Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
I Jesoa Kristy ilay harena
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


I Jesoa Kristy ilay harena

Mifantoha amin’i Jesoa Kristy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ilay “tanjona” tokony hobanjinintsika ary ilay harenantsika sarobidy indrindra.

Tamin’ny 1907 dia nisy lehilahy anglisy manan-karena iray antsoina hoe George Herbert, izay Andriana cinquième comte de Carnarvon,1 nifindra monina tany Egypta ary lasa liana tamin’ny arkeôlôjia. Nanatona an’i Howard Carter manam-pahaizana iray fantadaza momba an’i Egypta izy ary nanolotra fangatahana fiaraha-miasa. I Carter no hisahana ny fikarohana arkeôlôjika ary i Carnarvon no hamatsy vola.

Niaraka nanao fikarohana tamim-pahombiazana tany amina toerana samihafa izy ireo. Avy eo izy ireo dia nahazo lalana hanao fikarohana tao amin’ny la Vallée des Rois (Lohasahan’ireo Mpanjaka), izay toerana eo akaikin’i Louxor ankehitriny, nahitana ny fasan’ireo farao maro. Nanapa-kevitra hikaroka ny fasan’ny Mpanjaka Toutankhamon izy ireo. I Toutankhamon dia niakatra teo amin’ny seza fiandrianana 3000 taona mahery talohan’izany ary nanjaka nandritra ny 10 taona talohan’ilay fahafatesany tsy nampoizina.2 Fantatra fa nalevina tao amin’ny la Vallée des Rois izy,3 saingy tsy fantatra ny toerana nisy ny fasany.

Nandany dimy taona tsy nahitam-pahombiazana nikarohana ny fasan’i Toutankhamon i Carter sy i Carnarvon. Taty aoriana dia nampahafantatra an’i Carter i Carnarvon fa tapitra hatreo ny azy ny amin’io fikarohana tsy nahitam-bokatra io. Nitalaho ny mba hanaovana fotoam-pikarohana iray fanampiny fotsiny i Carter, ka dia nilefitra i Carnarvon ary nanaiky ny hamatsy vola.

Tsapan’i Carter fa efa nanaovana fikarohana nanaraka lamina tsara ny tany iray manontolo tao amin’ny la Vallée des Rois, ankoatra ilay faritra nisy ny toby filasian’izy ireo. Tao anatin’ny andro vitsy nandavahana teo no nahitan’izy ireo ireo zana-tohatra voalohany nitondra nidina nankany amin’ilay fasana.4

Rehefa nahatazana ny lalantsara mitondra mankany amin’ny fasan’i Toutankhamon ihany i Carter dia volamena daholo no tazany. Taorian’ny telo volana niraketana an-katalaogy ireo zavatra rehetra hita tao amin’ilay lalantsara dia nosokafan’izy ireo ilay efitrano fandevenana voaisy tombokase, tamin’ny febroary 1923, izany hoe 100 taona lasa izay. Izany no zava-baovao arkeôlôjika nalaza indrindra hita tamin’ny taonjato faha-20.

Nandritra ireo taona maro nanaovana fikarohana tsy nahitam-pahombiazana ireo dia tsy nijery izay zavatra tao ambanin’ny tongotr’ izy ireo ara-bakiteny izy ireo. Tany amin’ny dimanjato taona talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy tany no niresahan’i Jakôba, izay mpaminany iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, mikasika ny fanamaivanana na ny tsy fanomezana lanja ny zavatra eo ambany maso ho toy ny hoe “fibanjinana ny any ivelan’ny tanjona.” Hitan’i Jakôba mialoha fa ny vahoakan’i Jerosalema dia tsy hahafantatra ilay Mesia nampanantenaina rehefa ho avy Izy. Naminany i Jakôba fa izy ireo dia ho “olona [izay hanamavo] ny tenin’ny fahatsorana … ary [hikatsaka] ireo zavatra izay tsy mety ho azony. Koa, noho ny fahajambany izay fahajambana [ho tonga] avy amin’ny fibanjinana any ivelan’ny tanjona, dia tsy maintsy ilaina ny hahalavo azy.”5 Amin’ny teny hafa, dia ho tafintohina izy ireo.

Hita fa marina ny zavatra nambaran’i Jakôba mialoha. Nandritra ny asa fanompoana nataon’i Jesoa teto an-tany dia maro no [nibanjina tany] ivelan’ny tanjona, nibanjina zavatra hafa tsy manan-danja noho Izy. Tsy nanome lanja ilay Mpamonjy izao tontolo izao izy ireo. Raha tokony hamantatra ny anjara asany ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izy ireo dia naleony niampanga Azy sy nanombo Azy tamin’ny hazofijaliana. Nitady sy niandry olona hafa izy ireo hitondra famonjena ho azy ireo.

Isika koa, tahaka ireo olona tao Jerosalema ary koa i Carter sy i Carnarvon, dia mety [ho mora mibanjina] any ivelan’ny tanjona. Mila mitandrina isika eo anatrehan’izany fironana izany fandrao tsy hahita an’i Jesoa eo amin’ny fiainantsika ary tsy hahafantatra ireo fitahiana maro atolony antsika. Ilaintsika Izy. Toroina hevitra isika mba hiantehitra “tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy.”6

Izy no tanjontsika. Raha toa isika diso hevitra mieritreritra fa mila zavatra mihoatra noho ny zavatra atolony, dia mandà sy manamaivana ny halehiben’ny sehatra sahaniny sy ny hery azony entina eo amin’ny fiainantsika. Nitaky ny zon’ny famindram-po Izy ary nanolotra izany famindram-po izany tamintsika.7 Izy no “loharano [faratampony tokony hiandrandrantsika ny] famelana ny fahotan[tsika].”8 Izy no Mpisolovava antsika eo amin’ny Ray ary manohana ny zavatra izay nirin’ny Ray hatrizay, dia ny hiverenantsika any Aminy ho mpandova ao amin’ny fanjakany. Araka ny tenin’i Almà mpaminany, isika dia mila “[manopy] manodidina ny mason[tsika] amin’izany ary [manomboka] mino ny Zanak’ Andriamanitra, fa ho avy Izy hanavotra ny olony ary hijaly sy ho faty Izy mba hanonitra ny fahotan[tsika]; ary hitsangana amin’ny maty Izy.”9 I Jesoa Kristy no harentsika.

Nomen’ny Mpamonjy fomba maro isika ahafahana mifantoka Aminy amim-piniavana, anisan’izany ny fahafahana mibebaka isan’andro. Hamaivanintsika indraindray ny halehiben’io fitahiana natolotra io. Fony aho valo taona dia nataon’ny raiko batisa. Taorian’izany dia nihazona ny tanany aho raha handeha hiampita arabe feno olona sy fiara mivezivezy izahay. Tsy nitandrina aho ka dia tafavoaka ny sisin-dalana fandehanan’ny mpandeha an-tongotra tamin’ny fotoana indrindra nisian’ny kamiao lehibe iray nirohondrohona nanatona. Nosintonin’ny raiko mafy aho hiala avy teo amin’ny arabe hankeny amin’ny sisin-dalana fandehanan’ny mpandeha an-tongotra. Raha tsy nanao izany izy dia ho voadonan’ilay kamiao aho. Noho ny fahafantarako ilay toetrako madiditra kely, dia nieritreritra aho hoe “Angamba mety tsara kokoa ho ahy ny maty nodomin’ny kamiao satria tsy mba hadio toy ny amin’izao vao vita batisa izao intsony aho.”

Amin’ny maha-valo taona ahy dia diso fihevitra aho nieritreritra hoe ny ranon’ny batisa no nanala ny fahotako. Tsy izany anefa no izy. Tao anatin’ireo taona nifanesy taorian’ny batisako dia nianatra aho fa ny fahotana dia voadion’ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny sorona fanavotana nataony rehefa manao sy mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa isika.10 Avy eo dia afaka mitoetra ho madio isika amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana. Nianatra koa aho fa ny fanasan’ny Tompo dia mitondra tsingerin-kodina tsara mahery vaika eo amin’ny fiainantsika izay hahafahantsika hihazona ny famelana ny fahotantsika.11

Tahaka ny harena sarobidy tao ambanin’ny tongotr’i Carter sy i Carnarvon dia afaka mandray ireo fitahiana sarobidin’ny fanasan’ny Tompo isika isaky ny manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Ampanantenaina isika fa ho namantsika mandrakariva ny Fanahy Masina raha toa ny fanasan’ny Tompo ka tomorintsika amin’ny fomba fanomoran’ny olona vao niova fo ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana, amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina, sy ny fahavononana hitandrina izany fanekempihavanan’ny batisa izany. Ny Fanahy Masina dia manome antsika ilay heriny manamasina mba hahafahantsika mihazona lalandava ny famelana ny fahotantsika isan-kerinandro.12

Mihamafy orina ny fototra iorenantsika ara-panahy noho ny fibebahana ary amin’ny alalan’ny fiomanana handray ny fanasan’ny Tompo sy ny fandraisana izany amim-pahamendrehana. Amin’ny alalan’ny fototra iorenana ara-panahy matanjaka ihany no ahafahantsika miatrika ny orana, ny rivotra sy ny riaka ara-panoharana izay atrehantsika eo amin’ny fiainantsika.13 Mifanohitra amin’izay kosa, mihamarefo ny fototra iorenantsika ara-panahy rehefa minia tsy manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo isika na rehefa tsy mifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo. Mety tsy manao fanahy iniana isika “hampihataka [ny tenantsika] amin’ny Fanahin’ny Tompo, hany ka tsy mety hanana toerana ao [amintsika] Izy mba hitarika [antsika] amin’ny lalan’ny fahendrena hahazoana mitahy sy mampiroborobo ary mitsimbina [antsika].”14

Rehefa manana ny Fanahy Masina isika, dia hoentanim-panahy sy hotarihina hanao sy hitandrina fanekempihavanana hafa, toy ireo ataontsika any amin’ny tempoly. Manamafy orina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra ny fanaovana izany.15 Mety nahatsikaritra ianareo fa tempoly vaovao maro no nambara tao anatin’ny taona vitsivitsy lasa izay mba hampanakaikezana kokoa hatrany ny tempoly amin’ny mpikambana.16 Mahavariana anefa fa rehefa miha-mora ny fakanesana any amin’ny tempoly, dia mety ho mora kokoa amintsika ny ho lasa tsy dia miraharaha loatra ny fandehanana any amin’ny tempoly. Rehefa lavitra ny misy ny tempoly, dia manomana ny fotoanantsika sy ireo zavatra ilaintsika isika hanaovana ilay dia any amin’ny tempoly mba hanao fitsaohana any. Ataontsika lohalaharana izany dia izany.

Rehefa tena akaiky ny tempoly dia mety ho mora ny mamela ny zavatra madinika ho lasa sakana tsy handehanana any, ka miteny amin’ny tenantsika isika hoe, “Amin’ny fotoana hafa indray aho mankany e!” Ny fipetrahana akaikin’ny tempoly dia tena manolotra fahafahana lehibe kokoa hanovaova ny fandaharam-potoana handehanana any amin’ny tempoly, saingy io fahafahana manovaova io mihitsy no mety hahatonga mora foana ny fanaovana ny tempoly ho ambanin-javatra. Rehefa manao izany isika dia tsy “mahita ilay tanjona,” ary manamaivan-danja ilay fahafahana manakaiky kokoa ny Mpamonjy ao amin’ny tranony masiny. Ny fanolorantenantsika handeha ho any amin’ny tempoly dia tokony ho farafaharatsiny mafy orina mitovy ihany rehefa hoe akaiky ny tempoly sy rehefa hoe lavitra.

Taorian’ny nanaovan’i Carter sy i Carnarvon fikarohana tany amin’ny toeran-kafa tao amin’ny la Vallée des Rois hitadiavana ny fasan’i Toutankhamon, dia nahatsapa ny fahadisoany diso nijery lavitra izy ireo. Tsy mila manao asa maina toy ny nataon’izy ireo nandritra ny fotoana maharitra isika vao hahita ilay harentsika sarobidy. Tsy ilaintsika koa ny mikatsaka torohevitra avy amina loharano hafakely, ka hanome lanja ny maha-vaovao an’ilay loharano sy mieritreritra fa ny torohevitra toy izany dia hazava kokoa noho izay azontsika raisina avy amin’ny mpaminanin’ Andriamanitra iray feno fanentrentena.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Taloha, rehefa nikatsaka fanasitranana tamin’ny habokany i Namàna, dia tezitra noho ny fangatahana azy handro impito ao anatina ony tsotra iray teo akaiky teo. Saingy noresena lahatra izy hanaraka ny torohevitry ny mpaminany Elisa toy izay hiantehitra amin’ny heviny efa masaka an-tsaina mialoha mikasika ny fomba tokony hisehoan’ny fahagagana. Sitrana i Namàna vokatr’izany.17 Rehefa miantehitra amin’ny mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany amin’izao fotoana izao isika ka mandray andraikitra eo anatrehan’ny toroheviny, dia hahita fifaliana, ary hositrana ihany koa. Tsy mila mitady any an-kafa intsony isika.

Ry rahalahy sy anabavy, mamporisika anareo aho hahatsiaro sy hifantoka mandrakariva amin’i Jesoa Kristy. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, ilay “tanjona” tokony hobanjinintsika ary ilay harenantsika sarobidy indrindra. Rehefa manatona Azy ianao dia hahazo hery hiatrehana ireo olan’ny fiainana, sy herimpo hanaovana ny marina ary fahafahana hanatanteraka ny asa nanirahana anao eto an-tany. Ankamamio ny fahafahana hibebaka, ny tombontsoa handray ny fanasan’ny Tompo, ny fitahiana avy amin’ny fanaovana fanekempihavanana any amin’ny tempoly sy ny fitandremana azy ireny, ny fifaliana noho ny fitsaohana ao amin’ny tempoly, ary ny fifaliana noho ny fananana mpaminany velona.

Zaraiko aminareo ny fijoroana ho vavolombelona manetriketrika ananako fa Andriamanitra ilay Ray Mandrakizay no Raintsika any An-danitra, ary velona Izy; i Jesoa no Kristy, Izy no ilay Namantsika tsara fanahy avy any an-danitra,18 ary ity no Fiangonany naverina tamin’ny laoniny. Misaotra anareo noho ny finoanareo sy ny fahatokianareo. Mivavaka aho mba ho voatahy sy hiroborobo ary ho voatsimbina ianareo, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Ny anarana fenon’ny Cinquième Comte de Carnarvon dia George Edward Stanhope Molyneux Herbert.

  2. Ny scanner izay notanterahina tamin’ny 2005 dia nampiseho fa ny Mpanjaka Toutankhamon dia mety niharan’ny fahatapahana maro tamin’ny -taolana iray tamin’ny tongony, izay angamba mety nanonitra ka nitarika tany amin’ny fahafatesana.

  3. Ny ankamaroan’ireo Faraon’i Egypta nanjaka tao amin’ny Fanjakana Vaovao dia milevina tao amin’ny la Vallée des Rois. Hita sy norobaina ny ankamaroan’ireo fasana ireo tamin’ny fahagola.

  4. Ity tantara momba ny nahitana ny fasan’i Toutankhamon ity dia nifototra voalohany indrindra tamin’ny Eric H. Cline, “King Tut’s Tomb,” ao amin’ny Archaeology: An Introduction to the World’s Greatest Sites (2016), 60–66.

    Antony maro no namaritra ireo toerana nosafidian’i Carter sy i Carnarvon ho lavahana sy hoe aiza no tsy ho lavahana tao amin’ny la Vallée des Rois. Ilay faritra nanodidina ny toby filasiana dia tsy tonga dia nahasarika loatra handavahana. Ilay faritra miendrika telozoro dia nanome fahafahana ny mpitsidika hankeny amin’ny fasan’i Ramsès VI, noho izany ny fandavahana haovana fikarohana teo dia tena hanelingelina tokoa. Ilay faritra araka ny filazan’i Carter, dia feno “trano bongo maro ana mpiasa izay naorina tamin’ny fomba tsizarizary, izay angamba nampiasain’ireo mpiasa tao amin’ny fasan’i Ramsès, [ary] nisy tany iray metatra no atevina tao ambanin’ireo.” Toa tsy noheverina firy hoe hisy trano bongo naorina teo an-tampon’ny fidirana ao amin’ny fasana iray (jereo ny Howard Carter and A. C. Mace, The Tomb of Tut-ankh-Amen: Discovered by the Late Earl of Carnarvon and Howard Carter, vol. 1 [1923], 124–28, 132).

    Raha hijery tantara hafa mahakasika ny nahitana ny fasan’i Toutankhamon, dia jereo ny Zahi Hawass, Tutankhamun and the Golden Age of the Pharaohs (2005); Nicholas Reeves, The Complete Tutankhamun: The King, the Tomb, the Royal Treasure (1990), 80–83; and Nicholas Reeves and Richard H. Wilkinson, The Complete Valley of the Kings: Tombs and Treasures of Egypt’s Greatest Pharaohs (1996), 81–82.

  5. Jakôba 4:14.

  6. 2 Nefia 31:19.

  7. Jereo ny Môrônia 7:27–28.

  8. 2 Nefia 25:26.

  9. Almà 33:22.

  10. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:52.

  11. Jereo ny David A. Bednar, “Teach to Build Faith in Jesus Christ” (lahateny natao tamin’ny seminera ho an’ireo mpitarika misiôna vaovao, 23 jona 2023); Rachel Sterzer Gibson, “Teach to Build Faith in Jesus Christ, Elder Bednar Instructs,” Church News, 23 jona 2023, thechurchnews.com.

  12. Ny fanasan’ny Tompo kosa nefa dia tsy naorina ho toy ny fomba iray manokana hiarovana ny famelana ny fahotantsika (jereo ny James E. Talmage, The Articles of Faith, 12th ed. [1924], 175). Ny olona iray dia tsy afaka minia manota ny sabotsy hariva ary hanantena fa ny hany zavatra ilainy atao dia ny mihinana sombina mofo sy misotro rano amin’ny kaopy kely ny alahady ka dia ho voadio amin’ny fomba mahagaga. Saingy ilay vokatry ny fanamasinana entin’ny Fanahy Masina dia afaka manadio an’ireo rehetra izay mibebaka amin-kitsim-po omban’ny tena finiavana.

  13. Jereo ny 3 Nefia 18:12–13.

  14. Môzià 2:36.

  15. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson: “Manana fitiavana manokana ho an’ny olona tsirairay izay manao fanekempihavanana Aminy ao amin’ny ranon’ny batisa Andriamanitra. Ary hiorim-paka izany fitiavana masina izany rehefa misy fanekempihavanana fanampiny atao sy tandremana amim-pahatokiana” (“Safidy ho an’ny mandrakizayfampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022], Médiathèque de l’évangile). Ireo fanekempihavanana maro sosona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia tsy vitan’ny hoe misesy fotsiny fa mifanampy ary mifampitombo mihitsy aza. Manamora fifandraisana akaiky sy matanjaka kokoa amin’ Andriamanitra izy ireny. Ny fifandraisana toy izany dia ahafahantsika hiova ka hahatonga ny endriny hisoritra eny amin’ny tarehintsika ary ny fontsika handalo fiovana mahery vaika sy maharitra (jereo ny Almà 5:14).

  16. Nanazava ny Filoha Nelson fa ny Tompo dia “manao izay hisian’ny tempoly betsaka kokoa. Manafaingana ny fanorenantsika tempoly Izy. Mampitombo ny fahafahantsika manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely Izy. Ataony ihany koa izay hampamora ny hahalasa antsika ho tsaratsara kokoa eo amin’ny lafiny ara-panahy” (“Mifantoha amin’ny tempoly,” Liahona, nôv. 2022, 121).

  17. Jereo ny 2 Mpanjaka 5:9–14.

  18. Jereo ny “Velona ilay Mpanavotra ahy,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, pj. 76.