Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Fanohanana ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony

Ry rahalahy sy anabavy, fifaliana ho ahy ny hanolotra ireo Manampahefana Ambony sy ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra ary ireo Mpiandraikitra Ambony ato amin’ny Fiangonana mba hotohananareo.

Miangavy anareo izahay mba haneho ny fanohananareo amin’ny fomba mahazatra na aiza na aiza mety misy anareo. Raha misy aminareo manohitra, dia mangataka anareo izahay mba hifandray amin’ny filohan’ny tsatòkanareo.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Russell Marion Nelson amin’ny maha-mpaminany sy mpahita ary mpanambara azy ary Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany; Dallin Harris Oaks amin’ny maha-Mpanolotsaina Voalohany azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany; ary Henry Bennion Eyring amin’ny maha-Mpanolotsaina Faharoa azy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany.

Ireo izay manohitra, raha misy, dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana an’i Dallin H. Oaks ho Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ary i M. Russell Ballard ho Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo izay manohana aoka haneho izany.

Raha misy manohitra dia afaka maneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireto manaraka ireto ho ny mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: M. Russell Ballard, Jeffrey R. Holland, Dieter F. Uchtdorf, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Neil L. Andersen, Ronald A. Rasband, Gary E. Stevenson, Dale G. Renlund, Gerrit Walter Gong, ary Ulisses Soares.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra dia aoka haneho izany.

Aroso amintsika ny hanohanana ireo mpanolotsaina ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara.

Izay rehetra manohana dia aoka haneho izany.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany koa.

Araka ny natao filazana teo aloha dia niantso an’i Alexander Dushku izahay mba hanompo amin’ny maha Fitopololahy Manampahefana Ambony.

Ireo izay manohana dia aoka haneho izany.

Ireo izay manohitra, dia aoka haneho izany koa.

Marihinay amim-pankasitrahana ihany koa ny fisaorana ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra anankiroa, ny anaran’izy ireo dia hita ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana.

Ireo izay te-hiaraka haneho fankasitrahana an’ireo rahalahy ireo aminay noho ny asa fanompoana tena tsara nataon’izy ireo dia iangaviana haneho izany.

Aroso mba hotohanantsika ireo Manampahefana Ambony sy Fitopololahin’ny Vondromparitra hafa, ka tafiditra ao anatin’izany ireo Fitopololahin’ny Vondromparitra vaovao anankiroa izay natao filazana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ary ny anaran’izy ireo dia voatanisa ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana, ary ireo Mpiandraikitra Ambony hafa araka izay misy ankehitriny.

Ireo izay manohana dia afaka maneho izany amin’ny alalan’ny fananganana ny tanana.

Izay manohitra, raha misy, dia aoka haneho izany.

Misaotra anareo ry rahalahy sy anabavy noho ny finoana sy ny vavaka tsy tapaka ataonareo ho an’ireo mpitarika eto anivon’ny Fiangonana.

Fanovana eo amin’ny Fitopololahin’ny Vondromparitra

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia notohanana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Rogério Boschi sy Kirt L. Hodges.

Ireto Fitopololahin’ny Vondromparitra manaraka ireto dia nisaorana nandritra ny fivoriam-piofanana ho an’ny mpitarika izay notanterahina niaraka tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

Henry J. Eyring sy Youngjoon Kwon.