Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Akory ny ho halehiben’ny fifalianareo

Izao dia manasa anareo aho hitondra ny fahaizana amam-pahalalana ary traikefanareo, miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsy tontan’ny ela misy ao aminareo, ka handeha hirotsaka ho misiônera.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, anio aho dia hiresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely, izay nantsoin’ny Filoha Russell M. Nelson ho ny “zavatra manan-danja indrindra mitranga ety an-tany amin’izao fotoana izao. Tsy misy zavatra hafa azo ampitahaina amin’izany, na amin’ny halehibeny izany, na amin’ny lanjany, na amin’ny hatsarany.”1

Ny fanangonana an’i Isiraely no fomba ahafahana maneho tsara indrindra ny fanekena fa “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.”2 Tena tsotra tahaka izany ilay izy. Manangona ireo zanak’ Andriamanitra isika amin’izao andro farany izao mba hahazoan’izy ireo “fitahiana lehibe aidina eo ambony lohany,”3 ary ny fampanantenan’ireo “haren’ny mandrakizay.”4 Manaraka izany dia mila misiônera isika mba hanangonana an’i Isiraely—mihoatra lavitra noho ireo izay efa manompo.5 Anio aho dia hiresaka amin’ireo zokiolona maro efa be traikefa ato amin’ny Fiangonana izay afaka mirotsaka ho misiônera. Mila anareo ny Tompo. Mila anareo any New York sy Chicago izahay, any Aostralia sy Afrika, any Tailandy sy Meksika, sy any amin’ny toerana hafa rehetra.

Mamelà ahy hitondra anareo hiverina kely amin’ny taona 2015. Tamin’izany aho dia voantso ho mpikambana vaovao ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Anisan’ny andraikitra mahafinaritra sahaninay amin’ny maha Apôstôly anay ny manendry saha hiasana ho an’ireo misiônera. Efa nandray anjara tamin’ilay lamina aho fony aho Fitopololahy,6 fa tamin’io kosa anefa, rehefa lasa Apôstôly aho dia tsapako tanteraka ny vesatr’ilay asa nampandraiketina. Nanomboka nametraka tamin’ny alalan’ny vavaka ny elders sy soeurs tsirairay maro an’isa ho amina misiôna manerana izao tontolo izao aho. Avy eo dia nitodika tany amin’ireo mpivady zokiolona aho. Nisy folo teo amin’ilay lisitra. Tsy dia tena betsaka. Gaga aho ka nanontany ny mpiara-miasa tamiko avy ao amin’ny Departemanta misahana ny asa Fitoriana, hoe: “Firy no ilaintsika amin’ity herinandro ity mba hahafeno ireo fangatahana?”

Namaly izy hoe: “300.”

Nitoetra tao amiko foana izany fotoana nahalasa saina izany: Mpivady 10 hameno ny fangatahana 300.

Namporisika ireo mpivady ny Filoha Russell M. Nelson mba “[h]andohalika ka [h]anontany ny Ray any An-danitra raha toa ka izao no fotoana tsara indrindra ho azy ireo handehanana manompo.”7 Ao anatin’ireo fepetra takina rehetra, hoy izy, “dia ny faniriana hanompo no zavatra manan-danja indrindra.”8

Araka ny voalazan’ny soratra masina hoe: “Raha manam-paniriana ny hanompo an’ Andriamanitra ianareo dia antsoina ho amin’ny asa.”9 Tena miompana feno amin’ny lalàn’ny fijinjana io asa io. Mamaky isika ao amin’ny Jaona fa “hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.”10

Ny tenako dia efa nahita ny fahatanterahan’ny lalàn’ny fijinjana teo amin’ny fianakaviako.

Taona maro lasa izay raha nitsidika fianakaviana aho, dia nangataka ahy mba handaha-teny farany nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ny eveka.11 Raha izaho nidina avy tany aloha iny, dia nanatona ahy ny vehivavy iray niaraka tamin’ireo zanany miisa fito, ka nampahafantatra ny tenany ho ny Rahavavy Rebecca Guzman.

Hoy izy: “Loholona Rasband a, mahafantatra an’i Rulon sy Verda Rasband ve ianao?”

Novaliako tamim-pifaliana hoe: “Ray aman-dreniko izany.”

Mety efa fantapantatrareo sahady ny tohiny. Rehefa nahazo fahazoan-dalana avy amin’i Rebecca aho, izay manatrika eto amin’ny Ivontoeran’ny Fihaonambe miaraka amin’ny fianakaviany, dia hozaraiko aminareo ny tantaran’ny fianakaviany.12

Sary
Rahavavy Verda sy ny Loholona Rulon Rasband.

Misiônera zokiolona nanompo tao amin’ny Misiônan’i Fort Lauderdale, Floride i Elder Rulon sy Soeur Verda Rasband, ray aman-dreniko.13 Nitory ny filazantsara izy ireo ka nandondòna noho ny fitarihana avy any an-danitra ny varavaran’ny tokantranon’i Rebecca. Mbola zatovo izy tamin’izany ary nankafy nihaino ny hiran-dry Osmond, indrindra indrindra i Donny namako—izay miara-manatrika amintsika eto koa androany.14 Nihaino ireo resadresaka nataon’izy ireo tamin’ny haino aman-jery izy ka nahalala fa mpikambana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy ireo. Nahatsapa izy fa misy zavatra niavaka teo amin’izy ireo, ka noho ny eritreritra fa mety ho ny fivavahan’izy ireo izany, dia nandany roa taona i Rebecca nikaroka momba ireo zavatra inoan’ny Fiangonana tao amin’ny tranombokin’ny sekoliny. Noho izany, rehefa nandondòna ny varavaran’ny tranon’ny fianakaviany ny mpivady tsara fanahy iray ka nampahafantatra ny tenan’izy ireo ho misiônera Olomasin’ny Andro Farany, dia nitolagaga izy.

Nanoratra i Rebecca taty aoriana hoe: “Nasain’ny reniko handroaka azy ireo aho, saingy ny foko kosa dia nanao hoe -Tsia-”. Nojereko ny tarehin’izy ireo ary nahatsapa hafanana sy fitiavana be dia be aho. Mbola mampitomany sy sy mampisy fihetseham-po lalina ato am-poko ny fahatsiarovana izany.”15

Nanasa azy ireo hiditra i Rebecca, ary ny ray aman-dreniko misiônera dia nizara hafatra taminy sy tamin’ireo zandriny roa vavy ary ny reniny, na dia teo aza ny fanoherany izany.

Nofariparitan’i Rebecca tamiko hoe: “Samy nahatalanjona ny ray sy reninao nanazava izay fanontaniana rehetra nanananay. Mbola hitako ho toy ny hoe nisy fahazavana izany nanodidina ny tarehin’izy ireo. Nofihininay foana ny reninao rehefa nandao anay izy ary nataony ho zava-dehibe foana ny nanampy ny reniko hahatsapa ho nahazo aina sy voahaja. Ny mason’ny rainao dia namirapiratra foana rehefa nampianatra anay momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy. Niezaka nampiditra ny raiko tao amin’ny resadresaka natao izy ary nony farany dia nanaiky ihany izy. Lehiben’ny mpahandro tao amina toerana fialamboly an’habakabaka ny raiko ary nanomboka nahandro sakafo hariva ho an’ny ray aman-dreninao izy, tafiditra tao anatin’izany ny tarta voasary makirana, ilay ankafizin’ny rainao indrindra.”16

Rehefa nangataka an’i Rebecca sy ny fianakaviany mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna i Elder sy Soeur Rasband dia nanao izany tao anatin’ny dimy andro i Rebecca. Te hatao batisa avy hatrany izy saingy tsy mbola vonona ireo olona hafa tao amin’ny fianakaviana. Efa-bolana taty aoriana dia nisisika i Rebecca mba hatao batisa sy ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonana marina. Tadidiny fa, “ny fanahiny manontolo dia nahafantatra fa marina ilay izy.”17 Tamin’ny 5 aprily 1979 dia nanao batisa an’i Rebecca tamin’izy 19 taona sy ny reniny ary ireo rahavaviny roa ny misiônera. Ny raiko dia vavolombelona tamin’ilay batisa.

Rehefa nihaona tamin’i Rebecca sy ny fianakaviany tao am-piangonana aho dia naka sary niaraka izahay sy ny fianakaviany. Noentiko nody haseho ny reniko malala izany ary nohazoniny teo amin’ny fony. Dia hoy izy tamiko: “Ronnie a, ity no andro anisan’ny sambatra indrindra teo amin’ny fiainako.”

Sary
Ny fianakaviana Guzman sy ny Rasband ary ny Osmond.

Ny fihetsika nasetrin’ny reniko dia mampametraka fanontaniana ho an’ireo zokiolona ato amintsika: “Manao inona ianareo amin’izao eo amin’ny fiainanareo?” Misy zavatra maro izay ny misiônera zokiolona ihany no afaka mahavita azy. Hery lehibe tena mahatalanjona ho amin’ny tsara ianareo, efa be traikefa ato amin’ny Fiangonana ianareo, ary eo amin’ny toerana tsara indrindra mba hankahery sy hamonjy ireo zanak’ Andriamanitra.

Mety hieritreritra ny sasany aminareo hoe: “Dia ahoana izany ny hoe handao ireo zafikely? Tsy hahatratra ireo fotoan-dehibe eo amin’ny fianakaviana sy tsingerintaona nahaterahana, halahelo ireo namana sy biby ao an-trano mihitsy.” Raha ho nanontany ny reniko aho hoe nahoana izy sy Dada no nirotsaka ho misiônera, dia fantatro fa ho namaly izy hoe: “Manana zafikely aho. Tiako izy ireo hahafantatra fa izaho sy ny rainao dia nanompo tao amin’ny sahan’ny misiôna, te hametraka ohatra ho an’ny taranaka ho avy izahay, ary voatahy izahay, tena voatahy izahay.”

Raha nitsidika misiôna nanerana izao tontolo izao aho, dia nahita ny asa fanompoana tena mahavariana ataon’ny tafika misiônera zokiolona ato amintsika. Tena miharihary fa sambatra izy ireo ao anatin’ny fanatanterahana “ny sitrapon’ny Tompo” ary manatontosa ny “raharahan’ny Tompo.”18

Ho an’ny sasany aminareo, ary manantena izahay hoe ho an’ny an’arivony aminareo, ny asa misiônera any amin’ny faritra hafa eto amin’izao tontolo izao no ho toerana mety indrindra aminareo.19 Ho an’ny hafa kosa dia mety ho tsara kokoa ny firotsahana ho misiônera mpanao asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana. Noho ireo olana ara-pahasalamana sy toe-javatra hafa, dia eo ireo izay tsy afaka manompo. Azonay tsara ny momba ireo toe-javatra iainana ireo, ary ny fanantenako dia ny hahitanareo fomba hanohanana ireo izay manompo. Araho ny torohevitry ny mpaminany ary mivavaha hahafantarana ny zavatra tian’ny Tompo ataonareo.

Miangavy ny fanampianareo ny sahana misiôna maro eto amin’izao tontolo izao. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson momba ireo misiônera zokiolona ato amintsik:, “Tanora fanahy izy ireo, feno fahendrena, ary vonona ny hiasa.”20

Rehefa ao amin’ny saha ianareo dia sesehen-tsafidy ny amin’ny fahafahana hanompo: mety hanompo ao amina biraon’ny misiôna na tempoly ianareo, hankahery misiônera tanora, hampiroborobo sampana kely, hiasa ao amina ivontoeran’ny tantaram-pianakaviana na toerana manan-tantara an’ny Fiangonana, hampianatra institiota, hanao asa fanasoavana olona, hiara-hiasa amin’ny tanora olon-dehibe, hanampy ny ao amin’ireo ivontoerana misahana ny asa na toeram-pambolena sy fiompina an’ny Fiangonana. Ny antsipirian’ireo fomba manokana azonareo hanompoana, izay natao indrindra ho anareo, ny toerana ilana anareo, ary ny fomba hahafahanareo ho vonona ny handeha dia voasahana ao amin’ny tranonkala manao hoe “Missionnaire d’âge mûr.”21 Afaka miresaka amin’ny evekanareo na ny filohan’ny sampana misy anareo ihany koa ianareo.

Efa niantso mpivady maro mba hanampo aho ary nahita ny Fahazavan’i Kristy namirapiratra teo amin’ny tarehin’izy ireo.22 Nanazava izy ireo fa rehefa niverina dia lasa nanakaiky kokoa ny Tompo sy nifanakaiky kokoa amin’izy samy izy, nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo nirotsaka tamin’izy ireo, ary nahafantatra fa ny zavatra nataon’izy ireo dia tena nitondra fiovana ho amin’ny tsara.23 Iza moa no tsy mba maniry izany?

Mety ho ny asa misiônera no fotoana tsara indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpivady iray. Mety hiteny anakam-po izy ireo hoe “Mila ahy ny Tompo.”24 Mety ho zava-baovao ilay izy, saingy ny herin’ny Fanahy dia hahatonga anareo hahatsapa ho amin’ny toerana tokony hisy anareo.

Ny ray aman-dreniko, sy ireo mpivady misiônera aman’hetsiny nahavita ny asa misiônerany, dia efa nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fifaliana hitan’izy ireo tamin’ny asa fitoriana ny filazantsara. Miteny ny Tompo ao amin’ny soratra masina maoderina hoe: “Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!”25

Nanome famariparitana kanto ny amin’ny dikan’ny hoe manompo ao amin’ny “tanimbary” i Isaia. Ny soratra masina dia milaza amintsika fa “ilay tanimbary dia izao tontolo izao.”26 Io mpaminany lehibe tamin’ny andro fahiny io dia nilaza hoe: “Fa amin’ny fifaliana no hivoahanareo, ary amin’ny fiadanana no hitondrana anareo; ny tendrombohitra sy ny havoana hahavelona hoby eo alohanareo, ary ny hazo rehetra any an-tsaha hitehatanana.”27 Ny tendrombohitra, ny havoana, ny saha, ary ny hazo dia azo ampitahaina amin’ireo filohan’ny misiôna, eveka, mpitarika ny distrika sy mpikambana, ary ireo izay mikatsaka ny fahamarinana saingy “tsy [mahafantatra] izay ahitana izany.”28 Hijoro ho vavolombelona izy ireo fa ireo misiônera zokiolona dia tena mitondra fiantraikany marina amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy Mpanavotra.

Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy, dia mangataka anareo aho mba hirotsaka amin’ny asa misiônera amin’ny fanangonana an’i Isiraely, ary ny hiverina hanompo indray mihitsy aza angamba. Mila anareo izahay—mila anareo izahay. Feno fankasitrahana izahay ny aminareo zokiolona noho ny fiainanareo sy ny ohatra napetrakareo ao amin’ny tokantranonareo sy ny paroasinareo ary ny tsatòkanareo. Izao dia manasa anareo aho hitondra ny fahaizana amam-pahalalana ary traikefanareo, miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsy tontan’ny ela misy ao aminareo, ka handeha hirotsaka ho misiônera. Mivavaka aho ny mba hisian’ny aman-jatony aminareo ho tsindrindaona miandry ny antsonareo amin’ny fotoana manaraka hipetrahako mba hanendry misiônera zokiolona.

Mampanantena anareo koa aho fa rehefa manompo ianareo dia hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo ianareo, hahafantatra Azy ianareo, ary hahafantatra anareo Izy, ary “akory ny ho halehiben’ny fifalianareo.”29 Ny asa fanompoana feno fanolorantena ataonareo amin’i Jesoa Kristy dia hanentana sy hitahy ny fianakavianareo sy ny zafikelinareo ary ny zafiafinareo. “Hampitomboina … anie … ny fiadanana ary ny fitiavana”30 eo amin’ny fiainan’izy ireo mandritra ny taona maro ho avy. Mampanantena aho. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona 2018), Médiathèque de l’Évangile.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10.

  3. 3 Nefia 10:18.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18.

  5. Ny Fiangonana dia manana misiônera miisa 71.000 any amin’ny misiôna miisa 414 manerana izao tontolo izao avy ao Amerika Avaratra sy Atsimo ka hatrany Eorôpa sy Afrika, Azia, ary Aostralia/Ôseania. 34.000 ireo misiônera zokiolona manao asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana. (Missionary Department data, sept. 2023.)

  6. Jereo ny Ronald A. Rasband, “L’appel divin du missionnaire,” Liahona, mey 2010, 52–53.

  7. Russell M. Nelson, “Fotoana an’ny misiônera zokiolona;” Liahona, apr. 2016, 27.

  8. Russell M. Nelson, “Les missionnaires d’âge mûr et l’Évangile,” Liahona, nov. 2004, 81

  9. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:3.

  10. Jaona 4:36.

  11. Tany New York, Etazonia aho nanatrika ny batisan’i Brooklyn zafikeliko sy ny fitsofandrano an’i Ella zafiafiko, aprily 2006.

  12. Taratasy avy amin’i Rebecca Guzman ho an’ny Loholona Ronald A. Rasband, 8 sept. 2009.

  13. Nanao asa misiônera tao amin’ny Misiônan’i Fort Lauderdale, Floride ny ray aman-dreniko tamin’ny 1979.

  14. Andiana mpihira Amerikana fanta-daza amin’ny mozika pop ry Osmond mianakavy. Tany anelanelan’ny taona 1970 hatramin’ny 1980 tany ho any no tena nalaza be izy ireo, nandray anjara tamina seho maro tamin’ny fahitalavitra. I Donny sy i Marie dia mbola nanohy hatrany ny fampisehoana ao amin’ny fahitalavitra sy ny fanaovana seho an-tsehatra, fa ireo mpirahalahy kosa dia nisehatra aman-polotaonany maro tamin’ny mozika country tao Branson, Missouri.

  15. Tatarasy avy amin’i Rebecca Guzman, 8 sept. 2009.

  16. Tatarasy avy amin’i Rebecca Guzman, 8 sept. 2009.

  17. Tatarasy avy amin’i Rebecca Guzman, 8 sept. 2009.

  18. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:29.

  19. Miseho amin’ny endriny maro ny fahafahana manompo amin’ny maha misiônera zokiolona, ary ireo mpivady na rahavavy misiônera zokiolona dia afaka manamarika ny zavatra tiana manokana ihany koa mba hanompo amin’ny fotoana feno na handray fanendrena hanao asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana. Ny mpaminanin’ny Fiangonana anefa no manolotra ny antso ho an’ny asa misiônera amin’ny fotoana feno. Ny filohan’ny tsatòka no manolotra ireo fanendrena hanao asa fanompoana ao amin’ny Fiangonana. Afaka ny ho eo anelanelan’ny enim-bolana ka hatramin’ny 23 volana ny asa fanompoana, ary malaladalaka kokoa ireo misiônera zokiolona raha ny mahakasika ny asa, sady tsy dia mavesatra noho ny an’ireo misiônera tanora izany. Jereo ny seniormissionary.ChurchofJesusChrist.org.

  20. Russell M. Nelson, “Les missionnaires d’âge mûr et l’Évangile,” Liahona, nôv. 2004, 79.

  21. Jereo ny seniormissionary.ChurchofJesusChrist.org.

  22. Jereo ny Almà 5:14. Ny “tarehy” dia azo amariparitana ny fahitana taratra ny toe-tsaina sy toe-panahin’ny olona iray raha ny mahakasika ny ara-panahy.

  23. Jereo ny Joda 1:22; Môzià 4:20.

  24. Jereo ny “Ny lalanao no lalako,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 92.

  25. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15.

  26. Nanazava ny Tompo fa, “ny tanimbary dia izao tontolo izao; … ny fararano dia ny fahataperan’izao tontolo izao” (Matio 13:38–39).

  27. Isaia 55:12.

  28. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12.

  29. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15.

  30. Joda 1:2.