangitsokitsoky ny fahafatesana mba hanavotra antsika amin’ny fahalavoana sy ny tsy fahombiazantsika, hanavotra antsika amin’ny alahelo sy ny fahotantsika. Amin’ny alalan’ny fampiasana ity tantara notantarain’ny fianakavian’i John sy i Jimmy ity ho toy ny sahan-kevitra dia maneho ny fankasitrahako ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompo tamin’ny maty aho, ary mankasitraka ireo zava-niseho tao anatin’ny drafitra masin’ Andriamanitra aho, izay niteraka sy nanome lanja ilay “fitiavan’i Jesoa [izay natolony antsika].”2

Amin’izao fiarahamonina misy antsika izay momba izao tontolo izao hatrany dia tsy mahazatra sy efa lany andro ny firesahana mikasika an’i Adama sy i Eva na ny Saha Edena na mikasika ilay “fahalavoan[‘izy ireo izay] soa ihany fa nisy” ka nanjary mety maty. Ny fahamarinana tsotra anefa dia hoe tsy afaka ny hahatakatra feno ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty isika ary tsy afaka ny hankasitraka araka ny tokony ho izy ilay tanjona tsy manan-tsahala nahatonga ny fahaterahany sy ny fahafatesany—raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe tsy misy fomba hankalazana marina ny Krismasy na ny Paska—raha tsy mahatakatra fa tena nisy izany Adama sy i Eva izany izay lavo ka voaroaka tao amin’ny saha Edena izay tena nisy niaraka tamin’ireo vokatra izay nentin’ny fahalavoana tamin’izany.

Tsy fantatro ny antsipirian’ny zavatra niseho teto amin’ity planeta ity talohan’izany, saingy fantatro fa ireo olona roa ireo dia noharian’ny tanana masin’ Andriamanitra, fantatro fa niaina irery tao amin’ny paradisa nandritra ny fotoana tsy voafaritra izy ireo, izay toerana tsy nisian’ny fahafatesan’olombelona na fahafahana hanana fianakaviana, ary fantatro fa nandika didin’ Andriamanitra iray tamin’ny alalan’ny safidy nisesisesy izy ireo, izay nitaky ny hialan’izy ireo ilay saha nisy azy ireo, kanefa namela azy ireo hanan-janaka mialoha ny hiatrehan’izy ireo ny fahafatesan’ny vatana.3 Mba hanampiana alahelo sy fahasarotana bebe kokoa tamin’ny toe-javatra niainan’izy ireo dia nisy fiantraikany ara-panahy ihany koa ny fandikan’izy ireo lalàna, izay nahatonga azy ireo tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra intsony mandrakizay. Noho isika teraka ao anatin’izany tontolo lavo izany taorian’izay, ary noho isika handika ny lalàn’ Andriamanitra ihany koa dia voaheloka hahazo ireo sazy nihatra tamin’i Adama sy i Eva isika.

Loza izany! Lavo tsy misy na inona na inona afaka manakana azy ny olombelona rehetra—ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra ao anatin’izany dia mikodiadia mankany amin’ny fahafatesan’ny vatana maharitra mandrakizay, ary mitsoraka mankany amin’ny fahoriana mandrakizay ara-panahy. Natao hizotra toy izany ve ny fiainana? Izay ve no vokatra farany andrasana avy amin’ny fiainan’ny olombelona? Mihantona fotsiny ao amin’ny cañon iray mangatsiaka ao amin’ny tontolo iray tsy mandraharaha antsika ve isika rehetra, ary ny tsirairay avy amintsika dia mitady loharanom-panampiana kely, ny tsirairay avy amintsika dia mitady mafy zavatra iray hamikirana—kanefa tsy misy na inona na inona afa-tsy fahatsapana fasika misosa ao ambanin’ireo rantsan-tanantsika, tsy misy na inona na inona hamonjy antsika, tsy misy na inona na inona hitazonana, ary azo antoka fa tsy misy na inona na inona mitazona antsika? Fisiana tsy misy antony ve no hany tanjontsika amin’ny fiainana—manatanteraka fotsiny izay azontsika tanterahina, maharitra hatramin’ny fitopolo taona eo ho eo, dia tsy mahomby ary mianjera, ary manohy milatsaka tsy misy fiafarany?

Tsia mazava tsara sy mandrakizay no valin’ireo fanontaniana ireo! Mijoro ho vavolombelona miaraka amin’ireo mpaminany fahiny sy maoderina aho fa “ny zava-drehetra dia efa natao araka ny fahendren’ Ilay mahafantatra ny zava-drehetra.”4 Noho izany dia hatramin’ny fotoana nialan’ireo ray aman-dreny voalohany ireo tao amin’ny Saha Edena no nanirahan’ilay Andriamanitra sy Raintsika rehetra, izay nanaiky ny fanapahan-kevitr’i Adama sy i Eva, ireo anjely avy any an-danitra mba hanambara amin’izy ireo—izay miampitampita ka tody aty amintsika—fa ny fitambaran’ireo zavatra maro nifanesy ireo dia natao mba hanatanterahana ny fahasambarantsika mandrakizay. Ampahany tamin’ny drafiny masina izay nanolotra Mpamonjy, dia ny Zanaka naterak’ Andriamanitra ara-bakiteny—“Adama” iray hafa, no niantsoan’i Paoly Apôstôly Azy5—izay ho tonga amin’ny mitataovovonan’ny fotoana mba hanavotra tamin’ny fandikan-dalàna nataon’ilay Adama voalohany. Izany Sorompanavotana izany dia handresy tanteraka ny fahafatesan’ny vatana, izay hanome tsy misy fepetra ny fitsanganana amin’ny maty ho an’ny olona rehetra izay efa teraka sy ho teraka eto amin’ity tontolo ity. Hanome famelan-keloka amin’ny alalan’ny famindram-po ihany koa izany ho an’ireo fahotana nataon’ny tsirairay amin’ny olona rehetra manomboka amin’i Adama ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao, miankina amin’ny fibebahana sy ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra.

Amin’ny maha-iray amin’ireo vavolombelony voatendry ahy dia manambara aho amin’ity marainan’ny Paska ity fa i Jesoa avy any Nazareta izany Mpamonjy izao tontolo izao izany, izany “Adama farany” izany,6 ilay Tompon’ny finoantsika sy Mpandefa azy, ilay Fiandohana sy Fiafaran’ny fiainana mandrakizay. Nanambara i Paoly hoe: “Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy,”7. Ary hoy ny nambaran’i Lehia ilay mpaminany sady patriarika hoe: “Lavo i Adama mba hisian’ ny olona. … Ary avy ny Mesia amin’ ny fahafenoan’ ny fotoana mba hahazoany manavotra ny zanak’ olombelona amin’ ny fahalavoana.”8 Ary ny tena feno indrindra amin’izy rehetra dia nampianarin’i Jakôba ilay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ny toriteny nataony nandritra ny roa andro mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy hoe “ny fitsanganana amin’ ny maty dia tsy maintsy … tonga … noho ny fahalavoana.”9

Ka noho izany dia ankalazaintsika anio ilay fanomezam-pahasoavan’ny fandresena ny fahalavoana rehetra izay efa niainantsika, ny alahelo rehetra izay efa tsapantsika, ny fahakiviana rehetra izay efa nananantsika, ny tahotra rehetra efa niainantsika—ary mazava ho azy fa ankalazaintsika koa ny fitsanganantsika amin’ny maty sy ny famelana ny fahotantsika. Mahazo izany fandresena izany isika noho ireo zava-nitranga izay niseho tao anatin’ny faran’ny herinandro iray tahaka ity diavintsika manokana ity efa ho roa arivo taona latsaka kely izay tao Jerosalema.

Nanomboka tamin’ilay fijaliam-panahy tao amin’ny Sahan’i Getsemane, nankany amin’ny Fanomboana teo amin’ny hazofijaliana tao Kalvary, ary nifarana tamin’ny alahady maraina kanto iray tao anatin’ny fasana iray nomen’ny olona Azy no nanaovan’ilay Zanaka naterak’ Andriamanitra ara-bakiteny, izay tsy nanam-pahotana, madio, ary lehilahy masina, ny zavatra izay tsy mbola nataon’ny olona hafa efa maty ary tsy ho vitany velively. Nitsangana tamin’ny maty tamin’ny alalan’ny herin’ny tenany Izy, ka tsy hisaraka amin’ny fanahiny intsony ny vatany. Sitrapony ny nanaisotra tamin’ny vatany ny lambam-paty izay namatorana Azy, ary napetrany tsara “mitokana”10 hoy ny soratra masina ny mosara izay namehy ny tavany.

Ireo andro nifanesy nahatanterahan’ny Sorompanavotana sy ny Fitsanganana amin’ny maty ireo no mandrafitra ilay fotoana manan-danja indrindra, ilay fanomezana tena goavana indrindra, ilay fijaliana lalina indrindra, ilay fanehoam-pitiavana madio lehibe indrindra izay naseho teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao. Nijaly sy maty ary nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy, ilay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra mba hahafahany, tahaka ny tselatra ao anatin’ny oram-baratry ny fahavaratra, mamikitra antsika rehefa lavo isika sy mihazona antsika amin’ny alalan’ny heriny ary hampakatra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny fankatoavantsika ny didiny.

Amin’ity Paska ity aho dia misaotra Azy sy ny Ray izay nanome Azy antsika fa mbola mpandresy ny fahafatesana hatrany i Jesoa na dia mijoro amin’ny tongotra maratra aza Izy. Amin’ity Paska ity aho dia misaotra Azy sy ny Ray izay nanome Azy antsika fa mbola manolotra amintsika famindrampo tsy misy fetra Izy, na dia atolony amin’ny felatanana nogorobahana sy hato-tanana maratra aza izany. Amin’ity Paska ity aho dia misaotra Azy sy ny Ray izay nanome Azy antsika fa afaka mihira mikasika ilay saha iray voapentimpentin’ny hatsembohana miharo ra sy ny hazofijaliana fanomboana iray ary ny fasana iray izay foana tamim-boninahitra manao hoe:

Endrey voninahitra be,

Fanavotana re.

[fahamarinana,] fitiavana, famindrampo

No tafaraka soa!11

Amin’ny anarana masin’ilay Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty, amena.