Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fahamarinana mandrakizay
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Fahamarinana mandrakizay

Tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny toy izao ilantsika ny fahafantarana fahamarinana!

Ry rahalahy sy anabavy, misaotra noho ny fanoloran-tenanareo amin’ Andriamanitra Ray sy amin’ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy ary misaotra noho ny fitiavana sy fanompoana ny hafa. Tena miavaka tokoa ianareo!

Teny fanolorana

Rehefa nahazo antso hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno izaho sy i Anne vadiko dia nanapa-kevitra ny fianakavianay ny hianatra ny anaran’ny misiônera tsirairay avy mialoha ny hahatongavana any amin’ny sahan’ny misiôna. Nahazo sary izahay, nanamboatra karatra fitadidiana, ary dia nanomboka nandinika ireo tarehy sy nitadidy ireo anarana.

Rehefa tonga izahay dia nanao fivoriana fifankahafantarana niaraka tamin’ireo misiônera. Raha iny nifampitakosona iny izahay dia ohatran’ny nahare ilay zanakay sivy taona aho nanao hoe:

“Faly mahafantatra anao izahay ry Sam!”

“Rachel ô, avy aiza ianao?”

“Oay, tena lavabe ianao izany ry David!”

Rehefa nandre izany aho dia nanatona ilay zanakolahy ka nibitsibitsika taminy hoe: “He, aoka hotsaroina fa antsoina amin’ny hoe Elder na Soeur ny misiônera.”

Gaga izy nilaza tamiko hoe: “Dada ô, f’angaha moa tsy tokony nianatra tsianjery ny anaran’izy ireo isika.” Nanao ny zavatra tokony natao niainga avy tamin’ny fahatakarany ilay zanakay lahy.

Noho izany, manao ahoana ny fahatakarantsika ny fahamarinana amin’izao tontolo ankehitriny izao? Voatototra tsy tapaka amin’ireo hevitra izingizinina sy tatitra mitanila ary lahatahiry tsy feno isika. Ireo loharano sy habetsaky ny fahalalana dia mihamitombo miaraka amin’izany ihany koa. Tsy mbola nisy fotoana mihoatra noho ny toy izao ilantsika ny fahafantarana ny fahamarinana!

Zava-dehibe ho antsika ny fahamarinana raha te hanangana sy hanamafy orina ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra, sy hitady fiadanana sy fifaliana, ary hanatratra ny hery anaty ananantsika ho tonga tahaka an’ Andriamanitra isika. Anio dia ndeha isika handinika ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no atao hoe fahamarinana ary nahoana no zava-dehibe izany?

  • Ahoana no fomba ahitantsika ny fahamarinana?

  • Rehefa mahita fahamarinana isika dia ahoana no fomba izarantsika izany?

Mandrakizay ny fahamarinana

Mampianatra antsika ny Tompo fa “ny fahamarinana dia fahalalana ny zavatra araka ny maha-izy azy, sy araka ny naha-izy azy ary araka ny haha-izy azy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:24). Izany “dia tsy nohariana na natao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:29) ary “tsy manam-petra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:66).1 Ny fahamarinana dia tanteraka, raikitra ary tsy miovaova. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia hoe mandrakizay ny fahamarinana.2

Ny fahamarinana dia manampy antsika tsy ho voafitaka,3 hanavaka ny tsara amin’ny ratsy,4 sy handray fiarovana,5 ary hahita fankaherezana sy fanasitranana.6 Ny fahamarinana dia afaka ihany koa mitarika amin’ireo zavatra ataontsika,7 manafaka antsika,8 manamasina antsika,9 ary mitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.10

Manambara fahamarinana mandrakizay Andriamanitra

Manambara fahamarinana mandrakizay amintsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny tambajotram-pifandraisana hahazoana fanambarana izay ahitana Azy sy i Jesoa Kristy, ny Fanahy Masina, ireo mpaminany ary isika. Ndeha isika hiresaka ny mampiavaka kanefa mampifandray ny anjara asa sahanin’ny tsirairay ao anatin’io rafitra io.

Voalohany, Andriamanitra no ilay loharanon’ny fahamarinana mandrakizay.11 Izy sy i Jesoa Kristy Zanany,12 dia manana fahatakarana tonga lafatra ny fahamarinana, ary miasa mandrakariva mifanaraka amin’ireo fitsipika sy lalàna marina.13 Manome fahafahana Azy Ireo hamorona sy hitantana ireo tontolo14 izany hery izany ary koa ahafahan’ Izy Ireo mitia, sy mitarika ary mikolokolo antsika tsirairay avy amin’ny fomba lavorary.15 Maniry Izy Ireo ny hahatakarantsika sy hampiharantsika ny fahamarinana mba hahafahantsika mandray ireo fitahiana izay ananan’ Izy Ireo.16 Mety ho Izy Ireo mihitsy no mizara fahamarinana mivantana, na matetika kokoa amin’ny alalan’ireo iraka toy ny Fanahy Masina, na anjely na mpaminany velona.

Faharoa, ny Fanahy Masina no mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana rehetra.17 Manambara fahamarinana mivantana amintsika sy mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ampianarin’ny hafa Izy. Ireo hevitra avy amin’ny Fanahy dia tonga toy ny eritreritra ao an-tsaintsika sy fahatsapana ao am-pontsika.18

Fahatelo, ireo mpaminany dia mandray ny fahamarinana avy amin’ Andriamanitra ary mizara izany fahamarinana izany amintsika.19 Mianatra ny fahamarinana avy amin’ireo mpaminany teo aloha isika ao amin’ny soratra masina20 ary avy amin’ireo mpaminany velona, mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy amin’ny alalan’ireo fantsona ôfisialy.

Ary farany, mitana anjara toerana manan-danja izaho sy ianao ao anatin’io rafitra io. Miandrandra antsika hikatsaka, sy hamantatra ary hanao asa araka ny fahamarinana Andriamanitra. Ny fahafahantsika mandray sy mampihatra fahamarinana dia miankina amin’ny tanjaky ny fifandraisantsika amin’ny Ray sy ny Zanaka, ny famaliantsika ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ary ny fanarahantsika ireo mpaminanin’ny andro farany.

Mila tsaroantsika fa i Satana dia manao izay tsy hahalalantsika ny fahamarinana. Fantany fa raha tsy mahalala ny fahamarinana isika dia tsy afaka hahazo ny fiainana mandrakizay. Maka ampaham-pahamarinana izy ka atambany amin’ny filôzôfian’izao tontolo izao mba hampisavorovoro saina sy hanelingelenana antsika amin’ny fahalalana ny zavatra ampitain’ Andriamanitra.21

Mikatsaka sy mamantatra ary mampihatra ny fahamarinana mandrakizay

Eo am-pikatsahantsika ny fahamarinana,22 dia afaka manampy antsika ireto fanontaniana roa manaraka ireto raha toa ka avy amin’ Andriamanitra ny foto-kevitra iray na avy amina loharano hafa:

  • Moa ve mitovy ny fampianarana ilay foto-kevitra ao amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminany velona izany?

  • Moa ve hamafisin’ny teny vavolombelon’ny Fanahy Masina ilay foto-kevitra?

Manambara fahamarinana mandrakizay amin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra, ary ny Fanahy Masina dia manamafy amintsika manokana ireo fahamarinana ireo.23 Tokony hikatsaka sy hiomana ny handray ireo fahatsapana ara-panahy ireo isika rehefa tonga izany.24 Ho mora mandray kokoa ny fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy isika rehefa manetry tena,25 sy mivavaka amin-kitsim-po sy mandalina ny tenin’ Andriamanitra,26 ary mitandrina ny didiny.27

Rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina amintsika ny fahamarinana manokana iray dia mihalalim-paka ny fahatakarantsika rehefa mampihatra izany fitsipika izany. Rehefa mandeha ny fotoana, rehefa miaina tsy tapaka ilay fitsipika isika dia mahazo fahalalana azo antoka momba izany fitsipika izany.28

Ohatra, nanao fahadisoana aho ary nahatsapa nenina ny amin’ireo safidy tsy nety nataoko. Saingy tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ary ny finoana an’i Jesoa Kristy, dia nahazo vavolombelona momba ny fitsipiky ny fibebahana aho.29 Rehefa nanohy nibebaka aho dia nihamafy hatrany ny fahatakarako momba ny fibebahana. Nahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra sy ny Zanany Lahy aho. Ankehitriny aho dia mahafantatra fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavela ny fahotana satria miaina ireo fitahian’ny fibebahana isan’andro aho.30

Matoky an’ Andriamanitra na mbola tsy nambara aza ny fahamarinana

Koa inona ary no tokony hataontsika rehefa mikatsaka ny fahamarinana amin-kitsim-po isika kanefa tsy mbola ambara izany? Manana fitserana lehibe aho ho antsika izay miandrandra valiny mafy izay ohatran’ny tsy ho tonga akory.

Nanome torohevitra an’i Joseph Smith ny Tompo hoe: “Aoka ianao hangina ambara-pahitako fa mety ny hampahafantarana ny zava-drehetra … momba ilay raharaha” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 10:37).

Ary nanazava tamin’i Emma Smith Izy hoe: “Aza mimonomonona noho ireo zavatra izay tsy hitanao sy tsy ho hitan’izao tontolo izao ireny, izay fahendrena ato Amiko ho amin’ny fotoana ho avy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:4).

Izaho ihany koa dia tena nikatsaka valin’ireo fanontaniana amin-kitsim-po. Maro no voavaly, misy mbola tsy voavaly.31 Rehefa mikiry isika—ka matoky ny fahendren’ Andriamanitra sy ny fitiavany, mitandrina ireo didiny sy miantehitra amin’izay efa fantatsika—dia hanampy antsika Izy hahita fiadanana ambara-pahatonga ny fotoana hampahafantarany ny fahamarinan’ny zavatra rehetra.32

Mahatakatra ny momba ny fotopampianarana sy ireo fitsipika arahana

Eo am-pikatsahana fahamarinana dia manampy ny mahatakatra ny fahasamihafana eo amin’ny atao hoe fotopampianarana sy ny atao hoe fitsipika arahana. Ny hoe fotopampianarana dia ilazana ireo fahamarinana mandrakizay, toy ny toetran’ Ny Andriamanitra, ny drafitry ny famonjena ary ny sorona fanavotana nataon’i Kristy. Ny hoe fitsipika arahana kosa dia fampiharana ny fotopampianarana mifototra amin’ireo toe-javatra misy amin’izao fotoana. Ny fitsipika arahana dia manampy antsika hitantana ny Fiangonana amin’ny fomba mirindra tsara.

Tsy miova mihitsy ny fotopampianarana, fa ireo fitsipika arahana kosa dia asiam-panamboarana ombieny ombieny. Miasa amin’ny alalan’ireo mpaminany ny Tompo mba hihazonana ny fotopampianarany sy hanovana ireo fitsipika arahin’ny Fiangonana arakaraka ny zavatra ilain’ireo zanany.

Mampalahelo fa indraindray afangarontsika ny fitsipika arahana sy ny fotopampianarana. Raha tsy takatsika ny fahasamihafan’izany dia mety ho lasa diso fanantenana isika rehefa misy fanovana fitsipika arahana, ary mety hanomboka hametra-panontaniana mihitsy aza mikasika ny fahendren’ Andriamanitra na ny anajara asan’ny mpaminany eo amin’ny fandraisana fanambarana.33

Mampianatra ny fahamarinana mandrakizay

Rehefa mandray fahamarinana avy amin’ Andriamanitra isika dia mamporisika antsika Izy hizara izany fahamarinana izany amin’ny hafa.34 Izany no ataontsika rehefa mampianatra kilasy, na mitari-dalana ankizy iray na miresaka momba ny fahamarinan’ny fotopampianarana amina namana iray.

Ny tanjontsika dia ny mampianatra fahamarinana amin’ny fomba izay manasa ny herin’ny Fanahy Masina izay afaka mampiova fo35 Mamelà ahy hizara karazana fanasana tsotra avy amin’ny Tompo sy ireo mpaminaniny izay afaka hanampy.36

  1. Mifantoha amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fotopampianarana fototra.37

  2. Mifahara amin’ny soratra masina sy ny fampianaran’ny mpaminanin’ny andro farany.38

  3. Miantehera amin’ny fotopampianarana napetrak’ireo vavolombelona maro manam-pahefana.39

  4. Ialao ny tombatombana sy ny hevitry ny tena manokana na ny hevitr’izao tontolo izao.40

  5. Mampianara fotopampianarana iray anatina sahan-kevitra mifandraika amin’ny fahamarinan’ny filazantsara.41

  6. Mampiasà fomba fampianarana manasa ny fitarihan’ny Fanahy.42

  7. Ataovy mazava tsara ny fifampiresahana mba hisorohana ny tsy fifankahazoana.43

Miresaka ny fahamarinana amim-pitiavana

Tena manan-danja ny fomba hiresahantsika ny fahamarinana. Mamporisika antsika i Paoly mba hiresaka “ny marina amin’ny fitiavana” (jereo ny Efesiana 4:14–15). Midika izany fa manana ny fahafahana tsara indrindra hitahiana ny hafa ny fahamarinana rehefa ampitaina amin’ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy.44

Ny fahamarinana rehefa ampianarina tsy amim-pitiavana dia mety hiteraka fahatsapana ho voatsaratsara sy kivy ary irery. Matetika izany no mitarika any amin’ny lonilony sy ny fisaratsarahana, any amin’ny fifandirana mihitsy aza. Etsy an-kilany, ny fitiavana tsy misy fahamarinana dia poakaty sy tsy misy fanantenana ny hitombo.

Samy ilaina ho an’ny fivoarantsika ara-panahy ny fahamarinana sy ny fitiavana.45 Ny fahamarinana dia manome fotopampianarana sy fitsipika ary lalàna ilaina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, ary ny fitiavana kosa dia miteraka ny faharisihana ilaina amin’ny fandraisana sy fampiharana ny marina.

Feno fankasitrahana mandrakizay ho an’ireo izay nampianatra tamim-paharetana ahy ny fahamarinana mandrakizay tamim-pitiavana aho.

Famaranana

Ho famaranana dia mamelà ahy hizara fahamarinana mandrakizay izay lasa vatofantsika ho an’ny fanahiko. Nahazo fahalalana an’ireo fahamarinana ireo aho tamin’ny alalan’ny fanarahana ireo fitsipika noresahana androany.

Fantatro fa Andriamanitra no Raintsika any An-danitra.46 Mahalala ny zava-drehetra Izy,47 mahefa ny zava-drehetra Izy,48 ary tonga lafatra ny fitiavany.49 Nanao drafitra ho antsika Izy izay hahafahantsika mahazo ny fiainana mandrakizay sy ho tonga tahaka Azy.50

Anisan’izany drafitra izany ny nandefasany ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy mba hanampy antsika.51 Nampianatra antsika hanao ny sitrapon’ny Ray i Jesoa52 sy hifankatia.53 Nanao sorona fanavotana ho an’ny fahotantsika Izy54 ary nanolotra ny ainy teo amin’ny hazofijaliana.55 Nitsangana tamin’ny maty Izy telo andro taty aoriana.56 Hitsangana amin’ny maty57 sy ho afaka ny ho voavela,58 ary hahazo tanjaka manoloana ny fahoriana59 isika amin’ny alalan’i Kristy sy ny famindram-pony.

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanangana ny Fiangonany i Jesoa.60 Niova io Fiangonana io rehefa nandeha teny ny fotoana ary very ny fahamarinana.61 Namerina ny Fiangonany tamin’ny laoniny sy ireo fahamarinan’ny filazantsara tamin’ny alalan’i Joseph Smith Mpaminany i Jesoa Kristy.62 Ary ankehitriny dia manohy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo mpaminany sy apostôly velona i Kristy.63

Fantatro fa raha manatona an’i Kristy isika, amin’ny farany dia afaka “ny atao tanteraka ao Aminy” (Môronia 10:32), sy hahazo “ny fahafenoan’ny fifaliana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:33), ary handray “izay rehetra hananan’ny Ray” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38). Ireo fahamarinana mandrakizay ireo no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo koa ny Salamo 117: 2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:39.

  2. “Tsy araka ny fiahiahian’ny olona sasany fa tena misy izany hoe marina sy diso izany. Tena misy ilay fahamarinana tanteraka, dia ny fahamarinana mandrakizay izany. Isan’ireo zava-doza amin’izao androntsika izao ny hoe vitsy loatra ny olona mahafantatra izay tokony haleha mba hahitana ny fahamarinana” (Russell M. Nelson, “Fahamarinana madio, fotopampianarana madio, ary fanambarana madio,” Liahona, nôv. 2021, 6).

  3. Jereo ny Joseph Smith—Matio 1:37.

  4. Jereo ny Môrônia 7:19.

  5. Jereo ny 2 Nefia 1:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 17:8.

  6. Jereo ny Jakôba 2:8.

  7. Jereo ny Salamo 119:105; 2 Nefia 32:3.

  8. Jereo ny Jaona 8:32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:8.

  9. Jereo ny Jaona 17:17.

  10. Jereo ny 2 Nefia 31:20.

  11. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:11–13; 93:36.

  12. Jereo ny Jaona 5:19–20; 7:16; 8:26; 18:37; Mosesy 1:6.

  13. Jereo ny Almà 42:12–26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:41.

  14. Jereo ny Mosesy 1:30–39.

  15. Jereo ny 2 Nefia 26:24.

  16. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:8–9.

  17. Jereo ny Jaona 16:13; Jakôba 4:13; Môrônia 10:5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:14; 75:10; 76:12; 91:4; 124:97.

  18. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–23; 8:2–3.

  19. Jereo ny Jeremia 1:5, 7; Amosa 3:7; Matio 28:16–20; Môrônia 7:31; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38; 21:1–6; 43:1–7. Ny mpaminany dia “olona izay nantsoin’ Andriamanitra sy miteny ho Azy. Mandray didy, faminaniana ary fanambarana avy amin’ Andriamanitra ny mpaminany amin’ny maha-mpitondra hafatr’ Andriamanitra azy. Ny adidiny dia ny mampahafantatra amin’ny olona ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny tena toetran’ Andriamanitra ary koa ny maneho ny hevitry ny fifandraisany amin’izy ireo. Miampanga ny fahotana ny mpaminany ary manambara mialoha ny vokatra aterany. Mpitory fahamarinana izy. Indraindray dia entanim-panahy ny mpaminany hanambara mialoha ny hoavy, mba ho tombontsoan’ny olombelona. Kanefa ny andraikiny voalohany dia ny mijoro ho vavolombelon’i Kristy. Ny Filohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no mpaminanin’ Andriamanitra eto an-tany ankehitriny. Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly Roambinifolo dia tohanana ho mpaminany sy mpahita ary mpanambara” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpaminany,” Médiathèque de l’Évangile). Ahitana ohatra momba ireo fitsipika ireo teo amin’ny fiainan’i Adama (jereo ny Mosesy 6:51–62), Enoka (jereo ny Mosesy 6:26–36), Noa (jereo ny Mosesy 8:19, 23–24), Abrahama (jereo ny Genesisy 12:1–3), Abrahama 2:8–9), Mosesy (jereo ny Eksodosy 3:1–15; Mosesy 1:1–6, 25–26), Petera (jereo ny Matio 16:13–19), ary Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:6–10; 20:2; 21:4–6.

  20. Jereo ny 2 Timoty 3:16.

  21. Jereo ny Jaona 8:44; 2 Nefia 2:18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:39; Mosesy 4:4.

  22. Jereo ny 1 Nefia 10:19. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Mila mailo isika rehefa mikatsaka ny fahamarin’ [Andriamanitra] sy misafidy ireo loharano ho an’izany fikarohana izany. Tsy tokony heverintsika ho loharano azo antoka ny zavatra manan-danja na manam-pahefana amin’izao tontolo izao. … Rehefa mikatsaka fahamarinana momba ny fivavahana isika dia tokony hampiasa fomba ara-panahy mifanaraka amin’izany fikarohana izany: ny vavaka sy ny vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina ary ny fandalinana ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany maoderina” (“Ny fahamarinana sy ilay drafitra,” Liahona, nôv. 2018, 25).

  23. Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Ny Apôstoly sy mpaminany … dia manambara ny tenin’ Andriamanitra, saingy ankoatra izany, dia mino isika fa ny lehilahy sy ny vehivavy mazàna, ary ny ankizy mihitsy koa ary, dia afaka mianatra avy amin’ny fitaomam-panahy avy any an-danitra sy hotarihin’izany ho valin’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina. … Ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia omena ny fanomezana ny Fanahy Masina, izay manamora ny fifandraisana tsy tapaka amin’ny Ray any An-danitra. … Tsy hoentina ilazana anefa izany fa ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay avy dia miresaka ho an’ny Fiangonana na afaka mamaritra ny fotopampianarana ao amin’izany; fa ny tsirairay kosa dia afaka mandray fitarihana masina amin’ny fisahanana ireo olana sy fahafahana eo amin’ny fiainany manokana” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,” Liahona, mey 2012, 89–90, note 2).

  24. Jereo ny 2 Nefia 33:1–2.

  25. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:28.

  26. Jereo ny Môrônia 10:3–5; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:7–9; 84:85.

  27. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 5:35; 63:23; 93:27–28. Na dia eo aza ny ezaka tena feno finiavana avy amintsika, dia mety mbola hanana olana amin’ny fahatsapana ny Fanahy foana ny sasany amintsika noho ireo tsy fahatomombanana eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fahaketrahana sy ny tebiteby lava ary ireo tsy fahatomombanana hafa ao amin’ny atidoha dia mety hampananosarotra ny famantarana ny Fanahy Masina. Rehefa misy izany toe-javatra izany dia manasa antsika ny Tompo hanohy hiaina ny filazantsara, ary hitahy antsika Izy (jereo ny Môzià 2:41). Afaka mijery ireo zavatra hafa azo atao isika—toy ny fihainoana mozika masina, na ny firotsahana amin’ny asa fanompoana, na ny fandaniana fotoana eny amin’ny zava-boary—izay hanampy antsika hahatsapa ny voan’ny Fanahy (jereo ny Galatiana 5:22–23) sy hampatanjaka ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

    Hoy ny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Noho izany, manao ahoana no mety ho fihetsika tsara indrindra asehonao raha toa ka miatrika olana ara-tsaina na ara-pihetseham-po ianao na ireo olona izay tianao? Ambonin’ny zava-drehetra, aza manary finoana mihitsy an’ny Rainao any An-danitra, izay tia anao mihoatra lavitra noho izay azonao takarina. … Katsaho amim-pahatokiana ireo fombafomba fitsaohana nosedrain’ny taona izay mitondra ny Fanahin’ny Tompo ho ao amin’ny fiainanao. Katsaho ny torohevitr’ireo izay mihazona fanalahidy ho an’ny fahatomombananao ara-panahy. Mangataha ary ankamamio ireo tsodranon’ny fisoronana. Mandraisa ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro, ary mifikira amin’ireo fampanantenan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay mahatonga antsika ho tanteraka. Minoa ireo fahagagana. Efa nahita maro tamin’izany aho rehefa maneho ireo fambara rehetra fa very ny fanantenana. Tsy very velively ny fanantenana” (“Toy ny vilany ariana,” Liahona, nôv. 2013, 40–41).

  28. Jereo ny Jaona 7:17; Almà 32:26–34. Any amin’ny farany Andriamanitra dia maniry antsika hahazo ny fahamarinana “andalana hanampy andalana, fitsipika hanampy fitsipika,” mandra-pahatonga antsika hahatakatra ny zavatra rehetra (jereo ny Ohabolana 28:5; 2 Nefia 28:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67; 93:28).

  29. Jereo ny 1 Jaona 1:9–10; 2:1–2.

  30. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy misy zavatra manafaka kokoa sy maha-olom-banona kokoa na lehibe kokoa eo amin’ny fivoaran’ny tenantsika manokana noho ny fibebahana tsy tapaka sy ny fifantohana amin’izany isan’andro. Ny fibebahana dia tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahana. Fanalahidin’ny fahasambarana sy fiadanan-tsaina izany. Rehefa ampiarahina amin’ny finoana ny fibebahana dia manokatra ny fahazoantsika ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (“Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara isika,” Liahona, mey 2019, 67).

  31. Tsy fantatro ny antony mahatonga an’ Andriamanitra manafina ny fahamarinana sasantsasany amintsika saingy nizara eritreritra mahaliana ny Loholona Orson F. Whitney hoe: “Fitahiana ny mino na tsy mahita aza, satria amin’ny alalan’ny fampiharana finoana no hiavian’ny fivoaran’ny fanahy izay iray amin’ireo tanjona lehibe amin’ny fisian’ny olona eto an-tany; fa ny fahalalana kosa, noho izy mitelina ny finoana, dia manakana ny fampiharana izany, ary manembatsembana ny fivelarany. -Hery ny fahalalana-; ary ny zavatra rehetra dia ilaina fantarina amin’ny fotoana maha-mety izany. Saingy ny fahalalana aloha loatra—izany hoe tsy amin’ny fotoany—dia sady mamono ny fivoarana no mamono ny fahasambarana” (“The Divinity of Jesus Christ,” Improvement Era, Jan. 1926, 222; jereo ihany koa ny Liahona, Dec. 2003, 14–15).

  32. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5–10. Ny Tompo dia nilaza tamin’i Hyrum Smith hoe: “Aza mikatsaka ny hanambara ny teniko fa katsaho aloha ny hahazo azy.” … Aoka hangina; [ary] diniho ny teniko” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21–22). Nanome ohatra momba ny tokony hatao rehefa sendra fanontaniana tsy misy valiny ny mpaminany Almà: “Ireo mistery ireo dia tsy mbola ampahalalaina ahy tanteraka; noho izany aho dia hifehy tena” (Almà 37:11). Nanazava tamin’i Kôriantôna zanany ihany koa izy fa “misy maro ny mistery izay tehirizina, izay tsy misy mahalala afa-tsy Andriamanitra ihany” (Almà 40:3). Nahazoako hery ihany koa ny valin-teny avy amin’i Nefia rehefa nanehoana fanontaniana izay tsy hainy novaliana izy: “Fantatro fa tia ireo zanany Izy; na dia eo aza izany, dia tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra” (1 Nefia 11:17).

  33. Mitovy amin’izany koa, ny fomban-drazana ara-kolontsaina dia tsy fotopampianarana sy tsy fitsipika arahana. Mety ilaina ihany izy ireny raha toa manampy antsika hanaraka fotopampianarana sy fitsipika arahana, kanefa dia manakana ny fivoarana ara-panahintsika ireny raha toa ka tsy mifototra amin’ireo fitsipika marina. Tsy maintsy ialantsika ireo fomban-drazana izay tsy manorina ny finoantsika na tsy manampy antsika hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

  34. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 15:5; 88:77–78.

  35. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:21–23.

  36. Nalaina avy tamin’ny antontan-taratasy “Principles for Ensuring Doctrinal Purity,” nankatoavin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny febroary 2023.

  37. Jereo ny 1 Nefia 15:14. Niresaka tamin’ireo mpanompony ny Tompo mba hialana amin’ny fifantohana amin’ireo foto-pinoana na foto-kevitra izay tsy mifototra amin’ny filazantsarany: “Ary ny amin’ny foto-pinoana, dia tsy hiteny ianao, fa hambaranao kosa ny fibebahana sy ny finoana ny Mpamonjy ary ny famelana ny fahotana amin’ny alalan’ny batisa sy amin’ny alalan’ny afo, eny, dia ny Fanahy Masina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:31).

    Nanazava ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Aoka isika hifantoka amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy ny fanomezampahasoavan’ny sorompanavotany. Tsy midika izany fa tsy afaka miresaka traikefa tamin’ny fiainantsika manokana isika na hizara hevitra avy amin’ny hafa. Na dia mikasika ny fianakaviana na fanompoana na tempoly na iraka nampanaovina vao tsy ela aza ny lohahevitsika dia tokony hifantoka any amin’i Jesoa Kristy Tompo ny zavatra rehetra ao amin’ny fitsaohantsika” (“Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 89–90).

  38. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 28:2–3, 8. Ny mpaminany Almà dia nanentana ireo izay voatendry hitory ny filazantsara mba “tsy hampianarany afa-tsy ny zavatra izay efa nampianariny sy izay efa niloaka ny vavan’ny mpaminany masina” (Môzià 18:19).

    Ny Filoha Henry B. Eyring dia nilaza hoe: “Tsy maintsy mampianatra ireo fotopampianarana fototra an’ny Fiangonana isika araka ny hita ao amin’ireo soratra masina nankatoavina sy ao amin’ireo fampianaran’ny mpaminany, izay manana andraikitra hanambara ny fotopampianarana” (“The Lord Will Multiply the Harvest” [evening with a General Authority, Feb. 6, 1998], ao amin’ny Teaching Seminary: Preservice Readings [2004], 96).

    Nijoro ho vavolombelona ny Loholona D. Todd Christofferson fa “ao amin’ny Fiangonana ankehitriny toy ny tamin’ny fahiny ihany, ny fanorenana ny fotopampianaran’i Kristy sy ny fanitsiana ireo zavatra diso ara-potopampianarana dia misy ifandraisany amin’ny fanambarana masina izay azon’ireo nomen’ny Tompo fahefana ho apôstôly” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,” 86).

  39. Jereo ny 2 Korintiana 13:1; 2 Nefia 11:3; Etera 5:4; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:28. Nahatsikaritra ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Misy olona vitsivitsy izay mametra-panontaniana ny amin’ny finoan’izy ireo rehefa mahita fanambarana iray nataon’ny mpitarika iray tato amin’ny Fiangonana am-polon-taonany maro lasa izay, izay toa tsy mifanaraka amin’ny fotopampianarantsika. Misy fitsipika iray manan-danja izay mitantana ny fotopampianaran’ny Fiangonana. Ampianarin’ireo mpikambana 15 ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy izany fotopampianarana izany. Tsy miafina ao anatina andiam-pehezan-teny iray saro-takarina ao anaty lahateny iray izany. Ampianarina imbetsaka ary ampianarin’ny olona maro ny fitsipika marina. Tsy sarotra hita ny fotopampianarantsika” (“Fitsapana ny finoanao,” Liahona, nôv. 2012, 41).

    Nampianatra mitovy amin’izany ihany koa ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Tokony hotsaroana fa tsy izay zavatra rehetra nolazain’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na mpitarika taloha izany na ankehitriny akory dia voatery ho fotopampianarana. Iarahan’ny rehetra mahalala ato amin’ny Fiangonana fa ny zavatra nolazain’ny mpitarika iray tao anatin’ny fotoana iray manokana dia matetika no raisina ho hevitry ny tenany manokana izay na dia avy tamin’ny fisainana tsara aza, dia tsy natao ho lasa zavatra ôfisialy na hoe tsy maintsy arahin’ny Fiangonana iray manontolo” (“Ny fotopampianaran’i Kristy,” 88).

  40. Jereo ny 3 Nefia 11:32–40. Niteny ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Efa niresaka momba ny maha zava-dehibe ny fitazonana ny fotopampianaran’ny Fiangonana ho madio aho. … Niahiahy ny momba izany aho. Mety hitarika amina famitahana goavana sy tena ratsy ny fanovana kely ao amin’ny fampianarana fotopampianarana” (Teachings of Gordon B. Hinckley [1997], 620).

    Nampitandrina ny Filoha Dallin H. Oaks fa misy ny sasany “izay misafidy fehezan-teny vitsivitsy avy amin’ireo fampianaran’ny mpaminany ary mampiasa izany hanohanan’izy ireo ny fikasany ara-pôlitika na ho an’ny tanjon’izy ireo manokana. … Ny fakàna ireo tenin’ny mpaminany ho ampiasaina amin’ny fikasany manokana na ara-pôlitika na ara-bola na amin’ny fomba hafa dia toy ny hoe manandrana manararaotra ny mpaminany fa tsy manaraka azy” (“Our Strengths Can Become Our Downfall” [Brigham Young University fireside, June 7, 1992], 7, speeches.byu.edu).

    Nampitandrina ny Filoha Henry B. Eyring hoe ; “Manana ny heriny ny fotopampianarana, rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina izany fa marina. … Noho ny filantsika ny Fanahy Masina dia tsy maintsy malina sy mitandrina tsara isika mba tsy handeha hihoatra ny fampianarana ny fotopampianarana marina. Ny Fanahy Masina no Fanahin’ny Fahamarinana. Ny fanamafisana avy Aminy dia tonga amin’ny alalan’ny fisorohantsika ny fisaintsainana zavatra hafa na ny fizarana hevitra avy amin’ny tenantsika manokana. Mety ho sarotra atao izany. … Tena maka fanahy ny hanandrana zavatra vaovao sy mahatalanjona. Saingy manasa ny Fanahy Masina mba ho namantsika isika rehefa mitandrina ny tsy hampianatra afa-tsy ny fotopampianarana marina ihany. Ny fomba tena azo antoka mba hisorohana ny fanakaikezana ny fotopampianarana diso dia ny misafidy ny ho tsotra ao amin’ny fampianarantsika. Azo avy amin’izany fahatsorana izany ny fiarovana ary ho kely ny very” (“The Power of Teaching Doctrine,” Liahona, July 1999, 86).

    Nampianatra ny Loholona Dale G. Renlund hoe: “Ny fikatsahana fahatakarana bebe kokoa dia zavatra iray manan-danja amin’ny fivoarantsika ara-panahy, saingy aoka ianao ho mailo. Tsy afaka misolo ny fanambarana ny fisainana. Tsy hitondra fahalalana ara-panahy bebe kokoa ny fanombatombanana, fa mety hitarika ho amin’ny fahadisoam-panantenana na hampiala ny fifantohantsika amin’ny zavatra izay efa nambara” (“Ny toetranao araka an’ Andriamanitra sy ny anjaranao mandrakizay,” Liahona, mey 2022, 70).

  41. Jereo ny Matio 23: 23. Nampitandrina ny Filoha Joseph F. Smith hoe: “Tena tsy fahendrena ny maka ampahana fahamarinana ka mandray izany ho toy ilay zavatra iray manontolo. … Ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Kristy nambara rehetra dia ilaina sy manan-danja eo amin’ny drafitry ny famonjena.” Avy eo izy dia nanazava misimisy kokoa hoe: “Sady tsy fitsipika arahana tsara no tsy fotopampianarana mari-pototra ny maka ny iray amin’ireo na inona izany na inona, ka maningana izany amin’ilay drafitra manontolon’ny fahamarinan’ny filazantsara, sy manao izany ho zavatra ankafizinao manokana, ary miantehitra amin’izany ho an’ny famonjena antsika sy ny fivoarantsika. … Ilaina avokoa izy rehetra” (Gospel Doctrine, ed. faha-5 [1939], 122).

    Nanazava ny Loholona Neal A. Maxwell fa: “Ny fitsipiky ny filazantsara … dia mitaky fampifanarahanana amin’ny manontolo. Raha sarahana na alefa mandeha irery, dia mety ho toy ny kidaladala ny fandraisan’ny olona sy ny fampiharan’ny olona ireo fotopampianarana ireo. Ny fitiavana raha tsy fehezin’ny didy fahafito dia hanjary ho lasa ara-nofo. Ny fanantitranterana mendrim-piderana ny didy fahadimy momba ny fanajana ny ray aman-dreny, raha toa tsy ampiarahana amin’ny didy voalohany dia mety hiteraka fanajana tsy misy fepetra an’ireo ray aman-dreny na diso aza fa tsy an’ Andriamanitra. … Na dia ny faharetana aza dia voalanjalanja amin’ny -fananarana amin’ny fomba henjana rehefa entanin’ny Fanahy Masina-” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:43]” (“Behold, the Enemy Is Combined,” Ensign, May 1993, 78–79).

    Nampianatra ny Filoha Marion G. Romney hoe: “Ny fandalianana [soratra masina] ho an’ny tanjona hoe hahita ny zavatra ampianarin’izy ireny araka ny nandidian’i Jesoa dia manoatra lavitra noho ny fizahana izany amin’ny tanjona ny hahita andinin-tsoratra masina izay azo ampiasaina hanohanana tsoan-kevitra voafaritra mialoha” (“Records of Great WorthEnsign, Sept. 1980, 3).

  42. Jereo ny 1 Korintiana 2:4; Môrônia 6:9. Nanantitrantitra ny Loholona Jeffrey R. Holland ny amin’ny ilàna ny hampitàna ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny fomba izay mitarika amin’ny fanamafisana orina ara-panahy amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina manao hoe: “Tsy nanome hevitra hentitra kokoa ho an’ny Fiangonana ny Tompo mihoatra noho ny hoe tokony hampianatra ny filazantsara -amin’ny alalan’ny Fanahy, dia ilay Mpampionona izay nirahina hampianatra ny fahamarinana.- Moa ve isika mampianatra ny filazantsara -amin’ny Fanahin’ny fahamarinana?- Hoy izy manontany. Na moa ve isika mampianatra izany -amin’ny fomba hafa? Ary raha amin’ny fomba hafa,- mampitandrina Izy, -dia tsy avy amin’ Andriamanitra izany- [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:14, 17–18]. … Tsy misy fianarana maharitra mandrakizay izay afaka mitranga raha tsy misy izany famelombeloman’ny Fanahy avy any an-danitra izany. … Izany no tena ilain’ireo mpikambana ato amintsika. … Ilain’izy ireo ho mafy ny finoan’izy ireo ary hihavao ny fanantenan’izy ireo. Raha tsorina dia maniry izy ireo ny hofahanana amin’ny alalan’ny tenin’ Andriamanitra, ny ho hampatanjahana amin’ny alalan’ireo herin’ny lanitra” (“A Teacher Come from God”,” Ensign, May 1998, 26).

  43. Jereo ny Almà 13:23. Raha niresaka momba ny Raintsika any An-danitra ny Filoha Russell M. Nelson dia nijoro ho vavolombelona hoe: “Mifandray amintsika Izy amin’ny fomba tsotra, amim-pahanginana, ary mazava tsara amin’ny fomba mahavariana tokoa ka tsy afaka ny ho diso fandray isika.” (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89).

  44. Jereo ny Salamo 26:3; Romana 13:10; 1 Korintiana 13:1–8; 1 Jaona 3:18.

  45. Jereo ny Salamo 40:11.

  46. Jereo ny Romana 8:16.

  47. Jereo ny 1 Samoela 2:3; Matio 6:8; 2 Nefia 2:24; 9:20.

  48. Jereo ny Genesisy 17:1; Jeremia 32:17; 1 Nefia 7:12; Almà 26:35.

  49. Jereo ny Jeremia 31:3; 1 Jaona 4:7–10; Almà 26:37.

  50. Jereo ny 2 Nefia 9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:17–31; Mosesy 6:52–62.

  51. Jereo ny Jaona 3:16; 1 Jaona 4:9–10.

  52. Jereo ny Jaona 8:29; 3 Nefia 27:13.

  53. Jereo ny Jaona 15:12; 1 Jaona 3:11.

  54. Jereo ny Lioka 22:39–46.

  55. Jereo ny Jaona 19:16–30.

  56. Jereo ny Jaona 20:1–18.

  57. Jereo ny 1 Korintiana 15:20–22; Môzià 15:20–24; 16:7–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:16–17.

  58. Jereo ny Asan’ny Apostoly 11:17–18; 1 Timoty 1:14–16; Almà 34:8–10; Môrônia 6:2–3, 8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:13–19.

  59. Jereo ny Matio 11:28–30; 2 Korintiana 12:7–10; Filipiana 4:13; Almà 26:11–13.

  60. Jereo ny Matio 16:18–19; Efesiana 2:20.

  61. Jereo ny Matio 24:24; Asan’ny Apostoly 20:28–30.

  62. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:1–4; 21:1–7; 27:12; 110; 135:3; Joseph Smith—Tantara 1:1–20.

  63. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:14, 38; 43:1–7; 107:91–92.