Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny teny sy ny asa
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy amin’ny teny sy ny asa

Rehefa miezaka miaina ny fiainantsika mifanaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia ho fijoroana ho vavolombelona velona momba ny Mpanavotra antsika ny fitondrantenantsika.

Amin’ny batisa, ny iray amin’ireo fampanantenana ataontsika dia ny fahavononantsika hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy. Ny tanjoko anio dia ny hampahatsiahy antsika fa afaka maneho amin’ Andriamanitra isika fa mitondra ny anaran’ny Zanany eo amintsika amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny teny sy ny asa, matetika araka izay azontsika atao, fa i Jesoa no Kristy.

Fony Izy nanompo sy nampianatra ny olona tany Amerika taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty, ny Mpamonjy dia nanambara hoe:

“Tsy efa novakiany va ny soratra masina, izay milaza fa ianareo dia tsy maintsy mitondra eo aminareo ny anaran’ i Kristy, dia ny anarako? Fa amin’izany anarana izany no hiantsoana anareo amin’ny andro farany;

“Ary na zovy na zovy no mitondra eo aminy ny anarako sy maharitra hatramin’ny farany dia izy no hovonjena amin’ny andro farany.”1

Nampianatra antsika ny Filoha Russell M. Nelson fa “tafiditra ao anatin’ny fitondrana ny anaran’ny Tompo eo amintsika ny fanambarana sy ny fijoroana ho vavolombelona amin’ny hafa—amin’ny alalan’ireo asantsika sy ireo tenintsika—fa i Jesoa no Kristy.”2

Amin’ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika, isika dia manana ny fitahiana sy tombontsoa hijoro ho vavolombelon’ny Tompo sy ny anarany na aiza na aiza misy antsika.3 Rehefa miezaka miaina ny fiainantsika mifanaraka amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika dia ho fijoroana ho vavolombelona velona momba ny Mpanavotra antsika sy ny anarany ny fitondrantenantsika. Ankoatra izany, dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy amin’ny teny isika amin’ny alalan’ny fizarana amin’ny hafa ny zavatra inoantsika, tsapantsika na fantatsika momba an’i Kristy.

Rehefa mizara amim-panetrentena ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Tompo amin’ny alalan’ny teny sy ny asa ataontsika isika, ny Fanahy Masina dia manamafy4 amin’ireo izay manana finiavana marina sy fo misokatra ary saina marisika fa i Jesoa tokoa no Kristy.5

Te hizara ohatra roa vao haingana sy mitaona fanahy aho momba ny mpikambana izay mampiseho amin’ Andriamanitra fa mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amin’ny tenany amin’ny alalan’ny firesahana Azy sy ny fijoroana ho vavolombelona madio ny amin’ny Tompo mandritra ireo fivorian’ny Fiangonana.

Ohatra voalohany: Rehefa nandeha tany Espaina izaho sy i Elaine vadiko tamin’ny 2022, dia nanatrika fivoriana alahady tao amina rantsana kelin’ny Fiangonana tany izahay. Rehefa nipetraka teo amin’ny lampihazo aho ary ny vadiko teo anivon’ny daholobe, dia tsikaritro fa nipetraka teo akaikin’ny vehivavy be taona iray izy. Rehefa nifarana ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nandeha nanatona an’i Elaine aho ary nangataka azy mba hampahafantatra ahy an’ilay namany vaovao. Nanao izany izy ary nilaza fa io vehivavy io, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana, dia efa nitsidika ny Fiangonana nandritra ny roa taona teo ho eo. Rehefa nandre izany aho, dia nanontany an’io vehivavy matahotra an’ Andriamanitra io hoe inona no nahatonga azy hiverina sy hanatrika ny fivoriantsika nandritra ny fotoana maharitra toy izany. Dia namaly tamim-pitiavana ilay vehivavy hoe: “Tiako ny mandeha aty satria miresaka momba an’i Jesoa Kristy ianareo mandritra ireo fivorianareo.”

Tena niharihary tokoa fa niresaka sy nampianatra ary nijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy nandritra ny fivoriany ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’io rantsana tao Espaina io.

Ohatra faharoa: Rehefa avy nanompo tao amin’ny Vondromparitr’i Brezila aho dia nandray ny fanendrena vaovao mba hanompo ao amin’ny foiben’ny Fiangonana. Rehefa nifindra tany Salt Lake City izahay, tamin’ny faran’ny volana jolay tamin’ity taona ity, dia nanatrika ireo fivoriana alahady tao amin’ny paroasinay vaovao sy mahafinaritra. Iray tamin’ireo fivoriana ireo dia fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona. Rehefa avy nandray tamim-panajana ny fanasan’ny Tompo ireo mpikambana dia nitsangana ary nifandimby nizara fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny fo momba ny Mpamonjy. Nifantoka tamin’i Jesoa Kristy ilay fivoriana ary afaka nahatsapa ny Fanahy izahay. Nahazo hery izahay ary nihanatanjaka ny finoanay. Raha nanatrika izany fivoriana izany ireo naman’ny Fiangonana, izay nitady tamin-kitsimpo ny fahamarinana, dia ho nahafantatra fa ity no Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Tena fitahiana lehibe ny mahita fa ireo fivorian’ny Fiangonantsika dia fahafahana miavaka ho antsika mba hijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy sy hampahafantarana an’ Andriamanitra fa mifaly isika amin’ny fitondrana ny anaran’ny Zanany eo amintsika.

Ankehitriny dia mamelà ahy hilaza ohatra mahery vaika iray amin’ny fitondrana ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona momba Azy amin’ny alalan’ny asa.

Tamin’ny aogositra lasa teo dia niaraka tamin’ny Loholona Jonathan S. Schmitt aho namonjy ny varavarana misokatra tao amin’ny Tempolin’i Feather River Kalifornia ao Yuba City. Nandray fitahiana hitarika vondron’olona tamin’ny fitsidihana ny tempoly aho tao. Ny iray tamin’ireo vondrona ireo dia nahitana mpikamban’ny Fiangonana iray, i Virgil Atkinson, ary namana fito avy amin’ny finoana hafa. Tamin’ny fiafaran’ilay fitsidihana, tao amin’ny efitrano famehezana iray tao amin’ny tempoly, dia naneho tamim-pihetseham-po ny fitiavany an’ireo namany izay tonga tao amin’ny tempoly tamin’io andro io i Rahalahy Atkinson. Saika avy hatrany taorian’ny nanaovany izany, dia nitsangana ny vehivavy iray tao amin’ilay vondrona ary niteny hoe: “Tiantsika rehetra i Virgil. Tsy nanery antsika hanaiky ny finoany mihitsy izy. Saingy tsy menatra velively momba an’izany koa izy. Miaina ny zavatra izay inoany fotsiny izy.”

Nandritra ny taona maro dia toy ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika ho an’ireo namany ny fiainan-dRahalahy Atkinson tahaka an’i Kristy. Ny ohatra nasehony dia porofo matanjaka fa nitondra teo aminy ny anaran’i Kristy izy.

Ho famaranana dia mamelà ahy ianareo hizara ny lesona nianarako mikasika ny fomba hitondrana eo amintsika ny anaran’i Kristy sy hijoroana ho vavolombelona momba Azy amin’ny alalan’ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana.

Ny Filoha Nelson, mpaminany velon’ Andriamanitra, tao amin’ny lahateny iray nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany 2018 izay mitondra ny lohateny hoe “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” dia nilaza hoe: “Fanitsiana izany. Izany dia didin’ny Tompo. Tsy i Joseph Smith no nanome anarana ilay Fiangonana naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany; tsy nanao izany koa i Môrmôna. Ny Mpamonjy Izy tenany mihitsy no niteny hoe: -Satria toa izany no hiantsoana ny fiangonako amin’ny andro farany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:4].”6

Nandao ny fihaonamben’ny Fiangonana isika rehetra tamin’io andro io, sady nanolo-tena sy tapa-kevitra ny hanaraka ny mpaminany ary hampiasa ny anaran’ny Fiangonana izay nambara nanomboka teo. Tena nitandrina ny tenako aho mba hahazoana antoka fa nampiasa ny anaran’ny Fiangonana marina. Ny fotoana vitsivitsy voalohany dia tsy maintsy nitandrin-tena mafy aho ary tsy namela ny tenako hiverina amin’ny fomba taloha. Taorian’ireo fanandramana voalohany dia nahazo aina kokoa aho tamin’ny fampiasana ny anaran’ny Fiangonana izay nambara. Ekeko fa imbetsaka aho no nanonona haingana ny anaran’ny Fiangonana. Nanahy aho sao tsy hiraharaha ny anarana fenon’ny Fiangonana ny olona, ary mety hihevitra izy hoe somary lava izany.

Na izany aza anefa dia tsapako taty aoriana fa ny fanononana ny anarana fenon’ny Fiangonana tamim-piniavana dia nanome ahy fahafahana manan-danja hanonona ny anaran’i Jesoa Kristy ary raha ny marina dia mijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy amin’ny fanambarana ny anarany ao amin’ny anaran’ny Fiangonany. Tsikaritro ihany koa fa rehefa niresaka ny anarana marin’ny Fiangonana tamin’ny hafa aho dia nahatsiaro matetika kokoa an’i Jesoa Kristy sy nahatsapa ny fitaomany teo amin’ny fiainako.

Amin’ny alalan’ny fanarahana ny mpaminany dia afaka mianatra mijoro ho vavolombelona bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy isika rehetra amin’ny alalan’ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana, hany ka hitondra eo amintsika amin’ny fomba feno kokoa ny anaran’ny Tompo.

Amin’izao sabata maraina izao dia mijoro ho vavolombelona amim-pifaliana aho fa ny Filoha Nelson dia mpaminany velon’ Andriamanitra ary Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny. Mijoro ho vavolombelona amim-panetrentena momba an’ilay Zanak’ Andriamanitra sy ny maha-Andriamanitra Azy aho. Izy no Lahimatoa sy Lahitokan’ Andriamanitra, Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, dia ilay Emanoela.7 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.