2015
Stephen W. Owen
Mey 2015


Stephen W. Owen

Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany

Rehefa 14 taona i Stephen W. Owen dia nokaramain’ny mpifanolobodirindrina taminy mba hanapaka bozaka tao amin’ny tokotany lehibeny sy hanala ahi-dratsy tao amin’ny zaridainany isan-kerinandro. “Telo andro vao vitako ny nanapaka izany bozaka izany,” hoy Rahalahy Owen be tsikitsiky izay notohanana tamin’ny 4 aprily 2015 ho filohan’ny Zatovolahy maneran-tany.

Rehefa vitany ny asany dia nangataka taminy ilay mpampiasa hendry mba hiaraka handeha aminy manerana ilay zaridaina mba hanondro ny ahi-dratsy iray na roa izay tsy voajery.

“Nolazainy fa tokony hoesoriko hono ny ahi-dratsy rehetra.” “Izany no asako voalohany ary nanampy ahy hahatakatra ny atao hoe manana andraikitra izany.”

Nianatra lesona mihoatra ny fikarakarana tokotany sy zaridaina ny Rahalahy Owen tamin’izay taona izay. Voalohany dia fantany fa hita ao amin’ny fanaovana zavatra mafy amin’ny fomba tokony hanaovana izany ny fahafahampo. Nahafantatra ny lanjan’ny mpanara-maso ihany koa izy.

Niandry ny tsara indrindra avy tamin’i Stephen fotsiny ilay mpifanolobodirindrina taminy. “Toy ny niteny tamiko izy hoe: ‘Fantatro hoe afaka ny ho tonga olona toy ny ahoana ianao, ary te hanampy anao aho.’”

Mila mpanara-maso tahaka izany ny zatovolahy rehetra ato amin’ny Fiangonana mba hanampiana azy ho tonga mpihazona ny fisoronana tsara indrindra tokony hahatongavany. Nilaza izy hoe: “Manana fitiavana betsaka ho an’ny tanora aho.” “Tiako izy ireo ary fantatro fa fotoana manan-danja izao izay hanoritana ny ohatra arahiny mandritra ny andro sisa eo amin’ny fiainan’izy ireo.”

Nanompo tao amin’ny misiônan’i Texas San Antonio Rahalahy Owen ary efa lehiben’ny skoto, filohan’ny Zatovolahy ao amin’ny paroasy, eveka, mpanolotsaina avo ary filohan’ny tsatòka taty aoriana.

Ilay zanatany avy ao Holladay, Utah ihany koa dia niahy ny misiônan’i Californie Arcadia tamin’ny 2005 ka hatramin’ny 2008 izay toerana nanompoany niaraka tamin’i Jane Stringham Owen vadiny. Nivady tamin’ny 28 desambra 1979 tao amin’ny tempolin’i Provo Utah izy ireo. Manan-janaka dimy izy ireo.

Teraka tamin’ny 22 martsa 1958 tao Salt Lake City, Utah izy, zanak’i Gordon sy Carolyn Owen. Nahavita fianarana tao amin’ny Oniversiten’i Utah izy ka nahazo mari-pahaizana momba ny fitantanam-bola ary filohan’ny Harvest Bread Company ao Provo, Utah.