Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Hahatanty ny andro ao amin’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Hahatanty ny andro ao amin’i Kristy

Ataon’i Jesoa Kristy izay hahafahantsika “hahatanty ny andro.”

Andro iray henika fanoharana nolazaina mazava tsara sady mivantana, sy fanontaniana saro-baliana ary fotopampianarana lalina tamin’izay. Rehefa avy niteny nandevilevy mafy ireo izay tahaka ny “fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra,”1 i Jesoa, dia nampianatra fanoharana telo fanampiny momba ny fiomanana ara-panahy sy ny maha-mpianatra. Iray tamin’ireo ny fanoharana momba ny virijiny folo.

“Ary amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia ho tahaka ny virijiny folo, izay nitondra ny fanalany ka nivoaka hitsena ny mpampakatra.

“Ary ny dimy tamin’ireo dia adala, fa ny dimy kosa hendry.

“Fa ny adala nandray ny fanalany, nefa tsy nitondra solika fitaiza;

“Ary ny hendry kosa nitondra solika tao anatin’ny fitondrany sy ny fanalany.

“Raha naharitra ela ny mpampakatra, dia samy rendrehana avy izy rehetra, ka dia natory.

“Ary nony mamatonalina, dia nisy antso hoe: Indro ny mpampakatra! Mivoaha mba hitsena azy.

“Dia nitsangana ireo virijina ireo, ka samy namboatra ny fanalany.

“Dia hoy ny adala tamin’ny hendry: Mba omeo kely amin’ny solikareo izahay; fa efa ho faty ny fanalanay.

“Fa ny hendry namaly ka nanao hoe: Sao tsy ampy ho anay sy ho anareo, fa mandehana mankany amin’ny mpivarotra hianareo, ka mividiana ho anareo.

“Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.

“Ary rehefa afaka izany, dia tonga kosa ireo virijina teo ka nanao hoe: Tompoko, tompoko, vohay izahay.2

“Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mahafantatra Ahy ianareo.3

“Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora.”4

Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nametraka izao fanontaniana mampieritreritra izao mahakasika ny fahatongavan’ny Mpampiakatra:5 “Ahoana raha rahampitso no andro hahatongavany? Raha fantatsika fa hihaona amin’ny Tompo isika rahampitso, amin’ny alalan’ny fahafatesantsika aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina, inona no hataontsika anio?”6

Nianatra avy tamin’ny zavatra niainako manokana aho fa ny fiomanana ara-panahy ho amin’ny fiavian’ny Tompo dia tsy vitan’ny hoe manan-danja fa izany koa no hany fomba hahitantsika fiadanana sy fahasambarana marina.

Nangatsiatsiaka ny andro tamin’izay fararano izay. Tamin’izany no nandrenesako voalohany ireo teny hoe: “Voan’ny homamiadana ianao.” Zendana izaho sy ny vadiko! Raha nandeha nody tamim-pahanginana izahay nitsakotsako ilay vaovao, dia nanahy ny amin’ireo zanakay telo lahy aho.

Nanontany ny Ray any An-danitra anakam-po aho hoe: “Ho faty ve aho?”

Nibitsika ny Fanahy Masina hoe: “Hilamina ny zava-drehetra.”

Dia nanontany aho avy eo hoe: “Ho velona ve aho?”

Niverina indray ilay valin-teny nanao hoe: “Hilamina ny zava-drehetra.”

Sahiran-tsaina aho. Nahoana no nitovy ny valin-teny azoko tamin’ny hoe ho velona ve aho sa ho faty?

Tampoka teo dia heniky ny fiadanana ny tsiratsiraky ny tenako manontolo rehefa nampahatsiahivina ahy hoe: Tsy nila nilomay hody izahay ka hampianatra ireo zanakay ny fomba fivavaka. Fantatr’izy ireo ny fomba handraisana valim-bavaka sy fankaherezana avy amin’ny vavaka. Tsy nila nilomay nody izahay ka hampianatra azy ireo momba ny soratra masina na ny tenin’ireo mpaminany velona. Loharanon-kery sy fahatakarana efa mahazatra ireo teny ireo. Tsy nila nilomay nody izahay mba hampianatra azy ireo momba ny fibebahana, ny Fitsanganana amin’ny maty, ny Famerenana amin’ny laoniny, ny drafitry ny famonjena, ny maha mandrakizay ny fianakaviana, na ny tena fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

Tamin’izay fotoana izay dia nanan-danja avokoa ny leson’ny takarivan’ny mpianakavy, ny fotoam-pandalinana soratra masina, ny vavaka natao tam-pinoana, ny tsodrano nomena, ny fijoroana ho vavolombelona nozaraina, ny fanekempihavanana natao sy notandremana, ny fankanesana tany amin’ny tranon’ny Tompo, ary ny fitandremana ny andro Sabata. Nanan-danja tokoa izany! Tara loatra raha izay vao nanisy solika tao amin’ny fanalanay. Nila ireo tete tsirairay izahay, ary nilainay teo no ho eo izany!

Noho i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, raha maty aho dia hampiononina sy hankaherezina ny ankohonako ary ho tafaverina amin’ny laoniny indray andro any. Raha velona aho dia hahazo ilay hery lehibe indrindra eto amin’ity tany ity mba hanampy hanavotra sy hanohana ary hanasitrana ahy. Amin’ny farany dia hilamina ny zava-drehetra noho i Jesoa Kristy.

Ianarantsika avy amin’ny fandalinana amim-pandinihana ny Fotopampianarana sy Fanekempihavana ny dikan’izany hoe “milamina” izany:

“Ary amin’izany andro izany, rehefa ho avy amin’ny voninahitro Aho, dia ho tanteraka ny fanoharana izay noteneniko momba ny virijiny folo.

“Fa ireo izay hendry ary efa nandray ny fahamarinana sy nandray ny Fanahy Masina ho mpitari-dalana azy ka tsy voafitaka—lazaiko aminareo marina tokoa, fa tsy hokapaina ireo ka hatsipy any anaty afo fa hahatanty ny andro.”7

Ataon’i Jesoa Kristy izay hahafahantsika “hahatanty ny andro.” Ny hoe mahatanty ny andro dia tsy midika hoe mampitombo ny isan’ny zavatra mila hataontsika. Eritrereto ny fanita-jery. Ny hany tanjony dia ny manitatra ny haben’ny zavatra jerena fotsiny. Afaka manangona sy mamondrona hazavana koa izany mba hampaherivaika kokoa ilay hazavana. Mila tsorintsika sy avondrontsika ireo ezaka atontsika ka ho mpanangona ny Fahazavan’i Jesoa Kristy isika. Mila mahazo traikefa masina sy handraisana fanambarana bebe kokoa isika.

Any avaratra andrefan’i Isiraely dia misy andian-tendrombohitra tendrombohitra kanto iray, izay antsoina matetika hoe “tendrombohitra maitsoririnina.” Ranonando kely bilitika amin’ny ankapobeny no mihazona ny Tendrombohitra Karmela8 ho maitso mandava-taona. Mitranga isan’andro ny fameloman’aina. Tahaka “ireo ranonandon’i Karmela,”9 rehefa mikatsaka ny hamahana ny fanahintsika “[amin’ny] zavatra mikasika ny fahitsiana,”10 sy amin’ireo “zava-madinika sy tsotra,”11 isika dia ho velona ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika sy ny an’ireo zanatsika!

Izao ianareo dia mety hihevitra hoe: “Fa tsy fantatrao anie ny fianakaviako ry Rahavavy Wright e! Tena sahirana izahay ary mifanipaka amin’ny anao ny fianakaviako.” Marina ny anao. Tsy fantatro ny fianakavianao. Saingy ilay Andriamanitra manana fitiavana, famindram-po, hery sy fahalalana ary voninahitra tsy manam-petra dia mahafantatra.

Mety ho mametra-panontaniana ianao amin’izao, ka izany dia fanontaniana ilam-baliny mafy izay mankarary ny atifanahinao. Misy fanontaniana mifandraika amin’izany ao amin’ny soratra masina:

“Mpampianatra o, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?”12

“Fa aiza ary ny fanantenako?”13

“Inona no hatao[ko] mba hahazoana manaisotra ity rahon’ny haizina ity tsy hanaloka [ahy]?”14

“Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran’ny fahalalana?”15

“Ahoana no mety hahafahanareo mihazona ny zavatra tsara rehetra?”16

“[Inona no tianao ho ataoko Tompo]?”17

Ary avy eo dia ho tonga ireo valiny mamy indrindra:

“Mino ny herin’i Kristy ho famonjena va ianao?”18

“Indro, moa misy efa nodidian’ny Tompo va ny tsy handraisany anjara amin’ny hatsaram-pony?”19

“Mino va ianareo fa mahay manao izany Izy?”20

“Mino ny herin’ny mpaminany va ianao?”21

“Moa ampiasainareo va ny finoana ny fanavotan’ilay nahary anareo?”22

“Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?”23

Ry namako malala, tsy afaka mizara ny solitsika isika, saingy afaka mizara ny fahazavany. Tsy vitan’ny hoe manampy antsika “hahatanty ny andro” fotsiny ny solika ao amin’ny fanalantsika, fa afaka ny ho fitaovana ihany koa mba hitsilovana ilay lalana izay mitarika ireo olon-tiantsika hankamin’ny Mpamonjy, izay mijoro “[m]amelatra ny sandriny” vonona ny handray azy ireo.24

“Izao no lazain’i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; fa hisy valiny tokoa ny ataonao … ary hody avy any amin’ny tanin’ny fahavalo ireny.

“Ary misy fanantenana ho anao any amparanyhoy Jehovah; fa ny zaza dia hiverina ho any amin’ny taniny indray.”25

I Jesoa Kristy no ilay “fanantenana ho anao any amparany.” Na inona na inona vitantsika na tsy vitantsika dia tsy misy tsy voafaokan’ny sorony tsy manam-petra sy mandrakizay izany. Izy no antony tsy mampifarana hatreo na oviana na oviana ny tantarantsika.26 Noho izany dia “tsy maintsy mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy [isika], amin’ny fanana[ntsika] fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. Koa raha mibosesika handroso [isika] ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia indro, izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay [isika].”27

Ny fiainana mandrakizay dia fifaliana mandrakizay. Misy fifaliana eto amin’ity fiainana ity, izao ankehitriny izao—tsy hoe na dia eo aza ireo fanamby amin’izao androntsika izao, fa satria noho ny fanampian’ny Tompo mba hianatra avy amin’izy ireny ka handresy azy ireny amin’ny farany —ary misy fifaliana tsy hita pesipesenina any amin’ny fiainana ho avy. Tsy hisy intsony ny tomany, ho sitrana ireo fo hotohoto, ny efa very ho hita indray, ho voavaha ireo fanahiana, ho tafaverina amin’ny laoniny ny fianakaviana, ary izay rehetra ananan’ny Ray dia homena antsika.28

Jereo i Jesoa Kristy dia ho velona29 izay no fijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’ilay “Mpitandrina ny fanahintsika,”30 dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Matio 23:27.

  2. Matio 25:1–13.

  3. Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 25:11 .

  4. Matio 25:13.

  5. Nampianatra ny Loholona James E. Talmage hoe: “I Jesoa Tompo no ilay Mpampakatra; ilay lanonam-pampakaram-bady dia maneho ny fiaviany amim-boninahitra, mba handraisany ho Azy ny Fiangonana eto an-tany mba ho vady ampakariny. Ireo virijiny dia entina anehoana ireo izay mitonona ho mino an’i Kristy, ary noho izany izy dia miandrandra amim-patokian-tena ny ho tafiditra ho isan’ireo mpandray anjara sambatra ao amin’ilay lanonana. Ny fanala nirehitra, izay nentin’ny tsirairay avy tamin’ireo virijiny, dia fanehoana ivelany ny finoana sy ny fomba amam-panaon’ny Kristianina; ary ao amin’ny solika fitaizan’ireo izay hendry kokoa no mety hahitantsika ireo hery ara-panahy sy ny fahampiana izay ny fahazotoana sy ny fanoloran-tena amin’ny fanompoana an’Andriamanitra irery ihany no afaka manome azy” (Jesus the Christ [1916], 578–79).

  6. Dallin H. Oaks, “Préparation à la Seconde Venue,” Liahona, mai 2004, 9.

  7. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57; nampiana fanamafisana.

  8. “Ny rotsaky ny ranonando dia mamatsy habetsahana hamandoana voafetra na dia amin’ny tsy fisian’ny orana amin’ny fahavaratra aza, ary izany dia manan-danja amin’ireo voly mandritry ny fahavaratra toy ny voanketsihetsy. Arakaraky ny maha-akaikin’ny ranomasina ny toerana no hanantenana kokoa ny hisian’ny rotsaky ny ranonando mandritry ny alina tsy misy tsio-drivotra rehefa miha-mangatsiaka mihoatra ny rivotra izay mitehaka aminy ny tany. Amin’ny ankapobeny, ny lemaka amoron-tsiraka dia misy ranonando kokoa noho ireo faritra an’ivon-tany; manana raha samy manana ny Tendrombohitra Karmela izay manana ranon’andro mandritry 250 alina isan-taona” (Efraim Orni and Elisha Efrat, Geography of Israel, 3rd rev. ed. [1971], 147).

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:19.

  10. Môzià 23:18.

  11. Almà 37:6.

  12. Marka 4:38.

  13. Joba 17:15.

  14. Helamàna 5:40.

  15. Joba 28:12.

  16. Môrônia 7:20.

  17. Asan’ny Apostoly 9:6.

  18. Almà 15:6.

  19. 2 Nefia 26:28.

  20. Matio 9:28.

  21. Asan’ny Apostoly 26:27.

  22. Almà 5:15.

  23. Genesisy 18:25.

  24. Môrmôna 6:17.

  25. Jeremia 31:16–17; nampiana fanamafisana.

  26. Jereo ny Camille N. Johnson, “Asao i Kristy mba ho mpanoratra ny tantaram-piainanao,” Liahona, nôv. 2021, 82: “Avelao ny fahoriana sy fijaliana izay tafiditra ao anaty tantara tsara rehetra ho lasa fomba izay hanatonanao bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy hahatongavanao ho tahaka Azy kokoa.”

  27. 2 Nefia 31:20.

  28. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38.

  29. Jereo ny Almà 37:47.

  30. 1 Petera 2:25.