Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Saino amin’ny fomba selestialy!
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Saino amin’ny fomba selestialy!

Ny safidy ataonao no hamaritra ny toerana hipetrahanao mandritra ny mandrakizay sy ny karazana vatana izay hitsangananao amin’ny maty, ary ireo olona izay hiarahanao miaina mandrakizay.

Ry rahalahy sy anabavy malalako, feno fankasitrahana lalina aho miresaka aminareo androany. Amin’izao taonako izao dia mitondra zavatra tsy ampoizina mahatalanjona ary koa sarotra ny andro vaovao tsirairay. Telo herinandro lasa izay, dia naratra ny hozatra tao amin’ny lamosiko. Ka noho izany, raha toa aho ka nanao lahateny mihoatra ny zato teo am-pitsanganana tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, anio kosa aho dia nieritreritra ny hanao izany eto am-pipetrahana. Mivavaka aho mba hitondran’ny Fanahy ny hafatro ho ao am-ponareo androany.

Vao haingana aho no nankalaza ny faha-99 taonako ka nanomboka ny faha-100 taona iainako. Matetika aho no misy manontany ny tsiambaratelo mahalava andro iainana. Fanontaniana tsaratsara kokoa ny hoe: “Inona no nianarako tao anatin’ny efa ho taon-jato iray niainana?”

Tsy mamela ahy hamaly feno izany fanontaniana izany ny fotoanako eto androany, fa mba mamelà ahy hizara ny iray amin’ireo lesona manan-danja indrindra nianarako.

Nianatra aho fa ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika dia mahavariana, fa tena manan-danja ny zavatra ataontsika eto amin’ity fiainana ity, ary ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no mahatonga ny drafitry ny Raintsika ho azo tanterahina.1

Rehefa nitolona tamin’ny fanaintainana mafy nateraky ny ratrako vao haingana aho, dia vao mainka aho nahatsapa fankasitrahana lalina kokoa noho i Jesoa Kristy sy ny fanomezany ny Sorompanavotany izay tsy takatry ny saina. Eritrereto anie izany e! Ny Mpamonjy dia niaritra “fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany;”2 mba hahafahany mampionona antsika, manasitrana antsika, mamonjy antsika rehefa mila izany isika.3 Nofariparitan’i Jesoa Kristy ny zavatra niainany tao Getsemane sy tao Kalvary hoe: “Fijaliana izay nahatonga ny Tenako, Ilay Andriamanitra, Ilay lehibe indrindra noho ny rehetra, hangovitra noho ny fangirifiriana sy hivoa-drà amin’ny mason-koditra rehetra.”4 Ny ratra nahazo ahy dia nahatonga ahy hieritreritra indray “ny fahalehibeazan’ny Iray Masin’ny Isiraely.”5 Nandritra ny fanasitranana ahy dia naneho ny heriny masina tamin’ny fomba feno fiadanana sy niavaka tsara ny Tompo.

Noho ny Sorompanavotana tsy misy fetran’i Jesoa Kristy dia drafitra tonga lafatra ny drafitry ny Raintsika any An-danitra. Ny fahatakarana ny drafitra mahavariana an’ Andriamanitra dia manaisotra ny zava-miafina eo amin’ny fiainana sy ny tsy fahazoana antoka ny amin’ny hoavintsika. Izany dia mamela antsika tsirairay avy hisafidy ny fomba hiainantsika eto an-tany sy ny toerana hipetrahantsika mandrakizay. Ilay hevitra tsy mitombina fa isika dia tokony “[Hihinana, hisotro] ary [hifaly], fa ho faty isika rahampitso”6 dia isan’ireo lainga feno hadalana indrindra manerana izao rehetra izao.

Inty ny vaovao lehibe momba ny drafitr’ Andriamanitra: ireo zavatra izay hahatonga ny fiainanao eto an-tany ho tsara indrindra araka izay azony ahatongavana ihany no ireo zavatra izay hahatonga ny fiainanao mandritra ny mandrakizay ho tsara indrindra araka izay azony ahatongavana! Androany, mba hanampiana anareo ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana sesehena nomanin’ny Ray any An-danitra ho anareo, dia manasa anareo aho mba hanaiky hampiasa ny “fisainana amin’ny fomba selestialy!”7 Ny hoe mieritreritra amin’ny fomba selestialy dia midika hoe manana saina mifantoka amin’ny ara-panahy. Ianarantsika avy amin’i Jakôba mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa “ny fiheverana ny zava-panahy kosa dia fiainana mandrakizay.”8

Ny fiainana an-tany dia taranja lehibe entina mianatra misafidy ireo zavatra manan-danja mandrakizay lehibe indrindra. Maro loatra ireo olona izay miaina toy ny hoe tsy misy zavatra hafa ankoatra ity fiainana ity. Ny safidy ataonao androany anefa dia hamaritra zavatra telo: ny toerana hipetrahanao mandritra ny mandrakizay, ny karazana vatana izay hitsangananao amin’ny maty, ary ireo olona izay hiarahanao miaina mandrakizay. Ka noho izany dia saino amin’ny fomba selestialy.

Tao amin’ny hafatro voalohany rehefa Filohan’ny Fiangonana aho dia namporisika anareo aho hanomboka amin’ny tanjona farany ao an-tsaina. Izany dia midika hoe manao ny fanjakana selestialy ho tanjonao mandrakizay ary avy eo dia mieritreritra tsara ny toerana hametrahan’ny fanapahan-kevitra tsirairay izay raisinao eto ambonin’ny tany anao any amin’ny tontolo ho avy.9

Nampianatra mazava tsara ny Tompo fa ny lehilahy sy ny vehivavy izay nofehezina ho mpivady tao amin’ny tempoly sy ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany ihany ho hiaraka mandrakizay. Hoy Izy: “Ireo fanekempihavanana rehetra, fifanekena, fifanarahana, adidy, fianianana, voady, fanatanterahana, fifandraisana, fikambanana na fiandrasana, ka tsy atao sy tsy efaina ary tsy fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana … dia mifarana rehefa maty ny olona.”10

Noho izany, raha misafidy tsy amim-pahendrena ny hiaina lalàna telestialy isika amin’izao fotoana izao, dia misafidy ny hitsangana amin’ny maty miaraka amin’ny vatana telestialy isika. Misafidy ny tsy hiara-hiaina mandrakizay amin’ny fianakaviantsika isika.

Ka noho izany ry rahalahiko sy anabaviko malala, ahoana sy aiza sy miaraka amin’ iza no tianareo hiainana mandrakizay? Mila misafidy ianareo.11

Rehefa misafidy ianareo dia manasa anareo aho hijery mihoatra lavitra ny toe-javatra iainana ankehitriny dia amin’ny fomba fijery mandrakizay. Ataovy lohalaharana i Jesoa Kristy, satria miankina amin’ny finonareo Azy sy ny Sorompanavotany ny ho fiainanareo mandrakizay.12 Miankina amin’ny fankatoavanareo ny lalàny ihany koa izany. Ny fankatoavana no manamboatra ny lalana hananana fiainana feno fifaliana ho anao androany sy valisoa lehibe sy mandrakizay amin’ny ho avy.

Rehefa sendra fahasarotana ianareo, dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa sedrain’ny fakam-panahy dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa mandiso fanantenana anao ny fiainana na ireo olona akaikin’ny fonao dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa misy olona maty aloha loatra dia saino amin’ny fomba selestialy. Rehefa misy olona mitondra takaitra noho ny aretimitaiza dia saino amin’ny fomba selestialy. Rehefa mibahana ao an-tsainao ireo tsindry eo amin’ny fiainana dia saino amin’ny fomba selestialy! Rehefa an-dalam-pahasitranana amin’ny ratra avy amin’ny loza tsy nampoizina tahaka ahy amin’izao fotoana izao ianao dia saino amin’ny fomba selestialy!

Rehefa mifantoka amin’ny fisainana amin’ny fomba selestialy ianao dia aza atao mahagaga ny hiatrehanao fanoherana.13 Am-polotaonany lasa izay dia nitsikera ahy ny mpiara-miasa iray noho ny fieritreretako “tempoly be loatra tao anatiko” tao amiko, ary mpanara-maso mihoatra ny iray no nanasazy ahy noho ny finoako. Resy lahatra aho anefa fa ny fisainana amin’ny fomba selestialy no nanatsara ny asako.

Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao, dia hiova tsikelikely ny fonao. Te hivavaka matetika kokoa sy amin-kitsim-po kokoa ianao. Miangavy aho hoe aza avela ho lasa toy ny lisitry ny zavatra hovidiana any an-tsena ny vavakao. Mihoatra lavitra noho ny fahendrenao amin’ny maha olona mety maty anao ny fomba fijerin’ny Tompo. Mety hahagaga anao ny fomba hamaliany ny vavakao ary hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy.

Diniho ny valim-bavaka nomen’ny Tompo an’i Joseph rehefa nitalaho mba hahazo fanamaivanana tao amin’ny Fonjan’i Liberty izy. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo fa ny ny habibiana natao azy dia ho traikefa ho azy ary ho soa ho azy.14 “Raha iaretanao tsara izany” hoy ny Tompo nampanantena, “dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra.”15 Nampianatra an’i Joseph ny Tompo mba hisaina amin’ny fomba selestialy sy hieritreritra valisoa mandrakizay fa tsy hifantoka tamin’ireo zava-tsarotra nampahory tao anatin’ilay andro. Ny vavaka ataontsika dia afaka ny ho fifampiresahana sy tokony ho fifampiresahana mitohy amin’ny Raintsika any An-danitra.

Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao dia ataovy izay hisorohana izay mety ho zavatra manaisotra aminao ny fahafahanao misafidy. Izay mety ho fiankinan-doha—na fanaovana kilalao an-jotra izany, na filokàna, na trosa, na zava-mahadomelina, toaka, fahatezerana, pôrnôgrafia, firaisana ara-nofo, na sakafo koa aza, dia manafin-tohina an’ Andriamanitra. Nahoana? Satria lasa andriamanitrao ny zavatra mibahana ao an-tsainao. Any amin’ izany ianao no mitady fampiononana fa tsy any Aminy Raha miady amina fiankinan-doha ianao dia katsaho ny fanampiana ara-panahy sy avy amina matihanina ny zavatra izay ilainao. Aza avela hanaisotra aminao ny fahafahanao hanaraka ny drafitra mahavariana an’ Andriamanitra ny zavatra iray mibahana ao an-tsainao.

Ny fisainana amin’ny fomba selestialy dia hanampy anao ihany koa hitandrina ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Vitsy ihany ny zavatra hafa hanasarotra haingana kokoa ny fiainanao raha oharina amin’ny fandikana io lalàna io. Ho an’ireo izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia ny fahalotoam-pitondrantena amin’ny firaisana ara-nofo no isan’ireo fomba haingana indrindra mahavery ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

Maro amin’ireo fakam-panahin’ny fahavalo izay tsy mitsahatra miseho mihitsy no ahatafidiran’ny fandikana ny fahadiovam-pitondrantena. Ny hery hamorona aina dia tombontsoa manokana iray amin’ny maha andriamanitra izay avelan’ny Ray any An-danitra ampiasain’ireo zanany mety maty. Noho izany dia nametraka tari-dalana mazava Andriamanitra mahakasika ny fampiasana io hery masina sy velona io. Ny firaisana ara-nofo dia natao ho an’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray mpivady ihany.

Tsy mino izany ny ankamaroan’ny olona eto amin’izao tontolo izao, saingy tsy ny hevitry ny olona no manapaka ny atao hoe marina. Nanambara ny Tompo fa tsy misy olona tsy madio fitondrantena ho tonga any amin’ny fanjakana selestialy. Noho izany, rehefa mandray fanapahan-kevitra mahakasika ny fitondrantena ianao dia saino amin’ny fomba selestialy. Ary raha efa naloto fitondrantena ianao, dia miangavy anao aho mba hibebaka. Manatòna an’i Kristy dia raiso ny fampanantenany famelan-keloka feno rehefa mibebaka tanteraka amin’ny fahotanao ianao.16

Rehefa misaina amin’ny fomba selestialy ianao dia ho amin’ny fahatakarana vaovao no hahitanao ny fitsapana sy ny fanoherana. Rehefa manenjika ny fahamarinana ny olona akaikin’ny fonao dia saino amin’ny fomba selestialy, ary aza isalasalana ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Naminany ny apôstôly Paoly fa “amin’ny andro aoriana dia hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia.”17

Tsy misy fetra ny fitaky ny fahavalo. Aoka mba hiomana ianareo. Aza maka torohevitra na oviana na oviana avy amin’ireo izay tsy mino. Mikatsaha fitarihana avy amin’ireo feo azonareo itokisana, avy amin’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara sy avy amin’ny bitsiky ny Fanahy Masina, izay “hampiseho aminareo ny zavatra rehetra izay tokony hataonareo.”18 Mba ataovy ireo asa ara-panahy hampitomboana ny fahaizanao mandray fanambarana ho an’ny tena manokana.19

Rehefa mieritreritra amin’ny fomba selestialy ianao dia hitombo ny finoanao. Fony aho mpianatra asa vao herotrerony dia $15 isam-bolana ny karamako. Indray alina dia nanontany ahy i Dantzel vadiko raha nandoa fahafolonkarena tamin’izany karama varimasaka izany aho. Tsy nadoa aho. Nibebaka haingana aho ary nanomboka nandoa ilay $1,50 fanampiny tamin’ny fahafolonkarena isam-bolana.

Nisy fiovana ve teo amin’ny Fiangonana satria nampitombo ny fahafolonkarena naloanay izahay? Mazava ho azy fa tsia. Kanefa dia nanova ahy ny nahalasa ahy ho mpandoa ampahafolonkarena feno. Tamin’izay aho no nianatra fa ny fandoavana fahafolonkarena dia mikasika tanteraka ny finoana fa tsy ny vola. Noho izaho lasa mpandoa fahafolonkarena feno dia nanomboka nisokatra ho ahy ny varavaran’ny lanitra. Amiko dia noho ny fandoavanay fahafolonkarena tamim-pahatokiana no nahatonga ireo lalana misokatra arak’asa maromaro izay nisesy.20

Mitaky finoana ny fandoavana fahafolonkarena, ary izany dia manorina koa ny finoana an’ Andriamanitra sy ny Zanany malalany.

Manorina finoana ny fisafidianana ny hiaina fiainana mendri-piderana ao anatina tontolo hanjakazakan’ny toe-tsaina tia firaisana ara-nofo sy pôlitika.

Manorina finoana ny fankanesaka misimisy kokoa ao amin’ny tempoly. Ary ny fanompoana sy ny fitsaohana ataonao ao amin’ny tempoly dia hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy. Toeran’ny fanambarana ny tempoly. Aseho anao ao ny fomba hivoarana mankany amin’ny fiainana selestialy. Hampanatonina ny Mpamonjy ianao ao ary omena fahafahana lehibe kokoa hahazo ny heriny. Rehefa ao ianao dia tarihina amin’ny famahana ireo olana eo amin’ny fiainanao, na dia ireo olana maha very hevitra anao indrindra aza.

Manana lanja mandrakizay ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana ao amin’ny tempoly. Manohy manorina tempoly misimisy kokoa isika mba hahatonga ireo fahafahana masina ireo ho zavatra tena misy eo amin’ny fiainanareo tsirairay avy. Feno fankasitrahana izahay manambara ny drafitray mba hanangana tempoly any amin’ny tsirairay avy amin’ireto toerana 20 manaraka ireto:

  • Savai’i, Samoa

  • Cancún, Mexique

  • Piura, Pérou

  • Huancayo, Pérou

  • Viña del Mar, Chili

  • Goiânia, Brésil

  • João Pessoa, Brésil

  • Calabar, Nigéria

  • Cape Coast, Ghana

  • Luanda, Angola

  • Mbuji-Mayi, République Démocratique du Congo

  • Laoag, Philippines

  • Osaka, Japana

  • Kahului, Maui, Hawaii

  • Fairbanks, Alaska

  • Vancouver, Washington

  • Colorado Springs, Colorado

  • Tulsa, Oklahoma

  • Roanoke, Virginia

  • Oulanbator, Mongolia

Mitarika antsika ny Tompo hanorina ireo tempoly ireo mba hanampy antsika hisaina amin’ny fomba selestialy. Velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Naverina tamin’ ny laoniny ny Fiangonany mba hitahiana ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Mijoro ho vavolombelona ny amin’izany aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Jaona 6:38.

  2. Almà 7:11.

  3. Jereo ny Almà 7:12.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18.

  5. 2 Nefia 9:40.

  6. 2 Nefia 28:7.

  7. Mety ho mora kokoa ny mibebaka sy mivoatra ara-panahy eto an-tany, raha mbola mitambatra amin’ny vatantsika ny fanahintsika, raha mitaha amin’ny any amin’ny tontolo ho avy eo anelanelan’ny fotoana ahafatesantsika sy hitsanganantsika amin’ny maty. Nampianatra ny Zôramita nihemotra i Amioleka hoe: “Ity fiainana ity no fotoana … hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra” (jereo ny Almà 34:32–35).

  8. 2 Nefia 9:39.

  9. Jereo ny Môzià 4:30, izay ananaran’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany hoe: “Raha tsy mitandrina ny tenanareo sy ny eritreritrareo ary ny teninareo sy ny ataonareo ianareo, ary tsy mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy tsy mitozo amin’ny finoana … , dia tsy maintsy ho faty ianareo.”

  10. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:7; nampiana fanamafisana.

  11. Mazava ho azy fa ny fahafahanao misafidy dia tsy afaka manafoana ny fahafahan’ny hafa misafidy sy ny vokatry ny safidin’ny hafa. Naniry mafy ny hofehezina tamin’ireo ray aman-dreniko aho. Kanefa dia tsy maintsy niandry aho mandra-panaovan’izy ireo safidy ny handray fanafiana masina rehefa feno 80 taona mahery izy ireo. Dia nofehezina ho mpivady izy ireo, ary nofehezina tamin’izy ireo izahay zanany.

  12. Mamerimberina mijoro ho vavolombelona ny soratra masina fa ny fanomezana ny fiainana mandrakizay dia tsy azo tanterahina raha tsy amin’ny alalan’ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mpamonjy Jesoa Kristy (jereo ohatra ny Môrônia 7:41; jereo koa ny 2 Nefia 2:6–8, 27).

  13. Jereo ny 2 Nefia 2:11.

  14. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:7.

  15. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:8.

  16. Jereo ny Isaia 16–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43.

  17. 1 Timoty 4:1. Ny andininy manaraka dia mitohy hoe: “amin’ny fihatsaram-belatsihin’ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany” (andininy 2). Nanambara koa i Paoly fa ireo rehetra izay “te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina” (2 Timoty 3:12).

  18. 2 Nefia 32:5; nampiana fanamafisana. Raha mangataka isika dia afaka “handray fanambarana miampy fanambarana, fahalalana miampy fahalalana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:61).

  19. Jereo ny Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny FIangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, may 2018, 96.

  20. Izany dia tsy midika hoe tsy maintsy izay no vokatra ho azo ao anatin’io teo-javatra iainana io. Misy olona sasany izay tsy mandoa fahafolonkarena mihitsy kanefa maro ny lalana misokatra ho azy arak’asa, kanefa ireo olona sasany mandoa fahafolonkarena dia tsy mahazo izany. Ilay fampanantenana dia hoe hisokatra amin’ireo mpandoa fahafolonkarena ny varavaran’ny lanitra. Hiovaova ny toetran’ireo fitahiana.