2009
Fijoroana ho Vavolombelona
Ôktôbra 2009


Fijoroana ho Vavolombelona

Maria Kaneva, Blagoevgrad, Bulgarie

“Izaho no handeha voalohany,” hoy Irinka isaky ny Alahady voalohan’ny volana. Manangona ny herim-pony izy eo am-pitazonana mafy ny sezany miaraka amin’ny masony feno fientanentanana. Sivy taona monja i Irinka, kanefa toa izy no mpikambana manana herim-po indrindra amin’ireo mpikambana valo manatrika ny fiangonana tsy tapaka ao amin’ny sampana misy azy any Bulgarie.

Alohan’ny hitsanganany dia andrasan’i Irinka aloha raha misy olona te-hijoro ho vavolombelona alohany. Toa mitsirika kely azy amim-pahanginana daholo ny olona rehetra miandry azy handroso eny aloha. Farany dia mitsangana ho eny amin’ny polpitra izy ary velon-tsiky tsy misy toy izany. Ametrahan’ny filohan’ny sampana talantalana hijoroana izy mba ho hitan’ny mpikambana rehetra. Mibanjina ireo mpivavaka vitsy dia vitsy i Irinka, izay hany ankizy ao amin’ny Kilonga, ary manomboka miteny.

Tsy menamenatra mihitsy izy jeren’ny olona rehetra. Mihaino ilay feony mahafatifaty ny mpikambana rehetra. Manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelon’ny tsirairay izy rehefa miresaka mikasika an’i Kristy, ny soratra masina, ary ny fahamarinan’ny Fiangonana.

Rehefa mipetraka izy dia toa tony ny zava-drehetra ary toy ireny hoe nokasihin’ny Fanahy Masina ireny ny fon’ny hafa. Avy eo dia mitsangana ny mpikambana iray mba hijoro ho vavolombelona, izay arahin’ny iray hafa ary toy izany hatrany hatrany …