Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Aoka ianareo ho mpanara-dia bonaika an’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Aoka ianareo ho mpanara-dia bonaika an’i Kristy

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” dia hahita fiadanana manokana eo amin’ity fiainana ity sy hiaina fihaonana feno voninahitra any an-danitra.

Isika dia miaina ao anatina fotoana iray izay iainan’ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy” 1 zava-tsarotra manokana. Efa niaina fitsapana sy fahoriana foana ireo izay mino an’i Jesoa Kristy sy mitsaoka amim-panetrentena Azy ary mijoro ho vavolombelona momba Azy.2 Tsy misy hafa amin’izany izaho sy i Mary vadiko. Tao anatin’ireo taona vitsy farany dia maro tamin’ireo namanay akaiky tany amin’ny lisea sy ireo mpiara-mitory taminay tany amin’ny misiôna, ny sasany tamin’ireo vadin’izy ireo sarobidy, ary mpiara-miasa taminay no hitanay nodimandry na niampita any amin’ny lafy ilan’ny voaly araka ny filazan’ny Filoha Russell M. Nelson azy. Nahita ny sasany tamin’ireo izay notezaina tao amin’ny finoana niala teo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izahay.

Indrisy fa namoy ny zafikelilahinay 23 taona izahay izay maty tao anatina lozam-piarakodian’olon-tokana nahatsiravina. Nisedra olana ara-pahasalamana goavana ihany koa ireo namana sy olona ao amin’ny fianakaviana ary mpiara-miasa sasany izay lalainay.

Rehefa misy loza miseho dia malahelo isika ary miezaka mifampitondra ny enta-mavesatra.3 Malahelo isika noho ireo zavatra izay tsy ho azo tanterahina sy ireo hira izay tsy ho azo hiraina.4 Hitrangan’ny zavatra ratsy ny olona tsara mandritra ity fiainana eto an-tany ity. Ireo afo nandravarava tany Maui any Hawaï, sy tany amin’ny faritra atsimon’i Chili ary tany Kanadà dia ohatra maneho ireo trangan-javatra mahatsiravina izay atrehan’ny olona tsara indraindray.

Vakintsika ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy fa ny Tompo dia nanambara tamin’i Abrahama momba ny toetra mandrakizain’ireo fanahy. Nianatra ny amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany, ny fanokanana mialoha, ny Fahariana, ny nifidianana Mpanavotra, ary ity fiainana an-tany ity, izay toetra faharoan’ny olona, i Abrahama.5 Ny Mpanavotra dia nanambara hoe:

“Hanao tany iray izay hahazoan’ireto mitoetra isika;

“Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”6

Ankehitriny dia ety isika rehetra ary ao anatin’ny toetra faharoan’ilay dia ho an’ny fandrosoantsika mankany any amin’ny fanjakam-boninahitra iray izay ao anatin’ny drafitra lehiben’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana. Nomena fahafahana misafidy isika ary tsy maintsy hiatrika ireo fitsapana eto amin’ny fiainana an-tany. Izao no fotoana nomena antsika hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra.7 Fitahiana ho antsika ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy sy ny anjara asany ao amin’ilay drafitra. Nanana tombontsoa ho lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny isika, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Amin’ny maha-mpanara-dia bonaika an’i Kristy antsika dia miezaka miaina ny didiny isika. Tsy mbola nisy fotoana naha mora izany ho an’ireo mpanara-dia Azy. Ary tsy mora ho an’ny Mpamonjy koa ny nanatanteraka tamim-pahatokiana ny asa nanirahana Azy teto an-tany.

Mazava ny ao anatin’ny soratra masina; maro ny ho resy lahatra amin’ilay fomba fijery hoe: “Mihinàna, misotroa ary mifalia, fa ho faty isika rahampitso.”8 Ireo tsy mpino hafa dia miditra ao anatina vondrona mitokantokana ahitana olona mitovy fisainana izay miaro ny “zava-baovao hiseho manaraka”9 sy ireo filôzôfian’olombelona.10 Tsy fantatr’izy ireo izay ahitana ny fahamarinana.11

Tsy misy arahan’ireo mpanara-dia bonaika an’i Kristy ireo lalana ireo. Isika dia mpikambana tia finamanana sy mavitrika eo anivon’ny fiarahamonina misy antsika. Isika dia mitia, mizara ary manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra mba hanaraka ireo fampianaran’i Kristy.12 Manaraka ny torohevitry ny mpaminany malalantsika, ny Filoha Nelson, isika hoe: misafidy ilay andraikitra mba “ho mpampihavana amin’izao fotoana izao sy mandrakariva”13 isika. Io fomba fijery io dia sady mifanaraka amin’ny soratra masina no mifanaraka amin’ny torolalan’ny mpaminany.

Tamin’ny 1829 dia tsy mbola naorina ny Fiangonana ary tsy mbola navoaka ny Bokin’i Môrmôna. Nisy vondron’olona kely niaina tao anatin’ny fahasahiranana, izay nentanin’ny Fanahin’ Andriamanitra, nanaraka ny Mpaminany Joseph Smith. Nanambara torohevitra tamin’i Joseph ny Tompo mba hiatrehana ireo fotoan-tsarotra: “Koa aza matahotra ry ondry vitsy; manaova soa; avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo.”14 Nanoro hevitra azy ireo koa izy hoe:

“Banjino Aho amin’ny eritreritra rehetra; aza miroanàhana, aza matahotra.

“… Aoka [ianareo] ho mahatoky, tandremo ny didiko, dia handova ny fanjakan’ny lanitra ianareo.”15

Mazava ho azy fa tsy miova ilay anjarantsika any an-danitra rehefa ianjadian’ny fahoriana isika. Notoroina hevitra isika ao amin’ny Hebreo mba: “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.”16 I Jesoa Kristy no “loharanon’ny famonjena mandrakizay.”17

Tiako ny tenin’i Môrmôna izay nindramin’i Môrônia zanany lahy, izay nidera ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy … noho ny fifampitondranareo amim-pahatoniana miaraka amin’ny zanak’olombelona.”18

Ho antsika ato amin’ny Fiangonana izay miezaka ny ho “mpanara-dia bonaika an’i Kristy dia misy andro mamiratra miandry antsika rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjintsika isika. Zavatra mandrafitra ny fiainana an-tany ny fitsapana ary miseho eo amin’ny fiainan’ny olona rehetra manerana izao tontolo izao. Tafiditra ao anatin’izany ireo fifandirana lehibe eo amin’ireo firenena sy eo amin’ny olona.

Matetika ireo mpitarika ao amin’ ny Fiangonana dia anontaniana hoe: “Nahoana no avelan’ Andriamanitra hitranga ireo zavatra ratsy, indrindra fa amin’ny olona tsara?” ary “Nahoana ireo olo-marina sy ireo olona manompo ny Tompo no tsy afa-bela amin’izany zava-miseho mampalahelo izany?”

Tsy fantatray ny valin’ny zavatra rehetra, saingy mahafantatra fitsipika manan-danja izahay izay hanome fahafahana antsika hiatrika ireo fitsapana sy fahoriana miaraka amin’ny finoana sy fahatokiana fa misy hoavy mamirapiratra novolavolaina ho antsika tsirairay any. Ao amin’ny soratra masina dia tsy misy ohatra tsara kokoa mikasika ny fiatrehana fahoriana noho ny tenin’ny Tompo tamin’i Joseph Smith Mpaminany, fony izy nogadraina tao amin’ny Fonjan’i Liberty.

Izao ny ampahany tamin’ny zavatra nambaran’ny Tompo:

“Raha ireo valanoranon’ny helo no hampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.

“Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’Olona. Moa va ianao lehibe kokoa noho Izy?

“… Koa aza matahotra izay mety hataon’ny olona, fa homba anao mandrakizay mandrakizay Andriamanitra.”19

Mazava fa manana Ray any An-danitra isika izay mahafantatra sy tia antsika tsirairay avy ary mahatakatra tanteraka ny fijaliantsika. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika i Jesoa Kristy Zanany.

Samy nanantitrantitra mafy ny maha-zava-dehibe ilay edisiôna faharoa vaovaon’ny Torio ny filazantsarako ny Filoha Russell M. Nelson sy ny Filoha M. Russell Ballard.20 Miombon-kafanam-po amin’izy ireo aho. Io edisiôna vaovao izay manamafy ny soratra masina io dia manambara amin’ny fomba mahery vaika hoe:

“Tao anatin’ny sorona fanavotana nataony, dia nitondra teo Aminy ny fanaintainantsika, ny fahoriantsika ary ny rofintsika i Jesoa Kristy. Noho izany zavatra izany dia fantany -araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny- (Almà 7:12; jereo koa ny andininy 11). Manasa Izy hoe: -Mankanesa aty amiko-, ary rehefa manao izany isika dia omeny fitsaharana, fanantenana, hery, fomba fijery ary fahasitranana (Matio 11:28; jereo koa ny andininy 29–30).

“Rehefa miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany isika, dia afaka manampy antsika Izy mba hahafahantsika miaritra ny fitsapana sy ny aretina ary ny fanaintainana mianjady amintsika. Afaka ny ho feno fifaliana sy fiadanana ary fiononana isika. Ireo zavatra rehetra tsy ara-drariny eo amin’ny fiainana dia azo ahitsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.”21

Afaka ny ho mpanara-dia bonaika an’i Jesoa Kristy amim-pifaliana isika.

Ny drafitry ny fahasambarana nataon’ny Ray ho an’ny zanany dia tsy hoe ahitana fotsiny fiainana talohan’ny nahaterahana sy fiainana eto an-tany fa ahitana koa ny fahafahana mahazo ny fiainana mandrakizay, ary tafiditra ao anatin’izany ilay fihaonana lehibe sy feno voninahitra amin’ireo izay nandao antsika tamin’ny alalan’ny fahafatesana. Ho voahitsy daholo ireo fahadisoana rehetra ary hahita amin’ny fomba mazava tsara isika sy amin’ny fomba fijery sy fahatakarana tsy misy tomika.

Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia nampitaha izany fomba fijery izany amin’ny olona iray izay miditra ny trano fampisehoana iray rehefa efa eo antenantenany ilay tantara an-tsehatra misy fizarana telo.22 Ireo izay tsy manana fahalalana momba ny drafitry ny Ray dia tsy hahatakatra ny zavatra nitranga tao amin’ny fizarana voalohany, (na ny fiainana talohan’ny nahaterahana izany) sy ireo tanjona napetraka tany; izy ireo koa dia tsy hahatakatra ny fanazavana sy ny voka-javatra hiseho ao amin’ny fizarana fahatelo, izay ilay fahatanterahan’ny drafitry ny Ray amim-boninahitra.

Maro no tsy mankasitraka ny hoe, ao anatin’ ilay drafiny izay feno fitiavana sy tsy mialon-jafy, ireo izay toa tsy mba nahazo tombontsoa noho ny antony tsy niankina taminy dia tsy hosazina amin’ny farany.23

Mazava ny soratra masina: Ireo mpanara-dia bonaika an’i Kristy izay marin-toetra sy manaraka ny Mpamonjy ary mitandrina ny didiny dia ho voatahy. Ny iray amin’ireo soratra masina tena manan-danja ho an’ireo olo-marina, na inona na inona toe-javatra iainany eo amin’ny fiainana, dia anisan’ny ao anatin’ny lahatenin’i Benjamina Mpanjaka ho an’ny vahoakany. Nampanantena izy fa ireo izay mitandrina amim-pahatokiana ny didy dia tahina amin’ny zava-drehetra eto amin’ity fiainana ity ary “raisina any an-danitra … [ary hiara-honina] amin’ Andriamanitra ao amin’ ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”24

Tsapantsika fa ny ankamaroantsika dia efa niaina olana ara-batana sy ara-panahy avokoa teo amin’ny fiainantsika, ary nampivalaketraka ny sasany tamin’izany. Ilay Ray any An-danitra be fitiavana sy i Jesoa Kristy Zanany, izay lohan’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny, dia nanome antsika soratra masina sy mpaminany mba hanomana antsika sy hampitandrina antsika mikasika ireo loza ary hanome antsika tari-dalana mba hanomanana sy hiarovana antsika. Ny torolalana sasany dia mitaky fandraisana andraikitra eo no ho eo ihany ary ny sasany manome fiarovana mandritra ny taona maro amin’ny ho avy. Ny sasin-tenin’ny Tompo ho an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, fizarana 1 dia mamporisika antsika mba “hampandry sofina amin’ny tenin’ireo mpaminany.”25

Ny fizarana 1 koa dia mampitandrina antsika hoe: “Miomàna ianareo, miomàna ianareo ho amin’izay ho avy.”26 Omen’ny Tompo fahafahana ny olony mba hiomana amin’ireo olana izay hatrehan’izy ireo.

Nanome fanambarana mahery vaika ho an’ny Filoha Brigham Young ny Tompo tamin’ny 14 janoary 1847 tao Winter Quarters.27 Io fanambarana io dia ohatra mahazatra izay ahitana ny Tompo manomana ny olona amin’izay ho avy. Nanomboka ny fifindra-monin’izy ireo tany amin’ilay toerana masina be tendrombohitra tany amin’ny Lohasahan’i Salt Lake ireo Olomasina mahatoky. Nanorina tamim-pahombiazana ny Tempolin’i Nauvoo izy ireo ary nandray ireo ôrdônansy masin’ny famonjena. Noroahina hiala tao Missouri izy ireo ary noroahin’ireo mpanenjika azy ireo hiala tao Nauvoo tao anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina mamirifiry. Ny fanambarana nomena an’i Brigham dia nahitana torohevitra azo ampiharina mikasika ny fomba hiomanana amin’ny fifindra-monina. Ny Tompo dia nanantitrantitra manokana ny fikarakarana ireo mahantra, ireo mananotena, ireo kamboty ray ary ireo fianakavian’ireo izay nanompo tao amin’ny Andia-miaramila Môrmôna rehefa nanohy ilay dia tena sarotra ilay vondrona lehiben’ny Olomasina.

Ankoatra ny fanomezana ilay torohevitra iray hafa mba hiaina amim-pahamarinana, dia nanantitrantitra fitsipika roa izay mbola azo ampiharina amin’izao fotoana izao ny Tompo.

Voalohany dia namporisika azy ireo Izy mba “[hidera] ny Tompo amin’ny fihirana, amin’ny mozika, amin’ny fandihizana ary amin’ny vavaka fiderana sy ny fanateran-tsaotra.”28

Faharoa dia notoroin’ny Tompo hevitra izy ireo rehefa “feno alahelo [mba hiantso] ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fitalahoana, mba ho feno hafaliana ny fanahinao.”29

Ireo famporisihina anankiroa ireo dia torohevitra tsara ho an’izao androntsika izao. Ny fiainana feno fiderana, sy mozika ary fanateran-tsaotra dia tahina amin’ny fomba miavaka. Ny fananana toetra ravoravo sy ny fianterahana amin’ny fanampiana avy any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka dia fomba iray mahery vaika mba hahatongavana ho mpanara-dia bonaika an’i Kristy. Ny fiezahana lalandava mba hanana fifaliana dia manampy amin’ny fisorohana ny fitanondrehan’ny fanahy.

Ny andalana faran’ny hira iray ao amin’ny fihirana izay tena voakaly tsara dia manome ilay valiny faratampony amin’ny fomba kanto: “Tsy misy fahoriana manjo ny olombelona ka tsy hain’ Andriamanitra amaivanina.”30

Amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy dia mijoro ho vavolombelona aho fa ireo “mpanara-dia bonaika an’i Kristy dia hahita fiadanana manokana eo amin’ity fiainana ity sy hiaina fihaonana feno voninahitra any an-danitra. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy sy ny tena fisian’ny Sorompanavotany. Izy no Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.