Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Bitsiky ny Fanahy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Bitsiky ny Fanahy

Isan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sitrahan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fananana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva.

Teny fanolorana

Vao haingana ny mason’ireo mpankafy fanatanjahan-tena maneran-tany no nifantoka tamin’ny fiadiana ho tompon-daka maneran-tany amin’ny baolina kitra 2023 ho an’ny vehivavy izay nokarakarain’ny FIFA sy nampiantranoin’i Aostralia sy Nouvelle-Zélande. Ireo atleta mahay indrindra maneran-tany izay voafantina avy amina ekipam-pirenena 200 mahery manerana izao tontolo izao dia nampiseho ny herim-pony, ny fanoloran-tenany, ny talentany, ary ny toetra maha atleta azy ireo rehefa nifaninana mba hahazo ny voninahitra ambony indrindra amin’ny baolina kitra maneran-tany.

Talanjona amin’ireo mpilalao sy mpiantsehatra amin’ny fanatanjahan-tena maro be sy amin’ireo taranja hafa izay mahatratra ny lenta faratampony amin’ny fahaiza-manaony isika. Miresaka momba ny talenta na ny fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra azy ireo isika. Tafiditra ao anatin’izany ireo manan-talenta amin’ny dihy, ny gymnastique, ny hira, ny zava-kanto, ny teatra, ny matematika, ny siansa, ary ny maro hafa. Ny olona toy izany tsirairay avy dia mampiseho ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra izay hatsaraina sy hampitomboina amin’ny alalan’ny asa mafy sy ny fandalinana ary ny fanazaran-tena mandritra ny androm-piainana. Ny fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra dia mamokatra olona manan-talenta.

Fampiasana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy

Raha jerena amin’ny fomba fijery tarihin’ny filazantsara dia omen’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy maro ireo zanany, izay mahatonga azy ireo ho olona manana talenta ara-panahy. Ireo mpikamban’ny Fiangonana mpitandrina fanekempihavanana dia omena fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy, izay ahitana ny fanomezam-pahasoavan’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika, ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavan’ny finoana mba hanasitranana sy ho sitrana, ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaiza-manavaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fandraisana fahagagana, ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fahendrena sy ny fahalalana.1 Manasa antsika ny Tompo mba hazoto hikatsaka ireo fanomezam-pahasoavana tsara indrindra, dia ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izany. Manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Izy mba hitahiana antsika sy ho ampiasaintsika mba hitahiana ny hafa.2

Raha hiverenana ilay fampitahana nataontsika momba ny mpilalao manan-talenta teo dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa ny fananana talenta fotsiny dia tsy midika hoe voafehy ilay talenta. Na dia eo aza ny talenta voajanahary mahatalanjona, dia amin’ny alalan’ny fanazaran-tena sy ny ezaka mafy sy feno fahazotoana no hanatsaran’ireo mpahaikanto sy hampitomboany ny fahaiza-manaony mba hahatratrarany ny lenta tsara indrindra amin’ny asa kanto. Na ireo fanomezana voaray mbola anaty fonosana aza matetika dia ampiarahana amin’ilay teny mampatahotra hoe “mila atambatra vao azo ampiasaina.”

Toy izany ihany, dia tsikaritro fa mila ianarana tsikelikely ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Ny fampiasana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia mitaky fampiharana ara-panahy. “Mitaky asa ara-panahy ny fananana ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao. Tafiditra ao anatin’io asa io ny vavaka amin-kafanam-po sy ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina. Tafiditra ao anatin’izany koa ny fitandremanao ny fanekempihavananao sy ny didin’ Andriamanitra. … Tafiditra ao anatin’izany ny fandraisana amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo.”3

Inona no vokatra azo avy amin’ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy? Ao anatin’izany ireo bitsika avy amin’ny Fanahy izay manampy antsika hiatrika ireo zavatra ilaintsika isan’andro sy manoro antsika izay tokony hatao sy ho lazaina ary ny fitahian’ny fiadanana sy fampiononana. Rehefa mihaino sy manaraka ireo bitsika ara-panahy isika dia ampitomboin’ny Fanahy Masina ny fahafahantsika sy ny fahaizantsika mba hahavitantsika zavatra mihoatra lavitra izay vitantsika samirery. Ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sarobidy ireo dia hanampy antsika eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika.4

Isan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sitrahan’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fananana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva.

Hatraiza ny lanjan’io fanomezam-pahasoavana io? Namaly io fanontaniana io mazava tsara ny Filoha Russell M. Nelson rehefa nilaza izy fa “ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”5

Ny fomba hanasana sy hamantarana ny bitsiky ny Fanahy

Nandritra ny fotoana rehetra nanompoako dia hitako ny fanirian’ny olona rehetra maneran-tany mba hahafantatra ny fomba hanasana sy hamantarana ny bitsiky ny Fanahy Masina. Tena mahakasika loatra ny tena manokana ny bitsiky ny Fanahy ary tonga amin’ny fomba samy hafa. Kanefa dia voatahy isika manana ny tenin’ireo mpaminany, na fahiny na maoderina, izay manome antsika hevitra manan-danja mikasika ny fomba hahazoana fitarihana avy amin’ny Fanahy.

Mamelà ahy hanolotra fitsipika ho torolalana miisa efatra izay afaka hanampy anareo amin’ny fanasana sy ny famantarana ny bitsiky ny Fanahy.

Mitsangàna eo amin’ny toerana masina

Ny voalohany dia ny mitsangana eo amin’ny toerana masina.6 Vao haingana aho no nanatrika varavarana misokatra an’ny Tempolin’ny Tokyo, Japana. Mihoatra izay nandrasana ny famaliana ireo fanasana ôfisialy nalefa ho an’ny haino vaky jery sy ireo vahiny manan-kaja. An-jatony no nanatevin-daharana tamin’ireo fitsidihana ny tempoly nisy mpitari-dia ireo. Nampihetsi-po lalina ireo vahiny ny hakanton’ny tempoly, isan’izany ireo endriky ny ravaka sy ireo kisarisary misy fifandraisany lalina amin’ny fomban-drazana Japôney. Ary mbola nampihetsi-po kokoa ireo fanehoan-kevitra feno fanajana nataon’ireo vahiny rehefa nofariparitana tao amin’ireo efitrano hanatanterahana izany ireo ôrdônansy ho an’ny razambe. Fa ny tena niteraka fihetseham-po indrindra dia ny fitaomana mahery vaika avy amin’ny Fanahy.

Mbola miraikitra ato an-tsaiko ny fotoana toy izany izay niarahana tamina manam-pahefam-panjakana ambony iray. Taorian’ny fotoana nisaintsainana tamim-pahanginana tao amin’ny efitrano selestialy dia nibitsibitsika tamiko izy, rehefa niontam-po sy nihetsi-po lalina hoe: “Na ny rivotra iainako ato amin’ity efitrano ity aza dia toa hafa mihitsy.” Fantatro fa niezaka namaritra ny fanatrehan’ny Fanahy Masina izy, izay tena mitoetra marina tokoa ao amin’ireo toerana masina. Raha manantena ny hahatsapa ny Fanahy ianao dia mandehana ao amin’ny toerana izay ahafahan’ny Fanahy mitoetra mora foana.

Ny tempolintsika sy ny tokantranontsika no masina indrindra amin’ireo toerana voatokana ireo. Ho mora kokoa ny hanasantsika sy hamantarantsika ny Fanahy ao amin’ireo toerana ireo. Isan’ireo toerana masina hafa ireo trano fiangonana, ireo trano fianarana seminera sy institiotra, ary ireo toerana manan-tantara ho an’ny Fiangonana sy ireo ivon-toerana ho an’ny mpitsidika. Mitsangàna eo amin’ny toerana masina.

Miaraha amin’ny olona masina

Faharoa, miaraha amin’ny olona masina. Hofariparitako amin’ny alalan’ny fahatsiarovana iray hafa ny fitsipika faharoa.

Tsy hohadinoiko velively ny nandraisako anjara tamin’ny fampaherezam-panahy iray natao tao amina kianja malaza iray fanaovana fanatanjahan-tena. Mazàna io kianja io no feno mpankafy mitabataba mihoby ny ekipan’izy ireo ary maneso ny mpifanandrina amin’izy ireo ihany koa aza angamba. Fa tamin’io hariva io dia hafa mihitsy ny tontolo niainana. Feno tanora an’arivony nivory mba hanome voninahitra sy hankalaza ny fiainan’ny Mpaminany Joseph Smith ilay kianja. Ny feon’izy ireo naneho fanajana lalina sy tony, ny fankasitrahany ary ny fony feno vavaka dia nameno ilay kianja tamin’ny fanatrehan’ny Fanahy Masina. Hitako nibaribary teo amin’ny tavan’izy ireo izany. Ny fanomezana ny Fanahy Masina no niasa tamin’io fotoana io, izay nanamafy ireo fijoroana ho vavolombelona natao momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Tsy azo sakanana tsy hanatrika ny fiarahan’ny olona masina mivory ny Fanahy. Raha manantena ny hahatsapa ny Fanahy ianao dia miaraha amin’ireo olona izay ahafahan’ny Fanahy mitoetra mora foana. Toy izao no nilazan’ny Mpamonjy izany: “Na aiza na aiza no hiangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.”7 Ho an’ny tanora dia eritrereto ireo fiarahan’ny olona masina mivory ho anareo, ny kôlejy sy ny kilasy, ny HZM sy ny seminera, ireo fiaraha-mientana ataon’ny paroasy sy ny tsatòka, eny na ny amboaram-peon’ny paroasy aza. Misafidiana hiaraka amin’ny olona sy handeha any amin’ireo toerana izay ahitana olo-marina. Ny firaisan-kina no hery. Mitadiava namana tsara. Meteza ho namana tsara. Mifanohàna na aiza na aiza misy anareo. Miaraha amin’ny olona masina.

Mijoroa ho vavolombelon’ny fahamarinana masina

Fahatelo, mijoroa ho vavolombelon’ny fahamarinana masina matetika araka izay vitanao. Mizara ny feony mandrakariva ny Mpampionona rehefa mijoro ho vavolombelona amin’ny feontsika isika. Mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba mitovy amin’ny mpiteny sy ny mpihaino ny Fanahy.

Tadidiko aho indray andro nandeha fiarakaretsaka nandritra ny 45 minitra tao New York. Rehefa avy niresaka toy ny mpinamana momba ny filazantsara tamin’ilay mpamily nandritra ny dia nankeny amin’ny seranam-piaramanidina aho dia naloako ny volany ary niomana ny hivoaka ny fiarakaretsaka aho. Dia tonga saina aho fa tsy nanolotra akory ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba ny zavatra nozaraiko. Niato kely aho dia nizara fijoroana ho vavolombelona tsotra sy fohy, nanasa ny Fanahy ka nahatonga ny masonay nanganohano.

Rehefa mikatsaka sy mandray andraikitra eo anatrehan’ireo fahafahana hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny hafa ianao, dia hamorona fotoana hamantarana ny Fanahy avy amin’ny ezaka ataonao ianao.

Henoy ny Fanahy Masina

Ny fitsipika farany dia ny mihaino ny Fanahy Masina. Afaka ho namantsika mandrakariva Izy, saingy miresaka amin’ny feo malefaka sy tony Izy anefa. I Elia mpaminany dia nahita fa ny feon’ny Tompo dia tsy tao amin’ny rivotra, na ny horohoron-tany, na ny afo, fa “feo nitsoka malemy.”8 “Tsy ny feon’ny kotro-baratra izany” fa “feo malefaka sy tony tanteraka miova tsy ny bitsika iray” kosa, saingy afaka “nandoaka na dia hatrany amin’ny aty fanahy aza.”9

Nilaza ny Filoha Boyd K. Packer hoe: “Ny Fanahy dia tsy misarika ny saintsika amin’ny alalan’ny hikiaka na amin’ny alalan’ny famehezana mafy ny tanantsika. Fa mibitsibitsika kosa Izy. Manafosafo mora dia mora tokoa Izy ka raha be zavatra eritreretina isika dia mety tsy hahatsapa Azy mihitsy.”10 Tsikaritro fa indraindray ny feony dia malefaka tokoa, na variana loatra aho, ka olona akaikin’ny foko no maharay izany ho ahy. Maro ireo fotoana izay nahatongavan’ny bitsiky ny Fanahy Masina tamiko tamin’ny alalan’i Lesa vadiko. Mety haharay fitarihana avy amin’ny fitaomam-panahy ho anareo ihany koa ireo ray aman-dreny na mpitarika marina.

Ny tabataba sy ny horakoraka ary ny fifandirana manjaka eto amin’izao tontolo izao dia mety handresy ireo fitaomana tony sy malefaky ny Fanahy Masina. Mitadiava toerana mangina, toerana masina izay ahafahanao mikatsaka ny handray fitarihana avy amin’ny Fanahy.

Teny fampitandremana vitsivitsy

Rehefa mieritreritra ireo fitsipika ireo ianao mba hanasana sy hamantarana ny Fanahy, dia eritrereto ireto torolalana mifono fampitandremana ireto.11

Hamarino ireo fahatsapana ara-panahy voarainao. Ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy, ohatra, dia hifanaraka amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona.

Alaivo antoka fa mifanaraka amin’ireo andraikitra ampanaovina anao ny fahatsapana voarainao. Raha tsy nantsoina tamin’ny alalan’ny fahefana araka ny tokony ho izy ianao dia tsy omena fitaomana avy amin’ny Fanahy ianao mba hanoro na hanitsy ny hafa.

Tsy azo terena ny zavatra ara-panahy. Afaka miezaka ny hanana toe-tsaina sy manorina tontolo izay manasa ny Fanahy ianao, ary afaka manomana ny tenanao, saingy tsy afaka mibaiko ny fomba na ny fotoana hahatongavan’ny fitaomam-panahy. Manàna faharetana ary matokia fa handray ny zavatra ilainao ianao rehefa tonga ny fotoana maha-mety izany.

Ampiasao ny fahaizanao mitsara tsara indrindra. Indraindray isika dia te hotarihin’ny Fanahy amin’ny zava-drehetra. Kanefa, matetika ny Tompo no maniry ny ampiasantsika ny faharanitan-tsaina nomen’ Andriamanitra antsika sy hanao zavatra mifanaraka amin’ny fahatakarana tsara indrindra ananantsika. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

“Ny faniriana mba hotarihin’ny Tompo dia tanjaka, saingy mila ampiarahana amin’ny fahatakarana izany fa ny Raintsika any An-danitra dia mamela fanapahan-kevitra maro mba horaisintsika amin’ny alalan’ny safidintsika manokana. … Ireo olona izay manandrana manilika ny fandraisana fanapahan-kevitra rehetra any amin’ny Tompo sy mangataka fanambarana amin’ny safidy rehetra izay ataony dia ho tafalatsaka tsy ho ela ao anatin’ireo toe-javatra izay hanaovany vavaka mba hangataka fitarihana saingy tsy ho azony izany. …

“Tokony handalina ny zava-drehetra ao an-tsaintsika isika. … Avy eo isika dia tokony hivavaka mba hahazo fitarihana ary hanaraka izany. … Raha tsy mahazo fitarihana isika dia tokony hanao asa araka ny fomba izay heverintsika fa tsara indrindra.”12

Famaranana miaraka amin’ny fanasana

Hamaranako ny teniko dia olona tokony manan-talenta sy mpitandrina fanekempihavanana ny Olomasin’ny Andro Farany. Na dia izany aza dia anjarantsika tsirairay avy ny mikatsaka ny hampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ananantsika ary avy eo dia manasa sy mianatra mamantatra ny bitsiky ny Fanahy. Ireto manaraka ireto ireo fitsipika mpitarika miisa efatra hanampiana antsika amin’io ezaka ara-panahy manan-danja io:

  1. Mitsangàna eo amin’ny toerana masina.

  2. Miaraha amin’ny olona masina.

  3. Mijoroa ho vavolombelon’ny fahamarinana masina.

  4. Henoy ny Fanahy Masina.

Ny fahafahanao manasa sy mamantatra ny bitsiky ny Fanahy dia hivoatra dingana tsikelikely isaky ny mandeha. “Ny fahatongavana ho zatra kokoa amin’ny fitenin’ny Fanahy dia toy ny fianarana fiteny hafa. Dingana mandeha tsikelikely izay mitaky ezaka amim-pahazotoana sy amim-paharetana izany.”13

Raha iverenana ny zavatra noresahantsika tany am-piandohana dia tadidio fa manan-karem-pahasoavana ianareo amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany anareo. Alaivo sary an-tsaina ity zava-nitranga tamin’ny alahady fifadian-kanina notantaraina tamiko vao haingana ity. Zara raha tazana teo amin’ny polipitra ny ankizy kely iray nijoro teo ambony ankalana. Nijoro teo akaikiny ny rainy nanolotra fankaherezana sy nanampy tamin’ny bitsika mangina teo an-tsofiny raha niteny tamim-pireharehana izy hoe: “Zanak’ Andriamanitra aho.”

Ny fijoroana ho vavolombelona manaraka dia nataon’ny tanora olon-dehibe iray izay nanomboka tamin’ny teny mampihomehy niharo tahotra hoe: “Tiako raha mba nisy olona nibitsibitsika toy izany koa teo an-tsofiko.” Dia nahazo fitaomam-panahy tampoka izy avy eo ary nijoro ho vavolombelona hoe: “Manana olona mibitsika eo amin’ny sofiko tahaka izany aho, dia ny Fanahy Masina izany!”

Faranako amin’ny fanasana iray izay ho an’ny zatovo indrindra indrindra! Maro aminareo no manomboka ny tontolo andronareo amin’ny fijoroana eo anoloan’ny fitaratra. Rahampitso, amin’ity herinandro ity, amin’ity taona ity, dia miatoa kely foana eo am-pijerenareo ny tenanareo eo amin’ny fitaratra. Eritrereto ny tenanareo, na teneno mafy raha tianareo hoe: “Oay, jereo anie aho e! Tena mahavariana aho! Zanak’ Andriamanitra aho! Fantany aho! Tiany aho! Manan-karem-pahasoavana aho—fahasoavan’ny fananana ny Fanahy Masina mba ho namako mandrakariva!”

Ampiako ny fijoroana ho vavolombelona zaraiko aminareo, ry Olomasin’ny Andro Farany manan-karem-pahasoavana, momba an’ Andriamanitra Ray, i Jesoa Kristy, ary ny Fanahy Masina izay mijoro ho vavolombelona momba Azy Ireo. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.