Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanjakam-boninahitra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Fanjakam-boninahitra

Manana Ray any An-danitra be fitiavana isika izay hanao izay hahazoantsika ny fitahiana rehetra sy ny tombontsoa rehetra mendrika ny faniriantsika sy ny safidintsika manokana.

Matetika ny mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no anontaniana hoe: “Inona no maha-samy hafa ny fiangonanareo amin’ny fiangonana Kristianina hafa?” Anisan’ireo valin-teny omentsika ny fahafenoan’ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Ny lehibe indrindra amin’izany fotopampianarana izany dia ny hoe tena tia ny zanany rehetra ny Raintsika any An-danitra ka tiany hiaina mandrakizay ao amin’ny fanjakam-boninahitra iray isika rehetra. Fa ambonin’izany rehetra izany, dia tiany hiara-hiaina mandrakizay Aminy sy i Jesoa Kristy Zanany isika. Manome antsika ireo fampianarana sy ny fahafahana hanao safidy izay hanome toky antsika ny amin’ny hoavintsika sy ny fiainana safidiantsika ny drafiny.

I.

Fantatsika avy amin’ny fanambarana maoderina fa ny fiafaran’ireo rehetra izay niaina teto ambonin’ny tany dia tsy ilay fihevitra tsy mitombona fa ny lanitra dia ho an’ny olo-marina ary fijaliana mandrakizay any amin’ny helo no ho an’ny ambiny. Ny drafitra feno fitiavan’ Andriamanitra ho an’ireo zanany dia ahitana ity zava-misy nampianarin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika ity: “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro.”1

Ny fotopampianarana nambara an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany naverina tamin’ny laoniny dia mampianatra fa ireo zanak’ Andriamanitra rehetra—izay voafetra loatra ireo tranga maningana ka tsy azo heverina eto—dia handova fanjakam-boninahitra iray amin’ireo telo any amin’ny farany any, ary na ny kely indrindra amin’izany ary dia “manoatra ny fahatakaran’ny saina rehetra aza.”2 Aorian’ny vanim-potoana izay hijalian’ireo tsy mpankatò noho ny fahotany, fijaliany izay manomana azy ireo amin’ny zavatra manaraka, dia hitsangana amin’ny maty ny rehetra ary hizotra amin’ny Fitsarana Farany ataon’i Jesoa Kristy Tompo. Ao no handefasan’ny Mpamonjy antsika be fitiavana, izay ampianarina antsika fa “mankalaza ny Ray sy mamonjy ny asan’ny tanany rehetra,”3 ny zanak’ Andriamanitra rehetra ho any amin’ny iray amin’ireo fanjakam-boninahitra ireo araka ny faniriana nasehony tamin’ny alalan’ny ny safidiny.

Fotopampianarana sy fomba fanao tsy manam-paharoa hafa an’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ireo didy sy fanekempihavanana nambara izay manolotra ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra ny tombontsoa masina ho mendrika ny hahazo ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy. Io tanjona ambony indrindra io—ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy—no ifantohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Avy amin’ny fanambarana maoderina, ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana io fahatakarana miavaka momba ny drafitry ny fahasambaran’ Andriamanitra ho an’ny zanany io. Izany drafitra izany dia manomboka amin’ny fiainantsika tamin’ny maha-fanahy antsika talohan’ny nahaterahantsika, ary izany dia manambara ny tanjona sy ny fepetran’ny dia nofinidintsika teto amin’ny fiainana an-tany sy ny toerana haleha iriantsika aorian’izany.

II.

Fantatsika avy amin’ny fanambarana maoderina fa “manana lalàna izay nomena ny fanjakana rehetra”4 ary ny fanjakam-boninahitra izay raisintsika amin’ny Fitsarana Farany dia voafaritra amin’ny alalan’ireo lalàna izay nofidiantsika harahina mandritra ny diantsika eto an-tany. Ao anatin’izany drafitra feno fitiavana izany dia misy fanjakana maro—trano fonenana maro—ka ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia handova fanjakam-boninahitra iray izay ny lalàna ao aminy dia azony “raisina” amin’ny fomba mahavantana azy.

Rehefa mamaritra ny toetra sy ny fepetra takian’ny tsirairay amin’ireo fanjakana telo ao amin’ny drafitry ny Ray isika dia manomboka amin’ny avo indrindra, izay ifantohan’ireo didy sy ôrdônansy masina nambaran’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ao amin’ny voninahitra “selestialy”5 dia misy ambaratonga telo,6 ka ny ambony indrindra dia ny fisandratana ao amin’ny fanjakana selestialy. Izany no fonenan’ireo “izay nandray avy amin’ny fahafenoany sy ny voninahiny,” noho izany, “dia andriamanitra izy ireo, dia zanakalahy [sy zanakavavin’] Andriamanitra”7 ary “hitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny Kristiny mandrakizay mandrakizay.”8 Tamin’ny alalan’ny fanambarana no nanambaran’ Andriamanitra ireo lalàna sy ôrdônansy ary fanekempihavanana mandrakizay izay tsy maintsy tandremana mba hampivelarana ireo toetra araka an’ Andriamanitra ilaina mba ahatanteraka izany tanjona masina izany. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia mifantoka amin’ireo satria ny tanjon’ity Fiangonana naverina tamin’ny laoniny ity dia ny hanomana ireo zanak’ Andriamanitra ho amin’ny famonjena ao amin’ny voninahitra selestialy ary indrindra indrindra ho an’ny fisandratana ao amin’ny ambaratonga ambony indrindra amin’izany.

Ny drafitr’ Andriamanitra, miorina eo amin’ny fahamarinana mandrakizay, dia mitaky fa ny fisandratana dia tsy afaka ny ho azo raha tsy amin’ny alalan’ny fahatokiana tamin’ireo fanekempihavanan’ny fanambadiana mandrakizay eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy ihany ao amin’ny tempoly masina,9 fanambadiana izay tsy maintsy ho afaka isitrahan’ny mahatoky rehetra amin’ny fotoana iray. Izany no antony ampianarantsika fa “ny maha-lahy na maha-vavy dia toetra fototra iray mamaritra ny maha-izy azy ny olona tsirairay sy ny tanjony tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana, sy amin’izao fiainana an-tany izao, ary any amin’ny mandrakizay.”10

Fampianarana manan-danja iray izay manampy antsika hiomana amin’ny fisandratana ny fanambarana tamin’ny 1995 momba ny fianakaviana.11 Ireo fanambarana ao anatin’izany dia manazava ireo fitakiana izay manomana antsika hiaina miaraka amin’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany. Ireo izay tsy mahatakatra feno ilay drafitra be fitiavan’ny Ray ho an’ireo zanany dia mety hihevitra ity fanambarana momba ny fianakaviana ity ho toy ny fanambarana lalàna azo ovaina fotsiny ihany. Mifanohitra amin’izany anefa, isika dia manamarina fa ilay fanambarana momba ny fianakaviana, izay mifototra amin’ny fotopampianarana tsy azo ovaina, dia manoritsoritra ny fifandraisan’ny fianakaviana eto an-tany izay itrangan’ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny fivoarantsika mandrakizay.

Manoritsoritra ireo fanjakam-boninahitra telo ny Apôstôly Paoly ka nampitaha izany amin’ny voninahitry ny masoandro sy ny an’ny volana ary ny an’ny kintana.12 Nomeny anarana hoe “selestialy” ny avo indrindra ary “terestrialy” ny faharoa.13 Tsy nanome anarana ny ambany indrindra izy, saingy ny fanambarana iray nomena an’i Joseph Smith no nanomezana azy ny anarany hoe: “telestialy.”14 Ny fanambarana iray hafa ihany koa dia mamaritra ny toetoetran’ireo olona tokony homena ny tsirairay amin’ireo fanjakam-boninahitra ireo. Ireo izay tsy misafidy ny “handray ny lalàn’ny fanjakana selestialy”15 dia handova ny fanjakam-boninahitra iray hafa, izay ambany noho ny selestialy nefa mifanaraka amin’ireo lalàna izay nofidiny ary azony “raisina” amin’ny fomba mahavantana azy. Io teny hoe raisina io, izay tena mahazatra ao amin’ny soratra masina, dia midika ho toerana azo antoka.16 Ohatra, ireo izay ao amin’ny fanjakana terestrialy—mitovy amin’ny fihevitra malaza momba ny lanitra—“dia ireo izay mandray amin’ny maha-eo ny Zanaka, saingy tsy mandray amin’ny fahafenoan’ny Ray.”17 Izy ireo dia “ireo izay olom-banona teto an-tany, izay nohajambain’ny famitahan’ny olona,”18saingy “tsy maherifo tamin’ny tenivavolombelona momba an’i Jesoa.”19

Ny famaritana manambara ireo izay voatendry ho any amin’ny fanjakam-boninahitra ambany indrindra, dia ny telestialy, dia “izay tsy afaka handray … ny voninahitra terestrialy.”20 Izany dia manoritsoritra ireo izay mandà ny Mpamonjy ary tsy nitandrina ny fetra araka an’ Andriamanitra amin’ny fitondrantenany. Izany no fanjakana itoeran’ny ratsy fanahy, rehefa avy nijaly noho ny fahotany izy ireo. Ireo dia voalaza ao amin’ny fanambarana maoderina hoe “ireo izay tsy nandray ny filazantsaran’i Kristy, na ny tenivavolombelon’i Jesoa. …

“Ireny no ireo izay mpandainga sy mpanompo sampy sy mpanitsakitsa-bady sy mpijangajanga ary izay rehetra tia sy manao lainga.”21

Raha niresaka momba ireo fanjakam-boninahitra telo niaraka tamin’ny fahitany ara-paminaniana ny Filoha Russell M. Nelson dia nanoratra vao haingana hoe: “Ny androm-piainan’ny fiainana an-tany dia zara raha iray nanôsegondra raha oharina amin’ny mandrakizay. Fa tena ampahan-tsegaondra tena ilaina izany! Saintsaino tsara ny fomba fiasan’izany: Mandritra ity fiainana ity dia afaka misafidy izay lalàna tianao hohajaina ianao—ireo ao amin’ny fanjakana selestialy, na ny terestrialy, na ny telestialy, ary noho izany, ao amin’ny fanjakam-boninahitra inona no hisy antsika mandrakizay. Izany ka tena drafitra! Drafitra izay manaja tanteraka ny fahafahanao misafidy izany.”22

III.

Ny Apôstôly Paoly dia nampianatra fa ny fampianarana sy ny didin’ny Tompo dia nomena mba hahafahantsika rehetra mahatratra “ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy.”23 Izany dingana izany dia mitaky mihoatra lavitra noho ny fahazoana fahalalana. Tsy ampy mihitsy ny hoe resy lahatra amin’ny filazantsara; tsy maintsy mihetsika isika mba hiova fo amin’izany. Mifanohitra amin’ireo fitoriana hafa izay mampianatra antsika hahafantatra zavatra, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fanamby antsika mba ho tonga karazan’olona.

Tsoahantsika avy amin’ny fampianarana toy izany fa ny Fitsarana Farany dia tsy hoe fanombantombanana fotsiny ny fitambaran’ny zavatra tsara sy ratsy natao—izany hoe izay zavatra vitantsika. Izany dia mifototra amin’ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika. Mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny dingan’ny fiovam-po. Araka ny ampiasana azy eto, io teny misy dikany maro io dia midika fiovan-toetra lalina. Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao fotsiny ireo zavatra tsy am-pieritreretana. Ny didy sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanana dia tsy lisitr’ireo vola takiana mba harotsaka any amina banky any an-danitra any akory. Drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hiafarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.24

IV.

Noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia afaka mibebaka sy miverina amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izay irin’ny Raintsika any An-danitra ho antsika isika rehefa lavo amin’izao fiainana izao.

Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna manao hoe: “izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra”25 Saingy io fetra sarotra ho an’ “ity fiainana ity” io dia nomena toe-javatra feno fanantenana (farafaharatsiny ho an’ny olona sasany) tamin’ny alalan’ny zavatra nambaran’ny Tompo tamin’ny Filoha Joseph F. Smith, izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana fizarana 138 ankehitriny. “Hitako fa ireo loholona mahatoky amin’ity fotoampitantanana ity,” hoy ilay mpaminany, “rehefa miala amin’ny toetry ny mety maty, dia manohy ny asany amin’ny fitoriana ny filazantsaran’ny fibebahana sy ny fanavotana, amin’ny alalan’ny sorona nataon’ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, eo anivon’ireo izay ao amin’ny haizina sy ao amin’ny famatoran’ny fahotana ao amin’ny tontolo lehiben’ny fanahin’ny maty.

“Ny maty izay mibebaka dia ho voavotra amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’ Andriamanitra,

“Ary rehefa voaloany ny sazin’ny fandikan-dalàny ary voasasa madio izy ireo dia handray valisoa araka ny asany, fa izy ireo dia mpandova ny famonjena.”26

Ankoatra izany, dia fantatsika fa ny Arivotaona, ny arivo taona manaraka ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany, dia ho fotoana hanatanterahana ireo ôrdônansy takina ho an’ireo izay tsy nandray izany teo amin’ny fiainany teto an-tany.27

Betsaka ny zavatra tsy fantatsika momba ireo vanim-potoana telo lehibe ao amin’ny drafitry ny famonjena sy ny fifandraisan’izy ireo: (1) ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana, (2) ny fiainana an-tany, sy (3) ny fiainana manaraka. Saingy fantatsika ireto fahamarinana mandrakizay ireto: “Raharahan’ny isambatan’olona ny famonjena, ny fisandratana kosa dia raharahan’ny fianakaviana.”28 Manana Ray any An-danitra be fitiavana isika izay hanao izay hahazoantsika ny fitahiana rehetra sy ny tombontsoa rehetra mendrika ny faniriantsika sy ny safidintsika manokana. Fantatsika ihany koa fa tsy hanery na iza na iza hanao fifandraisana famehezana manohitra ny sitrapony Izy. Ireo fitahiana avy amin’ny fifandraisana voafehy dia azo antoka ho an’ireo rehetra izay mitandrina ny fanekempihavanany saingy tsy amin’ny alalan’ny fanerena ny fifandraisana voafehy amin’ny olona iray hafa izay tsy mendrika na tsy vonona velively.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, mijoro ho vavolombelona aho ny amin’ny fahamarinan’ireo zavatra ireo. Mijoro ho vavolombelona aho ny amin’i Jesoa Kristy Tompontsika, “izay tompony sy mpanefa ny finoantsika,”29izay ny Sorompanavotany, eo ambanin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra, no mahatonga izany rehetra izany ho tanteraka, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.