Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mby amin’ny lalan’ny adidiny
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Mby amin’ny lalan’ny adidiny

Ianareo izay ankehitriny mibosesika mandroso efa mby amin’ny lalan’ny adidinareo no tanjaky ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny.

Mivavaka mafy aho mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina eo am-panehoako ankehitriny ny fitiavako sy ny fiderako ary ny fankasitrahako an’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany manerana an’izao tontolo izao.

Ry zareo nandeha tamin’ny sarety farany

Ny taona 1947 no nanamarika ny faha-100 taona nahatongavan’ireo mpisava lalana Olomasin’ny Andro Farany voalohany tao amin’ny Lohasahan’i Salt Lake. Maro ireo fankalazana notanterahina tamin’io taona io, ary fanehoam-pankasitrahana tsy tambo isaina no natolotra an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy feno fandavantena izay nisava lalana, nanorina trano, namboly teo amin’ny tany ngazana, ary nanorina tanàna.

Ny Filoha J. Reuben Clark, mpanolotsaina voalohany tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, no nanolotra ny teny fanomezam-boninahitra anisan’ny tena mendrika hotsaroana sy tena nanohina fo ho an’ireo mpisava lalana mahatoky ireo nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny volana ôktôbra 1947.

Tao anatin’ny hafatra nozarainy ny Filoha Clark dia naneho fankasitrahana fohy ireo mpitarika fanta-daza izay nitarika ny fifindra-monina niankandrefana, toa an-dry Brigham Young, Heber C. Kimball, Wilford Woodruff, Parley P. Pratt, sy ny maro hafa. Kanefa ny tena tanjony dia tsy ny hitantara ny zava-bitan’ireo olona miavaka ireo. Fa ny teniny dia nifantoka kosa tamin’ireo olona feno fikirizana izay sady tsy fantatra anarana no tsy voarakitra tamin’ny fomba ôfisialy tao amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Ny lohateny mifono lesona izay nomeny an’ilay hafany dia hoe “Ry zareo nandeha tamin’ny sarety farany.”1

Nosoritsoritan’ny Filoha Clark tamin’ny antsipiriany ny toetoetran’ireo mpifindra monina sy ireo olana natrehan’ireo mpifindra monina izay nandeha tamin’ny sarety farany misy tafo tao amin’ny tsirairay tamin’ireo andian-tsarety nitandahatra izay namakivaky ireo lohasaha. Noderainy ireo maherifo tsy fantatra anarana sy tsy nankalazaina ireo, izay nandritra ireo andro sy herinandro ary volana nifandimby dia sempotry ny vovoka najofon’ireo sarety rehetra nikorisa teo alohan’izy ireo—ary nahasedra ireo sakana tsy misy farany izay natrehan’izy ireo teny an-dalana teny.

Hoy ny Filoha Clark: “Ry zareo izay nandeha tamin’ny sarety farany dia nibosesika nandroso, valaka sy trotraka, narary tongotra, indraindray nila ho kivy, notohanan’ny finoan’izy ireo fa tia azy ireo Andriamanitra, fa marina ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, ary ny Tompo no nitari-dalana sy nitarika an’ireo Rahalahy ao aloha ao.”2

Nofaranany tamin’ity teny fiderana nampihetsi-po ity ny hafany: “Ho an’ireo olona manetry tena ireo, lehibe tamin’ny finoany, lehibe tamin’ny asany, lehibe tamin’ny fiainany tamim-pahamarinana, lehibe tamin’ny namolavolany ny lova sarobidintsika, no hanolorako ny fitiavako sy ny haja amam-boninahitra feno fanajana avy aty amiko.”3

Tsy latsa-danja noho ny hafa teo amin’ny fanompoana

Tamin’ny 1990 ny Filoha Howard W. Hunter, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany, dia nizara hafatra momba ny anjara biriky tena ilaina atolotr’ireo mpikamban’ny Fiangonana tsy tambo isaina manompo amim-pahazotoana sy amim-pahatokiana ary zara raha mahazo sitraka na fihobiana na tsy mahazo mihitsy.

Nanazava ny Filoha Hunter hoe:

“Izao no voalaza momba ilay Kapiteny tanora sy maherifo Môrônia:

“─Raha ny olon-drehetra no efa nitovy sy nitovy ary ho nitovy mandrakizay tamin’i Môrônia dia indro, ny fahefan’ny helo mihitsy no efa ho nohozongozonina mandrakizay; eny, ny devoly dia tsy ho nanam-pahefana na oviana na oviana tamin’ny fon’ny zanak’olombelona─ (Almà 48:17).

“Izany ka teny fandokafana ho ana lehilahy iray malaza sy mahery. … Andininy roa aty aoriana no ahitana filazana momba an’i Helamàna sy ireo rahalahiny, izay nanana anjara toerana tsy dia niharihary noho ny an’i Môrônia, manao hoe:

“─Ankehitriny indro, i Helamàna sy ny rahalahiny dia tsy latsa-danja noho i Môrônia tamin’ny fanompoana ny vahoaka.─ (Almà 48:19).”

Notohizan’ny Filoha Hunter hoe: “Amin’ny teny hafa, na dia tsy tsikaritra na niharihary tahaka an’i Môrônia aza i Helamàna, dia nilaina tahaka azy; izany hoe nanampy na nilaina tsy nisy hafa tamin’i Môrônia.”4

Avy eo ny Filoha Hunter dia nanoro antsika rehetra ny tsy ho latsa-danja eo amin’ny fanompoana. Hoy izy: “Raha mahatsapa ianao fa tsy mahatonga anao halaza be ny ankamaroan’ny zavatra ataonao amin’ity taona ity na amin’ireo taona ho avy, dia mahereza. Ny ankamaroan’ireo olona tsara indrindra izay niaina hatrizay dia tsy mba nalaza be koa. Manompoa ary mitomboa, amim-pahatokiana sy amim-pahanginana.”5

Mby amin’ny lalan’ny adidiny

Feno fankasitrahana aho noho ireo mpikamban’ny Fiangonana an-tapitrisany izay manatona an’i Kristy ankehitriny6 ary mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ao amin’ireo sarety farany amin’ireo saretintsika ankehitriny—ary tena tsy latsa-danja tokoa ny fanompoany. Ny finoanareo matanjaka ny Ray any An-danitra sy an’i Jesoa Kristy Tompo, ary ny fiainanareo tsy mizahozaho fa feno fandavantena dia mitaona ahy ho tonga olona sy mpianatra tsara kokoa.

Tiako ianareo. Mahatalanjona ahy ianareo. Misaotra anareo aho. Ary midera anareo aho.

Filazana iray nataon’i Samoela ilay Lamanita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no mamintina tsara ny fahatsapana ananako momba anareo.

“[Indro] ny ankamaroany dia mby amin’ny lalan’ny adidiny, ary izy dia mandeha amim-pahamalinana tokoa eo anoloan’ Andriamanitra, sy miezaka ny hitandrina ny didiny sy ny satany. …

“Eny lazaiko aminareo, fa ny ankamaroany dia manao izany ary milofo izy miaraka amin’ny fahazotoana tsy mety sasatra mba hahazoany mitondra ny sisa tavela amin’ny rahalahiny ho amin’ny fahalalana ny marina.”7

Inoako fa ilay andian-teny hoe “mby amin’ny lalan’ny adidiny” dia mamaritra ireo rahalahy sy rahavavy mahay mamantatra izay mitady ireo olona manirery ka mipetraka eo akaikin’izy ireny mandritra ny fivoriam-piangonana sy any amin’ny toe-javatra hafa. Tsy mitsahatra izy ireo miezaka “[mampionona] ireo izay mila fampiononana,”8 tsy miandrandra fankasitrahana na mila dera.

Ilay andian-teny hoe “mby amin’ny lalan’ny adidiny” dia mamaritra ireo vady aman-janaka izay manohana vady, ray na reny, na zanaka izay mihazona andraikitra mpitarika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny. Ny fitaoman’ny fanohanan’izy ireo izay tsy miovaova sy ao amin’ny mangingina ary mazàna tsy tsikaritra dia mahatanteraka ny fitahiana an’ireo olona sy fianakaviana maro amin’ny fomba izay tsy ho fantatra tanteraka raha tsy any amin’ny mandrakizay.

Ilay andian-teny hoe “mby amin’ny lalan’ny adidiny” dia mamaritra ireo olona izay rehefa avy nihataka tamin’ Andriamanitra, dia miverina amim-panetrentena Aminy indray,9 mibebaka amin’ny fahotany ary mikatsaka ilay hery manadio sy manasitran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny fanatonana an’i Kristy10 amin’ny fiverenana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana avy any amin’ny fiviliana feno fahotana nankany amin’ny “lalana voarara”11 dia tena manan-danja ara-panahy ary hentitra araka ny tokony ho izy. Eo am-pibosesehan’izy ireo mandroso amim-pinoana ary tsy ketraka amin’ny fanaovan-tsoa, no ametrahan’izy ireo ny fototry ny asa lehibe iray eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana,12 “ho an’ireo taranaka rehetra sy ho mandrakizay.”13

Ilay andian-teny hoe “mby amin’ny lalan’ny adidiny” dia mamaritra olo-marina izay maniry ny hitondra ny ziogan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny Filazantsarany, saingy tsy afaka manao izany noho ny antony tsy miankina amin’izy ireo. Mampanantena anao aho fa hohamaivanina ny fahorianao ary homem-balisoa ny fankatoavanao sy ny fahatokianao hampandefitra amim-paharetana ny sitraponao eo anatrehan’ny sitrapon’ Andriamanitra, amin’ny fotoana voatendrin’ny Tompo.”14 “Amin’ny hariva dia misy fitomaniana […]; fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.”15

Ilay andian-teny hoe “mby amin’ny lalan’ny adidiny” dia mamaritra ireo mpandika teny entanim-panahy manerana izao tontolo izao izay manompo ny Tompo amin’ny fanampiana namana sy mpikambana “handre ny fahafenoan’ny filazantsara amin’ny teniny avy […] ary amin’ny fiteniny avy.”16 Ny feon’izy ireo sy ny fihetsiny manao fiteny tanana, ary ny teny voadikan’izy ireo dia mampita fahamarinana mandrakizay, kanefa vitsy amintsika no mahafantatra ny anaran’izy ireo na hoe mba efa naneho fankasitrahana. Amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny izay noraisin’ireo mpandika teny no hanompoan’izy ireo amim-pahazotoana sy ao anatin’ny fandavantena, ary mazàna tsy mitonona anarana, hanampiana ny olona handray ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny finoana amin’ny alalan’ny famakiana sy fihainoana ny tenin’ Andriamanitra.17

Ilay andian-teny hoe “mby amin’ny lalan’ny adidiny” dia mamaritra ireo lehilahy sy vehivavy manambady mahatoky izay manaja ny andraikiny araka ny fanekempihavanana dia ny mihabetsaka sy mameno ny tany, ary nomena hery sy tanjaka hiara-hitolona amin’ny zanak’izy ireo mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Eo anivon’ny tontolo mihamikorontana hatrany, anjakan’ny loza sy ny laharam-pahamehana diso toerana, no andavan’ireo maherifo ireo ny feon’izao tontolo izao manindrahindra ny tsy fijerena afa-tsy ny tena. Manaja ny fahamasinan’ny aina izy ireo sy ny lanjan’izany eo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny fahasambaran’ireo zanany.

Mpivady maro no matoky an’ Andriamanitra koa rehefa tsy tanteraka amin’ny fomba sy amin’ny fotoana nantenainy sy nonofinofisiny ireo faniriana marina ao am-pon’izy ireo. “Miandry an’i Jehovah”18 izy ireo ary tsy mitaky ny hanatanterahany ny sitrapon’izy ireo amin’ny maha-olombelona azy ireo. “Fa hatry ny fiandohan’izao tontolo izao no tsy mbola nahainoan’ny olona na nandrenesan’ny sofina, na nisy maso nahita, afa-tsy Ianao Andriamanitra ô, ny halehiben’ireo zavatra efa nomaninao ho an’izay miandry anao.”19

Ilay andian-teny hoe “mby amin’ny lalan’ny adidiny” dia mamaritra ireo mpitarika ao amin’ny zaza madinika sy mpampianatra ao amin’ny kilonga an’arivony, izay tia sy mampianatra ireo zanaky ny Fiangonana isaky ny andro Sabata.

Diniho ny fiantraikany mandrakizain’ny fanompoana atolotr’ireo mpianatry ny Tompo feno fandavantena ireo ary ireo fitahiana mahatalanjona ampanantenaina an’ireo izay manompo ireo ankizy.

“Ary nandray zaza [i Jesoa] ka nametraka azy teo afovoany; ary raha notrotroiny ilay zaza dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Na zovy na zovy no mandray zaza iray tahaka itony amin’ny anarako, dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy fa Izay naniraka Ahy.”20

Ilay andian-teny hoe “mby amin’ny lalan’ny adidiny” dia mamaritra zanaka feno fanolorantena izay mikarakara amim-pitiavana ireo ray aman-dreny zokiolona, reny tsy ampy torimaso manambitamby zanaka iray raiki-tahotra, ka mijoro ho mpiambina toy ny “liona vavy eo am-bavahadin’ny” fonenany,21 mpikamban’ny Fiangonana izay tonga aloha ary mijanona ela handamina sy hampirina ireo seza, ary olona notaomim-panahy izay manasa fianakaviana sy namana ary mpiara-miasa ho tonga hizaha, ho tonga hanampy, ary ho tonga ka hitoetra.22

Vitsivitsy monja no nosoritsoritako tamin’ireo ohatra voafantina maneho mpianatr’i Jesoa Kristy mpitandrina fanekempihavanana sy feno fandavantena tahaka anao, izay mibosesika mandroso “mby amin’ny lalan’ny adidin[ao].” Ohatrana Olomasin’ny Andro Farany an-tapitrisa fanampiny izay manolotra ny “fanahin’[izy ireo] manontolo”23 ho an’ Andriamanitra no hita any amin’ireo tokantrano mifantoka amin’i Kristy sy any amin’ireo rantsan’ny Fiangonana maneran-tany.

Mitia sy manompo ianareo, mihaino sy mianatra, mikarakara sy mampionona, ary mampianatra sy mijoro ho vavolombelona amin’ny herin’ny Fanahy Masina. Mifady hanina sy mivavaka matetika ianareo, mihamahery hatrany ao amin’ny fietren-tena ary mihamafy hatrany ao amin’ny finoana an’i Kristy, “hany ka heniky ny fifaliana sy ny fiononana ny fanahin[areo], eny, na dia hatramin’ny fanadiovana sy ny fanamasinana ny fon[areo] aza, izay fanamasinana tonga noho ny nanoloran[areo] ny fon[areo] ho an’ Andriamanitra.”24

Fampanantenana sy fijoroana ho vavolombelona

Ry zareo nandeha tamin’ny sarety farany, ireo rehetra izay tsy latsa-danja ny fanompoany, ary ianareo izay ankehitriny mibosesika mandroso efa mby amin’ny lalan’ny adidinareo no tanjaky ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina tamin’ny laoniny. Ary araka ny nampanantenain’ny Tompo, “ireo fiandrianana sy fizakana ary fanapahana sy hery rehetra dia hambara ary hatolotra ireo rehetra izay efa niaritra tamin-kerim-po noho ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.”25

Mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa velona Andriamanitra Ray sy ny Zanany Malalany, ary azo antoka ny fampanantenan’ Izy Ireo, amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.