2015
Loholona Von G. Keetch
Mey 2015


Loholona Von G. Keetch

Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy

Tonga ny fotoana nitondra fiovana lehibe teo amin’ny fiainan’ny Loholona Von G. Keetch rehefa nahatontosa ny naha-mpiraki-draharaha tao amin’ny fitsarana azy niaraka tamin’ny Mpitsara Ambony Warren E. Burger sy ny Mpitsara Antonin Scalia tao amin’ny fitsarana faratampony an’i Etazonia izy ka niomana ny ho mpiasa amin’ny fotoana feno ao anatin’ny sampan-draharaha mpanampy eo amin’ny lafin’ny lalàna.

Afaka niasa tany amin’ny tanàna izay tiany tao Etazonia izy tany amin’ireo orinasa goavana maro mpanampy eo amin’ny lafin’ny lalàna. Kanefa naleon’izy sy i Bernice Pymm Keetch vadiny nivavaka mba hahazo fitaomam-panahy hahafantarana izay tokony hataon’izy ireo. Taorian’ny fotoana nitadiavana dia niverina tany Salt Lake City, Utah izy mivady ary dia niasa tao amin’ny orinasa mpanampy eo amin’ny lafin’ny lalàna tao amin’ny Kirton McConkie izy.

Tamin’izany fotoana izany dia nieritreritra ny Loholona Keetch fa afaka manao sorona ny fahaiza-manaony izy ka hiasa amin’ireo raharaham-pitsarana vaovao mba ho eo akaikin’ny fianakaviany. Kanefa, amin’ny maha-lehiben’ny filankevitra ara-dalàna nokaramaina ivelan’ny fikambanana ho an’ny Fiangonana azy dia niady hevitra momba ireo olana araka ny lalàm-panorenana sy ireo zava-miseho teo aloha momba ny zom-pahafahana misafidy ny finoana izy. Nisolo tena ny ankamaroan’ny antokom-pivavahana maro teo amin’ny firenena izy. “Tiako ny fananako fahafahana niasa ho an’ireo mpanjifa lehibe toy izany sy niandraikitra amin’ny olana lehibe toy izany,” hoy izy.

Ny Loholona Keetch dia teraka tamin’ny 17 martsa 1960 tao Provo, Utah, zanak’i Gary sy Deanne Keetch, ary izy no zokiny indrindra amin’ny zanaka efatra. Nipetraka tany Orem, Utah ny fianakaviany talohan’ny nifindrany tany Pleasant Grove, Utah—izay toerana niarahan’izy sy ilay ho vadiny nanompo tao amin’ny filankevitry ny seminera ao amin’ny lycée.

Nanompo tao amin’ny misiônan’i Dusseldorf Alemana ny Loholona Keetch ary nanjary tia ny vahoaka alemana izy. Nanambady an’i Bernice Pymm tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy tamin’ny 21 nôvambra 1981 rehefa niverina avy tany amin’ny sahan’ny misiôna; manana zanaka enina izy ireo. Nahavita fianarana tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young ny Loholona Keetch tamin’ny 1984 ka nahazo mari-pahaizana tamin’ny science politique ary nahazo mari-pahaizana momba ny lalàna tao amin’ilay oniversite izy tamin’ny 1987.

Nandritra ny taona maro, ny Loholona Keetch izay notohanana tamin’ny 4 aprily 2015 ho ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy, dia nanompo tao amin’ny episkôpà, filankevitra avo, ary efa filohan’ny tsatòka sy Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.