Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Tiavo ny namanao
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Tiavo ny namanao

Ny fangorahana dia toetra iray an’i Kristy. Teraka avy tamin’ny fitiavana ny hafa izany ary tsy manam-petra.

Asaiko ianareo anio maraina hiaraka amiko anatina dia iray any Afrika. Tsy hahita liona na zebra na elefanta ianareo, fa angamba, amin’ny faran’ilay dia, dia hahita ny fomba anehoan’ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anarivony amin’ny fomba miavaka ilay didy lehibe faharoa an’i Kristy dia ny hoe “tiavo ny namanao” (Marka 12:31).

Alaovy sary an-tsaina kely vetivety ny ambanivohitra, feno vovoka, any Afrika. Hitanareo avy amin’ny tany karakaina sy ngazana fa tsy nisy orana nilatsaka firy nandritra ny taona maro. Ny omby vitsivitsy mamakivaky ny lalan-kalehanareo dia taolana mifono hoditra kokoa fa tsy nofosana ary entin’ny mpiandry omby Karamojong mirakotra bodofotsy, miaraka amin’ny tongotra misy kapa, ka mandeha amin’ny fanantenana hahita zavamaniry sy rano.

Rehefa mandehandeha amin’ilay lalana mikitoantoana sy be vato ianareo dia mahita andiana ankizy tsara tarehy maromaro ary manontany tena hoe nahoana izy ireo no tsy mianatra. Mitsiky sy manofahofa tanana ny ankizy, ary manofahofa tanana amin’izy ireo an-dranomaso sy tsiky ianareo. Ny roa amby sivifolo isan-jaton’ny ankizy madinika hitanareo amin’ity dia ity dia miaina ao anatin’ny fahantrana ara-tsakafo ka misento am-pahoriana ny fonareo.

Eo anoloanareo, dia mahita reny iray mitondra fitoeran-drano misy rano 19 litatra izay lolohaviny tsara mba tsy hianjera ianareo ary iray hafa eny an-tanany. Izy no solontenan’ny atsasak’ireo tokantrano ao amin’io faritra io izay ahitana vehivavy, tanora sy antitra, mandeha mihoatra ny 30 minitra ny zotra iray, isan’andro, mba handeha hantsaka ho an’ny fianakaviany. Misy onjan’alahelo manenika anareo.

Sary
Vehivavy afrikana mitondra rano.

Lasa ny adiny roa ary tonga any amin’ny toerana malalaka mitokana ianareo. Tsy efitrano na tranolay akory ny toeram-pivoriana, fa eo ambanin’ny hazo lehibe vitsivitsy, izay miaro amin’ny masoandro migaingaina. Hitanareo eto amin’ity toerana ity fa tsy misy rano mandeha, tsy misy jiro, tsy misy trano fivoahana. Mijery manodidina ianareo ary mahafantatra fa eo anivon’ny olona tia an’ Andriamanitra ianareo ary mahatsapa avy hatrany ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo. Nivory izy ireo mba handray fanampiana sy fanantenana, ary tonga hizara izany ianareo.

Toy izany ny dian-dRahavavy Ardern sy ny tenako, niaraka tamin-dRahavavy Camille Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany, sy i Doug vadiny ary Rahavavy Sharon Eubank, talen’ny Sampan-draharaha misahana ny Asa Fanasoavana ny mpiara-belona an’ny Fiangonana, raha nandeha tany Ogandà, firenena misy mponina 47 tapitrisa ao amin’ny Vondromparitra Afrika Afovoany an’ny Fiangonana. Tamin’io andro io, teo ambanin’ny aloky ny hazo, dia nitsidika tetik’asa momba ny fahasalaman’ny vondrom-piarahamonina izay iarahan’ny Sampan-draharaha misahana ny Asa Fanasoavana ny mpiara-belona an’ny Fiangonana, sy ny UNICEF, ary ny Minisiteran’ny Fahasalamana ao amin’ny Governemanta Ogandey izahay. Fikambanana azo itokisana ireo, voafantina amim-pitandremana mba hahazoana antoka fa ampiasaina amim-pahamalinana ny vola fanampiana ho fanasoavana ny mpiara-belona avy amin’ny mpikamban’ny Fiangonana.

Sary
Ankizy afrikana mahazo fikarakarana.

Na dia mampangirifiry ny fo aza ny mahita ny zaza tsy ampy sakafo sy ny vokatry ny raboka, ny tazomoka ary ny aretim-pivalanana tsy an-kijanona, dia tonga tao aminay tsirairay ny fitomboan’ny fanantenana momba ny ampitso tsara kokoa ho an’ireo izay nihaona taminay.

Sary
Reny mamahana ny zanany.

Izany fanantenana izany dia tonga tamin’ny ampahany, tamin’ny alalan’ny hatsaram-panahin’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana an’izao tontolo izao izay nanolotra fotoana sy vola ho an’ny ezaka fanasoavana ny mpiara-belona an’ny Fiangonana. Rehefa nahita ny marary sy ny ory nampiana sy nankaherezina aho, dia nanondrika ny lohako ho fankasitrahana. Tamin’io fotoana io dia takatro tsara kokoa ny dikan’ilay nambaran’ilay Mpanjakan’ny mpanjaka hoe:

“Avia hianareo izay notahian’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo … :

“Fa noana Aho dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho dia nampiantranoinareo” (Matio 25:34–35).

Ny fitalahoan’ny Mpamonjy antsika dia hoe: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra” (jereo ny Matio 5:16; jereo ihany koa ny andininy 14–15). Tany amin’io vazan-tany lavitra io, ny asa soa nataonareo dia nanazava ny fiainana sy nanamaivana ny enta-mavesatry ny vahoaka sahirana mafy, ary nomem-boninahitra Andriamanitra.

Tamin’io andro mafana sady namovoka io dia niriako raha mba renareo ny vavak’izy ireo feno fiderana sy fankasitrahana an’ Andriamanitra. Tian’izy ireo holazaiko aminareo amin’ny teny Karamojong izay tenindrenin’izy ireo hoe “Alakara”. Misaotra.

Ny dianay dia nampahatsiahy ahy ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy, izay nitondra azy tamin’ny lalana feno vovoka, tsy dia hafa amin’ilay nolazaiko, fa lalana avy any Jerosalema mankany Jeriko ny diany. Io Samaritana mpanompo io dia mampianatra antsika ny dikan’ny hoe “tiavo ny namanao.”

Izy dia nahita “lehilahy anankiray nidina avy tany…[izay] azon’ny jiolahy, dia nendahiny ny lambany, sady nokapohiny izy sady nilaozany, rehefa saika maty” (Lioka 10:30). “Nangoraka azy” ilay Samaritana (Lioka 10:33).

Ny fangorahana dia toetran’i Kristy iray. Teraka avy tamin’ny fitiavana ny hafa izany ary tsy manam-petra. I Jesoa, ilay Mpamonjy izao tontolo izao, no ohatra tsara indrindra amin’ny fangorahana. Rehefa mamaky isika fa “nitomany” i Jesoa (Jaona 11:35) dia vavolombelona, tahaka an’i Maria sy Marta, ny amin’ny fangorahany izay nahatonga Azy ho vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra (jereo ny Jaona 11:33). Ao amin’ny ohatra iray momba ny fangorahan’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia niseho tamin’ny valalabemandry i Jesoa ary niteny hoe:

“Moa va ianareo manana ireo izay malemy, na jamba, … na izay marenina, na izay ory na manao ahoana na manao ahoana izany? Ento aty izy dia hositraniko, fa manana fangorahana anareo Aho. …

“… Ary dia nositraniny ny tsirairay avy taminy” (3 Nefia 17:7, 9).

Na dia eo aza ny ezaka rehetra ataontsika, izaho sy ianao dia tsy hanasitrana ny olona rehetra saingy isika tsirairay dia afaka ny ho olona afaka mitondra fiovana ho amin’ny tsara eo amin’ny fiainan’ny olona iray. Zazalahy iray monja no nanolotra ny mofo dimy sy hazandrano roa namahanana ny dimy arivo. Mety hanontany momba ny fanatitra ataontsika isika, toy ny nataon’i Andrea mpianatra momba ny mofo sy ny hazandrano hoe: “Inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?” (Jaona 6:9). Manome toky anareo aho: ampy ny manome izay azonareo atolotra na manao izay azonareo atao, ary avy eo mamela an’i Kristy hampitombo ny ezakareo.

Mahakasika izany dia nanasa antsika ny Loholona Jeffrey R. Holland “na manan-karena isika na mahantra, … -hanao izay azontsika atao- rehefa sahirana ny hafa.” Dia nijoro ho vavolombelona izy, tahaka ny ataoko, fa Andriamanitra dia “hanampy sy hitarika anareo amin’ireo asa feno famindrampo atao amin’ny maha-mpianatra” (“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?,” Liahona, nôv. 2014, 41).

Tany amin’io tany lavitra io, tamin’io andro tsy hay hadinoina io, dia nijoro aho tamin’izany fotoana izany ary mijoro ankehitriny ho vavolombelon’ny fangorahana manentana fanahy sy manova ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana, na manankarena na mahantra.

Mitohy ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy rehefa “nofeheziny ny ferin’ [ilay lehilahy] … dia notsaboiny” izy (Lioka 10:34). Ny ezaka ataon’ny Fiangonana amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona dia mamela antsika handray andraikitra haingana amin’ireo loza voajanahary ary hamehy ny ratram-pahavoazana maneran-tany vokatry ny aretina, ny hanoanana, ny taham-pahafatesan’ny ankizy, ny tsy fahampian-tsakafo, ny fifindra-monina ary ny ratra tsy hita maso matetika vokatry ny fahakiviana, ny fahadisoam-panantenana ary ny famoizam-po.

Avy eo ilay Samaritana dia “naka denaria roa […], ka nomeny ny tompon’ny tranom-bahiny, sady nanao taminy hoe: Tsaboy izy” (Lioka 10:35). Amin’ny maha-fiangonana antsika dia mankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ireo “sampan-draharaha” na fikambanana hafa toy ny Catholic Relief Services, UNICEF, ary Croix-Rouge/Croissant-Rouge isika amin’ny fanampiana amin’ireo ezaka fanasoavana ny mpiara-belona ataontsika. Ankasitrahanay ihany koa ny “denaria roa” na euros roa, na pesos roa, na shillings roa atolotrareo, izay manamaivana ny enta-mavesatra tsy maintsy zakain’ny maro loatra eran-tany. Azo inoana fa tsy ho fantatrao ireo mpandray ny fotoanareo, ny dolaranareo ary ny ariarinareo, saingy ny fangorahana dia tsy mitaky antsika hahafantatra azy ireo, fa ny fitiavana azy ireo ihany no ilaina.

Misaotra anao, ry Filoha Russell M. Nelson, tamin’ny fampahatsiahivana anay fa “rehefa tia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra isika, dia mampitodika ny fontsika [Izy] hitsinjo izay mahasoa ny hafa” (“Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 97). Mijoro ho vavolombelona aho fa ny tsirairay amintsika dia hanana fifaliana, fiadanana, fanetrentena, ary fitiavana mitombo rehefa mamaly ny antson’ny Filoha Nelson mba hampitodika ny fontsika amin’izay mahasoa ny hafa sy mamaly ny fitalahoan’i Joseph Smith mba “hamahana ny noana, hampitafy ny mitanjaka, hanome izay ilain’ny mpitondratena, hanamainana ny ranomason’ny ny kamboty, [ary] hampionona ny ory, na ato amin’ity Fiangonana ity, na any amin’ny hafa, na tsy ao amin’ny fiangonana mihitsy, na aiza na aiza [ahitantsika] azy ireo” (“Editor’s Reply to a Letter from Richard Savary,” Times and Seasons, Mar. 15, 1842, 732).

Sary
Ny Loholona Ardern sy ny Filoha Camille N. Johnson miaraka amin’ny ankizy afrikana.

Nandritra ireo volana maro lasa izay, dia nahita ny noana sy ny ory teo amin’ny tany lemaka maina sy feno vovoka izahay ary vavolombelona nahita ny mason’izy ireo nitalaho fanampiana. Tamin’ny fomba nahatsapanay izany manokana, dia vonto ny fanahy ary torakovitra izahay (jereo ny Jaona 11:33), kanefa dia nihena ireo fahatsapana ireo rehefa hitanay ny fangorahan’ireo mpikamban’ny Fiangonana niasa raha nomena sakafo ny noana, nomena sakafo ny mananotena, ary nampiononina ireo mijaly ary nofafana ny ranomason’izy ireo.

Enga anie isika hibanjina mandrakizay ny hahasoa ny hafa ary haneho amin’ny teny sy ny atao fa “te hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” isika (Môzià 18:8), mba “hanasitrana ny fo torotoro” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:42), ary hitandrina ny didy lehibe faharoan’i Kristy hoe “tiavo ny namanao” (Marka 12:31). Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.