2009
Toeran’ny Fiadanana
Ôktôbra 2009


Toeran’ny Fiadanana

Ny tempoly dia tsy vitan’ny hoe trano tsara tarehy fotsiny ho an’ireto zatovovavy roa avy any amin’ny Repoblika Dôminikana. Mpampahatsiahy velona ny amin’ny fanantenana sy ny nofinofy lalin’izy ireo izany.

Mbola tsaroan’i Dilcia Soto, izay 16 taona, ny andro nanokanana ny tempoly teo an-tanànany tao Santo Domingo tao amin’ny Repoblika Dôminikana: “Vao sivy taona monja aho tamin’izany kanefa niteny mihitsy hoe: ‘Oay! Misy tempoly eto!‘ Nahazatra ahy ny mahita olona mandeha any amin’ny firenen-kafa mba hofehezina sy hanao fanekempihavavana. Nieritreritra aho hoe: ‘Ankehitriny dia tsy mila mandeha mankany amin’ny firenen-kafa izaho sy ny fianakaviako satria efa manana ny tempolinay akaiky anay izahay.‘”

Ankehitriny ny tempoly dia mijoro amim-boninahitra sy tena avo eo amin’ny renivohitry ny tanana, ary mandindona be noho ny tilikambo sy ny faritra itoerany hany ka maro ireo olona mandalo eo no mieritreritra azy ho katedraly. Faly i Dilcia manazava fa mbola masina kokoa noho izany ny tempoly. Misy fahanginana mifono fahamendrehana tsapa eo amin’ny faritry ny tempoly izay mifanohitra tanteraka amin’ny fifamahofahoana eny an-dalambe sy eny an-tsena ao afovoan-tanana.

Toeran’ny fiadanana, izay nandehanan’i Dilcia sy ny namany, Kelsia St. Gardien, 14 taona, izany toerana izany. Izy roa vavy dia samy mpikambana avy ao amin’ny paroasin’i Mirador, ao amin’ny Tsatòkan’i Independencia ao Saint Domingue Repoblika Dôminikana. Efa samy nanao batisa ho an’ny maty tao amin’ny tempoly izy ireo taloha. Fa ho an’ity andro ity kosa dia nandehandeha fotsiny teo an-jaridaina izy ireo, niresaka ary nahatsapa avy aty ivelany ny Fanahy izay tsapa ao anatin’izany tempoly izany.

Ny Fanirian’i Dilcia

Hoy i Dilcia hoe: “Feno fitiavana ny Tompo aho ary feno fankasitrahana tamin’ny zavatra nataony teo amin’ny fiainako.” “Ny olona ao amin’ny ankohonako dia mpikamban’ny Fiangonana afa-tsy ny nenitoako, dadatoako ary ny zanak’izy ireo izay mbola tsy mpikambana. Rehefa mandalo ao an-tranonay izy ireo dia misy Bokin’i Môrmôna vonona foana eny amiko satria mety ho fotoana hahafahana hizara ny filazantsara amin’izy ireo izany.” Mizara ny filazantsara amin’ireo namany koa izy ary “amin’ny olona rehetra izay mifanena amiko izay liana marina ny amin’izany.” Ary isaky ny manao izany izy dia milaza foana hoe: “Mahery vaika ny fahatsapako ny Fanahy Masina. Isaky ny mizara ny fijoroako ho vavolombelona aho dia miverina mahatsapa ny fahamarinan’ny Fiangonana indray.”

Tsaroany ny lesona iray natao tao amin’ny seminera momba ny drafitry ny famonjena. Hoy izy hoe: “Talohan’ny nanorenana ity tany ity dia nisy Filan-kevitra Lehibe tany An-danitra, ary nisafidy ny hanaraka ny Raintsika any An-danitra isika sy hanaiky ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ho antsika.” “Nazavain’ny mpampianatra anay fa afaka miteny isika hoe nankatò ny Ray any An-danitra tokoa satria eto an-tany isika ankehitriny ary manana vatana nofo sy taolana. Rehefa niteny izany izy dia fantatro fa marina izany. Nandritry ny vavaka nataoko ny alin’iny dia sady nitomany aho no nisaotra an’Andriamanitra noho izany fahalalana izany.”

Nolazain’i Dilcia ny voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 3:16: “Tsy fantatrareo va fa tempolin’Andriamanitra hianareo, ary ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anatinareo? Hoy izy hoe: “Raha toa ka tempoly koa aho dia mila mitoetra madio sy tsara tarehy toy ny tempoly.” Tena fitahiana lehibe ny maha-mpikambana ahy ato amin’ity Fiangonana ity ary ny maha-tovovavy iray feno fahamasinana ahy!”

Nilaza izy fa ny faniriany lehibe indrindra dia ny hiara-hiaina indray amin’ny Rainy any An-danitra indray andro any. Hoy Izy hoe: “Feno fankasitrahana aho tamin’ny nanomezany antsika ny tempoly mba hahafahantsika manao ny zavatra tokony hataontsika hiverenana hiaina hiaraka Aminy indray.” “Ny fomba tsara indrindra hanehoana fisaorana Azy dia ny fiainana ireo zavatra nasainy hiainantsika.”

Hoy i Dilcia hoe: “Tian’ny Tompo hiditra ny Tranony isika, hianatra momba Azy ary hanao ny asantsika hiverenana any amin’ny mandrakizay hiaraka Aminy.” Faly aho hoy izy mandray anjara amin’ny fanatanterahana batisa ho an’ny maty satria “fomba iray hanampiana ireo izay miandry any ambadiky ny voaly izany, hanaovana zavatra ho azy izay tsy vitany ho an’ny tenany manokana.”

Ny Fahavononan’i Kelsia

Manaiky i Kelsia. Hoy izy hoe: “Mila antsika hanao ny asa ireo razambentsika ary fantatro fa ho feno fankasitrahana amintsika izy ireo.” “Ary tsy andriko manokana ny hahita ny renibeko izay tsy fantatro teto amin’ity fiainana ity. Tsy maintsy ataonay izay hahavita ny asa rehetra ao amin’ny tempoly ho azy.”

Mampihetsi-po an’i Kelsia tokoa ny firesahana mikasika ny tempoly. “Vonona aho hanatanteraka ireo fanapahan-kevitra izay hanampy ahy mba hofehezina hiaraka amin’ny fianakaviako,” hoy izy. “Mila manaja ny filazantsara isika ary mitandrina ny didy al pie de la letra [araky ny antsipirian’ny lalàna],” hoy izy. “Manao izany isika satria tia ny Raintsika any An-danitra, ary ny fankatoavana no fomba hanehoantsika fankasitrahana Azy.”

Tonga mpikamban’ny Fiangonana ny fianakaviany tamin’ny Desambra 2006, enin-taona taorian’ny nifindran’ny ray aman-dreniny avy tany Haiti ho any amin’ny Repoblika Dôminikana. “Tena feno fankasitrahana aho amin’ireo misiônera izay nandondona ny varavaranay. Tena tsara ny mahatsapa ny Fanahy Masina ary mianatra mikasika ny drafitry ny Ray any An-danitra ho antsika. Hatramin’ny nisian’ny filazantsara teo amin’ny fiainanay dia nifanatona bebe kokoa ny fianakavianay. Feno fankasitrahana aho fa nomeny fianakaviana izay miray hina, na manoloana ny fotoan-tsarotra aza. Ny fahafantarana fa afaka ny hofehezina mandrakizay hiaraka amin’ny fianakaviana isika dia toy ireny mandray fitahiana faran’izay tsara indrindra ireny.”

Manaraka kilasy fiomanana mankany amin’ny tempoly ny ray aman-dreniny ankehitriny ary izany dia mampahatsiahy azy mba hiomana amin’ilay andro iray izay hanambadiany any amin’ny tempoly. “Izany no tena tanjoko: mba ho mendrika ny hivady izaho sy ny ho vadiko rahatrizay, ary ho mendrika koa ny ho fianakaviana mandrakizay.”

Mifampizara Fahatoniana

Mandalo ilay andry misy ny sainam-pireneny izay akopakopan’ny rivotra ireto zatovovavy roa mpinamana ireto. “Na dia ny saina eo amin’ny tempoly aza dia mampahatsiahy anay mba ho mahatoky,” hoy i Dilcia. Mihoatra noho ny lokony ny dikany. Ahitana tarigetra izany Dios, patria, libertad [Andriamanitra, tanindrazana, fahafahana] ary mampiseho hazo fijaliana Kristiana sy ny Didy Folo. Mampahatsiahy anay izany fa ny firenenay dia naorian’ny olona izay nino an’Andriamanitra ary mbola zava-dehibe aty aminay izany Andriamanitra izany.”

Nandalo ny fidirana eo amin’ny tempoly koa izy ireo, izay ahitana ny teny hoe: Santidad al Señor, la Casa del Señor (Fahamasinana ho an’ny Tompo, ny Tranon’ny Tompo), voasokitra eo ambonin’ny varavarana fidirana, izay hitan’izy ireo isaky ny mandeha mankany amin’ny tempoly izy ireo.

Hoy i Dilcia hoe: “Isaky ny mamaky ireo teny ireo aho dia heniky ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika fa marina izany.” “Tsaroako izahay nankaty nandritry ny fiaraha-mientan’ny vondrona indray hariva mba hitsidika ny toerana. Rehefa vita ny fitsidihana dia nanontany ny zavatra tsapanay teo ny eveka. Niresaka mikasika izany izahay ary teny iray no valiny azo hamehezana azy: fiadanana.”

Ary nandeha nody i Kelsia sy Dilcia no sady nieritreritra izany teny iray tonga lafatra izany … tonga lafatra satria ny tempoly dia ilay toeran’ny fiadanana.

Sary nalain’i Richard M. Romney