2009
Tsy Hanenenana ny Fiandrasana
Ôktôbra 2009


Tsy Hanenenana ny Fiandrasana

Rehefa niditra ny Tempolin’i Buenos Aires Argentine niaraka tamin’ireo tanora tao amin’ny paroasiko aho mba hanao batisa ho an’ny maty, dia niandry minitra vitsy tao amin’ny efitrano fiandrasana. Avy eo dia nasain’ilay mpanompo tao amin’ny tempoly izahay mba handroso any amin’ny efitrano iray hafa misy seza fiandrasana maromaro ary hiandry eo indray.

Satria Asabotsy ny andro dia maro ireo olona avy amin’ny faritra maron’i Argentine no nankao amin’ny tempoly. Niandry teo izahay nandritry ny adiny roa sy sasany, nipetraka mangina teo fotsiny. Nanomboka nisy eritreritra tsy dia tsara nandalo tato an-tsaiko: “Nahoana no hampiandrasan’izy ireo lava be toy izao izahay? Reraka aho, sady tsaratsara ho ahy raha tsy nandeha satria fandaniam-potoana fotsiny izy ity.”

Nanomboka nitsangana sy nandehandeha teo amin’ilay efitrano aho. Tsy ela dia nisy mpanompo iray tao amin’ny tempoly nivoaka sady niteny hoe: “Anaka, mahareta kely. Fantatro fa efa niandry ela ianao kanefa mba fantatrao ve ity zavatra ity? Any amin’ny tontolon’ny fanahy dia an-tapitrisany ny olona miandry izao fotoana izao efa ho taonjato maro, ary manome toky anao aho fa tsy mahatombina izy ireo miandry ny anjarany. Sady manao batisa no mandray ho mpikambana ireo rahalahy ka tsy afaka manao mihoatra ny vitany amin’izao izy ireo.”

Rehefa avy niteny izany izy dia nahatsiaro ho menatra aho. Tsapako fa tia tena aho satria tsy vonona hanokana ora maromaro ho an’ireo olona ireo izay niandry taona maro sy tsy nanana fahafahana naheno mikasika ny Fiangonana marina ary tsy vita batisa teto an-tany.

Nivoaka indray ilay mpanompo tao amin’ny tempoly ary nanomboka niantso anarana avy tao amin’ny paroasinay. Nomen’ny rahavavy iray akanjo fotsy izahay izay tsy kely tsy lehibe. Rehefa vita ny fiakanjoana dia nafatony tamin’ny lambakely fotsy ny volonay.

Avy eo izahay dia nandeha, tsy nanao kiraro, nankeo amin’ny seza akaikin’ny toerana fanaovana batisa. Malefaka aok’izany ilay karipetra ka toy ireny tsy mandia tany ireny izahay.

Rehefa tonga ny anjarako dia somary nidobodoboka ny foko toy ireny hoe andro hanaovana ny batisako ireny izany andro izany. Kanefa tsara fanahy loatra ireo mpanompo tao amin’ny tempoly ka nanam-paharetana taminay tsirairay avy, hany ka nilamina aok’izany ilay fotoana.

Rehefa nivoaka avy tao amin’ny toerana fanaovana batisa aho dia nisy rahavavy iray niandry ahy niaraka tamin’ny tsikitsiky sy lamba famafana vatana miloko fotsy lehibe iray. Nisolo akanjo aho ary nandeha tany amin’ny efitra nanatanterahana ny fandraisana ho mpikambana. Ilay rahavavy nanome ahy ilay lamba famafana vatana no niaraka tamiko ary nisaotra ahy tamin’ny faniriako hanao ny asan’ny Tompo.

Rehefa nivoaka ny tempoly aho dia tsapako fa iray tamin’ireo zavatra niainako tsara indrindra teo amin’ny fiainako izany. Ny tempoly dia toerana masina ary ao ny Fanahin’ny Tompo, izay mitarika ny fanatanterahana ny Asa lehibeny. Tsy hanenenana ny fiandrasana.

Sary nataon’i John Zamudio