Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Ny fitenin’ny fitiavana no ampiasaina ato
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Ny fitenin’ny fitiavana no ampiasaina ato

Enga anie isika hianatra hampiasa sy handre ny fitenin’ny fitiavany, ao am-pontsika sy ao an-tokatranontsika, ary ao amin’ireo antso, fiaraha-mientana, fanompoana, sy asa fanompoana ara-pilazantsara ataontsika.

Mihira ny “Fitia no ao” ireo zanantsika ao amin’ny Kilonga.1

Indray mandeha aho nanome firavaka rojo an-dRahavavy Gong. Nangatahiko izany mba hasiana sokitra ti-ti, ti-ti, ti-ti-ta. Ireo izay mahafantatra ny code Morse dia hahatsikaritra ireo litera I, I, U. Saingy nampiako hevitra miafina iray hafa. Amin’ny fiteny sinoa mandarin, ny “ai” dia midika hoe “fitiavana”. Araka izany, ilay hafatra misy hevitra miafina roa dia hoe “Izaho tia anao”. Susan malala, “Izaho tia anao.”

Mampiasa ny fitenin’ny fitiavana amin’ny fiteny maro isika. Voalaza fa ny olombelona dia manana fiteny velona miisa 7168.2 Ato amin’ny Fiangonana isika dia mampiasa fiteny fototra voarakitra an-tsoratra miisa 575, miaraka amin’ny fitenim-paritra maro. Isika ihany koa dia mampita ny fikasantsika sy ny lantom-peontsika ary ny fihetseham-potsika amin’ny alalan’ny zavakanto, ny mozika, ny dihy, ny famantarana lôjika ary ny fanehoana fahatsapana amin’ny hafa sy amin’ny tena.3

’Ndeha isika anio hiresaka momba ny fitenin’ny fitiavana ara-pilazantsara: ny fitenin’ny hatsaram-panahy sy fanehoana fanajana, ny fitenin’ny fanompoana sy fahafoizan-tena ary ny fitenin’ny fahatsapana ho manan-toerana ao amin’ny fanekempihavanana.

Voalohany, ny fiteny ara-pilazantsara fanehoana hatsaram-panahy sy fanajana.

Tamin-katsaram-panahy sy tamim-panajana no nanontanian’i Rahavavy Gong an’ireo ankizy sy zatovo hoe: “Ahoana no ahafantaranareo fa tia anareo ny ray aman-dreninareo sy ny fianakavianareo?”

Hoy ireo ankizy avy any Guatemala: “Miasa mafy ny ray aman-dreniko hamelomana ny fianakavianay”. Hoy ireo ankizy avy any Amerika Avaratra: “Mamaky angano sy mampatory ahy ao am-pandriana ny ray aman-dreniko amin’ny alina.” Hoy ireo ankizy avy any amin’ny Tany Masina: “Miaro ahy amin’ny loza ny ray aman-dreniko”. Hoy ireo ankizy avy any Ghana, Afrika Andrefana: “Manampy ahy amin’ireo tanjoko ao amin’ny Ankizy sy Zatovo ny ray aman-dreniko”.

Nisy ankizy iray nilaza hoe: “Na dia reraka be aza ny reniko rehefa avy niasa nandritra ny tontolo andro, dia mbola mivoaka miara-milalao amiko”. Nitomany ny reniny raha nandre fa misy dikany ireo fahafoizan-tenany isan’andro. Nilaza ny zatovovavy iray hoe: “Na dia tsy mitovy hevitra aza izaho sy ny reniko indraindray dia matoky ny reniko aho”. Nitomany ihany koa ny reniny.

Indraindray isika dia mila mahafantatra fa ilay fitenin’ny fitiavana ampiasaina dia re sy ankasitrahana ihany koa.

Amin’ny hatsaram-panahy sy fanehoana fanajana no ifantohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa amin’i Jesoa Kristy. Miresaka amim-panajana momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika, izay mihatra amin’ny tena manokana sy tena misy, fa tsy momba ny hevitra fonosin’ny sorompanavotana fotsiny ihany. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia antsointsika amin’ny Anarany, dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izany. Mampiasa fiteny maneho fanajana ny vavaka ataontsika rehefa miresaka amin’ny Ray any An-danitra isika, ary fanajana feno hatsaram-panahy kosa rehefa isika samy isika no mifampiresaka. Rehefa takatsika fa i Jesoa Kristy no ivon’ny fanekempihavanan’ny tempoly, dia tsy dia hiteny loatra intsony isika hoe “ho any amin’ny tempoly”, fa hilaza kokoa hoe “hanatona an’i Jesoa Kristy ao amin’ny tranon’ny Tompo”. Ny fanekempihavanana tsirairay dia mibitsika hoe: “Ny fitenin’ny fitiavana no ampiasaina ato”.

Ireo mpikambana vaovao dia milaza fa ny voambolana ato amin’ny Fiangonana dia matetika mitaky fandikana. Mihomehy anakam-po isika rehefa mieritreritra fa ny “stake house”, na ivon-toeran’ny tsatòka, dia mety hidika hoe hen’omby mafilotra hatao sakafo hariva; ny “ward building”, na trano fiangonan’ny paroasy, dia mety manondro hopitaly; ny “opening exercises”, na ireo sahanasa fanombohana fivoriana, dia mety manasa antsika hanao ny kilalao loha, soroka, fe, tongotra eo amin’ny fitobiam-piarakodian’ny fiangonana. Saingy aoka re isika hahatakatra sy ho tsara fanahy rehefa miara-mianatra ireo fiteny vaovaon’ny fitiavana. Mpikambana niova fo iray, vaovao tato am-piangonana, no notenenina hoe fohy loatra ny zipony. Tsy nanaiky ho tafintohina izy, fa naleony namaly hoe: “Niova tokoa ny foko;saingy iangaviako ianao hanam-paharetana mandra-piovan’ny zipoko.”4

Ny teny ampiasaintsika dia mety hampifanakaiky na hampifanalavitra antsika amin’ireo Kristiana sy namana hafa. Indraindray isika miresaka momba ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly ary ny asa fanasoavam-bahoaka sy fifanampiana amin’ny fomba izay mahatonga ny hafa hihevitra fa mino isika hoe miasa irery. Aoka isika hiresaka arahim-pankasitrahana feno hatsaram-panahy sy fanajana mandrakariva noho ny asa sy voninahitr’ Andriamanitra ary ny fahamendrehan’i Jesoa Kristy sy ny famindram-pony, ary ny fahasoavany sy ny sorona fanavotana nataony.5

Faharoa, ny fiteny ara-pilazantsaran’ny fanompoana sy ny fahafoizan-tena.

Rehefa miangona isan-kerinandro isika aty am-piangonana hankalaza sy hifaly amin’ny andro Sabata, dia afaka maneho amin’i Jesoa Kristy sy amintsika samy isika ny fanoloran-tenantsika amin’ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny antso ao amin’ny Fiangonana, ny firahalahina, ny fiaraha-monina, ary ny fanompoana.

Rehefa manontany ireo mpitariky ny Fiangonana eo an-toerana aho ny amin’ny zavatra manahirana azy ireo, dia samy milaza avokoa ireo rahalahy sy ranabavy hoe: “Tsy mety handray antso ao amin’ny Fiangonana ny sasany amin’ireo mpikambana”. Ny antso mba hanompo ny Tompo sy mba hifanompo ao amin’ny Fiangonana dia manome fahafahana hitombo fangorahana sy fahaiza-manao ary fanetrentena. Rehefa voatokana isika dia afaka mandray fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo hampahery sy hampatanjaka ny hafa sy ny tenantsika. Mazava ho azy fa mety hisy fiantraikany amin’ny fahafahantsika manompo ny fiovaovan’ny toe-javatra sy ny vanim-potoan’ny fiainantsika, saingy enga anie izany tsy iantraika velively amin’ny faniriantsika. Miara-milaza amin’ny Mpanjaka Benjamina isika hoe “raha nanana kosa aho dia ho nanome”6 ary hanome izay rehetra azontsika omena.

Ry mpitarika ao amin’ny tsatòka sy paroasy, aoka isika hanao ny anjarantsika. Rehefa miantso (sy misaotra) ireo rahalahy sy ranabavy hanompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo isika, dia aoka re isika hanao izany amin-pahamendrehana sy araka ny fitaoman’ny Fanahy. Ampio ny tsirairay hahatsapa fa ankasitrahana izy ary afaka mahomby. Milà hevitra amin’ireo ranabavy mpitarika ary mihainoa azy ireo. Enga anie isika hahatsiaro, toy izay efa nampianarin’ny Filoha J. Reuben Clark, fa ato amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia manompo eo amin’ny toerana izay niantsoana antsika isika, “izay toerana sady tsy katsahina no tsy lavina.”7

Rehefa nivady izaho sy Ranabavy Gong dia nanoro hevitra ny Loholona David B. Haight hoe: “Manàna antso mandrakariva ato amin’ny Fiangonana. Indrindra rehefa tototra amin’ny fiainana,” hoy izy, “mila mahatsapa ny fitiavan’ny Tompo ho an’ireo izay tompoinareo sy ho anareo ianareo rehefa manompo”. Mampanantena aho fa ny fitenin’ny fitiavana no ampiasaina ato, sy any, ary na aiza na aiza rehefa mamaly “eny” amin’ireo mpitarika ny Fiangonana isika hoe hanompo ny Tompo ao amin’ny Fiangonany, amin’ny alalan’ny Fanahiny sy ny fanekempihavanana nataontsika.

Afaka ny ho loharano hipoiran’ny vondrom-piarahamonina Ziona iray ny Fiangonan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny. Rehefa miara-mitsaoka, manompo, mankamamy ary mianatra ny fitiavany isika, dia mifamatotra ao amin’ny filazantsarany. Mety tsy hitovy hevitra ara-pôlitka isika na amin’ireo olana ara-tsôsialy saingy mirindra isika rehefa miara-mihira ao amin’ny amboaram-peon’ny paroasy. Mikolokolo ny fifandraisana sy miady amin’ny fitokana-monina isika rehefa manompo amin’ny fontsika tsy tapaka any amin’ny tokantranontsika sy ny manodidina antsika tsirairay avy.

Mandritry ny famangiako mpikambana miaraka amin’ny filohan’ny tsatòka dia tsapako ny fitiavan’izy ireo lalina ny mpikambana amin’ny toe-javatra rehetra. Nanao fanamarihana ny filohan’ny tsatòka iray, raha nandalo ny tranon’ireo mpikambana tao amin’ny tsatòka misy azy izahay, fa na miaina amina trano misy dobo filomanosana isika na trano gorodon-tany, dia tombontsoa manokana izay matetika mitaky fahafoizan-tena ny fanompoana ato amin’ny Fiangonana. Kanefa, nahatsikaritra tamim-pahendrena izy fa rehefa miara-manompo sy miara-mahafoy tena ao amin’ny filazantsara isika dia vitsy kokoa ny fahadisoana ho hitantsika fa lehibe kokoa ny fiadanana ho hitantsika. Manampy antsika hampiasa ny fitenin’ny fitiavany eto i Jesoa Kristy, raha avelantsika Izy hanao izany.

Tamin’ity fahavaratra ity dia nihaona tamin’ireo mpikambana sy naman’ny Fiangonana mahafinaritra tany Loughborough sy Oxford, Angletera ny fianakavianay. Nampatsiahy ahy ireny fihaonana manan-danja ireny fa afaka manorina fifamatorana vaovao sy maharitra ao amin’ny filazantsara ireo fiaraha-mientana ara-tsôsialy sy fanompoana atao ao amin’ny paroasy. Efa ela no nahatsapako fa any amin’ny toerana maro ato amin’ny Fiangonana, fiaraha-mientana fanampiny vitsivitsy ao amin’ny paroasy, volavolaina sy tanterahina omban’ny tanjona ara-pilazantsara mazava ho azy, dia afaka mampifamatotra antsika amin’ny fahatsapana ho manan-toerana sy firaisan-kina bebe kokoa.

Ny mpitarika sy kômitin’ny fiaraha-mientan’ny paroasy iray entanim-panahy dia mikolokolo ny isam-batan’olona sy vondrom-piarahamonin’Olomasinairay. Ny fiaraha-mientana tsara omana dia manampy ny rehetra hahatsapa ho omen-danja, sy tsy voailika, ary voasa handray anjara asa tena ilaina. Ny fiaraha-mientana toy izany dia mampifandray ny samy hafa taona sy ny samy hafa fiaviana, mamorona fahatsiarovana maharitra, ary azo tanterahana tsy handaniam-bola firy na tsy ampiasam-bola mihitsy aza. Ny fiaraha-mientana mahafinaritra dia manintona koa ny mpifanolobodirindrina sy ny namana.

Matetika ny fiaraha-monina sy ny fanompoana no miaraka. Fantatry ny tanora fa raha tena te-hahafantatra olona iray ianao dia mijoroa mifanila eo amin’ny tohatra iray miaraha-mandoko mandritra ny tetikasa fanompoana iray.

Sary
Tanora manao hosodoko mandritra ny tetikasam-panompoana iray.

Mazava ho azy fa tsy misy olona na fianakaviana tonga lafatra. Samy mila fanampiana avokoa isika rehetra amin’ny fampiasana ny fitenin’ny fitiavana. “Ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra.”8 Ny finoana sy ny fanompoana ary ny fahafoizan-tena dia manampy antsika tsy hifantoka firy amin’ny tenantsika fa hifantoka kokoa amin’ny Mpamonjy kosa. Arakaraky ny maha feno fangorahana sy fahatokiana ary fandavan-tena ny fanompoantsika sy ny fahafoizantsika ao Aminy no hampitombo ny fahatakarantsika an’ilay fangorahana sy fahasoavana manavotr’i Jesoa Kristy ho antsika.

Ary izany no mitondra antsika ho amin’ilay fiteny ara-pilazantsara fanehoana fahatsapana ho manan-toerana araka ny fanekempihavanana.

Miaina ao anatina tontolo tia tena isika. Maro loatra ny “Izaho aloha vao ianao”. Toy ireny hoe mino ireny isika fa isika irery ihany no mahalala ny zavatra mahasoa antsika sy ny fomba hahazoana izany.

Saingy amin’ny farany dia tsy marina izany. I Jesoa Kristy dia ohatra velona an’ity fahamarinana mahery vaika tsy tontan’ny ela ity:

“Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.

“Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy?”9

Manome fomba tsara kokoa i Jesoa Kristy—dia ireo fifandraisana mifototra amin’ny fanekempihavanana masina, izay mahery kokoa noho ny famatoran’ny fahafatesana. Ny fahatsapana ho manan-toerana araka ny fanekempihavana amin’ Andriamanitra sy eo amintsika samy isika dia afaka manasitrana sy manamasina ireo fifandraisana izay ankamamiantsika indrindra. Raha ny tena marina dia mahafantatra antsika tsara kokoa Izy sy tia antsika kokoa noho ny fahafantarantsika sy ny fitiavantsika ny tenantsika. Raha ny tena marina, rehefa ny tenantsika manontolo no manao fanekempihavanana, dia afaka ho tsara mihoatra noho izay misy antsika amin’izao isika. Ny hery sy fahendren’ Andriamanitra dia afaka manome antsika izay fanomezam-pahasoavana tsara rehetra, amin’ny fotoany sy ny fombany.

Nitondra dingana goavana teo amin’ny fandikan-teny ny intelligence artificielle (IA) Générative. Efa lasana ny vaninandro izay mety ho nandikan’ny solosaina ilay fomba fiteny hoe: “Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery” ho lasa “Tsara ilay divay, fa efa simba ilay hena”. Mahaliana ny mahalala fa ny famerimberenana ohatra maro amina fiteny dia mampianatra solosaina ilay fiteny amin’ny fomba mahomby kokoa toy izay mampianatra ireo fitsipi-pitenenana an’ilay solosaina.

Toy izany ihany koa, ireo zavatra iainantsika mivantana sy miverimberina no mety ho fomba tsara indrindra hianarantsika ireo fiteny ara-pilazantsaran’ny hatsaram-panahy sy fanehoana fanajana, ny fanompoana sy fahafoizan-tena, ary ny fahatsapana ho manan-toerana araka ny fanekempihavanana.

Noho izany, aiza ary ahoana no iresahan’i Jesoa Kristy aminao am-pitiavana?

Aiza ary ahoana no andrenesanao ny fampiasana ny fitenin’ny fitiavany?

Enga anie isika hianatra hampiasa sy handre ny fitenin’ny fitiavany, ao am-pontsika sy ao an-tokatranontsika, ary ao amin’ireo antso, fiaraha-mientana, fanompoana, sy asa fanompoana ara-pilazantsara ataontsika.

Araka ny drafitr’ Andriamanitra dia hifindra ho any amin’ny fiainan-ko avy avokoa isika rehetra indray andro any. Rehefa hihaona amin’ny Tompo isika dia azoko sary an-tsaina Izy milaza amin’ny teny mifono toromarika sy fampanantenana hoe: “Ny fitenin’ny fitiavako no ampiasaina ato”. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Fitia no ao”, Bokin-kiran’ny ankizy, 102–103.

  2. Jereo ny Ethnologue, ethnologue.com/about/#comprehensive.

  3. Jereo ny Howard Gardner, Frames of Mind: The Theory of Multiple Intelligences (2011).

  4. Misy zavatra niainana mitovitovy amin’izany ao amin’ny Alonzo L. Gaskill, Converted: True Conversion Stories from 15 Religions (2017), 3.

  5. Jereo ny 2 Nefia 2:8.

  6. Môzià 4:24.

  7. J. Reuben Clark Zanany, tao amin’ny Tatitry ny Fihaonambe, apr. 1951, 154.

  8. 1 Jaona 4:18; jereo koa ny Môrônia 8:16.

  9. Matio 16:25-26; jereo koa ny Matio 10:39-40; Marka 8:35-36; Lioka 9:24-25; 17:33; Jaona 12:25.