2009
Fanontaniana sy Valiny
Ôktôbra 2009


Fanontaniana & Valiny

“Ao amin’ny fianakaviako dia izaho no zandriny indrindra amin’ny elanelan-taona maro. Mahatsapa ho voailika foana aho amin’ny fiaraha-mientana sy resaka ataon’ireo mpiray tampo amiko. Inona no azoko atao hanatsarana ny fifandraisanay?”

Izany toe-javatra manahirana izany dia manome fahafahana an’ireo rahalahy sy anabavinao hahafantatra fa te-handray anjara bebe kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo ianao. Mety tsy fantatr’izy ireo fa mahatsiaro ho voailika ianao. Afaka miresaka amin’ny ray aman-dreninao koa ianao mikasika izany. Hanana hevitra tsara izy ireo.

Manomeza hevitra an’ireo mpiray tampo aminao momba ireo fiaraha-mientana izay azonao atao miaraka amin’izy ireo, ary mieritrereta lohahevitra azonao resahana amin’izy ireo. Tadidio ny fandaharam-potoan’izy ireo sy ny zava-mahaliana azy rehefa manao drafitra hanokana fotoana hiarahana aminy ianao. Ny fihainoana azy ireo sy ny fanehoana fahalianana amin’ny zavatra ataony dia tsy vitan’ny hanatsara fotsiny ny fifandraisanareo fa hanampy anao hianatra koa. Mandalo toe-javatra izay mety ho lalovanao afaka taona vitsy izy ireo.

Tsarovy fa zava-dehibe ny fianakaviana eo anatrehan’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Raha mivavaka hahazo ny fanampiany ianao dia afaka ny hanome anao ireo hevitra hanatsarana ny fifandraisanao amin’ny mpiray tampo aminao Izy. Manana herimpo hanaraka ny bitsika voarainao.

Miresaha amin’Izy Ireo

Ao amin’ny fianakaviako dia izaho koa no zandriny indrindra amin’ny elanelan-taona maro, kanefa hitako fa te-hahafantatra ahy tahaka ny faniriako te-hahafantatra azy ireo izy ireo. Mino aho fa hazoto ny iray tampo aminao raha miantso azy ianao na dia hiresaka fotsiny na hanasa azy ireo hiara-hisakafo atoandro tsindraindray. Tantarao amin’izy ireo ny zava-mitranga eo amin’ny fiainanao. Hisy dikany lehibe eo amin’izy ireo ny fahatsapana fa tsy mampaninona anao ny mizara ny eritreritrao sy ny fahatsapanao amin’izy ireo. Miresaha koa lohahevitra ara-panahy amin’izy ireo. Hanampy anao ho lasa akaiky kokoa tsy amin’izy ireo ihany fa amin’ny Rainao any An-danitra koa izany.

Kelsey H., 16, Alberta, Kanadà

Meteza ho Ohatra Tsara

Efa niaina zavatra manahirana toy izany koa aho. Ny zavatra tsara indrindra azontsika atao dia ny manao ohatra tsara ho an’ny zokintsika lahy sy zokintsika vavy. Vokatr’izany dia hisy fitiavana sy fiadanana eo anivontsika. Tokony hilaza amin’izy ireo ny fitiavantsika azy ireo isika ary tokony hanandrana ny hiray hina amin’ny maha-fianakaviana. Na ho ela na ho haingana dia ho tsapan’izy ireo ny fitiavantsika azy. Fantatro fa mandeha tsikelikely ny fahatanterahan’izany.

Ádám B., 16, Gyor-Moson-Sopron, Hongrie

Makà Fotoana Hiarahana

Indraindray dia sarotra no maka fotoana hiarahana amin’ireo rahalahy sy ny anabavy zokintsika, noho ny fianarana sy ireo andraikitra andavanandro hafa. Kanefa rehefa afaka ianao dia mandehana miresaka amin’izy ireo fotsiny, tantarao azy ny andronao ary fantaro hoe manao ahoana izy ireo. Rehefa manana olana ianao mikasika ny zavatra iray dia afaka manontany ny hevitr’izy ireo ianao amin’izay fantatr’izy ireo fa manome lanja ny heviny ianao. Hajao tahaka ny fomba tianao hanajan’izy ireo anao izy ireo. Afaka milalao sy manokana fotoana miaraka amin’izy ireo ianao—hanampy be dia be izany. Tokony hilaza amin’izy ireo ny fitiavanao azy ireo ianao. Fa ny tena zava-dehibe dia mivavaha. Hanampy anao hatrany ny Ray any An-danitra.

Katherine M., 14, Idaho, Etazonia

Omeo Fitiavana Izy ireo

Amin’ny maha-zandriny indrindra ahy ao amin’ny fianakaviana dia indraindray aho mahatsiaro ho voailikilika amin’ny zavatra hiarahana atao sy resahin’ireo mpiray tampo amiko ary mahatezitra ahy izany. Kanefa rehefa mieritreritra an’i Jesoa Kristy aho dia tsapako fa afaka mifanamafy orina sy mifankahery izahay, amin’ny alalan’ny fanehoana ny fomba fijery iraisana amin’ny fianakaviako. Anehoy fitiavana sy haja ny olona tsirairay. Asehoy fa liana amin’izy ireo ianao ary ataovy tsapan’izy ireo fa miahiahy ny aminy ianao.

Joseph M., 16, Leyte, Philippines

Mifalia amin’ny Fotoana Iarahana Rehetra

Tsindraindray aho mahatsapa ho hadino satria ireo anabaviko dia efa manana ny zavatra ataony manokana ary tahak’izany koa ny ray aman-dreniko. Rehefa nandeha ny fotoana dia takatro fa tia ahy izy ireo ary tsy hoe tsy te-hiaraka amiko izy ireo fa misy fotoany avokoa ny zavatra rehetra. Zava-dehibe tokoa ny mifaly amin’ny fotoana rehetra ahafahana miaraka amin’izy ireo, mihomehy, mampiseho hatsaram-panahy sy fankamamiana ary ambonin’izany rehetra izany ny mampiseho fitiavana azy ireo. Zava-dehibe ho anao ny mivavaka ary mangataka amin’ny Raintsika mba hanampy anao hanakaiky kokoa ny rahalahinao sy ny anabavinao. Haheno ny vavakao Izy ary hanampy anao.

Roberto S., 18, Santiago, Chilie

Manokana Fotoana Hiresahana

Izaho no farany indrindra amin’ny zaza fito. Fony aho mbola kely dia nahatsapa ho voailikilika aho kanefa fantatro koa fa tia ahy mihoatra ny nieritreretako azy izy ireo. Mety ho sarotra aminao ny hifandray aminy amin’izao fotoana izao kanefa ny fotoana tsara indrindra niarahako tamin’ny mpiray tampo amiko dia nandritry ny resaka nataonay. Tsapako fa tena matoky ahy izy ireo ary hatramin’izao izany. Mba hahafahako miresaka amin’izy ireo dia manandrana manampy azy ireo amin’ny andraikiny aho, manao tsara fanahy amin’izy ireo, tsy mifamaly ary miara-miasa mba hahafahan’izy ireo koa manampy ahy. Nanampy ahy hahatsapa ho miray amin’izy ireo sy ho tiany izany.

Maria H., 19, Mexico City, Méxique