Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mahafantatra sy tia anao Andriamanitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Mahafantatra sy tia anao Andriamanitra

Miompana aminao manontolo ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana. Zanany sarobidy sy manana lanja lehibe ianao.

Enin-taona lasa izay ny fianakavianay no nandeha tamina lalambe iray tamin’ny alina, mivoaka kely ny tanànan’i Oxford. Araka ny mateti-pitranga rehefa miaraka amin’ny ankizy, dia nila nijanona izahay mba hahitana toeram-piantsonana ahitana toeram-pivarotana mitandahatra sy toeram-pisakafoana. Raha ny marina dia nitanjozotra nivoaka ny fiara izahay, nizaha ireo zava-misy, ary nitanjozotra niditra ny fiara, dia nanohy ny dianay indray.

Dimy ambin’ny folo minitra taty aoriana dia nametraka fanontaniana manan-danja ilay lahimatoanay hoe: “Aiza i Jasper?” Mipetraka any amin’ny seza faran’ny fiara foana i Jasper. Noheverinay hoe resin-tory izy na niafina na nananihany anay.

Raha nisava tsara ny tao aorian’ny fiara ny rahalahiny dia hitanay fa tsy tao ilay zanakay lahy dimy taona. Tohina izahay no sady nitebiteby. Raha nanodina ny fiara izahay hiverina ho any amin’ilay toeram-piantsonana dia nitalaho ny Ray any An-danitra izahay mba tsy hisy hanjo an’i Jasper. Niantso ny polisy izahay nampahafantatra azy ireo ny toe-draharaha.

Rehefa iny nisosososo tonga iny izahay, 40 minitra mahery taty aoriana, dia nahita fiaran’ny polisy roa nitselatra jiro teo amin’ny fitobian’ny fiara. Tao anatin’ny iray tamin’ireo i Jasper, milalao ireo bokotra ao anatin’izany. Tsy ho adinoko na oviana na oviana ny hafaliana tsapanay rehefa tafaraka taminy indray.

Maro amin’ireo fampianarana ara-panoharana nataon’ny Mpamonjy no mifantoka amin’ny fanangonana, ny famerenana amin’ny laonina na ny fiezahana hitady izay naely na very. Isan’ireny ny fanoharana momba ilay ondry very sy ilay farantsakely very ary ilay zanakalahy very.1

Raha nibahana tao an-tsaiko an-taonany maro io zava-nitranga tamin’i Jasper io, dia nisaintsaina ny toetra maha-andriamanitra ireo zanak’ Andriamanitra sy ny lanjan’izy ireo sy ny hery manavotr’i Jesoa Kristy, ary ny fitiavana lavorarin’ny Ray any An-danitra izay mahafantatra ahy sy anao aho. Manantena ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho anio.

I. Zanak’ Andriamanitra

Sarotra ny fiainana. Maro ny olona no mahatsapa ho tototra, irery, atoka-monina na trotraka. Rehefa sarotra ny manjo dia mety hahatsapa ho nania na tavela any aoriana isika. Hamerina amin’ny laoniny ny fahatsapana ho manan-toerana sy manan-tanjona ny fahafantarana fa zanak’ Andriamanitra avokoa isika.2

Nizara izao ny Filoha M. Russell Ballard: “Misy maha izy ny tena manan-danja iray iraisantsika rehetra ankehitry sy mandrakizay. … Izany dia ny hoe ianao dia efa zanakavavy na zanakalahin’ Andriamanitra hatramin’izay. … Ny fahatakarana io fahamarinana io, ny tena fahatakarana sy fanekena izany, dia zava-tsarotra eo amin’ny fiainana.”3

Aza diso hevitra na manambany ny maha-manan-danja anao amin’ny Rainao any An-danitra. Tsy vokatry ny kisendrasendran’ny natiora ianao, na singan’olona, na vokatry ny fivoaran-javatra. Matoa misy ny zavaboary dia misy ny mpamorona.

Misy dikany sy manan-tanjona ny fiainanao. Ny famerenana amin’ny laoniny ny filazan-tsaran’i Jesoa Kristy izay mitohy dia mitondra fahazavana sy fahatakarana momba ny maha andriamanitra antsika. Zanaka malalan’ny Ray any An-danitra ianao. Ianao no anton’ireny fanoharana sy fampianarana rehetra ireny. Tian’ Andriamanitra loatra ianao ka nalefany ny Zananilahy mba hanasitrana sy hamonjy ary hanavotra anao.4

Fantatr’i Jesoa Kristy ny maha andriamanitra ny olona tsirairay sy ny lanjany mandrakizay.5 Nohazavainy ny maha fototr’ireo didin’ Andriamanitra rehetra an’ireo didy roa lehibe, dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namantsika.6 Isan’ireo andraikitsika masina ny mikarakara ireo izay sahirana.7 Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika, dia izany no antony “hifampitondra[ntsika] ny enta-mavesatra, … hiara[hantsika] malahelo amin’izay malahelo … , hampionon[antsika] ireo izay mila fampiononana.”8

Tsy miompana amin’ny fifandrasantsika amin’ Andriamanitra fotsiny ny fivavahana; miompana amin’ny fifandraisantsika samy isika koa izany. Nohazavain’ny Loholona Jeffrey R. Holland fa ilay teny anglisy hoe religion dia avy amin’ny teny Latina religare, izay midika hoe “mamatotra” na, ara-bakiteny kokoa hoe: “mamerina mamatotra.” Noho izany ny “fivavahana marina dia ny fatotra izay mamatotra antsika amin’ Andriamanitra sy mampifamatotra antsika.”9

Tena manan-danja ny fomba fifampitondrantsika. Mampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “Mazava ny hafatry ny Mpamonjy: Ny mpianany marina dia olona manatsara toetra, mampitraka, mankahery, mandresy lahatra, ary manentana ny fanahy.”10 Manan-danja kokoa aza izany rehefa mahatsapa ho very, manirery, adino, na nahataka ireo mpiray dia amintsika.

Tsy voatery mijery lavitra vao mahita olona miady mafy. Afaka manomboka amin’ny fanampiana olona ao amin’ny fianakaviantsika, ny mpiara-mivavaka, na eo amin’ny fiaraha-monina isika. Afaka mikatsaka ny hanamaivana ny fahorian’ny olona 700 tapitrisa miaina ao anatin’ny fahantrana lalina isika11 na ireo olona 100 tapitrisa voatery nafindra toerana noho ny fanenjehana sy ny fifandonana ary ny herisetra.12 I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fikarakarana ireo izay sahirana, dia ny noana, ny mpivahiny, ny marary, sy ny mahantra ary ny voafonja. Ny asany no asantsika.

Mampianatra ny Loholona Gerrit W. Gong fa “matetika rehefa miaraka aman’olona isika no mahita ny lalantsika mankany amin’ Andriamanitra.”13 Noho izany ny paroasintsika dia tokony ho toeram-pialofana ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Moa ve isika mankany am-piangonana fahatany sa mavitrika amin’ny fanorenana fiaraha-monina izay ny tanjony dia ny hitsaoka sy hahatsiaro an’i Kristy ary hifanompo?14 Afaka mihaino ny torohevitry ny Filoha Nelson isika mba tsy hitsaratsara firy, sy ho tia kokoa ary mizara ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny teny sy ny asantsika.15

II. Ny hery manavotr’i Jesoa Kristy

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no fanehoam-pitiavana faratampon’ny Raintsika any An-danitra ho an’ireo zanany.16 Ny teny hoe atonement [Sorompanavotana] dia manoritsoritra izay ahitana ny hoe ‘at one’, dia midika hoe fampivondronana miaraka an’ireo izay tafasaraka.

Hanome antsika fomba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra sy fanamaivanana mandritra ilay dia no nanirahana ny Mpamonjy. Fantatry ny Mpamonjy amin’ny zavatra niainany ny fomba hanohanana antsika ao anatin’ireo adim-piainana.17 Aoka tsy ho diso fa i Kristy no mpamonjy antsika sy mpanasitrana ny fanahintsika.

Rehefa mampihatra finoana isika dia manampy antsika hibosesika handroso hanavatsava ireo zava-tsarotra Izy. Manohy manolotra ny fanasany feno fitiavana sy famindram-po Izy hoe:

“Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako; … dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.”18

Mahery vaika ilay fanoharana momba ny zioga. Nohazavain’ny Filoha Howard W. Hunter fa: “Ny zioga dia fitaovana … izay namela ny herin’ny biby iray faharoa mba hifandray sy hiaraka amin’ny ezaky ny biby iray, ka mampizara sy mampihena ny havesatry ny angadin’omby na ny sarety. Ny entana izay tena navesatra na mety tsy ho zakan’ny iray hoentina mihitsy aza dia afaka nentin’ny roa izay nampiarahan’ny zioga iray ara-drariny sy am-pilaminana tsara.”19

Nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Manatona an’i Kristy ianao mba hifamatotra Aminy sy hiaraka amin’ny heriny, mba tsy hitondranao irery ny vesatry ny fiainana. Mitondra ny vesatry ny fiainana miaraka amin’ny Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao ianao.”20

Ahoana no fomba hiraisantsika zioga na hamatorantsika ny tenantsika amin’ny Mpamonjy? Manazava ny Loholona David A. Bednar hoe:

“Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo. Ny zava-dehibe indrindra dia manasa antsika hiantehitra Aminy sy hiara-mitondra ny enta-mavesatra Aminy ny Mpamonjy. …

“Tsy irery isika ary tsy mila ny ho irery mihitsy.”21

Ho an’izay mitondra enta-mavesatra, very na mikorontan-tsaina dia tsy voatery hanao izany irery ianao.22 Afaka ny hiray zioga na ho voafatotra amin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ireo fanekempihavanany. Hanome am-pitiavana anao ny tanjaka sy fanasitranana ilainao hiatrehana ny dia miandry anao Izy. Mbola fierena amin’ny oram-baratra Izy.23

III. Ny fitiavan’ny Ray any An-danitra

Aoka ho fantatsika fa mahatsikaiky, be fitiavana, sy marani-tsaina ary tsy hay fehezina i Jasper. Saingy ny manan-danja amin’io tantara io dia hoe ahy izy. Zanako lahy izy ary tiako mihoatra lavitra izay fantany izy. Raha ny ray tsy tanteraka sy mety maty iray aza mahatsapa toy izany momba ny zanany, dia azonareo an-tsaina ve ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra izay tonga lafatra sy be voninahitra ary be fitia momba anareo?

Ho anareo taranaka vao misondrotra namako, taranaka Z sy taranaka Alfa: aoka ho fantatreo fa mitaky asa ny finoana.24 Miaina ao anatin’ny fotoana isian’ny olona maro “tsy mino raha tsy mahita” isika. Mety ho sarotra ny hananana finoana ary mitaky safidy izany. Saingy afaka ny ho voavaly ny vavaka.25 Ary afaka ny ho tsapa ireo valiny.26 Ny sasany amin’ireo zavatra tena misy tokoa amin’ny fiainana dia tsy hita. Tsapa sy fantatra ary iainana izy ireny. Tena misy koa izy ireny.

Tian’i Jesoa Kristy ny hahafantaranao ny Rainao any An-danitra sy ny hanananao fifandraisana Aminy.27 Nampianatra Izy hoe: “Iza aminareo moa, raha manana zanakalahy iray tsy manan-kialofana izay hiteny hoe: Ray ô! Mba sokafy re ny tranonao hahafahako miditra sy miara-misakafo aminao, no tsy hiteny hoe: Mandrosoa ry zanako; fa anao izay ananako ary ahy izay anananao?”28 Azonao an’eritreritra ve Andriamanitra Ray Mandrakizay izay mifandray manokana aminao kokoa sy be fitiavana anao?

Zanany ianao. Raha matsapa ho very ianao, raha manam-panontaniana na tsy manam-pahendrena ianao, raha mitolona amin’ny toe-javatra misy anao ianao na mananosarotra anao ny manaiky fitsipika ara-panahy dia mitodiha any Aminy. Mivavaha Aminy hazoana fankaherezana, hahatsapana fitiavana, sy hahazoana valiny ary fitarihana. Na inona na inona ilaina ary na aiza na aiza misy anao dia aboraho amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponao. Ho an’ny sasany, azonareo arahana ny fanasan’ny Filoha Neslon manao hoe: “Angataho Izy mba hilaza aminao raha toa ka tena eo marina Izy, raha toa ka mahafantatra anao Izy. Anontanio Azy ny fahitany anao. Ary avy eo dia mihainoa!”29

Ry rahalahy sy anabavy malala:

  • Fantaro ny Rainareo any An-danitra. Tonga lafatra sy be fitiavana Izy.

  • Fantaro hoe Iza i Jesoa Kristy.30 Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Ampifamatory Aminy ny tenanao sy ireo olona akaikin’ny fonao.

  • Ary fantaro hoe iza ianao. Fantaro ny maha-andriamanitra anao. Miompana aminao manontolo ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fahasambarana. Zanany sarobidy sy manana lanja lehibe ianao. Mahafantatra sy tia anao Izy.

Ireo fahamarinana fototra tsotra ireo no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Lioka 15:4–32.

  2. Jereo ny Preach My Gospel: A Guide to Sharing the Gospel of Jesus Christ (2023), 1.

  3. (M. Russell Ballard, “Children of Heavenly Father” (Fampaherezam-panahy tao amin’ny Brigham Young University, 3 mar. 2020], 2, speeches.byu.edu.

  4. Jereo ny Jaona 3:16; Môzià 15:1; 3 Nefia 17:6–10.

  5. Jereo ny Preach My Gospel [Torio ny filazantsarako], toko faha-3.

  6. Jereo ny Matio 22:36–40.

  7. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2, Médiathèque de l’Évangile.

  8. Môzià 18:8–9.

  9. Jeffrey R. Holland, “Religion: Bound by Loving Ties” [Fivavahana: Voafatotry ny fatorana feno fitiavana],” Fampaherazam-panahin’ny BYU, 16 aog. , 2016.

  10. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” Liahona, mey 2023, 99.

  11. “Niakatra ho 700 tapitrisa ny isan’ny olona anatin’ny fahantrana lalina raha 70 tapitrisa izany teo” (“Poverty,” Nov. 30, 2022, World Bank, worldbank.org).

  12. “Mihoatra ny 100 tapitrisa ireo olona voatery nafindra monina” (“Refugee Data Finder,” May 23, 2022, United Nations High Commissioner for Refugees, unhcr.org).

  13. (Gerrit W. Gong, “Toerana ao an-tranom-bahiny,” Liahona, mey 2021, 25)

  14. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 1.3.7, Médiathèque de l’Évangile.

  15. Jereo ny Russell M. Nelson, “Ilaina ny mpampihavana,” 98–101.

  16. Jereo ny Jaona 3:16.

  17. Jereo ny Almà 7:11–12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:8.

  18. Matio 11:28–29.

  19. Howard W. Hunter, “Come unto Me,” Ensign, Nov. 1990, 18.

  20. The Mission and Ministry of the Savior: A Discussion with Elder Russell M. Nelson,” Ensign, June 2005, 18.

  21. David A. Bednar, “Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 88.

  22. Hoy ny Filoha Camille Johnson: “Ranadahy sy rahavavy isany, tsy vitako samirery izany ary tsy voatery hanao izany irery aho no sady tsy hanao izany irery. Noho ny safidiko ny hifamatotra amin’ny Mpamonjiko, Jesoa Kristy, amin’ny alalan’ny fanekempihavanana efa nataoko tamin’ Andriamanitra no ahafahako -mahay ny zavatra rehetra … ao amin’ilay mampahery ahy-[Filipiana 4:13]” (“I Jesoa no fanamaivanana,” Liahona, mey 2023, 82).

  23. Jereo ny Salamo 62:6–8.

  24. Jereo ny Jakoba 2:17.

  25. Jereo ny Matio 7:7–8; Jakoba 1:5.

  26. “Izy [Ny Fanahy Masina] no Mpananatra (Jaona 14:26). Raha afaka mampangina ny zaza mitomany iray ny feo tonin’ny ray na reny iray, dia afaka mampitony ny tahotsika ny bitsiky ny Fanahy sy afaka mampihena ny fiahiahiana eo amin’ny fiainantsika, ary mampionona antsika rehefa ao anatin’ny alahelo isika. Afaka mameno antsika -amin’ny fanantenana sy fitiavana tanteraka- ny Fanahy Masina ary -hampianatra [antsika] ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana- (Môrônia 8:26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 36:2)” Sujets et questions, “Saint Esprit,” Bibliothèque de l’Évangile).

    “Izy [ny Fanahy Masina] dia -mijoro ho vavolombelona [momba] ny Ray sy ny Zanaka- (2 Nefia 31:18). Amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany no ahafahantsika mandray fijoroana ho vavolombelona azo antoka momba an’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany.

    Mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ny Fanahy Masina ary amin’ny alalan’ny heriny no -azonareo fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.- (Môrônia 10:5)” (“The Holy Ghost Testifies of Truth,” Liahona, Mar. 2010, 14, 15).

    “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izy hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy” (Jaona 15:26).

  27. Jereo ny Jaona 14:6–7; 17:3.

  28. Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:17 (ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana).

  29. Russell M. Nelson, “Avia, manaraha Ahy,” Liahona, mey 2019, 90.

  30. Jereo ny Marka 8:27–29.