Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Miara-mandeha amin’i Kristy ao anaty fifandraisana araka ny fanekempihavanana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Miara-mandeha amin’i Kristy ao anaty fifandraisana araka ny fanekempihavanana

Ilay Iray izay noratraina sy nosimbaina ho antsika dia hamela ny fiainana an-tany hanao ny asany amintsika, kanefa tsy mangataka antsika hiatrika ireo olana ireo irery Izy.

Nanoro ahy ny lalana iray any Isiraely i Ilan namako akaiky. “Antsoina hoe lalan’i Jesoa izy io” hoy izy, “satria io no lalana miainga avy any Nazareta mankany Kapernaomy izay inoan’ny maro fa nandehanan’i Jesoa. Nanapa-kevitra avy hatrany aho fa te handeha amin’izany lalana izany, ka dia nanomboka nanomana dia hankany Isiraely.

Nioritra ny tongotro enina herinandro mialoha ilay dia. Nanahy ny amin’ilay fahavoazako ny vadiko, fa ny ahy kosa ny tena nampiasa saina ahy indrindra dia hoe ahoana no handehanako amin’ilay “lalan’i Jesoa” afaka iray volana. Toetrako moa ny mafy loha, ka tsy nasaiko nofoanana ny tapakilam-piaramanidina.

Tsaroako ny nihaonako tamin’ilay mpitari-dalana Isiraelianina tamin’io maraina kanton’ny volana jona io. Nitsambikina nivoaka ny fiara aho ary avy eo dia nosintoniko nivoaka ireo tehina sy kalesy kely ho an’ny marary tongotra. Nijery ny plâtre teny amin’ny tongotro i Mya mpitari-dalana anay ka niteny hoe: “Aaa! Tsy mino aho hoe afaka ny handeha amin’io lalana io ianao amin’izao toe-batanao izao.”

“Mety tsy ho afaka,” hoy aho namaly. “Kanefa tsy misy mahasakana ahy tsy hanandrana izany.” Somary niatoka izy, ary nanomboka izahay. Tiako izy, noho ny finoany fa afaka ny handeha amin’ilay lalana aho na dia folaka aza.

Namakivaky ilay fiakarana sy ireo vato teny amin’ilay lalana samirery aho nandritra ny fotoana elaela. Avy eo dia nihetsi-po tamin’ny fanolorantenako tena avy ao am-po i Mya ka namoaka tady manify, dia namatotra izany tamin’ny tahon’ilay kalesin-tongotra ka nanomboka nisintona. Nosintominy aho hiakatra ny havoana sy namakivaky ireo saham-boasarimakirana ary nanaraka ny moron’i Ranomasin’i Galilia. Tamin’ny fiafaran’ilay dia nataonay, dia naneho fankasitrahana an’ilay mpitari-dalana aho, izay nanampy ahy hahatontosa zavatra izay tsy ho vitako samirery mihitsy.

Rehefa niantso an’i Enôka ny Tompo mba handeha hamakivaky ny tanàna sy hijoro ho vavolombelona ny Aminy, dia nisalasala i Enôka.1 Mbola zatovolahy izy, miadam-piteny. Ahoana no ahafahany mandeha amin’izany lalana izany tamin’ny toe-javatra nisy azy? Nohajambain’ny zavatra tsy tomombana teny aminy izy. Ny valiny nomen’ny Tompo mikasika ny zavatra nisakana azy dia tsotra sy teo no eo ihany: “Miaraha-mandeha Amiko.”2 Tahaka an’i Enôka, isika dia tokony hahatsiaro fa ilay Iray izay noratraina sy nosimbaina ho antsika3 dia hamela ny fiainana an-tany hanao ny asany amintsika, kanefa tsy mangataka antsika hiatrika ireo olana ireo irery Izy.4 Na manao ahoana na manao ahoana ny havesatry ny tantarantsika, na ny fizotran’ny lalantsika amin’izao fotoana izao, dia hanasa antsika Izy5 hiara-handeha Aminy.

Eritrereto ilay zatovolahy niatrika olana izay nihaona tamin’ny Tompo tao amin’ny tany foana iray. Nanao dia lavitra niala ny tranony i Jakoba. Tanatin’ny haizin’ny alina, dia nanofy izy, izay tsy vitan’ny hoe nahitany tohatra fotsiny fa nisy fampanantenan’ny fanekempihavanana tena manan-danja ihany koa, ka anisan’izany ilay antsoiko hoe fampanantenan’ny rantsantanana dimy.6 Tamin’io alina io ny Tompo dia nijoro teo anilan’i Jakoba sy nanambara ny tenany ho ilay Andriamanitry ny rain’i Jakoba, ary avy eo Izy nampanantena hoe:

  • Izaho momba anao.

  • Hiaro anao Aho.

  • Hampody anao indray Aho.

  • Tsy handao anao Aho.

  • Hataoko izay voalazako taminao.7

Nila nanao safidy i Jakoba. Afaka nisafidy ny hiaina ny fiainany amin’ny fahafantarana fotsiny ny Andriamanitry ny Rainy izy, na hisafidy ny hanana fiainana ao anatin’ny fifandraisan’ny fanekempihavanana feno fanolorantena miaraka Aminy. Taona maro tatỳ aoriana i Jakoba dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fiainana niainana tao anatin’ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana ireo : “Andriamanitra … nihaino ahy tamin’ny andron’ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ny lalana izay nalehako.”8 Tahaka ny nataony tamin’i Jakoba, dia hamaly antsika tsirairay ny Tompo amin’ny andron’ny fahoriantsika raha toa isika misafidy ny hamatotra ny fiainantsika amin’ny Azy. Nampanantena Izy ny handeha hiaraka amintsika eo amin’ilay lalana.

Antsointsika hoe mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izany, lalana miainga eo amin’ny fanekempihavanan’ny batisa ary mitondra mankany amin’ny fanekempihavanana lalina kokoa izay ataontsika any amin’ny tempoly. Mety mandre ireo teny ireo ianao dia mieritreritra lisitry ny zavatra ilaina atao. Mety hoe ny hany hitanao dia lalana feno zavatra takina. Raha mijery akaiky kokoa ianao dia hahita zavatra mandrisika kokoa. Ny fanekempihavanana dia tsy resaka fifanarahana fotsiny ihany, na dia manan-danja aza izany. Resaka fifandraisana izy io. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny lalan’ny fanekempihavanana dia miompana tanteraka amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.”9

Diniho ny fanekempihavanan’ny fanambadiana. Manan-danja ny datin’ny mariazy, kanefa manan-danja tahaka izany koa ny fifandraisana izay tefena mandritra ny fiainana iarahana ao aorian’io. Izany koa dia marina ho an’ny fifandraisana araka ny fanekempihavanana iray miaraka amin’ Andriamanitra. Misy fepetra efa napetraka ary misy zavatra andrasana aminao rehefa mandeha eo amin’ilay lalana. Manasa antsika tsirairay Izy mba ho tonga araka ny fahafahantsika, miaraka amin’ny finiavana fenon’ny fontsika, ary mba “hibosesika handroso”10 miaraka Aminy eo anilantsika, sady matoky fa ho tonga ireo fitahiana nampanantenainy. Ny soratra masina dia mampatsiahy antsika matetika fa ireo fitahiana ireo dia tonga amin’ny fotoana sy amin’ny fomba notendreny. 38 taona,11 12 taona,12 eo no eo.13 Araka izay ilainao eo amin’ilay lalana dia ho tonga ny fanampiany.14

Ny iraka nampanaovina Azy dia nampidina ambany. I Jesoa Kristy dia hanatona antsika amin’izay toerana misy antsika sy amin’izay toetra ananantsika. Izany no antony nisian’ny saha sy ny hazofijaliana ary ny fasana. Nalefa ny Mpamonjy mba hanampy antsika handresy.15 Kanefa ny mijanona eo amin’ny toerana misy antsika dia tsy hitondra ilay fanafahana katsahintsika. Tahaka ny tsy namelan’ny Tompo an’i Jakoba teo amin’ny loto, dia tsy mikasa ny hamela na iza na iza amintsika ho eo amin’ny toerana misy antsika ny Tompo.

Ny iraka nampanaovina Azy dia nampiakatra ambony ihany koa. Hiasa ao anatintsika Izy 16 mba hampiakatra antsika ho eo amin’ny misy Azy ary ao anatin’izany dingana izany dia hanome fahafahana antsika ho tonga tahaka Azy. Tonga mba hampisondrotra antsika i Jesoa Kristy.17 Te hanampy antsika hiova izy. Izany no antony hisian’ny tempoly.

Mila mahatsiaro isika fa tsy ny lalana irery ihany no hampisandratra antsika fa ilay mpiara-dia amintsika dia ny Mpamonjy antsika. Ary izany no antony hisian’ny fifandraisana ao amin’ny fanekempihavanana.

Tamin’izaho tany Isiraely dia nitsidika ilay Rindrina Andrefana aho. Ho an’ny Jiosy dia io no toerana masina indrindra ao Isiraely. Io no tamingana sisa tavela tamin’ny tempolin’izy ireo. Ny ankamaroan’ny olona dia manao ny fitafy tsara indrindra rehefa mitsidika io toerana masina io. Ny fisafidianany ny fitafiny dia mariky ny fandavan-tenany eram-po amin’ny fifandraisany amin’ Andriamanitra. Mitsidika ilay rindrindra izy ireo mba hamaky soratra masina sy hitsaoka ary hamboraka ny fivavany. Ny fitalahoana mba hananany tempoly eo anivony no handaniany ny androny rehetra sy ny vavaka ataony rehetra, feno faniriana mafy mba hanana tranon’ny fanekempihavanana. Midera ny fandavan-tenany eram-po aho.

Rehefa nody avy tany Isiraely aho dia nihaino amim-pahalianana kokoa ny resaka manodidina ahy mikasika ny fanekempihavanana. Nahatsikaritra olona aho nanontany hoe, Nahoana aho no tokony handeha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana? Nahoana aho no mila miditra anaty trano iray mba hanao fanekempihavanana? Nahoana aho no manao ny garmenta masina? Nahoana aho no tokony hanolo-tena amin’ny fifandraisana araka ny fanekempihavanana miaraka amin’ny Tompo? Tsotra ny valin’ireo fanontaniana tsara sy manan-danja ireo: Miankina amin’ny hoe sokajim-pifandraisana manao ahoana no tianao hiainana miaraka amin’i Jesoa Kristy.18 Isika tsirairay dia tsy maintsy hahita izay havalintsika amin’ireo fanontaniana lalin’ny tena manokana ireo.

Izao ny ahy: Mandeha amin’izany lalana izany aho amin’ny maha-zanakavavy “malalan’ ny ray aman-dreny any an-danitra” ahy, 19fantatra20amin’ny fomba masina ary nametrahana fahatokisanalalina.21 Amin’ny maha-zanaky ny fanekempihavanana ahy, dia afaka ny ho tafiditra ho isan’ireo izay mandray ireo fitahiana nampanantenaina22 aho. Nisafidy23 ny hiara-handeha amin’ny Tompo aho. Nantsoina24 mba hijoro ho vavolombelon’i Kristy aho. Rehefa mitady ho trotrak’ilay lalana aho dia ampatanjahana25 amin’ny fahasoavana mankahery. Isaky ny mandingana ny tokonam-baravaran’ny tranony aho, dia miaina fifandraisan’ny fanekempihavanana lalina kokoa miaraka Aminy. Hamasinina26amin’ny Fanahiny aho, tafina27 amin’ny heriny, ary atokana28mba hanorina ny fanjakany. Amin’ny dingan’ny fibebahana atao isan’andro sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro dia mianatra ny ho lasa mafy orina29 aho, ary mandehandeha manao soa.30 Mandeha eo amin’io lalana io miaraka amin’i Jesoa Kristy ho mpitari-dalana ahy aho, miandrandra ilay andro nampanantenaina izay hiaviany indray. Ary avy eo dia ho voafehy ho Azy31 aho sy hasondrotra ho zanakavavy masin’32Andriamanitra.

Izany no antony handehanako amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Izany no antony hifikirako amin’ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana.

Izany no antony hidirako ny tranon’ny fanekempihavanany.

Izany no antony hanaovako ireo garmenta masina ho fampahatsiahivana tsy tapaka.

Satria te hiaina ao amin’ny fifandraisan’ny fanekempihavanana feno fanolorantena miaraka Aminy aho.

Mety toy izany koa ianao. Atombohy eo amin’ny misy anao amin’izao.33 Aza avela hanakantsakana anao ny toe-javatra misy anao. Tsarovy, tsy manan-danja ny hafainganam-pandeha sy ny laharana misy anao eo aminilay lalana raha oharina amin’ny fivoarana ataonao.32 Angataho ny olona iray hatokisanao izay eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, mba hampahafantatra anao ilay Mpamonjy izay fantatr’izy ireo. Mianara bebe kokoa Aminy. Manolora tena ao amin’ilay fifandraisana amin’ny fanaovana fanekempihavanana miaraka Aminy. Tsy mampaninona na firy taona ianao na firy taona na hoe inona no toe-javatra misy anao. Afaka miara-mandeha Aminy ianao.

Rehefa nahavita ny fandehanana teo amin’ilay Lalan’i Jesoa izahay dia tsy naka ny tadiny i Mya. Navelany ho voafatotra teo amin’ilay kalesin-tongotra izany. Nandritra ireo andro manaraka vitsivitsy dia nitarika ahy teny amin’ireo araben’i Jerosalema ireo zatovo zanaky ny mpiray tampo amiko.35 Nataon’izy ireo izay nandrenesako ireo tantara momba an’i Jesoa rehetra. Nampahatsiahivina ahy ny tanjaky ny taranaka vao misondrotra. Afaka mianatra avy aminareo izahay. Manana faniriana tena izy hahafantatra ilay mpitari-dalana, dia i Jesoa Kristy ianareo. Matoky ny tanjak’ireo tady izay mamatotra antsika Aminy ianareo. Manana fanomezam-pahasoavana amin’ny fitarihana ny hafa ho any Aminy ianareo.36

Soa ihany fa miara-mandeha amin’io lalana io isika, mihiaka fampaherezana eny an-dalana.37 Rehefa mizara ireo traikefa manokana niainanantsika niaraka tamin’i Kristy isika dia manorim-paka ny fanolorantena manokana. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Nivily lalana ny vahoakan’i Enoka, nandà an’i Kristy izy ireo, ary “nikatsaka torohevitra avy amin’ny tenany ihany tao amin’ny haizina” (jereo ny Mosesy 6:27–28). Tamin’ny fotoana izay tsy nananany finoana ny olombelona intsony, dia nitodika tamin’ Andriamanitra mba hahazo fitarihana i Enoka. Izany antso ho an’i Enoka izany ihany no antso atolotry ny Tompo ho antsika: “Miaraha-mandeha Amiko” (Mosesy 6:34; jereo koa ny Matio 11:28 Mety hoe, tahaka an’i Enoka koa angamba, tsy azonao antoka hoe afaka mandeha amin’izany lalana izany noho ny toe-javatra misy anao ianao. Mety mahatsapa ho voasakantsakana noho ny zavatra iray ianao. Angamba ny antony tena ilana ny handehanantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia noho ny toe-javatra misy antsika, satria voasakantsakana isika ka mila ny fanampiany.

  2. Jereo ny Mosesy 6:23–34.

  3. Jereo ny “Jésus de Nazareth, Sauveur et roi,” Cantiques, no. 105.

  4. Jereo ny Etera 12:27.

  5. Jereo ny Matio 11:28–30.

  6. Ny zanako vavy dia te hibitsika ity fampanantenana aseho amin’ny alalan’ny rantsantanana dimy ity amin’ny zanak’izy ireo (zafikeliko) isa-maraina, fampahatsiahivana ny momba ny Ray any An-danitra izay mahafantatra tsara amin’ny fomba masina ny tsirairay avy amin’ireo zanany.

  7. Jereo ny Genesisy 28:10–22. Ny fanekempihavanan’i Abrahama dia singan-javatra nanan-danja koa tamin’io alina io. Ireo singa ao amin’ny fanekempihavanan’i Abrahama ireo dia mitana anjara asa fototra eo amin’ny fiainantsika sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: (1) ny fampanantenana lova mandrakizay (andininy 13); (2) taranaka mandrakizay (andininy 14); ary (3) ny fitahiana sy andraikitra ny hitahy ireo firenen’ny tany rehetra (andininy 14).

  8. Genesisy 35:3; nampiana fanamafisana. Ny ray aman-drenin’i Jakoba dia nanoro lalana azy handao ny tokantrano mba hanalavirana an’i Esao, izay nandrahona ny hamono azy, sy mba hanana fahafahana hihaona amin’ny olona iray izany azony hovadina ao amin’ny fanekempihavanana (jereo ny Genesisy 27:41–45; 28:1–2, 5).

  9. Russell M. Nelson, “Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay,” Liahona, ôkt. 2022.

  10. 2 Nefia 31:20.

  11. Jereo ny Jaona 5:5, ny tantaran’ilay dobo tao Betesda.

  12. Jereo ny Marka 5:25, ny tantaran’ilay vehivavy nikasika ny sombin’akanjon’i Kristy.

  13. Jereo ny Matio 14:31, ny tantaran’i Petera mandeha eny ambony rano.

  14. Jereo ny “Fototra mafy orina,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 12.

  15. Jereo ny 1 Nefia 11:16–33.

  16. Jereo ny Filipiana 1:6; 2:13; Tenin’i Môrmôna 1:7.

  17. Jereo ny Jaona 12:32.

  18. Ny lalana dia matetika voafaritry ny toetoetra fototra toy ny famantaran-dalana na fanondroana halavirana. Fomba iray izany hakana antoka fa eo amin’ny lalana tokony ho izy ianao na hoe mandroso any amin’ny lalana tokony haleha. Ny fifandraisana dia azo faritana ihany koa amin’ny alalan’ny toetoetra fototra. Ny sasany amin’izany dia ahitana zavatra andrasana aminao (jereo ny Jeremia 29:11Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7); fanoavana (jereo ny Môzià 3:19Almà 7:2313:28); fanetrentena, fankatoavana, faharetana, mpandefitra, fahatokisana (jereo ny Ohabolana 3:5); ary fitiavana (jereo ny Romana 8:31–39).

  19. Teny fanevan’ny Zatovovavy,” Médiathèque de l’Evangile, nampiana fanamafisana; jereo koa Bonnie H. Cordon, “Zanakavavy malala,” Liahona, nôv. 2019, 67.

  20. Jereo ny Jaona 4:1–29, ny tantaran’ilay vehivavy teo am-patsakana.

  21. Jereo ny Almà 38:1–3.

  22. Jereo ny Nomery 6:23–27.

  23. Jereo ny Josoa 24:22.

  24. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:3, ny tantaran’i Emma Smith.

  25. Jereo ny 1 Korintiana 15:9–10.

  26. Jereo ny 2 Tantara 20:1–17, indrindra ny andininy 14.

  27. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:1–46.

  28. Jereo ny 1 Samoela 16:11–13.

  29. Jereo ny Estera 4:16, ny tantaran’i Estera.

  30. Jereo ny Asan’ny Apostoly 10:38.

  31. Jereo ny Isaia 43:1–5.

  32. Jereo ny Deoteronomia 28:1–9.

  33. Nampahatsiahy ahy ny namana akaiky iray fa ny antso avo mba handray andraikitra dia zava-dehibe ao anatin’ny fifandraisana rehetra.

  34. Resadresaka natao tamin’i Kristen Olsen, Sept. 2023.

  35. Ho an’i Mack Oswald, Camden Oswald sy Ashton Matheny ary Jack Butler, misaotra nisintona ahy.

  36. “Ho tsaroanareo fa efa nanasa ireo tanoran’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho mba hirotsaka ao amin’ny tafiky ny tanoran’ny Tompo mba handray anjara amin’ny zavatra tena manan-danja indrindra eto an-tany ankehitriny, dia ny fanangonana an’i Isiraely. Nandefa io fanasana io tamin’ireo tanorantsika aho satria manana talenta miavaka amin’ny fifandraisana amin’ny hafa izy ireo sy amin’ny fizarana ny zavatra inoan’izy ireo amin’ny fomba mandresy lahatra.” (Russell M. Nelson, “Vavolombelona sy kôlejin’ny fisoronana Aharôna ary kilasin’ny Zatovovavy,” Liahona, nôv. 2019, 39).

  37. “Ny fanjakan’Andriamanitra … dia tahaka ny tanàna natao fahirano izay voahodidin’ny fahafatesana. Samy manana ny toerany eo amin’ny manda ny lehilahy tsirairay mba hiaro, ary tsy misy afaka mijoro eo amin’izay hijoroan’ny hafa, saingy tsy misy mahasakana antsika tsy hifampahery’” (Martin Luther, in Lewis William Spitz, The Renaissance and Reformation Movements [1987], 335).