2015
Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika
Mey 2015


Niteny tamintsika izy ireo

Manome anjara toerana ny Fihaonamben’ny Fiangonana eo amin’ny fiainantsika

Ampiasao ny sasany amin’ireto asa atao sy fanontaniana ireto mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitry ny mpianakavy na ny fandinihana ataon’ny tena manokana.

Ho an’ny ankizy

  • Nizara ny tantaran’ny tahotra tsapany ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo taorian’ny namakiany tsy nahy ny varavarankelin’ny trano fivarotana iray teo akaikin’ny tranony (pejy 46). Dia nampianatra izy avy eo fa rehefa mijery an’i Jesoa Kristy isika ka manaraka Azy dia afaka mahatsapa fiadanana ho solon’ny tahotra. Inona no azonao atao isan’andro mba hanampiana ny zanakao hijery ny Mpamonjy? Ahoana no fomba hampianaranao azy ireo hibosesika handroso ao amin’i Kristy na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza?

  • Niresaka mikasika ny fianakaviana iray izay nifindra tao amin’ny trano vaovao izay tsy nisy fefy manodidina ny tokotany ny Rahavavy Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany (pejy 29). Nasian’ilay ray marika tamin’ny tady ny faritry ny tokotany ka nilaza tamin’ny zanany izy fa ho voaro izy ireo raha toa ka mijanona ao anatin’ilay tsipika. Nankato ireo ankizy, eny fa na dia nitontontontona nihoatra an’ilay tady aza ilay baolina. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny ray aman-dreny manampy ny zanaka ho voaro? Inona no fitahiana azo avy amin’ny fihainoana ny ray aman-drenintsika? Inona no faritra izay omen’ny Ray any An-danitra antsika?

  • Nilaza ny tantara mikasika ny lehilahy telo tany Afrika izay nandeha an-tongotra nandritra ny roa herinandro tao anatin’ny làlana mamotaka mba hanatrika ny fivorian’ny distrika ny Eveka Gérald Caussé, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ ny Episkôpà Mpiahy (pejy 98)! Nijanona nandritra ny herinandro izy ireo mba hahafahany mandray ny fanasan’ny Tompo alohan’ny hiverenany mody. Avy eo dia niloloha baoritra feno tahadikan’ny Bokin’ i Môrmôna izy ireo mba homena ny vahoaka any an-tanànany. Moa ve ianao mandray ny filazantsara ho zava-mahatalanjona? Inona no fahafoizantena tianao hatao mba hiainana ny filazantsara?

Ho an’ny tanora

  • Maro ireo lahateny tamin’ity fihaonambe ity no nampisongadina ny maha-zava-dehibe ny fianakaviana sy ny tokantrano. Ohatra: Rahavavy Bonnie L. Oscarson, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany dia nangataka ny mpikamban’ny Fiangonana mba “hiaro ny tokantrano ho toy ny toerana izay mitana ny laharana faharoa fotsiny amin’ny fahamasinana aorian’ny tempoly” (pejy 14). Inona no azonao atao mba hiarovana ny tokantrano? Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny tokantranonao ho lasa toerana masina?

  • Ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ny fihetsika asehontsika sy ny fitondrantenantsika mandritra ny Sabata dia famantarana eo amintsika sy ny Ray any An-danitra (pejy 129). Rehefa mamaky ny lahatenin’ny Loholona Nelson ianao, dia afaka mieritreritra momba an’ity Alahady ho avy ity ka manontania tena hoe : “Inona no famantarana izay tiako homena an’Andriamanitra?”

  • Ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Fitopololahy dia niresaka mikasika ny diakona iray izay nanaraka ny ohatra nasehon’ny Kapiteny Môrônia (pejy 70). Rehefa nahita ireo mpiara-mianatra aminy nijery sary misy pôrnôgrafia tamin’ny findainy ny zatovolahy iray dia nilaza tamin’izy ireo izy fa ratsy ny zavatra ataony ka tokony hajanony. Nanajanona ny namana iray. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mahazo hery hisafidianana ny tsara? Amin’ny fomba ahoana no ahalalantsika izay zavatra tsy mampidi-doza ho antsika ka ho ankafizintsika?

  • Mety hitondra hery ireo fitaovana elektrônika satria manome fampahalalana sy fampitam-baovao saika tsisy fetra izy ireo. Saingy mba efa niato kely ve ianao ka nanontany tena raha toa izy ireny ka mifehy anao? Hoy ny Loholona José A. Teixeira ao amin’ny Fitopololahy: “Tena mampahazo aina ny manajanona ireo fitaovana elektrônika ananantsika mandritra ny fotoana elaela kely” (pejy 96). Andramo kely ange. Makà andro iray tsy hampiasana fitaovana. Mety ho tsy tianao hatao izany, kanefa hitolagaga ianao ny amin’ny fotoana bebe kokoa izay holanianao amin’ny firesahana sy fahatsiahivana ny fahiny miaraka amin’ny namana sy ny fianakaviana.

  • Iray amin’ireo fomba tsara indrindra hahatongavana ho matotra eo amin’ny hery ara-panahy ny fifandian-kanina. Nampahatsiahy antsika ny Filoha Henry B. Eyring, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa nampatanjaka an’i Jesoa tamin’ny fanoherana ny fakam-panahin’i Satana ny fifandian-kanina sy ny vavaka raha mbola tany an-tany efitra ny Mpamonjy (pejy 22). Amin’ny Alahadin’ny fifadian-kanina ho avy izao dia andramo arahina ny ohatra nasehon’i Jesoa ka mifadia hanina miaraka amin’ny tanjona iray. Hahazo fanampiana sy fiarovana avy amin’Andriamanitra koa ianao.

Ho an’ny olon-dehibe

  • Maromaro ireo mpandahateny nandritra ny fihaonambe izay niresaka mikasika ny lanjan’ny fanambadiana sy ny fianakaviana ao amin’ny fiarahamonina sy ao amin’ny drafitry ny famonjena. Azonao valiana ireo fanontaniana dimy izay napetraky ny Rahavavy Burton ao amin’ny pejy 31 ka saintsaino ombam-bavaka ny fomba ahafahanao manentana sy mitia tsara kokoa ireo izay akaiky anao. Diniho miaraka amin’ny fianakaviana ny fomba ahafahanareo mampifantoka tsara kokoa ny tokantranonareo amin’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafahanareo mifanohana tsara kokoa.

  • Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampahatsiahy antsika ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fitsaohana any amin’ny tempoly, ka ao anatin’izany ny fiainam-panahy sy ny fiadanana ary ny hery hanoherana ireo fakam-panahy sy fitsapana (pejy 91). “Rehefa mandeha any amin’ny tempoly isika,” hoy izy, “dia mety hitranga amintsika ny fisian’ny fatran’ny fiainam-panahy sy fahatsapana fiadanana lehibe lavitra noho izay fahatsapana hafa mety ho tonga ao am-pon’ny olombelona.” Inona no azonao atao mba hahatonga ny fankanesanao any amin’ny tempoly ho manan-danja kokoa?

  • Fitsipika mitaky asa ny finoana an’i Jesoa Kristy. “Tsy hino tsy nahy ny Mpamonjy sy ny filazantsarany isika tahaka ny tsy hivavahantsika na tsy handoavantsika ny fahafolonkarena,” hoy ny Loholona L. Whitney Clayton ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. “Misafidy amim-pahazotoana ny hino isika” (pejy 36). Rehefa mamaky ny lahateniny sy ireo lahateny nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (pejy 32); Rosemary M. Wixom, filohan’ny Kilonga maneran-tany (pejy 93); ny Eveka Gérald Caussé (pejy 98); ary ny Loholona Kevin W. Pearson ao amin’ny Fitopololahy (pejy 114) ianao, dia diniho ny hanaovana lisitry ny fomba hanamafisana orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Avy eo dia manaova lisitry ny fitahiana nampanantenaina izay azo avy amin’ny fampitomboana finoana.

  • Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganana amin’ny maty no mandrafitra “ilay fanehoam-pitiavana madio lehibe indrindra izay naseho teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao” (pejy 104). Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny eritreritrao sy ny teninao ary ny asa ataonao haneho ny fankasitrahanao ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy?

  • Nanazava ny fanomezam-pahasoavana mahagagan’ny famindrampo sy ny lanjan’ny fankatoavana sy ny fibebahana ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. “Ny fiezahantsika hahatakatra ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampon’ Andriamanitra amin’ny fo sy ny saintsika manontolo, dia vao mainka manome antsika antony tokony hitiavana sy hankatoavana ny Ray any An-danitra amim-pahalemem-panahy sy fankasitrahana,” hoy izy (pejy 107). Diniho ny fomba hanohizanao ny fandalinanao ny famindrampo amin’ny famakiana ny Romana 3:23; 6:1–4; 2 Nefia 25:23, 26.; Môsià 2:21; 5:2; 27:25; Almà 34:10, 15; Etera 12:27; ary ny Môrônia 10:32.