Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ilay namantsika lalandava
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Ilay namantsika lalandava

Izaho sy ianao dia manana fahafahana hanana ny Fanahy Masina ho namanantsika mandrakariva.

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, notahiana isika tamin’ny fitosahan’ny fanambarana tamin’ity fihaonambe ity. Nilaza sy hilaza tenin’ny fahamarinana sy fankaherezana ary torolalana ireo mpanompon’i Jesoa Kristy Tompo.

Nanohina ahy ireo fijoroana ho vavolombelona nozaraina nandritra ity fihaonambe ity izay milaza fa ny Tompo dia miteny amintsika manokana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Rehefa mivavaka isika ary avy eo mihaino ireo fitaoman’ny Fanahy dia hahazo fahatakarana sy fitahiana leibe kokoa mba hitarika antsika handia ireo andro tsy mitsaha-mihasarotra ho avy.

Rentsika indray ny Filoha Russell M. Nelson nampitandrina hoe: “Ao anatin’ireo andro ho avy, dia tsy azo heverina ny ho velon’aina ara-panahy raha tsy misy ny fitaoman’ny Fanahy Masina izay mitarika, sy manoro hevitra, ary mampionona tsy tapaka.”1

Izany fampitandremana avy amin’ny mpaminany izany dia nahatonga ahy hisaintsaina ny zavatra mety hampianariko ny zanako sy ny zafikeliko ary ny zafiafiko ny amin’ny fomba hananana izany fitarihana iankinan’ny aina izany mandritra ireo andro ho sarotra miandry azy ireo.

Koa ity hafatra anio ity dia taratasy fohy ho an’ireo taranako izay mety hanampy azy ireo rehefa tsy ho eo amin’izy ireo aho amin’ireo andro mampientanentana ho avy. Tiako ho fantatrareo ny zavatra lasa fantatro izay mety hanampy azy ireo.

Lasa takatro kokoa ny zavatra takina amin’izy ireo mba hananany ny fitaomana tsy tapaka avy amin’ny Fanahy Masina amin’izay andro hiainan’izy ireo. Ary nahatsapa aho fa tokony hiresaka anio momba ny zavatra niainako manokana tamin’ny fanasako ny Fanahy Masina mba ho namako lalandava, arak’izay tsara indrindra vitako. Mivavaka aho mba ho afaka ny hamporisika azy ireo aho.

Asaiko mieritreritra sy mivavaka momba an’ i Nefia sy i Lehia, zanak’i Helamàna, ary ireo mpanompon’ny Tompo hafa izay niara-niasa tamin’izy ireo aloha izy ireo. Niatrika fanoherana mafy izy ireo. Nanompo teo amin’ny toerana feno faharatsiana izy ireo ary voatery niatrika fahadisom-panantenana lehibe. Mahazo hery avy amin’ity andininy anankiray avy amin’ny rakitsoratr’i Helamàna ity aho, ary ianareo koa:

“Ary tamin’ny taona fahasivy amby fitopolo dia nanomboka nisy ny fifamaliana be. Nefa ny zava-nitranga dia i Nefia sy i Lehia ary ny maro tamin’ny rahalahiny izay nahalala ny momba ny lafiny marina amin’ny fotopampianarana, dia nanana fanambarana maro isan’andro, koa nitory tamin’ny vahoaka izy ireo, hany ka nasiany farany ny fifamaliany tamin’izay taona izay ihany.”2

Mankahery ahy ity tantara ity ary afaka ny hankahery anareo koa izany. Nahazo fampianarana sy fitarihana ireo zanakalahin’i Helamàna tamin’ny alalan’ny andian-javatra niainan’izy ireo niaraka tamin’ny Fanahy Masina. Izany dia manome toky ho ahy fa afaka mahazo fampianarana isika sy mandray lesona avy amin’ny Fanahy, andalana anampy andalana, mandray izay ilaintsika ary avy eo rehefa vonona isika, dia handray misimisy kokoa.

Nahazo hery tahaka izany koa aho avy tamin’ny tantaran’i Nefia izay nangatahana mba hiverina tany Jerosalema haka ireo takelak’i Labàna. Tsaroanareo ny safidy nataony. Fa hoe: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”3

Ny zavatra niainan’i Nefia niaraka tamin’ny Fanahy Masina tamin’izany iraka nampanaovina azy izany dia imbetsaka no nankahery ahy, rehefa nirotsaka tamin’ny fanaovana asa izay fantatro fa fanendrena avy amin’ny Tompo aho kanefa toa nitaky mihoatra lavitra noho ny traikefa nananako hatrizay sy mihoatra noho izay hitako hoe zavatra mety ho vitako.

Tadidinareo ny nolazain’i Nefia momba io zavatra niainany io: “Ary alina ny andro; ary nasaiko niafina tatỳ ivelan’ny manda [ireo rahalahiko]. Ary rehefa niafina izy ireo, dia izaho Nefia no nisoko niditra ny tanàna ka nandroso nankany an-tranon’i Labàna.”

Notohizany hoe: “Ary notarihin’ny Fanahy aho, tsy nahafantatra mialoha ny zavatra izay tokony hataoko.”4

Nahazo hery aho tamin’ny fahafantarako fa i Nefia dia notarihin’ny Fanahy isa-minitra nandritra ilay alina teo am-pamitana iraka avy amin’ny Tompo.

Mila manana ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava isika, ary hila izany ianareo. Amin’izao dia maniry izany isika saingy fantatsika avy tamin’ny zavatra niainantsika fa tsy mora ny manatanteraka izany. Mieritreritra sy milaza ary manao zavatra izay mety manafintohina ny Fanahy isika tsirairay avy eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Rehetra mitranga izany, satria hitranga izany, dia mety hahatsapa ny tsy fankatoavan’ny Tompo isika. Ary mety halaim-panahy isika ny hahatsapa fa irery. Zava-dehibe ny mahatsiaro ilay fampanantenana azo antoka raisintsika isan-kerinandro rehefa mibebaka isika sy mandray ny fanasan’ny Tompo: “Mba hananany mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy.”5

Raha nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao androany dia azonao raisina ho toy ny porofo ankamamiana izany fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotana.

Araka ny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Isaky ny mitranga ireo fotoana sarotra indrindra, dia tsy tokony hanaiky ho resin’ny tahotra isika hoe nahafoy antsika Andriamanitra na hoe tsy mandre ireo vavaka ataontsika Izy. Tena mandre antsika Izy. Tena mahita antsika Izy. Tena tia antsika Izy.”6

Nanampy ahy izany fahazoana antoka izany. Rehefa mahatsapa ho lavitry ny Tompo aho, rehefa toa taraiky ny valin’ny vavaka ataoko, dia nianatra aho fa tokony hanaraka ny torohevitry ny Filoha Nelson mba hanao jery todika ny fiainako ka hijery ireo zavatra tokony hibebahako. Mampahatsiahy antsika izy hoe: “Ny fibebahana isan’andro no lalana mitondra any amin’ny fahadiovana ary ny fahadiovana dia mitondra hery.”7

Raha sarotra aminao ny mahatsapa ny Fanahy Masina dia afaka misaintsaina amim-pahendrena ianao raha toa ka misy zavatra izay tokony hibebahanao na hahazoanao famelan-keloka.8 Afaka mivavaka am-pinoana ianao mba hahafantatra izay tokony hatao mba ho voadio ary dia ho mendrika kokoa ny hahazo ny Fanahy Masina ho namanao lalandava.

Raha maniry ny hahazo ny Fanahy Masina ho namanao ianao, dia mila maniry izany noho ny antony marina. Mila hoe ireo tanjon’ny Tompo no tanjonao. Raha feno fitiavan-tena loatra ireo anton-javatra manosika anao, dia ho hitanao fa sarotra ny mandray ny bitsiky ny Fanahy.

Ny fanalahidiny ho ahy sy ho anao dia ny maniry izay irian’ny Mpamonjy. Tokony ho avy amin’ny fitiavana madion’i Kristy ny zavatra mampazoto antsika. Ny vavaka ataontsika dia tokony hoe: “Ny hany iriko dia izay irinao. Hatao anie ny sitraponao.”

Miezaka mahatsiaro ny sorona nataon’ny Mpamonjy sy ny fitiavany ahy aho. Avy eo, rehefa mivavaka amin’ny Ray any An-danitra aho mba hisaotra Azy, dia mahatsapa fitiavana sy fahatokiana fa re ny vavaka ataoko ary hahazo izay tsara indrindra ho anay izaho sy ireo olona akaikin’ny foko. Manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako izany.

Amin’ireo zavatra rehetra izay hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona, ny sarobidy indrindra ho antsika dia ny hoe i Jesoa no Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra velona. Nampanantena ny Mpamonjy hoe: “Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.”9

Taona maro lasa izay, dia naharay antso an-taribỳ aho avy tamin’ny renim-pianakaviana iray izay very hevitra. Nilaza tamiko izy fa nifindra monina lavitry ny tranony ny zanany vavy. Nahatsapa izy avy amin’ny fifandraisana mahalana tamin’ilay zanany vavy fa misy zavatra tena tsy mety. Nitalaho tamiko izy mba hanampiako azy.

Nofantariko hoe iza no mpampianatra isan-tokantranon’io zanaka vavy io. Hitanareo amin’izany fomba fiantso izany fa efa taloha ela be izany. Nantsoiko izy. Mbola tanora izy io. Kanefa nilaza tamiko izy fa izy sy ny mpamangy namany dia samy taitra tamin’ny alina, tsy noho ny fahatsapana ahiahy ny amin’ilay zanaka vavy ihany fa noho ny fitaomam-panahy hoe hisy safidy hataony izay hitondra alahelo sy fahoriana. Noho izany fitaoman’ny Fanahy izany fotsiny dia naniry ny hahita azy izy ireo.

Tamin’ny voalohany dia tsy te hilaza tamin’izy ireo ny toe-javatra nisy azy ilay zanaka vavy. Nentanin’ny Fanahy izy ireo hiangavy azy mba hibebaka sy hisafidy ny lalana nomanin’ny Tompo ho azy. Teo no nahafantaran’ilay zanaka vavy, inoako fa avy tamin’ny Fanahy, fa ny hany fomba ahafahan’izy ireo nahafantatra ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny fiainany dia avy tamin’ Andriamanitra. Nampitodika ny ahiahiny tamin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ny renim-pianakaviana iray. Nirahina ho any amin’ireo mpampianatra isan-tokantrano ireo ny Fanahy Masina satria izy ireo dia nanam-piniavana ny hanompo ny Tompo. Narahin’izy ireo ilay torohevitra sy fampanantenana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana manao hoe:

“Aoka ny kibonao koa ho feno fiantrana ny olon-drehetra sy ny mpianakavin’ny finoana, ary aoka handravaka tsy an-kijanona ny eritreritrao ny hatsaram-panahy; dia hihamahery ny fahatokian-tenanao eo anatrehan’ Andriamanitra; ary ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika ao amin’ny fanahinao toy ny ando avy any an-danitra.

“Ny Fanahy Masina no ho namanao lalandava, ary ho tehim-piandrianan’ny fahamarinana sy ny marina ka tsy hiovaova ny tehim-piandriananao; ary ny fanapahana dia ho fanapahana maharitra mandrakizay, ary tsy mitady fitaovam-pamoretana no hikorianany mankany aminao mandrakizay mandrakizay.”10

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia manaja ny fampanantenana nomeny. Alefa ny Fanahy Masina ho any amin’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy mahatoky ao amin’ny fanekempihavanana. Ankehitriny dia, hiavaka ny zavatra hiainanareo, ary ny Fanahy dia hitarika anareo amin’ny fomba izay mety indrindra amin’ny finoanareo sy ny fahafahanareo handray fanambarana ho anareo sy ho an’ireo izay tianareo sy tompoinareo. Mivavaka amin’ny foko manontolo aho mba hitomboan’ny fahatokianareo.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra Ray. Tiany ianareo. Maheno ny vavaka rehetra ataonareo Izy. Nivavaka tamin’ny Ray i Jesoa Kristy mba handefa ny Fanahy Masina mba hitarika sy hampionona ary hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana amintsika. Niseho tamin’i Joseph Smith tao anatin’ny ala kely iray ny Ray sy ny Zanany Malalany. Nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra i Joseph Smith Mpaminany.

Namerina tamin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fisoronana ireo iraka avy any an-danitra. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ Andriamanitra ho an’ny tany manontolo.

Amin’ny maha vavolombelon’i Jesoa Kristy ahy dia fantatro fa velona Izy ary mitarika ny Fiangonany Izy. Izaho sy ianareo dia afaka ny hanana ny Fanahy Masina ho namantsika lalandava sy hahazo ny fanamafisana ny amin’ireo fahamarinana ireo rehefa mahatsiaro sy mitia ny Mpamonjy sy mibebaka ary mangataka ny fitiavany mba ho ao am-pontsika. Mivavaka aho mba hahazoantsika izany fitahiana izany sy mba hiarahan’ny Fanahy Masina amintsika tsy tapaka anio sy amin’ny andro rehetra iainantsika. Tiako ianareo. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.