Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Noho ny amin’ny taranakao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Noho ny amin’ny taranakao

Aoka tsy ho ianao no ilay rohy malemy ao amin’ilay rojo kanton’ny finoana izay natombokao, na noraisinao mba ho lova. Aoka ho rohy matanjaka ianao.

Taona vitsivitsy lasa izay, fony aho nanompo tao amin’ny Vondromparitra Avaratra Andrefan’i Amerika Atsimo ka nipetraka tany Pérou, dia niaina zavatra mahafinaritra iray aho izay tiako zaraina aminareo.

Nitranga izany rehefa nandeha hody avy namita andraikitra maro nandritra ny faran’ny herinandro tototra asa aho. Rehefa nahavita ireo dingana fanao eny amin’ny seranam-piaramanidina aho dia nahita mpitondra fiarakaretsaka tsara fanahy iray izay niandry ahy teo amin’ny toerana mahazatra fandraisana fiarakaretsaka. Nentiny nankeny amin’ny fiarany aho, ary dia nipetraka tao aoriana, efa vonona ny haka aina sy hankafỳ ny dianay mody. Rehefa nandalo trano vitsivitsy ilay fiara, dia naharay antso an-taribỳ avy tamin’ny lehibeny ilay mpitondra fiara, izay nilaza taminy fa tsy io fiarakaretsaka io no tokony ho nandehanako. Nisy fiara hafa izay nofandrihana ho ahy, ary nangataka azy ilay lehibeny mba hitondra ahy hiverina any amin’ny seranam-piaramanidina raha tiako soloina ilay fiara. Nolazaiko azy fa tsy voatery hanao izany izy ary afaka nanohy ny dianay izahay. Nangina nandritra ny minitra vitsivitsy izy, dia avy eo nijery ahy tamin’ny fitaratra fijerena ny ao aoriana ary nanontany hoe: “Môrmôna ianao e, sa tsy izany?”

Tsy hita fa taorian’izay fanontaniana mitaon-dresaka izay dia fantatro fa tapitra hatreo ilay fotoana feno fitoniana nananako. Tsy aritro fa dia notrandrahako hoe mety hitondra anay mankaiza io fanontaniany io.

Teo no nahafantarako fa Omar no anarany, i Maria Teresa no anaran’ny vadiny, ary anankiroa ny zanak’izy ireo dia i Carolina izay 14 taona sy Rodrigo izay 10 taona. Mpikamban’ny Fiangonana i Omar hatramin’ny fahazazany. Nazoto nivavaka ny fianakaviany, saingy nisy fotoana lasa nijanona tsy nankany am-piangonana intsony ny ray aman-dreniny. Lasa nalaindaina i Omar teo amin’ny faha 15 taonany. 40 taona izy tamin’io fotoana io.

Tamin’izay fotoana izay dia tonga saina aho hoe tsy diso ny fiarakaretsaka nandehanako. Tsy fifandrifian-javatra no niseho! Nolazaiko azy hoe iza aho ary ny antony naha-tao amin’io fiarakaretsaka io ahy dia satria ny Tompo miantso azy hiverina ho ao amin’ny valany.

Avy eo izahay dia niresaka momba ny fotoana nampazoto azy sy ny fianakaviany tao am-piangonana. Nanana fahatsiarovana mamy ny amin’ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy sy ny hiran’ny Kilonga vitsivitsy izy. Avy eo izy dia nihira malefaka ampahany kely tamin’ny “Zanaky ny Ray aho.”1

Rehefa avy naka ny adiresiny sy ny laharan-taribỳ ahazoana azy aho, ary nomeny lalana hizara izany amin’ny evekany, dia nilaza taminy aho fa hitady fomba ahatongavako ao amin’ny trano fiangonana amin’ny andro voalohany hiverenany miangona. Nifarana ny dianay avy tany amin’ny seranam-piaramanidina nankany an-tranoko, sy ilay dianay niverina kely nankany amin’ny lasany, ary dia samy nandeha tamin’ny lalanay avy izahay.

Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana dia niantso ahy ny evekany, nilaza tamiko fa mikasa ny hiangona i Omar amin’ny alahady anankiray. Nolazaiko azy fa ho eo aho. Tamin’io alahady io dia teo i Omar niaraka tamin’ny zananilahy. Tsy mbola liana ny vadiny sy ny zananivavy. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia niantso ahy indray ny evekany, ary tamin’izay fotoana izay dia nilaza tamiko izy fa hanao batisa ny vadiny sy ireo zanany roa i Omar ary nanasa ahy mba ho tonga izy. Ity no sary tamin’izany alahady nandraisana azy ireo ho mpikamban’ny Fiangonana izany.

Sary
Loholona Godoy sy ny fianakavian’i Omar ny alahady nandraisana ho mpikambana azy ireo.

Tamin’io alahady io ihany no nilazako tamin’i Omar sy ny fianakaviany fa raha miomana izy ireo dia voninahitra ho ahy ny hanatanteraka ny famehezana azy ireo ao amin’ny tempolin’i Lima Pérou afaka herintaona. Ity no sary tamin’izany fotoana tsy hainay rehetra hohadinoina izany, nalaina herintaona tatỳ aoriana.

Sary
Loholona Godoy sy ny fianakavian’i Omar tany amin’ny tempoly.

Nahoana aho no mizara io zavatra niainako io aminareo? Mizara izany aho noho ny antony anankiroa.

Voalohany, ho an’ireo mpikambana tsara izay niala tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny noho ny antony manokana. Faharoa, ho an’ireo mpikambana tonga miangona ankehitriny izay mety tsy mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataony araka ny tokony ho izy. Na ny iray na ny iray dia misy fiantraikany amin’ny taranaka ho avy izany, ary mety hahavery ireo fitahiana sy fampanantenana izay natokana ho an’ny taranaka fara aman-dimbin’izy ireo.

Andeha hatombontsika amin’ny tranga voalohany mety hiseho, dia ireo mpikambana tsara izay niala tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana, tahaka ilay nitranga tamin’i Omar, ilay namantsika avy any Pérou. Rehefa nanontaniako izy hoe nahoana izy no nanapaka hevitra hiverina, dia hoy izy hoe satria nahatsapa izy sy ny vadiny fa ho sambatra kokoa ireo zanany eo amin’ny fiainana raha miaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kritsy. Nahatsapa izy fa tonga ny fotoana hiverenana mankany am-piangonana noho ny amin’ny zanak’izy ireo.

Mampalahelo erỳ rehefa mifanena amin’ny mpikamban’ny Fiangonana malaindaina isika na amin’ireo tsy mpikamban’ny Fiangonana izay efa nanana ny filazantsara teo anivon’ny fianakaviany, tamin’ny fotoana iray, ary nahavery izany noho ny fanapahan-kevitry ny ray aman-dreniny na ny raibe sy renibeny hoe hiato amin’ny fandehanana any am-piangonana. Izany fanapahan-kevitra izany dia mety hisy fiantraikany amin’ireo taranany mandrakizay!

Ireo zanany sy zafikeliny dia voasakana tsy hahazo ny fiarovana sy ireo fitahian’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ary ny tena mahavaky fo kokoa aza dia izy ireo nahavery ireo fampanantenan’ny fianakaviana mandrakizay izay efa nananany tamin’ny fotoana anankiray. Ny fanapahan-kevitry ny olona iray dia nisy fiantraikany tamin’ny taranaka fara aman-dimby mifampitohitohy. Tapaka ny fiampitan’ny lovan’ny finoana.

Kanefa, araka ny fantatsika, dia ny zavatra rehetra tapaka dia azo tohizana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Noho izany antony izany, dia miangavy anareo aho handinika ity fanasana ity izay avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson: “Ankehitriny, raha niala teo amin’ilay lalana ianao, dia manasa anao miaraka amin’ny fanantenana rehetra ato anatin’ny foko aho mba hiverina. Na inona na inona olana, na inona na inona fanamby atrehanao dia misy toerana iray ho anao ato, ny Fiangonan’ny Tompo. Ianao sy ireo taranaka mbola tsy teraka dia ho voatahy amin’ny alalan’ny asa ataonao ankehitriny mba hiverina eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana.”2

Izao indray dia andeha horesahantsika ilay tranga mety hiseho faharoa, dia ireo mpikambana tonga miangona izay mety tsy mahatoky araka ny tokony ho izy. Tahaka ireo fanapahankevitsika omaly izay misy fiantraikany amin’ny zava-misy ankehitriny, ireo fanapahankevitsika ankehitriny dia hisy fiantraikany amin’ny hoavintsika sy ny hoavin’ireo izay ao amin’ny fianakaviantsika.

Nampianatra antsika ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mamporisika antsika hieritreritra ny hoavy. … Mampianatra hevitra lehibe momba ny hoavy izany mba hitarihana ny asa ataontsika amin’izao fotoana izao.

“Mifanohitra amin’izay, isika rehetra dia mahafantatra olona izay tsy mieritreritra afa-tsy ny anio ihany: mandany izay ananana anio, mankafỳ ny anio, ary tsy mihevitra ny ampitso.

“… Rehefa mandray fanapahan-kevitra isika amin’izao fotoana izao dia tokony hanontany foana hoe, -Hitondra mankaiza izany?-” 3 Moa ve ireo fanapahankevitsika amin’izao fotoana izao hitondra antsika ho amin’ny fifaliana ankehitriny sy amin’ny mandrakizay, sa ve izy ireo hitondra antsika ho amin’ny alahelo sy tomany?

Mety misy mieritreritra hoe: “Tsy ilainay ny mandeha miangona isaky ny alahady” na hoe “Handoa fahafolonkarena izahay rehefa mihatsara kokoa ny toe-draharaha” na “Tsy hanohana ireo mpitarika ny Fiangonana aho amin’ity lohahevitra iray ity.”

“Fantatray anefa”, hoy izy ireo, “fa marina ny Fiangonana, ary tsy hiala amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mihitsy izahay.”

Ireo izay manana eritreritra tahaka izany dia tsy mahafantatra ny fiantraikany ratsy izay entin’io karazana mpikambana “matimaty” io eo amin’ny fiainany sy eo amin’ny fiainan’ireo taranany. Mety hijanona ho mazoto ireo ray aman-dreny, kanefa atahorana mafy ny fahaverezan’ireo zanany, amin’ity fiainana ity sy amin’ny mandrakizay.

Hoy ny Tompo mikasika ireo izay tsy handova ny voninahitra selestialy miaraka amin’ny fianakaviany: “Ireo no ireo izay tsy maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa; koa tsy mahazo ny satroboninahitry ny fanjakan’ Andriamanitsika ireo.”4 Moa ve izany no tiantsika ho an’ny tenantsika sy ho an’ireo zanatsika? Moa ve isika tsy tokony hampitombo ny toetra maherifo ary hampihena ny toetra matimaty noho ny amin’ny tenantsika sy noho ny amin’ny taranantsika?

Niresaka momba ana zavatra mampanahy iray mifandraika amin’izany ny Filoha M. Russell Ballard:

Ho an’ny sasany ny fanasan’i Kristy mba hino sy hijanona dia mafy hatrany. Ny mpianatra sasany dia manana olana amin’ny fanakarana fitsipika na fampianarana manokana iray ato amin’ny Fiangonana. Ny hafa kosa dia mahita olana eo amin’ny tantarantsika na ny tsy fahalavorarian’ireo mpikambana sy mpitarika sasany taloha sy ankehitriny. …

“… Ilay fanapahan-kevitra hoe -tsy [hiara-handeha]- amin’ireo mpikambana sy mpitarika voafidin’ny Tompo ao amin’ny Fiangonana intsony dia hisy fiantraikany lavitra izay tsy voatery ho hita foana izao dia izao.”5

Endrey fa lova mampalahelo no ampitaina, ary inona anefa no antony? Na inona na inona antony, dia tsy ampy izany hanaovana tsinontsinona ireo fiantraikany ratsy ara-panahy entin’izany ho an’ireo taranaka ho avy.

Ry rahalahy sy anabaviko malala, raha mandalo ny iray amin’ireo toe-javatra anankiroa voalazako teo ianao, dia miangavy anao aho handinika ny fizotran’ny zavatra ataonao. Fantatrao fa misy drafitra ho antsika eto amin’ity fiainana ity. Fantatrao fa afaka ny ho mandrakizay ny fianakaviana. Nahoana ianao no hampidi-doza ny fianakavianao? Aoka tsy ho ianao no ilay rohy malemy ao amin’ilay rojo kanton’ny finoana izay natombokao, na noraisinao mba ho lova. Aoka ho rohy matanjaka ianao. Anjaranao izao ny manao izany, ary afaka manampy anao ny Tompo.

Amin’ny foko manontolo no anasako anao mba hieritreritra momba izany, ary mba hijery ny hoavy sy handanjalanja hoe “hitondra mankaiza izany,” ary raha ilaina dia mba hanana ny herim-po ampy mba hanamboarana ny lalanao noho ny amin’ny taranakao. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.