2009
Lehilahy Malala-tanana Iray
Ôktôbra 2009


Avy amin’ny Fiainan’ny Mpaminany Joseph Smith

Lehilahy Malala-tanana Iray

Nalaina avy tamin’ny Enseignement du Président de l’Eglise: Joseph Smith (boky fandalinan’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny Fikambanana Ifanampiana, 2007), 423--25.

Taorian’ny nifindrana tany Nauvoo, Illinois, dia nanangana Trano Fivarotana vita tamin’ny Biriky Mena i Joseph sy Emma Smith. Nampiasaina ho birao hiasan’i Joseph izany ary ho toerana hivarotana hamelomany ny fianakaviany koa.

Hanaovy lafarina 9 kilao aho ry Emma a!

Mbola misy zavatra hafa ve ilainao?

Vao nifindra tsy ela tao Nauvoo avy tany Angletera i James niaraka tamin’ny anabaviny ary i Henry, vadin’ny anabaviny. Tsy mpikamban’ny Fiangonana akory i James.

Nitady asa nandritry ny tontolo andro isika ity ry Henry! Tsy mino aho hoe hahita asa atao isika.

Andao hanontany ny Mpaminany mba hahazo fanampiana.

Tsy mbola nahita na nanakaiky an’i Joseph Smith mihitsy i James taloha. Nahatsapa fanahy nanenika ny tenany izy raha vao nahita azy fotsiny

Tena mpaminany marin’ilay Andriamanitra Avo Indrindra ity.

Ry Rahalahy, inona no azoko hanampiana anareo anio?

Andriamatoa Smith, misy asa azo atao ve any aminao?

Afaka mangady lavaka ve ianareo?

Ho ataonay izay faran’ny vitanay.

Nentin’i Joseph niala lavidavitra kely ny trano fivarotana ireto lehilahy ary namoaka fitaovana fandrefesana izy.

Afaka mandavaka lavaka izay iray metatra ny sakany ary 75 santimetatra ny halaliny manaraka ity tsipika ity ve ianareo?

Rehefa vita ilay lavaka dia niantso an’i Joseph izy ireo mba hijery ny asa vitany.

Tsy hahavita asa tsara noho izaho aho. Avia manaraha ahy.

Nomen’i Joseph hena faran’izay lehibe sy tsara indrindra ary gony roa misy lafarina ireto lehilahy roa ireto.

Be loatra ireto ry Joseph.

Hanao asa bebe kokoa isika rahampitso.

Raha afa-po ianareo ry zatovolahy, dia afa-po aho.

Noho izany fifankahitana nanehoan’ny Mpaminany hatsaran-toetra izany sy noho ireo zavatra hafa niarahana izay nahatsapany ny herin’Andriamanitra tao amin’i Joseph no nahatonga an’i James nianatra ny filazantsara ary natao batisa sy noraisina ho mpikambana herintaona taty aoriana.

Sary nataon’i Sal Velluto sy Eugenio Mattozzi