2009
Mikolokolo ireo Taranaka Vao Misondrotra
Ôktôbra 2009


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Mikolokolo ireo Taranaka Vao Misondrotra

Ampianaro ireo soratra masina sy teny nindramina ireo, na raha ilaina, dia mampianara fitsipika iray hafa izay hitahy ireo rahavavy vangianao. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fotopampianarana. Asao ireo izay ampianarinao mba hizara ny zavatra tsapany sy nianarany.

F&F 123:11: “Ary izany koa dia andraikitra tsy azo ihodivirana izay ananantsika amin’ ny taranaka vao misondrotra rehetra.”

Inona no Andraikitro amin’ireo Taranaka Vao Misondrotra?

Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “[Ity taranaka vao misondrotra ity],izay nomanin’ny Tompo ho amin’izao fotoana izao, dia tokony ho arovana … sy homanina amin’ny fotoana iainany manokana eo amin’ny tantaran’ny zanak’olombelona! Nomanina manokana izy ireo mba ho tonga amin’ity fotoana ity, saingy ankehitriny dia ilaina atosika izy ireo mba handroso hiatrika ny andraikiny. …

“Tsy misy mahasamihafa ireo tanora amin’ireo olona andalam-piovam-po. Misy ireo fotoana miavaka izay manomboka mampihetsika ny fanahiny—na izy manatona ny Tompo na manalavitra Azy. Izany fotoana fanapahan-kevitra izany dia tsy voatery ho misy, kanefa rehefa mitranga izany dia tsy tokony ho verivery fotsiny. Izany fotoana izany, izay matetika, dia mitranga mandritry ny resaka feno fanajana sy filaminana atao miaraka amin’ny ray aman-dreny, raibe sy renibe, eveka, na olon-dehibe mpitarika na zatovo iray izay miaina amim-pahamarinana” (“Unto the Rising Generation,” Ensign, Apr. 1985, 8, 10).

Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy: “Mendrika ny hanehoana ezaka fanohanana sy fanamafisan’orina tsara indrindra avy amintsika ireo taranaka vao misondrotra ireo mba hiatrehany ny lalany mankany amin’ny maha-olon-dehibe azy. … Mila mahatsapa isika fa ilaina ny fampitomboana ny fanamafisan’orina, fanolokoloana ary fanehoana ny tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny fihetsika rehetra ataontsika, any amin’ny toerana rehetra izay alehantsika ary eo anoloan’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany mifanena amintsika” (“Our Rising Generation,” Liahona, Mey 2006, 47)

Ahoana ny Ahafahako Mikolokolo ireo Taranaka Vao Misondrotra?

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008): “Tsarovy hatrany fa ireo madinika ireo dia zanakalahy sy zanakavavin’Andriamanitra ary andraikitrareo ny mikarakara azy ireo, fa ray aman-dreny koa Izy talohan’ny naha-ray aman-dreny anareo ary tsy niala tamin’izany andraikitra na fitiavana tamin’ny naha-ray aman-dren’ireo madinika ireo izany Izy, izay Azy ihany. … Tezao am-pitiavana sy ao anatin’ny fikolokoloana sy ny fananaran’ny Tompo ny zaza. Karakarao ny madinikareo. Raiso ao an-tokantranonareo izy ireo, ary kolokoloy sy tiavo amin’ny fonareo rehetra. Mety hanao zavatra izay tsy nirianareo ho ataony izy ireo, rehefa mandeha ny taona, kanefa manàna faharetana. Manàna faharetana. Tsy hahatsapa ho resy ianareo raha toa ka mbola manohy manandrana hatrany” (“Words of the Living Prophet,” Liahona, Mey 1998, 26–27).

Julie B. Beck, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany: “Ny dikan’ny hoe mikolokolo dia mamolavola, mikarakara ary mampivoatra. … Mitaky lamina, faharetana, fitiavana ary asa ny fikolokoloana. Ny fanaovana izay hahitana taratra ny fivoarana amin’ny alalan’ny fikolokoloana dia tena andraikitra lehibe sy manan-danja napetraka tamin’ny vehivavy” (“Mothers Who Know,” Liahona, Nôv. 2007, 76, 77).

Barbara Thompson, mpanolotsaina faharoa ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany: “Afaka mifanampy amin’ny fanamafisana orina ny fianakaviana isika amin’ny maha-mpirahavavy antsika ato amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Nomena fahafahana isika hanompo amin’ny lafiny maro. Isika dia mifanerasera tsy tapaka amin’ny ankizy na tanora izay mety tena ny fanampiana azontsika atolotra no tena ilainy. Ianareo ry rahavavy efa zokinjokiny dia manana torohevitra sy traikefa tsara azonareo zaraina amin’ireo reny mbola tanora. Indraindray ny mpitarika ao amin’ny Zatovovavy na mpampianatra ao amin’ny Kilonga dia miteny na manao ilay zavatra ilaina mba hanamafisana izay zavatra ezahin’ny ray aman-dreny ampianarina. Ary mazava ho azy fa tsy mila manana antso miavaka isika mba hahafahana manampy ny namana na ny mpiara-monina” (“I Will Strengthen Thee; I Will Help Thee,” Liahona, Nôv. 2007, 117).

Sary sy lafi-tsary nataon’i Craig Dimond