Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ireo toetra fototry ny fahasambarana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Ireo toetra fototry ny fahasambarana

Ny fiorenana eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy dia ilaina ho an’ny fahasambarantsika.

Taona maro lasa izay raha nanao dia ara-kasa aho, dia tafapetraka teo akaikina lehilahy iray avy any Pays-Bas. Nahamay ahy ery ny niresaka taminy noho izaho nanompo tany Belgique sy Pays-Bas fony aho misiônera tanora.

Rehefa lasa nifankafantatra izahay dia nomeny ahy ny karatry ny asany izay misoratra anton’asa miavaka hoe: “Mpampianatra fahasambarana.”  Nanao fanamarihana momba ny asa mahatalanjona ataony aho ary nanontany azy ny zavatra ataon’izany mpampianatra fahasambarana izany. Nambarany fa mampianatra ny olona ny fomba hananana fiainana sambatra amin’ny alalan’ny fanorenana fifandraisana sy tanjona manan-danja izy. Novaliako hoe: “Mahafinaritra izany, saingy ahoana raha toa ianao ka afaka mampianatra ny fomba ahafahan’ireo fifandraisana ireo mitohy any ankoatran’ny fasana sy mamaly ireo fanontanian’ny fanahy ihany koa, toy ny hoe inona no tanjon’ny fiainana, ahoana no handresentsika ireo fahalementsika, sy ny hoe mankaiza isika aorian’ny fahafatesana?” Niaiky izy fa hahafinaritra raha manana ny valin’ireo fanontaniana ireo isika, koa nahafaly ahy ny nizara taminy fa manana izany isika.

Anio aho dia te hijery fitsipika manan-danja vitsivitsy mikasika ny fahasambarana marina izay toa ihatahan’ny olona maro eo amin’ity tontolo mampisafotofoto ity, izay isian’ny zava-mahaliana maro kanefa ankavitsiana no tena manan-danja.

Nampianatra ny olona tamin’ny fotoanandrony i Almà hoe: “Satria indro, lazaiko aminareo fa zavatra maro no hitranga; ary indro, misy zavatra iray izay manan-danja kokoa noho ny rehetra—satria indro, tsy lavitra loatra ny fotoana izay hiainan’ny Mpanavotra sy hahatongavany eo anivon’ny vahoakany.”1

Zava-dehibe ho antsika ankehitriny ihany koa io fanambarana io eo am-piandrandrantsika sy eo am-piomanantsika ho amin’ny Fiavian’i Kristy Fanindroany!

Noho izany, ny teniko voalohany dia ny hoe: ny fiorenana eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy dia ilaina ho an’ny fahasambarantsika. Io no fototra azo antoka “izay tsy ahafahan’ny olona mianjera raha miorina eo amboniny izy.”2 Ny fanaovana izany dia manomana antsika amin’ireo olam-piainana, na inon-kidona na inon-kihatra.

Taona maro lasa izay no niarahako tamin’i Justin zanakay lahy tany amin’ny lasy fahavaratry ny skoto. Rehefa nizotra ny zavatra natao dia nientanentana ery izy nilaza fa te hahazo ny mari-pankasitrahana amin’ny fitifirana amin’ny tsipìka izy sy ny namany. Izany dia nitaky ny hanaovan’izy ireo adina an-tsoratra fohy sy hahavoazan’izy ireo ny tarigetra amin’ny zana-tsipìkan’izy ireo.

Niontana ny foko. Tamin’izany i Justin dia mbola narefo noho ny mucoviscidose, aretina izay nitolomany hatramin’ny nahaterahany. Nampanontany tena ahy raha mba hainy ny misintona lavitra tsara ilay tsipìka mba handefasana ny zana-tsipìka hankeny amin’ny tarigetra.

Rehefa lasa nankany amin’ny kilasy fianarana mitifitra amin’ny tsipìka izy ireo dia nivavaka mangina aho mba tsy hanala baraka azy ilay zavatra iainana. Rehefa avy nitaintaina nandritra ny adiny roa aho dia hitako izy niaka-piakarana nanatona ahy tamin’ny tsiky lehibe. “Dada!” hoy izy. “Azoko ilay mari-pankasitrahana! Voakendriko ny tarigetra; teo amin’ny tarigetran’ilay olona teo akaikiko no voako, fa voako ny tarigetra!” Nosintoniny tamin’ny heriny manontolo ilay reny tsipìka dia navelany nisidina ny zana-tsipìka, tsy hainy ny nifehy ny làlan’izany. Velom-pankasitrahana tokoa aho ny amin’ny fahatakaran’ilay mpampianatra mitifitra amin’ny tsipìka, izay tsy niteny velively hoe: “Miala tsiny fa tarigetra tsy izy no voa!” Fa naleony kosa niteny hoe: “Tsara be!” raha nahita ny fahalemena niharihary nananan’i Justin sy ny ezaka mafy nataony.

Toy izany koa ny ho azontsika rehefa manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hanarahana an’i Kristy sy ireo mpaminaniny na dia eo aza ireo fahalementsika. Raha manatona Azy isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny fanekempihavantsika sy ny fibebahana amin’ny fahotantsika, dia afaka ny handre am-pifaliana ilay didin’ny Mpamonjy isika manao hoe: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky.”3

Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha Andriamanitra ilay Mpamonjy izao tontolo izao sy ny fitiavany izay manavotra ary ny heriny izay manasitra sy mankahery sady mitahy antsika rehefa miezaka amin-kitsim-po ny hanatona Azy isika. Andanin’izany anefa dia tsy afaka manao ny fanaon’ny besinimaro isika no sady manatona an’i Jesoa. Nandresy ny fahafatesana, sy ny aretina ary ny fahotana ny Mpamonjy ary nanome fomba mba hahatanteraka antsika amin’ny farany raha toa ka manaraka Azy amin’ny fontsika rehetra isika.4

Ny teniko faharoa dia hoe: iankinan’ny fahasambarantsika ny hahatsiarovantsika fa zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra be fitia isika. Manova ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika ny fahafantarana sy ny fitokisana amin’io zava-misy io.

Taona maro lasa izay, raha tanaty fiaramanidina hody avy nanatanteraka iraka nampanaovin’ny Fiangonana izaho sy Rahavavy Sabin dia tafapetraka mivantana taoriana lehilahy iray vaventy izahay. Nisy tombo-kavatsa lehibe ana tarehy tezitra sy ny tarehimarika 439 tao afaran’ny loha solany.

Rehefa tody ny dia, dia hoy aho: “Azafady hoe ramose. Tsy mampaninona anao ve raha anontaniako anao ny dikan’ilay tarehimarika notombohana eo afaran’ny lohanao?” Tsy sahiko ny nanontany momba ilay tarehy tezitra.

Hoy izy: “Izaho io. Izaho izany mihitsy. Tompon’ny faritra 219 aho!”

Sivy amby telopolo sy efajato anefa no tarehimarika tena misoratra amin’ny lohany, koa nahagaga ahy hoe diso fanonona izy kanefa nanan-danja lehibe taminy izany.

Lasa saina aho hoe tena mampalahelo fa ny maha-izy azy an’ilay rangahy sy ny lanjan’ny tenany dia nifototra tamina tarehimarika mifandray amin’ny faritra ana andian-jiolahy. Hoy aho anakampo hoe fahiny io lehilahy henjana jerena io dia zanakalahy kelin’olona, izay mbola nila nahatsapa ho nomen-danja sy manana ny toerany. Raha mba fantany mantsy hoe iza tokoa izy ary an’iza izy, satria isika rehetra dia “olom-boavidy.”5

Misy andalana iray feno fahendrena ao amin’ilay hira amin’ny horonan-tsarimihetsika Le Prince d’Égypte izay manao hoe: “Jereo amin’ny fomba hahitan’ Andriamanitra azy ny fiainanao.”6 Rehefa milentika lalina ao amin’ny atifanahintsika ny maha taranak’ Andriamanitra antsika sy ny hery mandrakizay ananantsika dia ho afaka ny hahita ny fiainantsika ho manan-tanjona sy ho dia mampientanentana mitohy ahafahana mianatra sy mivoatra, eny fa na dia “mizaha amin’ny fitaratra ka tsy mahita marina”7 vetivety aza isika.

Ny toetra fahatelo fototry ny fahasambarana dia ny mahatsiaro mandrakariva ny hasarobidin’ny olona iray. Ataontsika amin’ny fomba tsara indrindra izany rehefa manaraka ilay anatry ny Mpamonjy hoe: “[…] ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.”8

Nampianatra ihany koa Izy hoe: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.”9

Manoro hevitra am-pahendrena ny bokin’ny Ohabolana hoe: “Aza mamihina ny soa amin’izay tokony homena azy, Raha azon’ny tananao atao ihany.”10

Tsy ho anenenantsika velively ny hoe tsara fanahy loatra. Araka ny fahitan’ Andriamanitra azy, ny hatsaram-panahy dia mitovy hevitra amin’ny fahamboniana. Tafiditra ao anatin’ny hoe tsara fanahy ny mamela heloka sy ny tsy mitsaratsara.

Taona maro lasa izay ny fianakaviana keliko dia nandeha nijery sarimihetsika mba ho takarivan’ny mpianakavy. Tanaty fiara daholo izahay ankoatra ny iray tamin’ny zanakay lahy iray sy i Valérie vadiko. Maizina tany ivelany tamin’izay, ka rehefa iny namaha mafy ny varavarana iny ilay zanakay lahy ary nihazakazaka nankeny amin’ny fiara, dia voadakany tsy nahy ilay noheveriny hoe sakanay izay teo an-davarangana. Nampalahelo ilay zanako lahy sy ny vadiko izay tao aoriany tao mihitsy, fa hay tsy ny sakanay ilay izy fa jaboady tezitra be kosa, izay namaly ka nitifitra gazy maimbo azy ireo! Niverina tany an-trano daholo izahay, ary nandro izy mianaka sady nanasa loha tamin’ny ranom-boatabia izay heverina ho ny fanafana amin’ny fanaisorana fofona avoakan’ny jaboady. Mandra-pidiovan’izy ireo sy nisoloany akanjo dia tsy naheno fofona maimbo intsony izahay ka nanapa-kevitra hoe afaka mijery sarimihetsika amin’izay izahay. 

Vantany vao tafapetraka tany aoriana indrindra tao amin’ilay trano fijerena sarimihetsika izahay dia nanapa-kevitra tampoka teo ny hivoaka tsirairay hividy poakatsaka ny olona nanodidina anay. Rehefa niverina anefa izy ireo dia tsy nisy niverina tamin’ny seza nisy azy tamin’ny voalohany.

Mihomehy izahay rehetra rehefa mahatsiaro io zavatra niainana io, saingy ahoana raha hoe misy fofona avokoa ny fahotantsika? Ahoana raha afaka manimbolo tsy fahamarinan-toetra, filan-dratsy, fitsiriritana na fieboeboana isika? Rehefa abaribary ny fahalementsika dia antenaina hoe hieritreritra ny hafa sy hitandrina kokoa momba ny hafa isika, ary ho torak’izany koa izy ireo amintsika rehefa manao ireo fanovana ilaina atao eo amin’ny fiainantsika isika. Raha ny marina dia tiako ny manimbolo fofon-tsigara ao am-piangonana satria maneho izany fa misy olona iray an-dalam-piezahana ny hiova. Mila ny sandrintsika mitolotra aminy izy ireo.

Fahendrena no nitenenan’ny Filoha Russell M. Nelson izao: “Ny iray amin’ireo fomba mora indrindra hamantarana ny mpanara-dia marina an’i Jesoa Kristy dia ny fangorahana asehony eo amin’ny fitondrany ny olona hafa.”11

Nanoratra toy izao tamin’ny Efesiana i Paoly: “samy halemy fanahy amin’ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy.”12

Amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia angatahana amintsika ny hitoky amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika fa tsy ny hiezaka ny hanolo Azy Ireo. Fantatr’i Jesoa Kristy tsara ny tsy fahatanterahan’ny olona rehetra ary hotsarainy amin’ny fomba tonga lafatra izany.

Ny fototra fahefatry ny fahasambarana arosoko dia ny fifikirana amin’ny fomba fijery mandrakizay. Manana drafitra mitohy mandrakizay ny Ray any An-danitra; mora ny mifantoka amin’ny zava-miseho isan’andro isan’andro sy manadino ny hoavy.

Taona maro lasa izay no nampianaran’i Jennifer zanakay vavy izay 16 taona tamin’izany ity lesona mahery vaika ity. Hamindrana havokavoka roa izy tamin’izay, noho ireo kitapo dimin’ny havokavony izay narary ka nesorina tanteraka ka nasolo havokavoka salama anankiroa kely, nomen’ny namana roa mpanara-dia an’i Kristy mahatalanjona. Dingana nampidi-doza tokoa izany, kanefa indray alina talohan’io fandidiana io, dia saika toy ireny hoe nitory teny tamiko ireny i Jennifer izay 41 kilao monja. Hoy izy: “Aza manahy ry Dada! Na hifoha miaraka amin’ny havokavoka vaovao aho rahampitso na hifoha any amin’ny toerana tsara kokoa. Ho tsara izay mitranga amin’ireo.” Izany no finoana; izany no fomba fijery mibanjina ny mandrakizay! Manazava ny saina, mampionona, sy mankahery ary mitondra fanantenana ny mahita ny fiainana amin’ny fijery mibanjina ny mandrakizay.

Taorian’ilay fandidiana, rehefa tonga ny andro nandrasana fatratra ny hanalana ireo fantsona fifohan-drivotra sy namonoana ireo mpamokatra rivotra izay nanampy an’i Jennifer hiaina, dia nitebiteby ery izahay niandry mba hahita raha hahomby ireo havokavoka kelikely roa. Rehefa nifoka rivotra voalohany izy dia nanomboka nitomany avy hatrany. Nahita ny fitaintainanay izy ka nihoraka hoe: “Tsara ery izany miaina izany!” 

Hatramin’io andro io dia nisaotra ny Ray any An-danitra marain-tsy hariva aho noho ny fahafahako miaina. Voahodidina fitahiana tsy hita isa isika, hany ka mora foana ny manamaivana azy ireny raha tsy mitandrina isika. Andanin’izany anefa rehefa tsy manam-po na inona na inona isika ary ankasitrahana ny zava-drehetra dia lasa mahagaga ny fiainana.

Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny andro maraina tsirairay. Eny fa na dia ny rivotra fohantsika aza dia nampindraminy tam-pitiavana antsika. Miaro antsika isan’andro isan’andro Izy ary manohana antsika isaky ny mihetsika. Noho izany, ny zavatra tsara indrindra ataontsika voalohany amin’ny maraina dia tokony ho ny vavaka fanehoam-pankasitrahana atao am-panetrentena.”13

Mitondra ahy ho amin’ny fandinihako fahadimy sady farany izany, dia ny hoe tsy ho sambatra kokoa na oviana na oviana mihoatra amin’ny ianao rehefa velom-pankasitrahana ianao.

Nanambara ny Tompo hoe: “Ary izay mandray ny zava-drehetra amin’ny fankasitrahana dia hatao be voninahitra.”14 Izay no izy angamba satria ny fankasitrahana dia miteraka hatsarana maro be.

Hiova tokoa ny fahatakarantsika raha toa ka ireo fitahiana nankasitrahantsika tamin’ny alina talohan’ny nifohazantsika maraina monja no mampifoha antsika isa-maraina. Ny tsy fankasitrahana ireo fitahiana azontsika dia mety hiteraka fahatsapana tsy fahafaham-po, izay mety handromba ny fifaliana sy ny fahasambarana entin’ny fankasitrahana. Misarika antsika hibanjina ivelan’ny tanjona ka tsy hiraharaha mihitsy ilay tanjona ireo izay ao amin’ilay trano mijoalajoala sy malalaka.

Raha ny marina, ny fahasambarana sy ny fitahiana lehibe indrindra eto an-tany dia ho hita ao amin’ilay hahatongavantsika amin’ny alalan’ny fahasoavan’ Andriamanitra rehefa manao sy mitandrina fanekempihavanana masina Aminy isika. Hampivoatra sy hanefy antsika amin’ny alalan’ny fahamendrehan’ny sorona manavotra nataony ny Mpamonjy ary toy izao no nolazainy momba ireo izay vonona ny hanaraka Azy: “Ho Ahy ireo amin’ilay andro izay hahatongavako mba hanangonako ny vatosoako.”15

Mampanantena anareo aho fa raha manorina ny fiainantsika eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy isika; mankamamy ny maha zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika; mahatsiaro ny hasarobidin’ny olona iray; mifikitra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay; ary mitia amim-pankasitrahana ireo fitahiana maro be, indrindra fa ny fanasan’i Kristy mba hanatona Azy, dia hahita ny tena fahasambarana izay katsahintsika mandritra ity dia mampientanentana eto an-tany ity isika. Mbola hisy olana eo amin’ny fiainana, saingy ho afaka ny hiatrika ny tsirairay avy amin’izy ireny omban’ny fananan-tanjona sy fiadanana isika noho ireo fahamarinana mandrakizay takatsika sy iainantsika.

Ijoroako ho vavolombelona ny maha misy tokoa an’ Andriamanitra, Raintsika mandrakizay, sy i Jesoa Kristy zanakalahiny Malala. Mijoro ho vavolombelona ihany koa aho ny amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona. Fitahiana lehibe ny mandray torohevitra avy any an-danitra amin’ny alalan’izy ireo. Araka ny nambaran’ny Mamponjy mazava tsara hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany.”16 Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.