2009
Mampitraka ny Hafa sy ny Tenako
Ôktôbra 2009


Mampitraka ny Hafa sy ny Tenako

Cathy Whitaker Marshall, Washington, Etazonia

Fety Fisaorana tamin’ny taona 1990 tamin’izay. Vao avy nisaram-panambadiana aho tamin’izay ary mpianatra lalàna taona voalohany tany tamin’ny tanàna izay tsy dia haiko loatra. Handeha ho any amin’ny tranon-drainy ny zanako mandritry ny fotoam-pialan-tsasatra ka voalohany teo amin’ny fiainako izany hoe ho irery mandritry ny Fety Fisaorana izany.

Tamin’ny voalohany dia nalahelo ny tenako aho ary te-hitomany. Kanefa avy eo dia nanomboka nisaiko ireo fitahiana voaraiko. Nanan-janaka roa mahafatifaty aho, trano tsara ary fahafahana handranto fahalalana ary nanana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay mitarika ny fiainako. Tena voatahy amin’ny zavatra maro aho.

Rehefa nanatona ny Fety Fisaorana dia reko fa hisy vondron’ny mpianatra lalàna nanomana fandehanana any amin’ny tranon’ny fiangonana hafa iray eo an-toerana ka hanampy amin’ny fanomezana sakafon’ny Fety Fisaorana ho an’ireo tsy manan-kialofana eo. Nanapa-kevitra ny hanampy azy ireo aho fa tsy hipetrapetra-potsiny ao an-trano sy hahatsiaro ho irery ary dia niaraka tamin’ireo mpianatra namako aho.

Andro vitsy taty aoriana, dia indro izaho manolotra sakafo ahitana ovy mafana voapotsitra eo ambonin’ny lovia ho an’ireo olona noana, izay feno fankasitrahana ary niharan-javatra maro teo amin’ny fiainany. Ny ranomasoko latsaka dia tsy noho ny alaheloko ny tenako, fa kosa ranomaso fanehoam-pitiavana ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra, na inona na inona toe-javatra iainany.

Tsy ho Fety Fisaorana izany andro izany raha tsy misy vorontsiloza mitokona ao am-patana. Kanefa dia ho lehibe loatra raha vorontsiloza milanja 6 kg no ho ahy irery, ka dia nanasa mpianatra maro avy any amin’ny firenena hafa sy faritra lavitra aho hiara-hisakafo amiko. Te-hizara izany sakafo nentim-paharazan’ny Amerikana amin’ny Fety Fisaorana izany aho kanefa nasaiko nitondra fandraisana anjara kely izy ireo. Nasaiko nitondra karazan-tsakafo tena tiany avy any aminy ny tsirairay. Tena lasa nahafinaritra sy tsy hay hadinoana ilay fiaraha-misakafon’ny Fety Fisaorana—hatramin’ny karazana nem sy ny sisa tao avokoa.

Nanambara ny Mpanjaka Benjamina hoe: “Indro, lazaiko aminareo ireo zavatra ireo mba hahazoanareo mianatra fahendrena, mba hahazoanareo mianatra fa rehefa eo amin’ ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo” (Môsià 2:17).

Nianatra fahendrena aho tamin’izany Andron’ny Fety Fisaorana izany. Nahazo fifaliana aho tamin’ny asa fanompoana nataoko raha toa ka mora kokoa ny mipetrapetra-potsiny sy manadio trano. Fanalahidy hahazoana fifaliana ny asa fanompoana, tsy amin’ny andro fialan-tsasatra ihany, rehefa mora ny mifantoka amin’ny zavatra banga eo amin’ny fiainantsika, fa mandritry ny andro hafa rehetra koa. Na inona na inona toe-javatra iainantsika dia afaka mahita olona hampiana hatrany isika. Rehefa mampitraka ny hafa isika dia mampitraka ny tenantsika koa.

Nanapa-kevitra ny hanampy azy ireo aho fa tsy hipetrapetra-potsiny ao an-trano sy hahatsiaro ho irery. Andro vitsy taty aoriana, dia indro izaho manolotra sakafo ahitana ovy mafana voapotsitra eo ambonin’ny lovia ho an’ireo olona noana.