2015
Loholona Allen D. Haynie
Mey 2015


Loholona Allen D. Haynie

Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy

Notohanana ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy ny Loholona Allen Decker Haynie tamin’ny 4 aprily 2015.

Teraka tamin’ny 29 aogositra 1958 ny Loholona Haynie, zanak’i Van Lloyd sy Sarah Lulu Lewis Haynie.

Teraka tany Logan, Utah izy saingy nandany ny ankamaroan’ny fahatanorany tany amin’ny tanàna hafa, tany avaratr’i Utah sy Silicon Valley tao Californie. Nianatra tamin’ny sekoly ambaratonga fototra dimy samihafa izy, ambaratonga faharoa anankiroa ary farany dia nianatra tao amin’ny lycée tao Bountiful, Utah.

“Nampianatra lesona lehibe ho ahy momba ny fianarana mitia ny olon-drehetra” izany zavatra niainana isan-karazany izany hoy izy “satria toa niova toerana sy nanana namana vaovao hatrany aho isan-taona. Anisan’ireo zavatra tiako momba ny Fiangonana ny hoe manolotra fahafahana ho antsika mba hifandray amin’ny olona sy hahita soatoavina amin’ny tantarany sy ny traikefa sy talenta ary fahaiza-manao ananany, izay samy hafa amin’ny antsika.

Nanao asa fitoriana tany amin’ny misiônan’i Cordoba Argentine izy tamin’ny 1977 ka hatramin’ny 1979.

Nanohy ny fianarany mba hahazo doctorat momba ny lalàna tao amin’ny oniversiten’i J. Reuben Clark Law School ny Loholona Haynie tamin’ny 1985 rehefa nahazo licence en science politique avy tamin’ny Oniversiten’i Brigham Young.

Mpiraki-draharahan’ny fitsarana tao amin’ny Fitsarana ambony fahasivin’i Etazonia tao San Diego, Californie izy nanditra ny herintaona talohan’ny nidirany tao amin’ny orinasa mpahay lalàna Latham and Watkins, niasa tao amin’ny biraon’i San Diego. Nanorina orinasa mpanampy eo amin’ny lafin’ny lalàna izy sy ny rahalahiny teo amin’ny dimy taona lasa teo izay.

Ny Loholona Haynie koa dia efa filohan’ny kôlejin’ny loholona, filohan’ny Zatovolahy ao amin’ny paroasy, mpampianatra seminera, mpanolotsaina avo, eveka, filohan’ny tsatòka ary Fitopololahin’ny vondrom-paritra.

Nihaona tamin’i Deborah Ruth Hall izy raha nianatra tao amin’ny BYU, ary nivady tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy roa tamin’ny 19 desambra 1983. Manan-janaka enina izy ireo.

Nilaza ny Loholona Haynie, sady nihetsi-po rehefa niresaka momba ny fijoroana ho vavolombelona ananany, fa namaky sy nanisy marika voalohany tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izy tamin’ny faha 12 taonany. “Tsy mahatadidy fotoana tsy nananako finoana sy tsy nanaovako vavaka aho.”