2009
Gana kely Ratsy Tarehy sa Gisa kely Vahiny Mihaminkamina? Izay Tianao!
Ôktôbra 2009


Gana kely Ratsy Tarehy sa Gisa kely Vahiny Mihaminkamina? Izay Tianao!

Tsaroako fony aho mbola zaza dia hamakian’ny reniko ilay tantara “Ilay Gana kely Ratsy Tarehy,” izay nosoratan’i Hans Christian Andersen. Angamba noho izaho saro-kenatra ka nahatsiaro ho tsy nahay nifandray tamin’ireo tanora mitovy amiko, fa dia nipetraka tato an-tsaiko foana ny fahatsiarovana sy ny lesona avy amin’izany tantara izany.

Raha ny fitadidiako ilay tantara dia nisy renin’ny ganagana nikotrika tamim-paharetana ny atodiny izay foy ka lasa gana kely. Tsy ela dia nifaly niaraka tamin’ilay renin’ny ganagana ireto gana kely miloko mavo volomboloina. Kanefa nisy atody iray lehibe kokoa izay mbola tsy foy. Niandry sy nijery izany ilay reniny sy ireo gana kely. Rehefa injay vaky ilay atody dia tsikaritr’ireto gana kely mavomavo fa ity mpikambana vaovao ao amin’ny fianakaviany ity dia manana endrika hafa. Nanodidina azy izy ireo ary nilaza tamin’ny ray aman-dreniny hoe: “Tsy mitovy aminay izy. Ratsy tarehy izy.” Navelany irery teo amin’ny toeram-pikotrehana teo izy ary lasa izy ireo nilomano. Nihodinkodina irery teo ilay gana kely ratsy tarehy ary nanandrana niafina. Tsy misy afa-tsy eritreritra ratsy sy mahakivy no tao an-tsainy. Matetika izy no mieritreritra ny tenany hoe: “Tsy misy tia ahy ny rehetra satria ratsy tarehy aho.”

Kinanjo nisy fahagagana nitranga teo amin’ny fiainany. Hitany fa nisy hafa mitovy aminy sy manao toy izay ataony! Lasa namany izy ireo ary nentin’ireto farany tany amin’ny renin’izy ireo izy ary nanontany izy ireo hoe: “Neny a! Neny a! Nahita rahalahy kely izahay! Afaka hijanona hiaraka amintsika mandrakizay ve izy?” Nofihin’ilay renin’ny gisa vahiny tsara fanahy teo ambanin’ny elany fotsifotsy ity gana kely ratsy tarehy no sady noteneniny tamin’ny feo malefaka hoe: “Tsy ganagana mihitsy ianao! Zana-gisa vahiny ianao ary indray andro any dia ho lasa mpanjakan’ity dobo ity.”

Tiako ny mihaino izany tantara izany fony mbola zaza. Tsy tsapako hoe ny lesona nianarako avy tamin’izany dia hanampy ahy hiatrika ireo fahasahiranana amin’ny taonan’ny fahatanorako. Natao batisa tao am-piangonana aho tamin’ny fahavalo taonako kanefa nihanalaina tsikelikely nandeha tany am-piangonana ny fianakaviako.

Teo amin’ilay tanàna kelin’i Idaho izay nahalehibe ahy dia nisy toerana fijerena sarimihetsika izay mandefa sarimihetsika isaky ny Asabotsy atoandro. Mankany foana aho miaraka amin’ny namako roa na telo. Mandefa sarimihetsika fohy mikasika ny fanatanjahantena ary ny iray mikasika ny toe-java-baovao misy izany toerana izany. Fa ny tena alefany matetika dia ny sarimihetsika misy ireo mpiandry omby tany Amerika izay ahitana adiady maro.

Indray Asabotsy nandritry ny fotoana fanelanelanana dia namoaka bisikileta izay karazany mpandeha haingana be irony ny mpikarakara. Mena ny lokony. Tsara tarehy ilay izy ary homeny izay olona tao anatin’ireo mpijery ka mihazona ny tapakila voasarika izany! Tena naniry mafy ny hahazo izany aho!

Naka tapakila iray tao anaty baoritra ilay mpikarakara. Rehefa novakiany ny laharan’ilay tapakila dia hitako fa izaho no nanana ilay tapakila voasarika. Kanefa tsy nihetsika sady tsy niteny aho. Menatra loatra aho. Tsy nanana fahatokian-tena aho mba hijoro ary hampahafantatra ny rehetra fa izaho no nanana ilay tapakila nahazo loka. Nolazaina mafy indroa ilay laharana ary isaky ny manao izany izy dia tazoniko ambany ilay tapakila amin’izay tsy misy mahita. Farany dia nanonona laharana hafa ilay mpikarakara. Tamin’izay dia iray tamin’ireo namako niaraka tamiko no nanana ilay laharana vaovao voantso. Nitsambikina izy, nikiakiaka ary nihazakazaka naka ilay bisikiletany. Tokony ho ahy izany bisikileta izany!

Rehefa teny an-dalana irery aho nandeha nody taorian’ilay sarimihetsika dia nieritreritra ilay tantaran’ny gana kely ratsy tarehy. Tena nahatsapa aho fa mitovy amin’ilay zana-gisa vahiny kely. Nahatsapa aho fa toy ireny mivezivezy anaty ala ireny miezaka ny hiafina ary tsy misy olona tia ahy. Tsy takatro hoe iza moa aho ary mety afaka ho lasa inona aho? Mandrampiveriko tany an-trano dia tsapako fa nisy zavatra niova. Tsaroako aho nieritreritra hoe: “Fotoana hiovana izao. Tsy hitranga amiko intsony ny toy izao.”

Nanomboka tsikaritro fa misy olon-kafa manodidina ahy izay tia sy mikarakara ahy. Ny episkopàn’ny paroasy dia liana momba ahy, toy izany koa ny filohan’ny tsatòka izay mipetraka tsy lavitra ahy. Nampianatra ahy ny filazantsara izy ireo. Nizara ny fijoroany ho vavolombelona tamiko izy ireo mikasika ny fisian’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany sarobidy ary ny zavatra azon’izany entina ho ahy. Novakian’izy ireo tamiko tsy tapaka ny tantaran’i Joseph Smith sy ilay fahitany tao amin’ilay Ala kely Masina. Noho izany traikefa izany dia lasa nanana fahazarana tsara tamin’ny famakiana ny Joseph Smith—Tantara aho isan-kerinandro. Fantatro, fa ny fanaovana izany dia nahafahako hanana hery hanoherana izay zavatra rehetra mety hitranga amiko tamin’izany herinandro hitsahina izany.

Tamin’izany fotoan’ny fiainako izany, rehefa tena nila olona aho, dia nitahy ahy foana ny Raiko any An-danitra. Fantany aho, ary nandefa ny Mpanompony Izy hanampy ahy hahatakatra izany amin’ny ezaky ny tenako ihany. Nosakambinin’izy ireo aho ary nolazainy tamin’ny fihetsiny fa tsy gana kely ratsy tarehy izany ary raha mendrika sy mitandrina ny didy aho dia ho tonga “mpanjakan’ny dobo.” Ny fitahiana sy fahatakarana ny Sorompanavotana dia manome ahy tanjaka sy fahatokian-tena fanampiny.

Rehefa tonga ny faha-16 taonako dia namporisihin’ireto lehilahy marina ireto aho mba handray ny tsodranon’ny patriarika. Taorian’ny nandraisako ny fahazoan-dalana dia nandeha bisikileta aho ary nandeha kilaometatra maromaro mba ho any an-tranon’ny patriarika. Nazavainy indray mandeha indray izany hoe tsodranon’ny patriarika izany sy ny fomba hitahian’izany ny fiainako. Nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohako izy. Taorian’izay zava-nitranga izay dia niova ny fiainako.

Nanaiky hanao antso fitoriana tany Ecosse aho ary niaina zavatra nahafinaritra be tany. Herinandro vitsivitsy taorian’ny nodiako dia nifankahita tamin’ilay ho vadiko rahatr’izay aho nandritry ny fivoriam-piangonana. Nandany fotoana hifankafantarana izahay ary dia nangatahiko ho vady izy. Nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izahay.

Andalana iray tao amin’ny tsodranon’ny patriarika izay voaraiko no mamaritra fa hiaina hiaraka amin’ny anjely aho eto an-tany. Tamin’izany fotoana nanomezan’ny patriarika ahy izany tsodrano izany dia tsy takatro ny tiany holazaina amin’ny hoe anjely ka dia navelako teo fotsiny izany. Rehefa nivoaka ny tempoly aho tamin’ny andro namehezana ahy tamin’ny vadiko dia takatro amin’izay ny dikany. Izy no fahazavan’ny fiainako. Misaotra azy aho satria nanana fahafahana hiaina tao anatin’ny hazavana aho. Nitondra fifaliana sy fahasambarana ho an’ireo zanakay 8, zafikelinay 25 ary zafiafinay 2 izy. Lasa nantsoin’ny zanako rehetra hoe fitahiana mihitsy izy. Manolotra fisaorana amin’Andriamanitra aho noho ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara sy ny fitahiana mandrakizain’ny fanekempihavanana ary ny ôrdônansin’ny tempoly masina.

Tian’i Satana hino isika fa gana kely ratsy tarehy ka tsy hanana fahafahana ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany masina. Mijoro ho vavolombelona aho fa tian’Andriamanitra amin’ny fomba miavaka isika tsirairay avy. Nilaza matetika ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny famolavolana ataon’Andriamanitra amin’ny tena dia hita taratra amin’ny zava-madinika eo amin’ny fiainantsika.”1 Zanany isika. Fantatro fa afaka ny hihoatra ny toe-java-mitranga amintsika amin’izao fotoana izao isika ary ho lasa “mpanjakalahy sy mpanjakavavin’ny dobo” amin’ny alalan’ny fanarahana ny didin’ny filazantsara.

Misy zavatra hafa fantatro ihany koa. Fantatro ianareo ary ny toerana niavianareo. Ny fanambarana dia mampahatsiahy antsika ny fahatokiantsika tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana (jereo Apôkalypsy 12:7–11; F&F 138:56; Abrahama 3:22–23). Rehefa hampifandraisintsika amin’izany fahamarinana lehibe izany ny fijoroantsika ho vavolombelona dia ho lasa fitahiana mahafinaritra ho antsika ny andro tsirairay.

Manaraha ny Tompo amim-pahatokiana sy amim-pankatoavana. Raha afaka mikarakara tovolahy saro-kenatra toa ahy Izy dia afaka ny hikarakara anao Izy amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy. Zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra nofinidiny ianao. Misafidiana ny hampiasa tsara izany hery lehibe izay ao anatinao izany.

Fanamarihana

  1. Neal A. Maxwell, “Becoming a Disciple,” Ensign, Jiona 1996, 17.

Zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra nofinidiny ianao. Misafidiana ny hampiasa tsara izany hery lehibe izay ao anatinao izany.

Mahatsapa tena ho ambany ve Ianao?

Tsarovy ity: Zanak’Andriamanitra ianao. Afaka ny hahatratra ny hery anaty lehibe anananao ianao amin’ny alalan’ny Fanampiany. (Jereo Romana 8:16–17.)

Namoaka bisikileta izay karazany mpandeha haingana be irony ny mpikarakara. Mena ny lokony. Tsara tarehy ilay izy ary homeny izay olona mpijery teo izany. Tena tiako ny hahazo izany!

Hitako fa izaho no nanana ilay tapakila voasarika. Kanefa tsy nihetsika sady tsy niteny aho. Menatra loatra aho.

Ny fitahiana sy fahatakarana ny Sorompanavotana dia manome ahy tanjaka sy fahatokian-tena fanampiny.

Sary nataon’i Jerry Harston, afa-tsy ny misy fanamarihana; sarin’ny elatra © Getty Images; sarin’ny vorona nalain’i Graham Ford, © Getty Images

Sombiny avy tamin’ I Kristy tao Getsemane, nataon’i Heinrich Hofmann, nahazoana lalana avy tamin’ny C. Harrison Conroy Co.