2009
Mifikitra amin’ny Fakan-kazo Matanjaka
Ôktôbra 2009


Mifikitra amin’ny Fakan-kazo Matanjaka

Melsida Hakobyan, Arménie

Fony aho mbola mpianatra tany Rosia dia namaky tantara mampitahotra mikasika ny zazalahikely roa izay nifanena tamin’ny orsa tany an’ala. Taona maro taty aoriana rehefa lasa mpampianatra aho dia nasain’ny namako maromaro hiaraka amin’izy ireo handeha hitango holatra any an’ala. Mbola mampitahotra ahy ny ala kanefa dia nanaiky hiaraka amin’izy ireo aho.

Rehefa tafiditra tao an’ala aho dia nanapaka tahon-kazo mba hiarovako tena raha toa ka mifanena amin’ny orsa. Vetivety dia nahita ny holatra miloko volontany notadiaviny ireo namako. Izaho kosa, tetsy ankilany, nikaroka holatra miloko mena ny tampony, ka nandeha tamin’ny lalan-kafa mba hitady izany. Tsy tsikaritro akory fa hay efa irery aho.

Nisolifatra aho ka nianjera teo am-pitadiavana izany. Nipitika ambony be ny harona nasiako ny holatra fa ilay tahon-kazo kosa voatazoko tsara. Rehefa niezaka niarina aho dia tsikaritro fa sady namotaka no niraikitra be ny tany. Teo vao tonga saina aho fa latsaka tao anaty honahona! Vetivety dia feno rano ilay kiraro baoty nanaovako ary nanomboka nilentika aho. Niezaka nanetsika ny tongotro aho mba hanafahako ny tenako kanefa toa vao mainka nilentika. Rehefa tonga hatreny am-balahiko ny fotaka dia raiki-tahotra tanteraka aho.

Nikiakiaka aho niantso ny namako kanefa ny hany zavatra henoko dia ny fanenon’ny bibikely manidina sy ny fibetrobetroky ny sahona. Tsaroako tampoka ny renibeko raha iny izaho nanomboka nitomany iny. Rehefa sendra ny olana izy dia mivavaka. Matetika izy no manasa ahy hivavaka fa mamaly azy hatrany aho hoe: “Tsy misy izany Andriamanitra izany.”

Kanefa tao anatin’ilay honahona izay toa ho lasa fasako sahady dia tsy nisy azoko natao ankoatry ny nivavaka sy niantso an’Andriamanitra mba hanampy ahy. “Raha velona Ianao dia mba ampio aho!” Nitomany aho.

Teo noho eo ihany dia toa nandre feo malefaka aho niteny tamiko hoe: “Minoa ary aza matahotra. Mifikira amin’ny fakan-kazo matanjaka.”

Rehefa nitoditodika nijery aho dia nahita hazo lehibe misy fakany tao aoriako. Afaka nisaringotra tamin’izany aho tamin’ny alalan’ilay tahon-kazo teny an-tanako. Nisy zavatra nanome hery ahy nahafahako nanosika ny tenako hivoaka tao anatin’ilay honahona.

Tototry ny fotaka tanteraka aho ary nilofika teo amin’ny tany sady nisaotra an’Andriamanitra tamin’ny famaliany ny vavaka nataoko. Mino aho ankehitriny fa velona Izy. Nahatsapa ny fisiany aho ary nandre ny Feony, ary nomeny hery hisintonako ny tenako hiala tao anaty honahona.

Fotoana fohy taty aoriana rehefa nampianatra ahy mikasika ny valim-bavaka voarain’ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Ala kely Masina ny misiônera dia nino azy ireo aho. Na izany na tsy izany dia namaly ny vavaka nataoko tany an’ala koa Andriamanitra. Nifikitra tamin’ny fakan-kazo matanjaky ny filazantsara aho, natao batisa fotoana fohy taorian’izany ary manompo ao amin’ny sampan’i Gyumri any Arménie ankehitriny.

Fantatro fa tia ny Zanany rehetra ny Ray any An-danitra ary feno fankasitrahana aho amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy. Feno fankasitrahana noho ireo fitahiana maro voaraiko avy tamin’ny Ray any An-danitra koa aho, indrindra indrindra ilay Valim-bavaka nomeny ho ahy izay tsy mpino azy, tany an’ala taona maro lasa izay.

Rehefa tonga hatreny am-balahiko ny fotaka dia raiki-tahotra tanteraka aho. Nikiakiaka aho niantso ny namako kanefa ny hany zavatra henoko dia ny fanenon’ny bibikely manidina sy ny fibetrobetroky ny sahona.