Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2023


Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah

Tena voatahy tokoa isika mahafantatra izay rehetra fantatsika noho ny fananantsika an’i Joseph Smith, ilay mpaminanin’ity fotoampitantanana farany ity.

Ry rahalahy sy anabavy malala, voninahitra ho ahy ny miaraka aminareo eto amin’izao maraina izao. Mivavaka aho mba hitahy ahy ny Tompo.

Tsy tahaka ny taloha intsony ireo masoko. Nandeha nijery ny mpitsabo masoko aho dia hoy aho: “Tsy afaka mahita ny téléprompteur aho.”

Dia hoy izy: “Izao an, efa antitra ny masonao. Ary tsy hiova izany.”

Ka noho izany dia hiezaka araka izay vitako aho.

Te hizara aminareo zavatra vitsivitsy izay tonga tao an-tsaiko aho. Toa tonga tato an-tsaiko foana ny Mpaminany Joseph nandritra ireo volana vitsivitsy lasa. Nipetraka aho sy nandinika ny andraikiny be voninahitra amin’ny fahatongavany ho ilay mpaminanin’ity fotoampitantanan’ny fahafenoana ity.

Mieritreritra aho hoe endrey ny fankasitrahantsika mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany noho ny hoe i Joseph Smith, izay zatovolahy naniry ny hahafantatra ny zavatra nilainy hatao mba ho voavela heloka, dia nanana herim-po handeha tao amin’ny alakely iray teo akaikin’ny tranony tany Palmyra, New York, ary nandohalika tao izy ary, araka ny notantarainy, dia sambany nanao tonom-bavaka (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:14).

Tamin’io fotoana io, rehefa nandohalika i Joseph tao amin’ilay antsointsika hoe Alakely Masina, dia nisokatra ny lanitra. Nisy olona anankiroa, nazava noho ny mitataovovonana, niseho teo anoloany. Niteny taminy ny anankiray nanao hoe: “[Joseph,] Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:17). Dia toy izany no niantombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy.

Noho i Jesoa, ilay Mpamonjy antsika sy Mpanavotra antsika, niresaka tamin’i Joseph zatovolahy sy nanokatra ity fotoampitantanana izay iainantsika ity, dia mihira isika hoe: “Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah!” (“Dera ho an’ilay nandre an’i Jehovah,” Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 100). Misaotra ny Tompo isika noho i Joseph Smith sy ny herim-pony handeha tao amin’ilay alakely tamin’ny 1820, teo akaikin’ny tranony tao Palmyra, New York.

Nieritreritra momba ireo zavatra mahatalanjona rehetra izay fantatsika aho sy ireo zavatra rehetra ananantsika. Ry rahalahy sy anabavy malala, mijoro ho vavolombelona aminareo aho amin’izao maraina izao fa tena voatahy tokoa isika mahafantatra ny zavatra fantatsika noho ny fananantsika an’i Joseph Smith, ilay mpaminanin’ity fotoampitantanana farany ity.

Mahatakatra ny tanjon’ny fiainana isika sy hoe iza isika.

Fantatsika hoe iza Andriamanitra, fantatsika hoe iza ny Mpamonjy, noho ny fananantsika an’i Joseph, izay nandeha tao amin’ilay alakely tamin’izy zatovolahy, nikatsaka ny famelana ny fahotany.

Inoako fa anisan’ny zavatra be voninahitra indrindra sy mahatalanjona indrindra izay mety ho fantatry ny olona iray ny hoe naneho ny Tenany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo amin’izao andro farany izao ary i Joseph dia nantsoina mba hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy.

Manana ny Bokin’i Môrmôna isika. Tena fanomezana mahagaga sy mahatalanjona ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Bokin’i Môrmôna. Teny vavolombelona iray hafa, testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izy io. Manana azy io isika satria i Joseph Smith dia nanana ny fahamendrehana handeha haka ireo takelaka, ary nahazo fitaomam-panahy avy tany an-danitra mba handika azy ireo tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy herin’ Andriamanitra ary nanome ilay boky ho an’izao tontolo izao.

Na dia tsotra aza ny hafatro amin’izao maraina izao dia lalina izany ary feno fitiavana ho an’ny Mpaminany Joseph Smith sy ho an’ireo rehetra nanohana azy sy nanaiky ny hanohana azy tamin’izy tanora, ry rahalahy sy anabaviko.

Te hanome voninahitra ho an’ny reniny aho amin’izao maraina izao. Nieritreritra hatrany aho fa tena mahatalanjona ny hoe rehefa nody i Joseph taorian’ilay zavatra niainany tao amin’ilay Alakely Masina ary nilaza tamin’ny reniny ny zava-nitranga, dia nino azy i Lucy Mack Smith.

Feno fankasitrahana aho noho ny rainy sy ireo rahalahiny sy anabaviny sy ny fianakaviany, izay nanohana azy tamin’io andraikitra goavana io izay napetraky ny Tompo teo aminy mba ho ilay mpaminany izay hamerina amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsara mandrakizain’i Jesoa Kristy ety an-tany indray.

Koa mijoro ho vavolombelona aho amin’izao maraina izao fa fantatro fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao. Fantatro ihany koa fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo dia niseho sy niresaka tamin’i Joseph ary nanomana azy ho lasa mpaminany.

Talanjona aho, ary azoko antoka fa ny maro aminareo koa dia toy izany, noho isika voatahy amin’ny fahafantarana ny zavatra fantatsika mikasika ny tanjontsika amin’ny fiainana, sy ny antony maha eto antsika, sy ny zavatra tokony hoezahantsika hatao sy ho tanterahina amin’ny fiainantsika andavanandro. Isika dia eo an-dalam-piezahana hiomana, tsikelikely isan’andro, mba ho tsara kokoa, ho tsara fanahy kokoa, ho vonona kokoa amin’ilay andro, izay azo antoka fa ho tonga, izay hiverenantsika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Efa mihamanakaiky izany ho ahy. Efa handray 95 taona aho. Miteny amiko ireo zanako indraindray hoe mbola antitra noho izany aho, fa tsy maninona. Manao izay tsara indrindra vitako aho.

Fa efa ho nandritra ny 50¬taona aho, ry rahalahy sy anabavy, no nanana tombontsoa nitety izao tontolo izao amin’ny andraikitra maha Manampahefana Ambony ahy ato amin’ny Fiangonana. Fitahiana mahatalanjona izany. Mino aho fa efa saika noteteziko avokoa ireo faritra manerana izao tontolo izao. Nihaona tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao aho.

Tena tiako ianareo. Traikefa feno voninahitra tokoa izany: ny nijery ny endrikareo, ny nifanatrika taminareo, ary ny mahatsapa ny fitiavanareo izay ho an’ny Tompo sy ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Enga anie ny Ray any An-danitra hiambina antsika amin’izao fotoana izao sy hitahy ny fizotran’ity fihaonambe ity. Ary enga anie isika hanana ny Fanahin’ny Tompo ao am-pontsika, ary enga anie ny fitiavantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy malalantsika, i Jesoa Kristy Tompo, mba hitombo eo am-piezahantsika manompo Azy sy mitandrina ireo didiny ary ho lasa tahaka Azy kokoa vokatry ny fanatrehantsika ny fihaonambe maneran-tany. Na aiza na aiza misy anareo maneran-tany, dia Andriamanitra anie hitahy anareo. Enga anie ny Fanahin’ny Tompo homba antsika. Enga anie isika hahatsapa ny herin’ny lanitra eo am-piarahantsika mitsaoka mandritra ity fivorian’ny fihaonambe ity.

Avelako aminareo ny tenivavolombeloko sy fijoroako ho vavolombelona fa fantatro fa i Jesoa no Kristy. Mpamonjy sy Mpanavotra antsika Izy. Izy no namana akaiky antsika indrindra. Amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy, amena.