Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Mpirahalahy sy mpirahavavy ao amin’i Kristy

Enga anie isika hisitraka kokoa ilay rohim-pihavanana ara-panahy misy eo amintsika sy hanome lanja ireo toetra tsara samy hafa sy ireo fanomezam-pahasoavana samy hafa ananantsika rehetra.

Ry namako malala, nahatalanjona tokoa ireo fivoriana tamin’ny fihaonambe izay natrehantsika androany. Samy nahatsapa ny Fanahin’ny Tompo sy ny fitiavany avokoa isika rehetra tamin’ireo hafatra mahatalanjona nozarain’ireo mpitarika antsika. Mahatsapa ho manana tombontsoa manokana aho hiresaka aminareo izao hariva izao noho izaho mpandaha-teny farany amin’ity fivoriana ity. Mivavaka aho mba hiaraka amintsika hatrany ny Fanahin’ny Tompo eo am-piarahantsika mifaly amin’ny maha tena mpirahalahy sy mpianadahy antsika ao amin’i Kristy.

Nanambara toy izao i Russell M. Nelson mpaminany malalantsika: “Manao antso avo amin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao [aho] mba hitarika ny lalana amin’ny fialana amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika manavakavaka. Miangavy anareo aho mba hamporisika ny fanajana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.”1 Amin’ny maha Fiangonana hita maneran-tany sy tsy mitsaha-miroborobo ny Fiangonantsika dia fepetra takina mialoha tena ilaina amin’ny fananganana ny fanjakan’ny Mpamonjy any amin’ny firenena rehetra eto amin’izao tontolo izao ny fanarahana io fanasana avy amin’ny mpaminanintsika io.

Mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy fa fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ny ray aman-dreny any an-danitra izay tena tia antsika isika2 ary niaina toy ny fianakaviana teo anatrehan’ Andriamanitra isika talohan’ny nahaterahantsika teto amin’ity tany ity. Mampianatra ihany koa ny filazantsara fa isika rehetra dia nohariana tahaka ny endrik’ Andriamanitra sy araka ny tarehiny.3 Araka izany dia mitovy isika eo anatrehany,4 satria Izy dia “[nanao] ny firenena rehetra [ho] avy amin’ny [ra] iray ihany.”5 Noho izany dia manana toetra araka an’ Andriamanitra sy lova avy amin’ Andriamanitra isika rehetra ary afaka ho tonga tahaka an’ Andriamanitra, satria misy “Andriamanitra [iray] sady Rai[n’ny] rehetra sy manerana [ny] rehetra ary ao [amintsika] rehetra.”6

Noho isika mpianatr’i Kristy dia asaina isika hampitombo ny finoantsika sy ny fitiavantsika ny maha mpirahalahy sy mpianadahy ara-panahy antsika amin’ny alalan’ny fifamihinan’ny fontsika marina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana, na dia eo aza ny fahasamihafantsika, ka hampitombo ny fahafahantsika manome vahana ny fanajana ny hasin’ny zanakalahy sy ny zanakavavin’ Andriamanitra rehetra.7

Moa ve tsy izany mihitsy no toe-javatra niainan’ny vahoakan’i Nefia efa saika ho nandritra ny taonjato roa taorian’ny nanompoan’i Kristy azy ireo?

“Ary marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tànan’ Andriamanitra. …

“Tsy nisy koa Lamanita, na izay mety ho fombafomban’ny -ita; fa izy kosa dia iray, zanak’i Kristy ary mpandovan’ny fanjakan’ Andriamanitra.

“Ary notahiana ery izy!”8

Nohamafisin’ny Filoha Nelson misimisy kokoa ny maha-zava-dehibe ny fampielezana ny fanomezan-kasina sy ny fanajana an’ireo mpiara-belona amintsika rehefa nilaza izy hoe: “Ny Mpahary antsika rehetra dia miantso antsika tsirairay avy mba hiala amin’ny toe-tsaina mpanavakavaka izay mety ho vondrona ahitana ireo zanak’ Andriamanitra. Raha misy amintsika manao fanavakavahana amin’ny firazanana iray hafa dia mila mibebaka! … Tsara ho antsika ny manao izay rehetra azontsika atao ao anatin’ny tontolo ahafahantsika mitaona ny hafa mba hiarovana ny hasina sy haja mendrika ny zanakalahy sy ny zanakavavin’ Andriamanitra rehetra.”9 Raha ny marina dia ny fanomezana hasina ny olombelona rehetra dia mitaky ny hanajantsika ny fahasamihafantsika.10

Raha dinihina ny fifandraisana masina izay mampiray antsika amin’ Andriamanitra amin’ny maha zanany antsika, dia tsy isalasalana fa io torolanan’ny mpaminany nomen’ny Filoha Nelson io dia dingana fototra mankany amin’ny fanorenana tetezana hahazoana fahatakarana fa tsy fanorenana rindrin’ny fitsaratsarana sy ny fanavakavahana eo anivontsika.11 Kanefa, araka ny nampitandreman’i Paoly ny Efesiana, dia tsy maintsy miaiky isika fa mba hahafahana mahatratra io tanjona io, dia hotakina ny hanaovana ezaky ny tena manokana sy iarahan’ny maro mba hifaneho fanetren-tena, sy halemem-panahy, ary fahari-po.12

Misy angano iray miresaka raby Jiosy iray izay nankafy ny fiposahan’ny masoandro niaraka tamina namana anankiroa. Nanontany azy ireo izy hoe: “Ahoana no ahafantaranareo fa tapitra ny alina ary misy andro iray vaovao manomboka?”

Namaly ny iray tamin’izy ireo hoe: “Rehefa afaka mijery any atsinanana ianao ka afaka manavaka ny ondry sy ny osy.”

Dia namaly avy eo ilay iray hoe: “Rehefa afaka mijery ny faravodilanitra ianao ka afaka manavaka ny hazo ôliva sy ny hazo aviavy.”

Dia nitodika tany amin’ilay raby hendry izy ireo avy eo ary nametraka taminy io fanontaniana io ihany. Rehefa avy nieritreritra ela izy dia namaly hoe: “Rehefa afaka mijery any atsinanana ianao ka mahita ny tavan’ny vehivavy iray na ny tavan’ny lehilahy iray ka afaka miteny hoe -Anabaviko izy; rahalahiko izy.-”13

Ry namako malala, afaka manome toky anareo aho fa mamiratra kokoa eo amin’ny fiainantsika ny hazavan’ny andro iray vaovao rehefa haintsika ny mandray sy mitondra ireo mpiara-belona amintsika amim-panajana sy amim-panomezana hasina ary ho toy ny rahalahy sy anabavintsika marina ao amin’ny Kristy.

Nandritra ny nanompoan’i Jesoa teto an-tany, dia tonga lafatra tokoa ny fomba nanehoany io fitsipika io rehefa “nandehandeha nanao soa”14 tany amin’ny olona rehetra Izy, nanasa azy ireo hanatona Azy ary handray amin’ny hatsarany, na aiza na aiza fiaviany, na inona na inona sarangam-piarahamonina nisy azy, na inona na inona mampiavaka ny kolotsainy. Nanompo sy nanasitrana Izy ary nijery akaiky mandrakariva ny filan’ny rehetra, indrindra fa ireo izay noheverina ho hafa, na nohamavoina, na nahilikilika tamin’izany fotoana izany. Tsy nisy nolaviny fa nentiny araka ny rariny sy tamim-pitiavana izy ireo, satria noraisiny ho toy ny rahalahiny sy anabaviny izy ireo, zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray tokana ihany.15

Isan’ireo fotoana nibaribary indrindra nitrangan’izany ny fotoana nandehanan’ny Mpamonjy tany Galilia, ninia nandeha tamin’ilay lalana namakivaky an’i Samaria.16 Avy eo dia nanapa-kevitra ny hipetraka teo akaikin’ny fantsakan’i Jakoba i Jesoa mba hakana aina. Raha mbola teo Izy dia nisy vehivavy Samaritana nanatona mba hameno rano ny sininy. Noho Izy mahalala ny zavatra rehetra dia niresaka taminy i Jesoa ka niteny hoe: “Omeo aho hosotroiko.”17

Gaga io vehivavy io hoe nisy Jiosy nangataka fanampiana tamin’ny vehivavy Samaritana iray, ka dia naneho ny fahatairany nilaza hoe: “Nahoana Hianao no Jiosy ka mangataka amiko hosotroina, nefa aho vehivavy Samaritana? (Fa ny Jiosy tsy manan-draharaha amin’ny Samaritana.)”18

Saingy i Jesoa, izay niala tamin’ilay fomban-drazana narahina hatry ny ela nifanehoana habibian-toetra teo amin’ny Samaritana sy ny Jiosy, dia nanompo tamim-pitiavana io vehivavy io, nanampy azy hahatakatra hoe iza marina Izy, dia ny Mesia, izay hanambara ny zavatra rehetra, ary ny fiaviany no efa nandrasany.19 Ny fiantraikan’io fanompoana feno fitiavana io dia nahatonga ilay vehivavy hihazakazaka ho any an-tanàna mba hilaza tamin’ny olona ny zavatra nitranga, nanao hoe: “Izao angaha no Kristy?”20

Manana fangorahana lalina aho ho an’ireo izay nampijaliana, na nohamavoina, na nenjehin’ireo olona tsy manana fo sy tsy mandinika, satria teo amin’ny fiainako dia nahita mivantana ny fangirifirian’ireo olona tsara izay nijaly noho ny fitsaratsarana na ny fanilihana noho izy ireo hafa fiteny, na hafa endrika, na hafa fomba fiainana. Mahatsapa alahelo marina ihany koa aho ao am-poko ho an’ireo izay mbola mitoetra ho maizin-tsaina ka voafetra ny fomba fijeriny ary mijanona ho mafy ny fony noho ny finoany fa ambany kokoa noho izy ireo ireo olona tsy mitovy aminy. Ny fahitan’izy ireo ny hafa izay voafetra dia manimba tokoa ny fahafahan’izy ireo mahatakatra hoe iza marina izy ireo amin’ny maha zanak’ Andriamanitra azy.

Araka ny nambaran’ireo mpaminany mialoha dia miaina ao anatin’ireo andro mahory isika, izay mitondra mankany amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany.21 Izao tontolo izao amin’ny ankapobeny dia mizara roa araka ny fizarazarana mahery vaika, ka manampy trotraka ny fisaratsarahana araka ny volon-koditra sy ny firehana ara-pôlitika, ary ny sarangam-piarahamonina. Ny fizarazarana toy izany indraindray dia lasa misy fiantraikany amin’ny fomba fisainan’ny olona sy ny fomba fanaony amin’ny mpiara-belona aminy. Noho io antony io dia efa mahazatra ny mahita olona mamariparitra ny fomba fisainana sy fomba fanao ary ny fomba fitenin’ny hafa kolontsaina sy hafa volon-koditra ary hafa foko ho ambany, ka mampiasa hevitra efa masaka ao an-tsaina mialoha, izay diso, ary matetika maneso, ka miteraka fomba fisainana manamavo, tsy miraharaha, tsy manaja, ary manavakavaka mihitsy aza atao amin’izy ireo. Ny fomba fisainana toy izany dia miorina amin’ny avonavona, ny fieboeboana, ny fitsiriritana, ary ny fialonana, toetoetra mamaritra ny toetra araka ny nofo,22 izay mifanohitra tanteraka amin’ireo toetra tahaka ny an’i Kristy. Izany fitondran-tena izany dia tsy mendrika ho an’ireo izay miezaka ny ho lasa mpianany marina.23 Raha ny marina, ry rahalahy sy anabavy malalako, dia tsy misy toerana ho an’ny fisainana sy ny fihetsika manavakavaka ao amin’ny fiarahamonin’ny Olomasina.

Amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavy ao amin’ny fanekempihavanana antsika dia afaka manampy isika hanafoana io karazana fihetsika io amin’ny alalan’ny fijerena ireo toa fahasamihafana misy eo amintsika amin’ny fomba fijerin’ny Mpamonjy24 ary mifototra amin’ny zavatra iraisantsika, dia ny maha andriamanitra antsika sy ny rohim-pihavanana misy eo amintsika. Ankoatra izay dia afaka miezaka isika hahita taratra ny tenantsika eo amin’ny nofy, sy ny fanantenana, sy ny alahelo, ary ny fangirifirian’ireo namantsika. Mpinamana mpiara-dia daholo isika amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika, mitovy eo amin’ny maha tsy tonga lafatra antsika sy eo amin’ny fahafahantsika mivoatra. Voasa isika hiara-hamindra amim-pitoniana omban’ny fontsika feno fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olona rehetra, na araka izay nomarihin’i Abraham Lincoln hoe: “tsy haneho haratsiam-panahy na amin’iza na amin’iza ary haneho fiantrana amin’ny rehetra.”25

Moa ve ianao efa nisaintsaina ny fomba hisehoan’ny fitsipiky ny fanajana ny hasina sy ny fitovian’ny olombelona rehetra amin’ny fomba fitafintsika tsotra dia tsotra ao amin’ny tranon’ny Tompo? Isika rehetra dia samy mankany amin’ny tempoly ampiraisin’ny tanjona iray iombonana ary feno faniriana ny mba hadio sy ho masina eo amin’ny fanatrehany masina. Isika rehetra, mitafy akanjo fotsy, dia samy raisin’ny Tompo Izy tenany mihitsy ho zanany malalany, lehilahy sy vehivavin’ Andriamanitra, taranak’i Kristy.26 Manana tombontsoa lehibe isika hanatanteraka ôrdônansy mitovy, hanao fanekempihavanana mitovy, hanolo-tena hiaina fiainana ambony kokoa sy masina kokoa, ary handray fampanantenana mandrakizay mitovy ihany. Iray tanjona isika dia miova ny fomba hiheverantsika antsika samy isika, ary ao anatin’izany maha iray antsika izany no hankalazantsika ny maha samy hafa antsika amin’ny maha zanaka masin’ Andriamanitra antsika.

Vao haingana aho no nanampy tamin’ny fitarihana olona manan-kaja sy manam-pahefam-panjakana hitsidika ny varavarana misokatra ho an’ny tempolin’i Brasília Brezila. Niara-nipetraka tamin’ny filoha lefitr’i Brezila tao amin’ny toerana fisoloana akanjo aho ary niresaka momba ny akanjo fotsy anaovan’ny rehetra ao amin’ny tempoly izahay. Nohazavaiko taminy fa io fanaovan’ny rehetra akanjo fotsy io dia fanehoana an’ohatra fa mitovy daholo isika amin’ Andriamanitra ary rehefa ao amin’ny tempoly dia tsy hoe filoha lefitra ana firenena iray ianao na hoe mpitarika ana Fiangonana fa ilay maha ianao mandrakizay anao dia zanakalahin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana.

Sary
Rihandranon’ Iguaçú.

Ny renirano Iguaçú dia mikoriana manavatsava ny tapany atsimon’i Brezila ary mivarina ao amina lembalemba izay miteraka rafitra ana riandrano izay fantatra maneran-tany hoe Riandranon’ Iguaçú, izay anisan’ireo zavatra kanto sy mahavariana indrindra noharian’ Andriamanitra eto an-tany, ary heverina ho isan’ireo zavaboary fito mahatalanjon’izao tontolo izao. Rano makadiry be no mikoriana mankao amina renirano tokana ary avy eo mizarazara, ka miteraka riandrano an-jatony tsy iraizotra. Raha lazaina amin’ny sarin-teny, io rafitra riandrano mahatalanjona io dia maneho ny fianakavian’ Andriamanitra eto an-tany, satria mitovy ny loharano niaviantsika sy ny singa mandrafitra antsika ara-panahy, izay azo avy amin’ny lovantsika sy ny rohim-pihavanantsika avy amin’ Andriamanitra. Isika tsirairay anefa dia zarazarain’ny kolontsaina, sy foko, ary zom-pirenena samy hafa, ary samy hafa hevitra sy traikefa ary fahatsapana. Na dia eo aza izany dia mandroso isika amin’ny maha zanak’ Andriamanitra antsika sy amin’ny maha mpirahalahy sy mpianadahy antsika ao amin’i Kristy, kanefa mihazona hatrany ny fifandraisana masina misy eo amintsika, izay mahatonga antsika ho vahoaka miavaka sy ho fiarahamonina maha-te ho tia.27

Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, enga anie isika hampifanaraka ny fontsika sy ny saintsika amin’ilay fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona fa mitovy avokoa isika rehetra eo anatrehan’ Andriamanitra, fa samy nomena feno fahafahana ho tonga ilay hahatongavantsika mandrakizay mitovy ihany sy lova mandrakizay mitovy ihany. Enga anie isika hisitraka kokoa ilay rohim-pihavanana ara-panahy misy eo amintsika sy hanome lanja ireo toetra tsara samy hafa sy ireo fanomezam-pahasoavana samy hafa ananantsika rehetra. Raha manao izany isika, dia mampanantena anareo aho fa samy hikoriana amin’ny lalantsika avy isika, tahaka ny ranon’ny Riandranon’ Iguaçú, kanefa tsy manary ny fifandraisana masina misy eo amintsika izay mamaritra ny maha vahoaka nofinidy antsika, dia ireo “zanak’i Kristy ary mpandovan’ny fanjakan’ Andriamanitra.”28

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa manohy mikoriana amin’ izany fomba izany isika mandritra ny fiainantsika eto an-tany, dia hanomboka ny andro vaovao, ka hazavana vaovao no hanazava ny fiainantsika ary hampamiratra lala-misokatra mahatalanjona maro hanisiana lanja kokoa ny fahasamihafana noharin’ Andriamanitra eo anivon’ireo zanany ary hahazoana fitahiana kokoa avy amin’izany.29 Azo antoka fa ho lasa fitaovana eo an-tanany isika hanomezana vahana ny fanajana sy ny hasina eo anivon’ireo zanakalahiny sy zanakavaviny rehetra. Velona Andriamanitra. I Jesoa no Mpamonjy izao tontolo izao. Ny Filoha Nelson no mpaminanin’ Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo aho amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.