Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mampitoetra ny feon’ny vahoakan’ny fanekempihavanana ao amin’ny taranaka vao misondrotra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Mampitoetra ny feon’ny vahoakan’ny fanekempihavanana ao amin’ny taranaka vao misondrotra

Anisan’ny andraikitra masina indrindra ananantsika ny manampy ny zanatsika ho lasa mahafantatra lalina sy mazava tsara fa i Jesoa no Kristy.

Anisan’ny fotoana mampihetsi-po indrindra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fitsidihan’ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty an’ireo vahoaka tao amin’ny tempoly tao amin’ny tanànan’i Soafeno. Taorian’ny andro iray nampianarana sy nanasitranana ary nanorenana finoana, dia nampitodika ny sain’ny vahoaka tany amin’ny taranaka vao misondrotra i Jesoa: “Nodidiany ny hitondrana ny ankizy madininy.”1 Nivavaka ho azy ireo sy nitsodrano azy ireo tsirairay Izy. Tena heniky ny fihetseham-po ilay zavatra niainana hany ka na ny Mpamonjy aza dia nitomany imbetsaka.

Avy eo dia nilaza izao i Jesoa rehefa niresaka tamin’ny vahoaka hoe:

“Jereo ny madinikareo.

“Ary raha nijery izy ireo … , [dia] nahita ny lanitra nisokatra sy nahita anjely nidina avy tany an-danitra,” nanompo ny zanak’izy ireo.2

Efa nieritreritra matetika io zava-nitranga io aho. Mety ho nanohina ny fon’ny olona tsirairay avy izany! Nahita ny Mpamonjy izy ireo. Notsapain’izy ireo Izy. Nahafantatra Azy izy ireo. Nampianatra azy ireo Izy. Nitsodrano azy ireo Izy. Ary notiaviny izy ireo. Tsy mahagaga fa taorian’io zava-nitranga masina io dia nihalehibe mba hanampy amin’ny fanorenana fiarahamonin’ny fiadanana sy firoboroboana ary fitiavana tahaka ny an’i Kristy izay naharitra taranaka maro ireo ankizy ireo.3

Moa ve tsy hahafinaritra raha mba miaina zavatra toy izany miaraka amin’i Jesoa Kristy ihany koa ireo zanatsika—zavatra iainana izay hamatotra ny fon’izy ireo Aminy! Manasa antsika Izy, toy ny nanasany ireo ray aman-dreny ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo, mba hitondrana eo Aminy ny madinitsika. Afaka manampy azy ireo isika hahafantatra ny Mpamonjy sy Mpanavotr’izy ireo araka ny fomba nahafantaran’ireo ankizy ireo Azy. Azontsika aseho azy ireo ny fomba hitadiavana ny Mpamonjy ao amin’ny soratra masina sy hanorenana ny fototr’izy ireo eo Aminy.4

Vao tsy ela izay dia nisy namana akaiky iray nampianatra ahy zavatra iray tsy mbola tsikaritro hatrizay tao amin’ilay fanoharana momba ilay lehilahy hendry nanorina ny tranony teo amin’ny vatolampy. Araka ny voarakitra ao amin’ny Lioka, dia “nihady lalina” ilay lehilahy hendry rehefa nanorina ny fototry ny tranony izy.5 Tsy zavatra kisendrasendra na tsotra kely izany—fa nitaky ezaka kosa!

Raha hanorina ny fiainantsika eo amin’ny vatolampin’ny Mpanavotra antsika, i Jesoa Kristy, isika, dia mila mihady lalina. Esorintsika avokoa izay mety ho fasika rehetra na zavatra tsy ilaina loatra eo amin’ny fiainantsika. Manohy mihady lalina hatrany isika mandrapahitantsika Azy. Ary mampianatra ny zanatsika isika mba hamatotra ny tenan’izy ireo Aminy amin’ny alalan’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina, ka rehefa tonga ny rivo-mahery sy safodranon’ny fanoherana, izay tsy maintsy ho tonga tokoa, dia tsy hanan-kery firy amin’izy ireo izany “noho ilay vatolampy izay iorenan’[izy ireo].”6

Tsy tongatonga ho azy izany karazana tanjaka izany. Tsy azo afindra amin’ny taranaka manaraka toy ny hoe hamindra lova ara-panahy izany. Tsy maintsy mihady lalina mba hahitany ilay vatolampy ny olona tsirairay avy.

Mianatra izany lesona izany avy amin’ny tantara hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna isika. Rehefa nanao ny lahateniny farany tamin’ny vahoakany i Benjamina Mpanjaka, dia niara-nivory mba hihaino ny teniny izy ireo.7 Nijoro ho vavolombelona tamin-kery momba an’i Jesoa Kristy i Benjamina Mpanjaka, ary nahakasika lalina ny fon’ny vahoaka ny fijoroana ho vavolombelona nataony. Nanambara izy ireo hoe:

“Ny Fanah[y] … [no] efa nahatonga fiovana mahery vaika tao amin[ay], na tao am-ponay. …

“Ary izahay dia vonona hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitray, hanao ny sitrapony … amin’ny andronay sisa rehetra.”8

Ny olona iray dia mety hihevitra fa ny zaza kely manana ray aman-dreny niova fo lalina toy izany dia ho lasa miova fo koa any aoriana any ary hanao fanekempihavanana ho an’ny tenan’izy ireo ihany koa. Kanefa, noho ny antony izay tsy voalaza tao amin’ny raki-tantara, dia tsy nahaliana firy ny zanaka sasany ny fanekempihavanana nataon’ireo ray aman-dreny. Taona maro taty aoriana dia “nisy maro tamin’ny taranaka vao misondrotra, izay tsy nety nahatakatra ny tenin’i Benjamina mpanjaka noho izy mbola ankizy madinika tamin’ny fotoana nitenenany tamin’ny olony; ary tsy nino ny fomban-drazany izy.

“Tsy nino izay efa nolazaina momba ny fitsanganan’ny nodimandry amin’ny maty izy ary tsy nino koa ny momba ny fiavian’i Kristy. …

“Ary tsy nety natao batisa izy; sady tsy nety nikambana tamin’ny fiangonana. Ary olona niavaka izy raha ny finoany.”9

Tena mampieritreritra tokoa izany! Ho an’ny taranaka vao misondrotra dia tsy ampy raha “fomban-drazany” ny finoana an’i Jesoa Kristy. Mila manana ny finoany manokana an’i Kristy izy ireo. Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanana an’ Andriamanitra antsika, ahoana no fomba hahafahantsika mampiditra ao am-pon’ny zanatsika ny faniriana hanao fanekempihavanana Aminy sy hitandrina izany?

Azontsika hatomboka amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Nefia izany: “Miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany.”10 Ny tenin’i Nefia dia milaza ezaka tsy tapaka sy maharitra hampianatra ny zanatsika momba an’i Kristy. Azontsika alaina antoka fa ren’ny sofin’ny taranaka vao misondrotra hatrany ny feon’ny vahoakan’ny fanekempihavanana ary i Jesoa dia tsy lohahevitra resahina amin’ny andro alahady ihany.11

Ny feon’ny vahoakan’ny fanekempihavanana dia hita ao amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana ihany koa. Hita ao amin’ny tenin’ireo mpaminany velona izany. Ary voatahiry amin-kery ao amin’ny soratra masina izany. Ao no hahafahan’ireo zanatsika ho lasa hahafantatra an’i Jesoa sy hahita ny valin’ny fanontanian’izy ireo. Ao no hahafahan’izy ireo mianatra ho an’ny tenany manokana ny fotopampianaran’i Kristy. Ao no hahitan’izy ireo fanantenana. Hanomana azy ireo amin’ny fikatsahana fahamarinana sy fiainana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mandritra ny androm-piainany izany.

Tiako ity torohevitra avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity, hoe:

“Aiza no azontsika aleha raha hihaino Azy?

Afaka mitodika any amin’ny soratra masina isika. Ny soratra masina dia mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ny halehiben’ny Sorompanavotany, ary ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy ny fanavotan’ny Raintsika. Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa ao amin’izao andro hisian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana.”12

Toy ny ahoana izany hoe mivoky amin’ny tenin’i Kristy sy mihaino Azy izany? Izany dia mitovy amin’izay zavatra mandaitra indrindra aminareo! Mety hoe fivorian’ny fianakavianao mba hiresaka momba ireo zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina anareo nandritra ny fandalinanareo ny soratra masina tamin’ny alalan’ny fampiasana ny Avia, hanaraka Ahy izany. Mety hoe fiarahana isan’andro amin’ny zanakao mba hamaky andininy vitsivitsy ao amin’ny soratra masina izany ary avy eo mitady fahafahana hiresadresaka momba ny zavatra nianaranareo nandritra ny fotoana niarahana. Tadiavo fotsiny izay zavatra mandaitra indrindra ho anao sy ny fianakavianao, ary avy eo dia miezaha manao tsara kokoa hatrany isan’andro.

Diniho kely ity famakafakana avy amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy ity: “Raha raisina tsirairay, ny takarivan’ny mpianakavy iray, ny fotoana fandalinana soratra masina iray, na ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara iray dia toa tsy mitondra zavatra firy. Saingy ny fitambaran’ireo ezaka kely sy tsotra, miverimberina tsy tapaka rehefa mandeha ny fotoana, dia afaka ny ho mahery vaika sy mampatanjaka kokoa noho ny fotoana goavana iray izay mahalana na ny lesona miavaka iray. … Noho izany aoka ianao tsy hilavo lefona, ary aza miahiahy ny amin’ny tsy maintsy hanatanterahana zavatra goavana isaky ny mandeha. Ataovy tsy tapaka fotsiny ny ezaka ataonao.”13

Anisan’ny andraikitra masina indrindra ananantsika ny manampy ny zanatsika ho lasa mahafantatra lalina sy mazava tsara fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ilay Andriamanitra velona, dia ny Mpamonjy sy Mpanavotra azy ireo manokana izay mijoro ho filohan’ny Fiangonany! Tsy azontsika avela ho lasa mangina na hampanginina ny feon’ny fanekempihavanana avy amintsika raha ny mahakasika Azy.

Mety tsy hainao loatra ny zavatra tokony hatao amin’izany anjara asa izany, kanefa tsy irery na oviana na oviana ianao. Ohatra, ireo filankevitry ny paroasy dia nomena lalana handamina fivoriana filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny. Mandritra ireo fivoriana isan-telovolana ireo, dia afaka mivory ireo ray aman-dreny mba hifampianatra avy amin’ny traikefan’ny tsirairay, hifanakalo hevitra momba ny fomba hampatanjahan’izy ireo ny fianakaviany, ary mianatra fitsipika fototry ny fampianarana tahaka an’i Kristy. Io fivoriana io dia tokony hotanterahina mandritra ny ora faharoa ao am-piangonana.14 Tarihin’ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy voatendrin’ny eveka izy io ary manaraka ny endriky ny fivoriana filankevitry ny mpampianatra mahazatra, ka ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy no loharanom-pitaovana fototra ampiasaina.15 Ry eveka isany, raha toa ka mbola tsy manao fivoriana filankevitry ny mpampianatra ho an’ireo ray aman-dreny ny paroasinareo amin’izao fotoana izao, dia miaraha miasa amin’ny filohan’ny Sekoly Alahady sy ny filankevitry ny paroasy ao aminareo mba handaminana ny hanaovana izany.16

Ry namako malala ao amin’i Kristy, efa tsara lavitra mihoatra noho ny eritreretinareo ny zavatra ataonareo. Tohizo tsara kokoa hatrany fotsiny. Mijery sy mihaino ary mianatra ny zanakareo. Rehefa mampianatra azy ireo ianareo dia lasa hahafantatra fa izy ireo dia tena zanakalahy sy zanakavavy malalan’ Andriamanitra marina tokoa. Mety hoe manadino ny Mpamonjy izy ireo mandritra ny fotoana anankiray, saingy mampanantena anareo aho fa Izy dia tsy hanadino azy ireo velively! Ireo fotoana izay iresahan’ny Fanahy Masina amin’izy ireo dia hiraiki-tampisaka ao am-pony sy ao an-tsainy. Ary indray andro any dia hamerina hilaza ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Enôsa ireo zanakareo manao hoe: “Noho ny fahalalako ny [ray aman-dreniko] fa izy [ireo] dia [olo-]marina—fa izy [ireo] dia nampianatra ahy tamin’ny fiteniny ary koa tamin’ny fanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo—ary hotahiana anie ny anaran’ny Andriamanitro noho izany.”17

‘Ndeha isika hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy ka hitondra ny zanatsika ho eo Aminy. Rehefa manao izany isika dia hahita Azy izy ireo. Hahatsapa Azy izy ireo. Hahafantatra Azy izy ireo. Hampianatra azy ireo Izy. Hitahy azy ireo Izy. Ary tena hotiaviny izaitsizy tokoa izy ireo. Ary tena tiako Izy. Amin’ny anarany masina, dia i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. 3 Nefia 17:11.

  2. 3 Nefia 17:23–24; jereo koa ny 3 Nefia 17:11–22.

  3. Jereo ny 4 Nefia 1:1–22.

  4. Jereo ny Lioka 6:47–49; Helamàna 5:12.

  5. Lioka 6:48.

  6. Helamàna 5:12.

  7. Jereo ny Môzià 2:5.

  8. Môzià 5:2, 5. Mariho fa “tsy nisy na dia olona iray aza, afa-tsy ireo ankizy madinika, ka tsy nanao fanekempihavanana sy tsy nitondra teo aminy ny anaran’i Kristy” (Môzià 6:2).

  9. Môzià 26:1–2, 4.

  10. 2 Nefia 25:26.

  11. “Maro ireo zavatra ampianarina ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny: fitsipika, didy, faminaniana, ary tantara avy ao amin’ny soratra masina. Saingy ireo rehetra ireo dia rantsana avy amin’ny hazo iray ihany satria manana tanjona iray izy rehetra: hanampy ny olona rehetra hanatona an’i Kristy ary hatao tanteraka ao Aminy (jereo ny Jarôma 1:11; Môrônia 10:32). Noho izany, na inona na inona ampianarinao dia tsarovy fa tena mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ianao sy ny fomba hahatongavana tahaka Azy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra ao an-trano sy any am-piangonana [2022], 6).

  12. Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020.

  13. Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy31.

  14. Tokony hanokanana sehatra manokana ireo ray aman-dreny izay mampianatra ao amin’ny Kilonga, toy ny hoe hatao mandritra ilay fotoana fihirana maharitra 20 minitra ilay fivoriana, na hanaovana fivoriana azy ireo manokana amin’ny fotoana hafa izy ireo (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 17.4, Médiathèque de l’Évangile).

  15. Ireo mpikambana sy mpitarika dia afaka manafatra ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ireo Sampan-draharaha Mpaninjara. Hita amin’ny endrika nomerika ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile koa izany.

  16. Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany13.5.

  17. Enôsa 1:1. Tsarovy fa isan’ireo tsy mpino teo anivon’ny taranaka vao misondrotra tao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môzià. Fa rehefa nanaiky ny ilany fanovana teo amin’ny fiainany amin’izay i Almà Zanany, dia tsaroany ireo zavatra nampianarin’ny rainy momba an’i Jesoa Kristy—dia fampianarana izay notsinontsinoaviny tamin’ny lasa. Saingy nitoetra ny fahatsiarovana momba izany, ary izany fahatsiarovana izany no nanavotra an’i Almà teo amin’ny ara-panahy (jereo ny Almà 36:17–20).