2009
Ny Batisan’i Bebe
Ôktôbra 2009


Ny Batisan’i Bebe

Marilena Kretly Pretel Busto, São Paulo, Brésil

Tamin’ny 30 Jiona 2001, raha iny izaho teo am-panaovana mofomamy ho an’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny zanako vavy iny dia naneno ny telefaona. Ny rahavaviko any Brésil no niantso ary nampahafantatra ahy fa maty ny bebenay.

Nampalahelo ilay vaovao fa saingy tsy nalahelo aho. Ilay bebe malalako rahateo efa niaina hatramin’ny faha-102 taonany latsaka kely. Faly aho fa afaka tamin’ilay vatany efa antitra izy ary nandeha any amin’ny tontolon’ny fanahy.

Avy eo dia nanomboka nieritreritra mikasika ny fifandrifian-javatra nisy teo amin’ny fahafatesany sy ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny zanako vavy aho, ary lasa fisainana raha misy dikany hafa izany fotoana izany. Rehefa nandeha ny andro dia haiko ihany izany hoe: ho mora ho ahy ny hahatsiaro ny ho atao batisa ho an’ny bebeko herintaona aorian’ny fahafatesany. Noraisiko izany andraikitra izany, ary fantatro fa tsy maintsy miandry ny hahatongavan’ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’ny zanakovavy manaraka aho.

Nandeha vetivety ny taona. Kanefa tsy nanana fahafahana nandeha nankany amin’ny tempoly aho tamin’ny andro fitsingerenan’ny fahafatesan’ny bebeko, satria nipetraka tany Portugal aho ary ny Tempolin’i Madrid any Espagne no falehako. Kanefa tsy nisy andro iray tsy nieritreretako izany andraikitro ho atao batisa ho an’i bebe Josefina izany.

Ny volana Ôktôbra 2002 mihitsy vao nanana fahafahana nankany amin’ny tempoly izahay. Nandeha tany amin’ny tempoly niaraka tamin’ny zanakay lahy Matthew, izay handray ny fanafiany masina alohan’ny handehanany hitory, izaho sy ny vadiko. Faly aho fa afaka nandeha tany amin’ny tempoly ary nieritreritra aho fa hahatsapa zavatra manokana rehefa ho atao batisa ho an’ny bebeko.

Ny vadiko no nanao ny batisa kanefa tsy nisy zavatra tsapako. Ny zanako lahy no nanao ny fanomezana ny Fanahy Masina fa mbola tsy nisy zavatra tsapako ihany koa. Nisava ny tebitebiko tamin’ny tsy fahatsapana na inona na inona ary tena faly aho fa vita ireo ôrdônansy ho an’ny renibeko.

Taorian’ny fanafiana masina dia nandeha tany amin’ny trano famehezana izahay mba hanao ny famehezana an’i Bebe amin’ireo ray aman-dreniny. Rehefa nandohalika teo amin’ny alitara izahay mba hanatanteraka izany ôrdônansy izany ary nanomboka niteny ilay mpamehy, dia nahatsapa ho toy ny nisy zavatra nandona ahy avy tany amin’ny lohako nandalo ny vatako rehetra aho. Sarotra ny mamaritra azy fa tsapako tamin’izay fotoana izay fa faly i Bebe Josefina nofehezina tamin’ireo ray aman-dreniny.